Vehivavy miteraka tsy manambady...

41. lemenakely ( 14/12/2008 20:52)
yonikafopl:

Raha ny fijeriko azy dia tsy mbola zakan ny fiarahamonina malagasy izany vehivavy miteraka tsy manambady izany ,noho ireo antony maro ...Ahoana ny fahitanareo ny zava-misy momba io?


ra tsika mamaly reo zao an, de aty ivelany doly no mipetraka ngamba, fa tena lazaiko fa efa mahazatra andramalagasy izao ny mahita vehivavy miteraka tsy manambady, raha araka ny experience hitako, fa ooooaaayyyy eeee, firifiry ny vehivavy entre 20 et 24 ans mananjanaka nefa tsy manambady??? firifiry ny bevohoka manala zaza , firifiry ny misy hepatite B sy ny syphilis?????.
Tena mampalahelo mihints ilay fiainana sy fahantrana misy any Dago any, tena facile lotra ny sipa gasy, ataoko fiteny matetika mou we tsy misy elastika ny silipo fa miborotsaka ho azy hihihihihih , ialako tsiny :-D :-D :-D

Raha tena miditra lalina ao anatin'ny fiarahamonina sy mamakafaka ary manao statistika dia hita tsara doly ny lesoka rehetra fa tsy manao tazandavitra ety ivelany fotsiny , mila miaina sy mifandray ary mifanerasera amin'ny sarangan'olona maro dia mahita tsara ny tena fiainana any Dago.

Ny olona taloha no mety tsy mahazaka fa raha ry zareo ankehitriny, otran'ny tanana miarahaba ny fiterahana tsy manambady amzao kouuuuuu



Misy tsy ekeko ny zavatra lazainao satria raha ny zavatra hitako dia mi se mefier be @ ireny olona divorcé sy miteraka tsy manambady ireny ny vehivavy manambady ara-dalàna ,ary manara-maso tsara ny ataon ny vadiny .

Ary na ireo vehivavy miteraka tsy manambady sy divorcées dia presque niresaka ahy ny momba io ny ankabeazany ary marina ilay izy .

Ilay hoe fille facile dia marina io ,nefa akory atao !
42. yonikafopl ( 15/12/2008 04:53)
lemenakely, ka za zany no tsy nahazo le hevitra tianao nalefa ra izany, satria tsy dia ny fiarahamonina loatra no tsy mahazaka izany hoy aho, fa ireo vehivavy manambady te hiaro ny vadiny tsy ho azon'ny fakampanahy amin'ireo divorcee sy niteraka tsy manambady izany.

Kanefa na hi se mefier aza izy, ny lhl lhl eeeeee, na hanara-maso toy ny inn aza refa tsy mahay mikarakara vady sy mikolokolo ilay fitiavana de eo no raisina, zay le mahavoa manko, lany andro manara-maso de adino le tena aindehibe :)
43. ikaretsaka ( 15/12/2008 05:41)
yonikafopl:

lemenakely, ka za zany no tsy nahazo le hevitra tianao nalefa ra izany, satria tsy dia ny fiarahamonina loatra no tsy mahazaka izany hoy aho, fa ireo vehivavy manambady te hiaro ny vadiny tsy ho azon'ny fakampanahy amin'ireo divorcee sy niteraka tsy manambady izany.

Kanefa na hi se mefier aza izy, ny lhl lhl eeeeee, na hanara-maso toy ny inn aza refa tsy mahay mikarakara vady sy mikolokolo ilay fitiavana de eo no raisina, zay le mahavoa manko, lany andro manara-maso de adino le tena aindehibe :)

Le fiaraha monina aloha toa tsy afaka ny haninona afa tsy ny hanome henatra @ alalan'ny etiquettes isan-karazany apetany
Le vevavy manambady miaro ny vadiny indray dia amiko manao ratsy koa ireny matoa mailo sy miaro tena... ny mpilaiso akoho ihany no patahotra volomborona hoy ny fiteninay izay...fa ny fahaizanao mikolokolo io
44. heidi ( 15/12/2008 06:15)
DIa tena hatahorana be mihnitsy izany ny vehivavy divorcée _celiba.hoe sao dia managala-vadin'oul ve????
ny angalarina kosa angamba no maivan-doha rahefa manambady izy ka manaiky hangalarina ô!???? :-P
45. heidi ( 15/12/2008 06:23)
Le fiaraha monina aloha toa tsy afaka ny haninona afa tsy ny hanome henatra @ alalan'ny etiquettes isan-karazany apetany

