mahavariana ahy

1. ari.malala ( 30/12/2008 07:41)
http://agape-tv.com/agape_feminin/index.php/fanontaniana-sy-valiny/azo-atao-ve-ny-mandihy-aminireny-soiree-ireny-239

Mba mahavariana ahy ny voalaza ao anatin'io article io! fa fiderana ny devoly ahoana koa ny dihy e! tsy azoko!
2. prime ( 30/12/2008 11:11)
Efa voambara ny asan'ny devoly sy ny fanaony ary tsy indray mandeha ny Tompo no mananatra ny mpanaradia Azy hitandrina sy hiambina mandrakariva fa toa variana dia variana ny olona, na dia ny mpino aza no tena anarina mafy ny amin'izany...

Mila iambenana io ry ari. fa ny tena olana dia ny tsy finoana mihitsy ny fisian'ny devoly... eo no tena mipetraka ny fanontaniana fa tsy ny resaka dihy sy hira sy fihaingoana sy fihogoana sy fisakaizana sns...
3. badboy ( 30/12/2008 11:45)
Raha arak'io kozy anatin'ilay tsongatsoratra sy ny kozin'i pastera prime, dia ny fiderana an'Atra ihany izany no atao amin'ny fahatongavatsaina na "consciemment", fa ny fiderana ny devoly @ alalan'ny dihy any @ toerampandihizana sy ny hira hiraina andavanandro dia tsy ampisainana sy fivononana na "inconsciemment"!! Izany hoe ilay olona izany tsy tompon'ny tenany fa "possédé" daholo, ka izay ataony rehetra dia asandevoly na mandeha tongotra izy, na misakafo, eny na dia teren'ny fitombenany hipetraka ambony lavapiringa aza dia asandevoily daholo!! Niainga t@ izany fotokevitra fahitana ny devoly ao anatin'ny zavadrehetra miseho sy atao izany no nahatonga ny namatorana rojov ilay zaza 7 taona izay ny tsy fitenenany hatr@ nahaterahanay no nilazana azy ho itoeran'ny devl, na koa ny namatorana ireo marary saina!!

Ilay fiainana eto antany sy ny andavanandro mihintsy no tsinitsiniavin'ireo olona mampita io hevitra fisian'ny devoly @ rehetra io!! Raha izireo no nohenoina dia ho tsy nisy mihitsy izany aterineto izany satria hatr@ fivorampiainana rehetra no tsy ekeny fa ahitany asandevoly foana!! Lasa fanatisme ilay izy ary sahiko mihintsy no milaza fa izireo ihany ilay devoly tanisainy raha ny fomba fanaony no jerena!! :twisted: :twisted:
4. mia ( 30/12/2008 12:30)
Tsy tokony ho fidiana fotsiny ve ny toerana aleha fa tsy hoe rehefa mandihy @ soirée dia midera devoly sa??
5. ikaretsaka ( 30/12/2008 12:54)
Io fisainana hoe tonga de tsaraina avy hatrany fa misy devoly io aby rehefa zavatra tsy ekeken'ny loha io no mitarika bornage sy fanatisme ary tsy fivelarana eo @ tontolo.(contraire an izany: izany hoe tokony mampiasa ny manodidina sy ny tontolo nomena anefa no hafatr atra)
Ary anisan'ny nananarana sy nanesoan'i jesoa ny fariseo isaky ny "miara mikorana @ mpanota Izy" lalandava izany
Amiko manokana tsy ho voatery ho dihy vanjo alika vo dihy midera an'Atra. Ireny aza no naka sopapa sy inspiraka t@ dihy profane ko

