mahavariana ahy

41. ikaretsaka ( 13/01/2009 20:55)
prime:

ikaretsaka> Raha tsy mandalina ny atao hoe "fandraisana ny fanasan'ny Tompo sy fanatrehana ny fanasan'ny Tompo sy fiatrehana ny latabatry ny Tompo" hianao dia tsy misy mahasoa ny iresahana izany akory toy ny tsy misy mahasoa ny handaniana andro iresahana ny sabata sy ny batisa rano sy ny batisa fanahy hoe atsofoka, asaika sa ametrahan-tanana no tena izy, zazakely sa olon-dehibe, sabotsy sa alahady no tena izy, alakamisy sa alarobia sa zoma Jesosy no tena maty nanomboana Azy sns... :)

Raha izaho no horesenao lahatra ny mahatena nofo sy rà ny mofo sy divay rehefa mandray ny fanasan'ny Tompo dia ho rera-poana ihany hianao... :lol:

Mahereza hatrany...

Nandalina aho fa tsy resy lahatra satria ny nambara voalaza mazava tsara hoe raiso ary hano..ity no.... no nodisoana sy nosolosoloina ze netinety fotsiny ...tsy nisy nilaza hoe nasaiko laisany dia samia misotro @ kaopin laisany...
Zadindrapasy aho raprime no nanao byebye noho ireo antony ireo an..ary pasy nalaza tao aminareo tao ilay dadabeanay nankahala ahy izay... Mandrapahafatiny noho io fialako io...za tsy mankahala azy anefa fa tsy dac aminy fotriny
42. prime ( 14/01/2009 08:50)
Raha nandalina hianao dia fantatrao ve izany ny antony sy ny tanjona sy ny votoatin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo araka ny nampianarin'i Jesosy?

Dia inona no diso sy nosolosoloina araka izay netinety fotsiny? satria raha ireo sombiny nampidirinao ireo fotsiny dia hita fa tsy ilay fototra no tianao resahana fa ny fomba...

Dia averiko indray :
aho:
... tsy misy mahasoa ny iresahana izany akory toy ny tsy misy mahasoa ny handaniana andro iresahana ny sabata sy ny batisa rano sy ny batisa fanahy hoe atsofoka, asaika sa ametrahan-tanana no tena izy, zazakely sa olon-dehibe, sabotsy sa alahady no tena izy, alakamisy sa alarobia sa zoma Jesosy no tena maty nanohomboana Azy sns...
43. ikaretsaka ( 14/01/2009 16:05)
Ity kalisy ity apasipasy hozy fa tsy ireto kopikely ireto de fenoy sirop de samby mitazona nenazy...
44. ari.malala ( 15/01/2009 08:17)
prime:

ikaretsaka> Raha tsy mandalina ny atao hoe "fandraisana ny fanasan'ny Tompo sy fanatrehana ny fanasan'ny Tompo sy fiatrehana ny latabatry ny Tompo" hianao dia tsy misy mahasoa ny iresahana izany akory toy ny tsy misy mahasoa ny handaniana andro iresahana ny sabata sy ny batisa rano sy ny batisa fanahy hoe atsofoka, asaika sa ametrahan-tanana no tena izy, zazakely sa olon-dehibe, sabotsy sa alahady no tena izy, alakamisy sa alarobia sa zoma Jesosy no tena maty nanomboana Azy sns... :)

Raha izaho no horesenao lahatra ny mahatena nofo sy rà ny mofo sy divay rehefa mandray ny fanasan'ny Tompo dia ho rera-poana ihany hianao... :lol:

Mahereza hatrany...

