tsy mahay miteny français i R8 !!!

81. tsiafoi1 ( 05/02/2009 13:37)
Tenin\'i Baba io sa tenin\'Endry ino blem nao fa rehefa toi parles , ze comprend de efa ça va io....

Samy nomen\'Andriamanitra ny teny sahaza azy isam-paritra, isam-poko, isam-pireneny avy de mahaiza mankasitra ny an\'ny tena e, fa na hi-speak aza tsy ho vazaha na oviana na oviana mihitsy!

Président an\'i Japon ve zao de mahay miteny frantsay? Ka raha tsy hoe référence le frantsay koa!

I Ra8 le takapakapa fiteny iny mihitsy no mampiseho fa tena Mpitery ronono matsilo lery, ka tafanika ny avo tsy fidiny....

Na izany na tsy izany, \"Andriano ny an\'ny tena de fehezo koa ny hafa\"
82. ari.malala ( 05/02/2009 13:45)
oudry! fa ny hotel de ville may tam 72 ahoana e! mbola tsy nohonohonoana ho teraka akory aho tamizany fotoana izany fa mahalala ny tantara ko tsy potika mankaiza e!

ilay izy tsy resaka hoe mora anaovana kobaka ambava, ts resaka koa hoe izay mahay miteny frantsay iany no tena henjana, fa jerena @ ilay toerany hoe mila mifandray @ olona hafa firenena maro be izy, dia farafaharatsiny mahafehy teny vahiny 1 farafaharatsiny a! fa ny azy toa tsy misy mande am ze laoniny na frantsay na anglisy! ny alemà aloha tsy mbola nahare aho , no sady tsy mahay allemand rahateo :D ahatsiarovako blagin'olona izay hoe ohatran'ny mihinana ovy mahamay ra8 refa miteny anglisy hihihi! mivadibadika b ftsn ny lelany fa tsita ze tena ambarany hihihi!

83. xxx ( 05/02/2009 13:48)
I Ra8 le takapakapa fiteny iny mihitsy no mampiseho fa tena Mpitery ronono matsilo lery, ka tafanika ny avo tsy fidiny....


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) EFA TENA MAOLA SY FANATIKA TANTERAKA @ RA8 KOA ITSIAFOY ZANY =)) =)) =)) =)) =))
84. xxx ( 05/02/2009 13:52)
"Andriano ny an'ny tena de FEHEZO koa ny hafa"
Ka inona no mba voafehiny e, anglisy ve, NON - Frantsay ve NON, Sinoa ve NON
Efa tsy mahay de tsy mahay fa aza mitady hevitra hitenenana hoe mahay miteny vahiny ny filohan-tsika,
Porofo tsotra fotsiny ny saika nahalasanan'ny Corean 1.3million HA ny tanin'ny firenena Malagasy.(Mety efa vita sonia ary....ho hita eo ny tohiny)

Antsika iny fa mahamenatra ny tsy fahaizany miteny vahiny, de izao amidy @ vahiny ny tany @ hadondronana
Tsy nisy zaza 14 ans nasaina nandeha nandroba teny dia mody natao hoe martyre

ka zah ary ho aho mba gaga hoe hay zaza 14 ans efa mahita ny tsy mety hataon'io zalahy io mainka fa IANAO io.
85. mia ( 05/02/2009 14:05)
Ny zaza raha mbola tsy feno 18 ans dia mineur!! 21 ans aza vao majeur @ tany sasany dikan'izany ry xxxx a:: dia ny mineur mbola ny ray sy reny no manapaka azy ka mbola mora ahodikodina!!hitanao misy délit hoe détournement de mineurs izay mampigadra io!

hotel de ville may tam 72 kosa ngamba tsy nisy olona be dia be may tao, ary ny fomba nitondrana ny hetsika dia zavatra hafa mihitsy fa tsy hoe te ahazo seza fotsiny!!

Tsy hitovy mihitsy ny zav-misy tamin'nizany sy izao satria tamin'izany mpianatra université tonga saina tanteraka no nitarika teny fa tsy DJ!

Ny tsy fahaizana na tsia teny frantsay ho an'ny olona miteny vahiny hafa tsy miteraka complexe mihitsy!! izay no tena tiako ahatongavana
86. xxx ( 05/02/2009 14:10)
tsy aleoko DJ toy izay mpitery ronono rah @ lafiny asany taloha no resahina?

=)) =)) =)) =))
87. nyavo2000 ( 05/02/2009 15:12)
DJ leitsy tsy misy production an!

Ny mpitery ronono sady manabe voho ny famokarana no mampiroboro ny varotra...resaka économie atao mora sy mba ho azon'éla io.