Ary anisan'ny fanitaran-tsaina sy fampiasana ilay talenta izany,raha mandihy no talenta nomeny anao. Ny asa sy ny atao.na tsy baikoan'ny konsiansy aza, dia an'Atra: satria izy rahateo no nahary antsika sy nanome antsika fahafahana hanao izany
6. ari.malala ( 30/12/2008 14:27)
ka izay indrindra mantsy no mahavariana ahy anie e! fa nahoana moa no tsy maintsy hoe asan'nydevoly foana ry prime izay tsy miresaka an'Andriamanitra? HS ity fa tsy resaka dihy fa ianao sy ny vadinao izany tsy miray aranofo itnsony satria asan'ny fahavetavetana izany asan'ny devoly? ny mahavariana ahy dia rehefa ilay hoe handeha mariazy hono izany dia tys mahazo manao afatsy hira fiderana (euh :roll: :-w :-w) dia nefa misy nysasany mpanatrika mba mody lava be miraritarika ny akanjo fa ny lamosina mihanjaka, ny zipo tataka hatrery am-poto-pe, tsy aleoko ihany toa ahy manao pataloha lava ity!!! iny tsy misy risque hitanjaka intsony tsinona ko hihihihi! fa ilay mandihy any amin'ny soirée, rehefa inona nomisy devoly dia rehefa inona no tsy misy ry prime? mba azavao kely hoe fa ts azoko mihintsy!
7. ikaretsaka ( 30/12/2008 14:38)
Rehefa minotsika "vanjo alika" de mety satria vanjo alika fa na madison aza misy devoly rehefa tsy vanjoalika....

Imagineo nge hoe atao rythme kilalaka I @ anaran I jesoa :-D
8. bor2lais ( 30/12/2008 14:52)
Hoy i ari.malala hoe :
\"tsy aleoko ihany toa ahy manao pataloha lava ity!!! iny tsy misy risque hitanjaka intsony tsinona ko hihihihi!\"

-> tandremo fa na pataloha aza ange mety ho tataka eo am-pandihizana ihany koa e ! Izay ianao vao mety am-piditra devoly ho an\'ny sasany eo ... Ianao izany (@ io tranga io) nataony fitaovana hidirana ao @ ilay olona ... :lol:
9. Andribe ( 30/12/2008 15:08)
:o :o Ahanhann!! resaka tsy mitombina izany resaka tsisy lohany sy tsisy fiafarany :lol: :lol: :lol: aleohitohy ny revy ooaaaà proutpprrroooouuuuuttttt!!!!
10. princesseN ( 30/12/2008 15:42)
tsy aiko loatra alou hoe asan-devoly ve le mandihy am na soirée na tsia (hafa mintsy kosa alou ny any am boite eh!)
f ny zavatra inoko de oe lasa asan-devoly ny zavatra iray ataonao ra toa ka mi-possédé anao tanteraka ka anadinona an'Atra ohatra zao oe ra toa enao ka misurf am net fona isan'andro nefa enao tsy mb mavita mivavaka akory isan'andro!mb ô moins zany mb ts ho sakana hivavahanao le zavatra ataonao eh!mb tin'Atra zany enao mb hatsiaro Azy fona na d 1mn fotsiny az!
11. Mirananirina ( 30/12/2008 15:55)
Asan'olombelona izany rehetra izany fa tsy asandevoly akory.Ary Andriamanitra no nanome.
12. niryna ( 30/12/2008 16:21)
Ity misy tantara marina efa notantaraiko teto ity.
Nisy tovovavy izay ketr'ila ilay izy..Nivavaka mafy tokoa ity pasitera mba ho sitrany izy ary nisy fahagagana tokoa ka lasa nitovy ilay tongony roa. Talohan'izay dia tena nazoto nivavaka ilay tovovavy.Taty aoriana anefa dia tsy niverina niangona intsony izy .Aiza izy hoy hianareo ? Any amin'ny boite de nuit no fandehanany isaky ny sabotsy ary dia tsy tafafoha niangona intsony.Nivavaka ho azy ihany pasitera mba hiverenany sy mba ho voavonjy ny fanahiny ary dia nahita fahitana izy fa averiny aminy ny tongony ketr'ila satria ny fananany tongotro mitovy dia nampivoana aza tsy anatona an'Atra intsony .Dia hatreo no farany henoko ,lasa niverina ho ketr'ila ilay tovovavy.
Sarotra be ny andresy lahatra ny olona fa dia izao fotsiny ihany e,fantatrao fa tsy lalana tokony alehanao dia aza mandeha,fantatro fa mahasoa ny fanahinao ny mandeha any dia mandehana.Inona tokoa moa no zavatra mitranga amin'ny fiainana? mifokafoka sigara kely,misotrosotro toaka kely ,dia mihitatra amin'izay ny feeling rehetra. Maninona no tsy atao amin'ny atoandro ny fandihizana any amin'ny bar na any amin'ny club na any amin'ny boite de nuit ? satria amin'ny alina daholo no mivoaka ny rehetra ( toa ao anatin'ny maizina daholo tokoa no miseho ny atao ka mihevitra hoe tsy misy mahita kanefa Atra anie mahita antsika na ao amin'ny maizina aza e ) hi,hi,hi .
Amiko tsy misy maharatsy ny hoe mandihidihy sy mihirahira fa ity mba zavatra lazaiko ,go go dancing no hilazana azy ....vehivavy mandihindihy ary silipy sy taty nono fotsiny no anaovany eo dia mandrotsaka vola ao anatin'ny slipiny ny lehilahy... anjarantsika no misaina dihy koa io .... ilaina ve ny mandeha mijery izany, filan'ny vatana ve no tadiaviko sa filan'ny fanahy ?
Averiko indray fa arakaraky ny toerana io : ireto ny santionan'ny sary any amin'ny toerana antsoina hoe go-go dancing .
http://www.lifemusic.fi/img/gogo/gogo01.jpg