Dia averiko @ prime ny teninao hoe tsy ny handresy lahatra no zava-dehibe angamba... Fanazavana toy ny fanazavana rehetra ihany ity entiko ity, isika rehetra dia samy mahalala fa "tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao". IJesoa miteny eto hoe "Vatako ity, Rako ity" dia Andriamanitra. Noho izany, mba hahafahantsika olombelona mi se rendre compte ny présence physique ny ety an-tany no antony nanovàny ny mofo ho tonga Vatany ary ny divay ho tonga Rany. Araka ny tenin'i coopsal hoe raha teto Madagasikara ngamba ny tantara no niseho dia mety ho ny vary no nataon'i Jesoa hoe raiso ary hano fa Vatako ity dia mety ho ny ranon'ampango no nataony hoe raiso ary sotroy fa Rako ity...
45. bor2lais ( 15/01/2009 08:38)
Manararaotra ny fanazavana entin\'i ari.malala aho ka mba te hanontany (satria tsy mahafantatra !) ny namana kato : maninona kay ny mofo ihany no zarain\'ny pretra ho an\'ny mpandray fa ny divay kosa dia sotroiny irery (sa diso ny fijeriko ?) !

Misaotra mialoha amin\'ny fanazavana !
46. ari.malala ( 15/01/2009 08:56)
bor2lais; satria lafo ny divay :-P Rehefa grande cérémonie, toy ny komonio voalohany na konfirmasion dia mandray @ endriky ny Mofo sy Divay ny mpianatra raisina, dia koa rehefa vitsy ny olona manatrika (rehefa manao recollection ohatra na alahady tsotra aza ka vitsy ny olona e! any @ chappelle) dia mandray Mofo sy divay daolo ny olona.
47. bor2lais ( 15/01/2009 09:52)
ari.malala:

Misaotra anao @ fanazavana : hay resaka \"ekonomika\" izany ilay izy ! Ary izay koa izany ve no mahatonga ny pretra rehefa misotro ilay divay manome lamosina ? (hihihi !)
48. prime ( 15/01/2009 09:52)
ari.malala> Misaotra amin'ny fanazavana...

Ka raha izay hoy aho no maharesy lahatra dia hazony izany... fa ny hanamarina ny an'ny tena fa handiso ny ataon'ny hafa dia tsy dia mendrika loatra... izany no nahatonga ahy niteny hoe rehefa tsy fantatra ny amin'ny atao hoe mandray ny fanasan'ny Tompo dia aza mitompo teny fantatra hoe izao ihany no izy... izay no nolazaiko an'ikaretsaka...
aho:
Ka io no fampianarana raisinao ary inoanao (fampianarana ekar) dia hazony fa tsy misy olana ny hoe teny tonga nofo ary nofo tonga mofo...

Raha ilay nofo tonga mofo no zavadehibe ka maharesy lahatra anao (anareo) ho fandraisana an'i Jesosy dia hazony satria ny fandraisana an'i Jesosy no zavadehibe... tsy ny handresy lahatra no nilazako io ambony io fa ny lazain'ny Soratra Masina nanambara fa lehibe ny Fanahy Masin'Andriamanitra (miohatra amin'ny mofo) satria io no herin'Andriamanitra amin'izao ankehitriny izao raha ny lazain'ny Soratra Masina...

Tsy ilay fandraisana mofo fotsiny akory aza no tena zavadehibe raha ny lazain'ny Soratra Masina fa ny Fanahy Masina sy ilay firaisana aina ary ilay fanahy mandray ny mofo sy kapoaka... fa tsy sitrak'Andriamanitra ny mandray sy mihinana amin'ny fanahy tsy mendrika...
... Efa voavaly efa ela ilay resaka fa raha te handresy lahatra indray hianareo dia hafa izay...
49. bor2lais ( 15/01/2009 10:18)
ikaretsaka:

Ity kalisy ity apasipasy hozy fa tsy ireto kopikely ireto de fenoy sirop de samby mitazona nenazy...

-> Mba mahatsikaiky koa ange Ra Ika ity an !

:D
50. ari.malala ( 15/01/2009 13:30)
prime:

ari.malala> Misaotra amin'ny fanazavana...

Ka raha izay hoy aho no maharesy lahatra dia hazony izany... fa ny hanamarina ny an'ny tena fa handiso ny ataon'ny hafa dia tsy dia mendrika loatra... izany no nahatonga ahy niteny hoe rehefa tsy fantatra ny amin'ny atao hoe mandray ny fanasan'ny Tompo dia aza mitompo teny fantatra hoe izao ihany no izy... izay no nolazaiko an'ikaretsaka...
aho:
Ka io no fampianarana raisinao ary inoanao (fampianarana ekar) dia hazony fa tsy misy olana ny hoe teny tonga nofo ary nofo tonga mofo...