Ny ronono no naha milliardaire and-DR8 talohan'ny nanaovany politika
88. xxx ( 05/02/2009 15:44)
Ny ronono mitapoka rano no naha milliardaire and-Dra8 ka nanaovany politika
89. heidi ( 05/02/2009 15:47)
ifiona:

d maninn anefa izy raha tsy dia mahay miteny frantsay e! be anie ireo filoham-pirenena tsy mahay afa-tsy teny anglisy sy teniny nefa mahay mitantana e! nareo ko d tsss :roll:
marina izany!

fa saingy iy angaha mahay mitantana moa! mahay mitantana ve izy ka me mahantra daholo ny gasy..... mitantana ny harenany hoe ka hainy tsara ô!


90. ndenn ( 05/02/2009 16:01)
Ka efa voalaza anie fa ny tenin'ny razana manao hoe: kotaban'andohavary mahaleo mampanembona ,ny firaikan'andriantsara mampitondra satro-jororo .Voalohany aho no niteny io ohabolana io ,izay naverimberin'i dadabe tamiko fony izaho mbola zaza. :oops:
91. ravonjison ( 05/02/2009 16:48)
Izaho aloha dia d\'accord @ dry Ifiona, molota sns... izany hoe tsy mampaninona ahy raha tsy dia mahay teny frantsay Ravalo. Ireto no antony hilazako izany:
1-tsy tenin-drazany io, ka tsy voatery ho hainy.Raha mahay izy ,tsara, kanefa kosa raha tsy mahay, tsy voatery.
2-Isika francophone sy tany voazanaka frantsay foana no mifampitsikera hoe mahay sa tsy mahay teny frantsay.Efa t@ andron\'ny fanjanahantany no nisy ilay hoe: rehefa mahay teny frantsay dia mahazo asa ambony na mandeha mianatra any Frantsa. Tsy ny fahaizana teny frantsay akory no hilazána fa tsara ilay olona na mahay mitondra ilay olona.Betsaka ny gasy nianatra tatý andafy ankoatra n\' i Frantsa, manampahalalána izy ireo, fa mety tsy miteny frantsay tonga lafatra, satria nianatra @ tenin\' i firenena izay nipetrahany. I Ratsiraka no mahay miteny frantsay tsara, kanefa inona no zava-bitany : socialisme e, etsy eroe , ny vokany dia ny fahantran\' i Gasy.
Raha mandalo any Angletera ianareo ka manandrana miteny frantsay dia hihomehezan\' ny olona, tsy misy te halala teny franrsay izany any.
Ka aza asiana korapaka be ilay izy , fa tsy miankina @ izany mihitsy no maha-olona ny tena.
2- rehefa miatrika fivoriam-be iraisam-piranena ny filoha dia misy traducteur isaky ny seza tsirairay. Dia ny filoha fotsiny no mifidy ny teny tiany hampiasaina, noho izany tsy misy olana iny.
3- marina fa handray fivoriana francophone isika, tsy ny filoha irery anefa no misahana izay, ao ireo traducteur sy mpahay langues isankarazany tokony hanao ny asany ara-dalána. Ka tsy hitako mihitsy izay olana @ izany. Raha izany no hahamenatra anareo dia fohy fijery izany. Tsy @ alalán\' ny olona iray akory no hitsarána na hijerena an\' i Dago na ny olona rehetra eto Dago.
( Oh: misy olona manan-daza iray avy any @ pays iray.Manan-daza izy satria mahay mifampiraharaha fahandriapahalemana, kanefa kosa mitondra tehina, hitako t@ telé . Dia izay ve no hilazána fa mitondra tehina daholo ny olona avy any @ taniny?)
Mino aho fa tsy hanao fomba fijery toy izany ireo filoha vahiny hoa avy any Dago.
4- raha resaka fadratoam-pahalalána dia izao no azo lazaina. Isika dia zatra mandrato fahalalána @ alalán\' ny teny frantsay. Tokony hiezaka isika handrato fahalalána @ alalán\'ny teny maro samihafa. Ny zavatra sasany nosoratan\'ny frantsay dia araka ny fahitán¨\'ny frantsay azy, nefa mety tsy mifanaraka @ zavamisy, ary mety ho hafa koa ny fomba fijerin\'i anglisy izany (Oh: ny tantaran\'i Dago nandritra ny fanjanahantany)
5- ny resaka tsikera tsy maninona, ao anatin\'ny demokrasia izany , fa ilay resaka fanambaniana no tena tsy tiako. Aza mifanambanimbany ry zalahy a.

Averiko eto fa tsy misy resaka pour na pro Ravalo io fa resaka fomba fijery fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079