http://www.clubplanet.com/news/blogpics/rebecca%201.jpg

http://www.sherpastudios.net/uploaded_images/GoGoRhythms_Sherwin-746853

Ny lehilahy no voatarika ka mamoaka vola am-paosy ,ny vehivavy kosa no mpanjono izay manaiky ho jonoiny ...oops :roll: ngah
13. diamondra27 ( 30/12/2008 17:29)
ilay fomba filaza no mahatafitohina andry ry ari.malala fa misy tohiny ilay article hoe:
... Eo indrindra no tiako hisitonana ny saintsika hoe : any amin’ny soirée ve karazana hira manao ahoana kay no handihizana ? hira fiderana an’Andriamanitra ve sa fiderana an’ iza ?. Fa manoro hevitra anao aho fa raha tsapanao fa fiderana an’ Andriamanitra dia mitsinjaha mihitsy ary ataovy amin’ny fonao rehetra, fa raha tsy izay kosa fa toa hira hafahafa toa milaza zavatra dia manoro anao ampitiavana aho, rehefa tena zanak’Andriamanitra marina ianao fa tsy mahafaly ilay tia anao izany, tsy mahasoa anao, ary mety misakana ny soa tsy ho azonao, dia aza atao.

ka io no tian'ny mpanoratra ampitaina amintsika.

Fahiny tokoa ange dia voalaza ao amin'ny salamo fa mitsoka mozika sy mandihy ny fiderana an'Atra e fa tsy amin'ny hiran'izao tontolo izao.



14. badboy ( 30/12/2008 18:23)
Fa raha ny fahazahoako izao tenindry diamondra izao dia lasa fanandevozana ilay fivavazhana natao hamahy ny fangejana!! Ka tsy haiko hoe iza loatra izao Atra andrandrainareo izao fa mino aho fa tsy ilay tena izy fa sandoka raha izao no fomba fijerinareo ny zavatra tena tadiaviny!!!

Rah izao izany dia hatrany ampangerena no tokony hivavaka raha izao, na koa rehefa milomano dia mivavaka, eny na eny ampifohana sigara aza dia mila mivavaka!! Mampitsoaka sy mampandositra izany satria tsy mila miaina @ mahaolona intsony fa na ilay sôra fohana aza mety hoe devoly no ao!!!