Raha ilay nofo tonga mofo no zavadehibe ka maharesy lahatra anao (anareo) ho fandraisana an'i Jesosy dia hazony satria ny fandraisana an'i Jesosy no zavadehibe... tsy ny handresy lahatra no nilazako io ambony io fa ny lazain'ny Soratra Masina nanambara fa lehibe ny Fanahy Masin'Andriamanitra (miohatra amin'ny mofo) satria io no herin'Andriamanitra amin'izao ankehitriny izao raha ny lazain'ny Soratra Masina...

Tsy ilay fandraisana mofo fotsiny akory aza no tena zavadehibe raha ny lazain'ny Soratra Masina fa ny Fanahy Masina sy ilay firaisana aina ary ilay fanahy mandray ny mofo sy kapoaka... fa tsy sitrak'Andriamanitra ny mandray sy mihinana amin'ny fanahy tsy mendrika...
... Efa voavaly efa ela ilay resaka fa raha te handresy lahatra indray hianareo dia hafa izay...

fa in foana kay ny tian prime tenenina amle hoe refa zay no maharesy lahatra e! mitady ho resy lahatra ko nga zato iz hihihi! tsmanin nge e! fa enao zany tena sur à 100% fa tena mahazo tsara ny dikan atao hoe mandray ny fanasan'ny Tompo?
51. prime ( 15/01/2009 13:41)
ari.malala> Ny tiana tenenina dia tsotra... ny fampianarana EKAR dia manana ny faharesen-dahatrany... tsy voatery hanaiky izany ny rehetra ary izany mihitsy aza no anton'ny hetsika protestantisma tamin'ny fotoan'androny...

Ka tsy mitondra fahasoavana na dia kely aza ny miady hevitra amin'ny fomba fa ny finoana no zavadehibe...

Ny amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo dia tena mahafantatra tsara ny tenako... izany no mahasamihafa ny atao hoe mandray komonio sy mandray ny fanasan'ny Tompo... ho an'ny FJKM dia ny fianarana katekomena (fa tsy katesizy) ka tafita amin'izany no miditra amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo na firaisana latabatra amin'ny Tompo...

Izany no mbola ilazako fa tsy ilaina akory ny miady hevitra ny amin'izany fa ny finoana an'i Jesosy no tsara ifantohana ary ny fandraisana ny Fanahy Masina no tsara itoerana sy handinihan-tena...
52. ikaretsaka ( 15/01/2009 16:52)
Ka ny erreur hatrany amboalohany @ io 'resy lahatra' io nge de le efa nolazain'i. Md Augustin sy averiko eto foana hoe "tsy izay metimety aminao @ momba Azy ihany no tsimponinao fa izay tsy mety sy tsy tiatiana de avela e... raha izay dia manjary ianao no mibahana alohan'i kristy raha izay satria ..'ze maharesy lahatra" ANAO aloha'
de avy eo nefany ianao milaza fa Izy no important aminao

->NO anefa ...tsy izy intsony anefa @ zay fotoana izay... "tu avant Il" hozy le niece keliko izay

Ny ohatr'i Masina Maria jerena akaiky.... betsaka ny tsy azony sy tsy naharesy lahatra azy t@ ireo nitranga taminy sy natao taminy fa tsy niandry ny ho resena lahatra sy ze nety taminy foana akory izy vao hoe zay... fa nekeny sy notazominy tao ampony satria ny tompo no nataony ambony foana...

Hivavao sy heritrereto anie
53. ari.malala ( 16/01/2009 05:34)
prime:
Ny amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo dia tena mahafantatra tsara ny tenako... izany no mahasamihafa ny atao hoe mandray komonio sy mandray ny fanasan'ny Tompo... ho an'ny FJKM dia ny fianarana katekomena (fa tsy katesizy) ka tafita amin'izany no miditra amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo na firaisana latabatra amin'ny Tompo...