Aleoko tsy mino toy izay izao fangejana moderina miampy tsy firaharahana ny fiainana mahaolona izao!! Hino inona koa moa satria tsy ilay lazainy hinoany mihintsy no manakana ny olona tsy hiaina!! Ny mifanohitra @ izany no tadiaviny!! 8) 8) 8)
15. xxx ( 30/12/2008 22:44)
Matetika ny fomba fi-interpreter-ntsika kristianina ny Soratra Masina no tsy feno na diso. Ka izay no mampiteraka olana. Lasa natao biby fampitahorana ilay Andriamanitra fa tsy FITIAVANA intsony. Ka angataho ny Fanahy Masina hanazava ny saintsika hahazo izay tena tiany holazaina amintsika. Fa rah terentsika hanaraka ny hevitsika ny hevitry ny Soratra Masina dia sady mandainga isika no mangeja ny hafa.

Ny fiainana maha-olona sy ny fiainan'Andriamanitra dia tsy mifanohitra velively. Ary ny fivavahana tsy natao hi-condamner ny fiainantsika olombelona fa natao handavorary azy. Izany hoe, tsy sacrifier-na akory ny maha-olona na ny fianana maha-olona mba hiderana an'Andriamanitra. Fa ny tena izy, dia @ fiainana maha-olombelona mihitsy no hiderantsika Azy.

Koa ny saintsika ihany no mitondra azy. Lanjalanjao, zahao toetra ny zavatra rehetra hoy Md Paoly. Ka ianao ihany no mahita rah tena NORMA na tsy izy ny zavatra iray.
16. badboy ( 30/12/2008 23:07)
xxx >> Ianao ranamana toa manao resaky ny mandroso mihemotra!!

Eto ianao milaza fa
Matetika ny fomba fi-interpreter-ntsika kristianina ny Soratra Masina no tsy feno na diso. Ka izay no mampiteraka olana. Lasa natao biby fampitahorana ilay Andriamanitra fa tsy FITIAVANA intsony. Ka angataho ny Fanahy Masina hanazava ny saintsika hahazo izay tena tiany holazaina amintsika. Fa rah terentsika hanaraka ny hevitsika ny hevitry ny Soratra Masina dia sady mandainga isika no mangeja ny hafa.

Ny fiainana maha-olona sy ny fiainan'Andriamanitra dia tsy mifanohitra velively. Ary ny fivavahana tsy natao hi-condamner ny fiainantsika olombelona fa natao handavorary azy. Izany hoe, tsy sacrifier-na akory ny maha-olona na ny fianana maha-olona mba hiderana an'Andriamanitra


Dia eto indray dia hoe
Fa ny tena izy, dia @ fiainana maha-olombelona mihitsy no hiderantsika Azy.


Mety izaho angamba no donendrina fa raha ny fahitako izao fandaharanao ny soratra apetrakao izao dia manao "nuance" tsy lavorary ianao satria miverana manohana ny hevitr'ilay mpampisy devoly n'aizan'aiza ihany ny farany!! :evil: :evil: :evil:
17. ikaretsaka ( 30/12/2008 23:22)
Mihodinkodina be sy manao manjoso moemotsa nareo mitsa fa afaka fintinina tsotsotra ve ny tena tianareo mitsam hahatongavana?
18. badboy ( 30/12/2008 23:29)
ikaretsaka >> Ka za koa aza saika fanina nanaraka ny lalana izorandra xxx saingy koboko ihany ny tena tiany hahatongavana
Fa ny tena izy, dia @ fiainana maha-olombelona mihitsy no hiderantsika Azy.

Ny dikany dia hoe izay atao dia ao amin'Atra, ary ataovy amin'Atra!! Miverina manambara ihany izany fa ny atao ankoatr'izay izany dia devoly sy ota!! Tsy haiko raha kobon'ikaretsaka!! 8) 8) 8)
19. ikaretsaka ( 30/12/2008 23:37)
Ny ahy na mananona aza aho de manao asan atra kaloha amiko e... fa zay aloha za manokana
20. badboy ( 30/12/2008 23:44)
ikaretsaka >> :-D :-D :-D Tsy haiko ilay tena dikan'ilay mananona fa raha tohizako iay izy dia sady miasa eo izany no misaotra (misaotra Atra)!! :^) :^) :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4573