:roll: :roll: euh... beuh... fa ny fianarana katekomena iany zany no tena izy raha izany ko hihihihi! ra zay ndray aleoko tsy miteny tsony! eo enao milaza fa tsy ny hifandresy lahatra no tanjona nefa enao manaratsy bêtement ny an'ny hafa... aiza re zany ry pasitera prime oooo!!!!! fa angaha moa aminao ny fianarana katesizy tsy misy dingana na fanadinana fa raisidraisim-poana? ts sanatria mofo gasy nge na ramanonaka iny ko ze te handray d mandray e! ts maints vonona tsara aloha! ary ambarak anao tsara fa 2taona b zao ny fianarana katesizy sy fiomanana @ izany komonio voalohany izany!
54. prime ( 16/01/2009 06:16)
ari.malala:
euh... beuh... fa ny fianarana katekomena iany zany no tena izy raha izany ko hihihihi! ra zay ndray aleoko tsy miteny tsony! eo enao milaza fa tsy ny hifandresy lahatra no tanjona nefa enao manaratsy bêtement ny an'ny hafa...
... Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony heverina fa tsy nihevitra ny hanaratsy "bêtement" aho raha niteny hoe hafa ny katekomena... raha te hahafantatra ny momba ny atao hoe fandraisana ny fanasan'ny Tompo hoy aho dia miditra katekomena... hatreo ihany... tsy misy appréciation ny nolazaiko hoe itsy tsara kokoa na iroa ratsy kokoa... :lol: :-D
ianao:
fa enao zany tena sur à 100% fa tena mahazo tsara ny dikan atao hoe mandray ny fanasan'ny Tompo?
no mahatonga ny valim-panontaniana hoe tsy mitovy... tsy misy miteny hoe tsara sy ratsy fa arakarakao indray izay... :lol:
ari.malala:
aiza re zany ry pasitera prime oooo!!!!! fa angaha moa aminao ny fianarana katesizy tsy misy dingana na fanadinana fa raisidraisim-poana? ts sanatria mofo gasy nge na ramanonaka iny ko ze te handray d mandray e! ts maints vonona tsara aloha! ary ambarak anao tsara fa 2taona b zao ny fianarana katesizy sy fiomanana @ izany komonio voalohany izany!
... Ka misy milaza ny mifanohitra na mandiso izany angaha moa??? :roll: :-D

Da averiko foana fa tsy misy olana... raha handany andro handresy lahatra ny tena komonio marina sy katesizy hianao dia tsy hitondra soa hoy aho satria hiady hevitra ny amin'ny fomba... tsy mitondra vokatsoa...

fantatra anie ny fototra iorenan'ny fandraisana komonio e... ny fanontaniana dia hoe resy lahatra aho sa tsia... raha resy lahatra aho dia tsy mila manontany akory fa mandray komonio tsy am-pisalasalana... raha tsy resy lahatra aho dia tsy mandray ary tsy be fanontaniana koa na dia mahafantatra aza...

Toy izany koa ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo... raha resy lahatra aho dia mandray... raha tsy resy lahatra aho dia tsy mandray... tsotra be anie izany e...

Fa raha hifandresy lahatra dia hafa mihitsy izany... nefa alohan'ny idirana amin'izany dia mila mandinika tsara aloha hoe hitondra inona izany??? :)

Fa mbola maro no fanontaniana fototra mihitsy mila dinihina ny amin'ny foto-pinoana saingy tsy mitondra fahasoavana izany na dia kely aza satria ilay fomba indray no ibahanan'ny resaka... ohatra fotsiny ireo nolazaiko eo ambony ireo izay averiko vetivety, ny batisa rano sy batisa fanahy, ny batisa asitrika sy ny batisa tsy asitrika, ny sabata sy ny alahady, ny noely, ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ny fibebahana, ny fiakaran'i Maria renin'i Jesosy, ny fiainan-tsy hita, ny helo sy farihy mirehitra afo, ny fandraisana Fanahy Masina... sns
55. ikaretsaka ( 16/01/2009 16:26)
Fa ahoana ny hoa 'mifandresy lahatra @ fomba tsy mitondra vokantsoa.... ary misambosimbodika I prime an
56. bor2lais ( 16/01/2009 17:14)
Ny tian\'i prime lazaina angamba dia ny hoe samia mitazona ny fombafombany fa aza mifampikritika satria tsy mahasoa no tsy mampandroso izany !

Ohatra : ny maha resy lahatra an\'i Ika izao dia ity nolazainao ity :

\"Ity kalisy ity apasipasy hozy fa tsy ireto kopikely ireto de fenoy sirop de samby mitazona nenazy...\"

Ny an\'i Ika izao kalisy apasipasy no tiana ...
Ny an\'ny hafa kopikely samy mitazona ny azy ... (sady voalaza io ambony io fa misy mijijy baolina be tsy mipasy mihitsy an !)

Toraka izany koa ny divay : misy tsy mahatakatra na tsy tia fa jus na sirop (mety tsy voatery mena akory aza) no ataony ...

-> Izany rehetra izany ve dia mampiova ny finoanao ? Izay ilay hoe tsy mampandroso (fa mety hanome fanafintohinana ny sasany aza angamba) !
57. fahamarinana ( 16/01/2009 17:31)
:arrow: tsy voavakiko hatrany ambony fa miala tsiny fa tsaingohako eto : Ohatrany aty aminay izao dia araka ilay pasitera mpitantana ny Fiangonana,taloha jus de raisin no natao,dia izao lasa divay ndray satria hafa ny mpitondra... :) (l)
58. bor2lais ( 16/01/2009 18:42)
fahamarinana:

:arrow: tsy voavakiko hatrany ambony fa miala tsiny fa tsaingohako eto : Ohatrany aty aminay izao dia araka ilay pasitera mpitantana ny Fiangonana,taloha jus de raisin no natao,dia izao lasa divay ndray satria hafa ny mpitondra... :) (l)

-> Raha raisina maimaika izao io lazainao io dia hoe : manana mpitandrina mahay manova ny jus ho lasa divay ry Faha ... (hihihi!)
:D
59. fahamarinana ( 16/01/2009 18:57)
:arrow: :-D :-D iny koa no tsy hitako ary i bor2lais lasa mpananihany nony vaovao ny taona an ! :D (l)
60. ikaretsaka ( 16/01/2009 21:55)
bor2lais:

Ny tian\'i prime lazaina angamba dia ny hoe samia mitazona ny fombafombany fa aza mifampikritika satria tsy mahasoa no tsy mampandroso izany !

Ohatra : ny maha resy lahatra an\'i Ika izao dia ity nolazainao ity :

\"Ity kalisy ity apasipasy hozy fa tsy ireto kopikely ireto de fenoy sirop de samby mitazona nenazy...\"

Ny an\'i Ika izao kalisy apasipasy no tiana ...
Ny an\'ny hafa kopikely samy mitazona ny azy ... (sady voalaza io ambony io fa misy mijijy baolina be tsy mipasy mihitsy an !)

Toraka izany koa ny divay : misy tsy mahatakatra na tsy tia fa jus na sirop (mety tsy voatery mena akory aza) no ataony ...

-> Izany rehetra izany ve dia mampiova ny finoanao ? Izay ilay hoe tsy mampandroso (fa mety hanome fanafintohinana ny sasany aza angamba) !

Azafady ra bord fa ny ahy tsy hoe io ny tiako... fa io no voalazan'ny soratra masina hoe kalisy tokana ny apasy.... dia dvay efa lasa ra ny ao anatiny an....
Izay voalaza no ataoko fa tsy izay tiako.... raha ny tiako manko dia ambodivoara 3 konsom aby isan olona...sy mofogasy 4 aby...sy efa nifindra krispijo aho tahak izay...
->mampiova tokoa raha ny izay metimety @ tena ihany no atao nefa lLery no lazaina fa inoana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1167