KA NA manao ny tsara na manao ny ratsy ny mpanenjika eo am fiaraha-monina tsy mahay afa tsy ny mijery mkiritika mametaka etikety ary mitakoritsika foana indrindra ny olona atao hoe tsy manankatao afa tsy izany...
TSy hivakiana loha izay ataon'ny fiaraha-monina any aloha fa izay atao ka mahafinaritra anao ka hoe tsy manaonao foana na manao ratsy dia ampy.
46. lemenakely ( 15/12/2008 07:37)
Lazaiko aminareo fa tany ambanivohitra nisy kalakely bevohoka tsy nanambady fa latsa re izao ! Manomboka @ raimpianakaviana ka hatramin ireo havana ...Mba mafy saina ilay tovovavy , ary izy dia tsy nety nilaza mandrak izao izay rainjanany!
47. RATOVOARY ( 15/12/2008 08:02)
Raha ny fijeriko azy dia tsy mbola zakan ny fiarahamonina malagasy izany vehivavy miteraka tsy manambady izany ,noho ireo antony maro ...Ahoana ny fahitanareo ny zava-misy momba io?

Tsy voavakiko intsony izay hevitra tao an'elanelany tao fa raha ny fahitako azy de antony maromaro no nahatonga ny olana:
Tsy zakan'ny f-m izy satria:
1°Jilajila le sipa ka niarahana daholo zao karazan-dehilahy zao de tsy hainy intsony zay hotazonina ho baban'ny zaza, ny bandy koa efa maharaka ny pasiny de elan'ny bandy pà.
2°Tratran'ny tsy nampoizina izy mitsam, le kofy anefa tsy mbola te-hiantsoroka adidy, de mampiansry kely aloha ho vonona, kanjo rehefa elaela de nahita sipa milay sady mbola tsara boaty ( : lol : ) de adino le renin-janaka.
3°Efa nisy ady mangatsiaka tao amin'izy roa kely ka hetraketraka tsotr'izao ny hanimba an-drasipa de rehefa bikina de ialàna.
Marobe e! fa santionany ireo.
Ny mampalahelo de le vehivavy foana no hiafaran'izao hadalàna rehetra izao nefa samy tompon'andraikitra na ny lahy na ny vavy. Ny fiaraha-monina anefa tsy azo tmpenam-bava. Sady eo @ f-m gasy tena ohatry ny mamoafady be mihitsy zany hoe niteraka nefa tsy misy vady zany.
48. rabilabila ( 15/12/2008 08:33)
Amiko indray dia ny any an-drehivohitra , matetika , no misy an'io pression sociale io .
Ny antony marobe :
-Ny fitaizana ara-pinoana
-Ny laharan'ny raiamandreny ao anatin'ny fiaraha-monina
sns .............................................................................................
Vitsy dia vitsy no mitsinjo , na manontany fotsiny aza ny anton'ny nahatonga ny vohoka ( izay mety ho fanapahan-kevitra manokana , mety ho famitahana , mety ho tsy fitandremana....)
Vitsy dia vitsy ireo raiamandreny ( genération'ny raiamandrenintsika eto ) no miresaka amin'ny zanany , na lahy , na vavy , ny mombamomban'ny fiainana,firaisana ara-nofo , ny fampiasana kapoty na ny pillule .....ny antony marobe koa fa ao foana ilay fitaizana ara-pinoana ( izay nampiditra tao anatin'ny saina maro fa vetaveta ny firaisana ara-nofo ,izany hoe "maloto")

Rehefa tonga ny tranga ( na fanahy iniana , na patsa iray tsy omby vava ) dia ny voninahitry rizareo no tandrovany voalohany fa tsy ny mety ho detresse na ny choix-n-janany.Maro aza ireo mitady lehilahy atao ho vadin'ilay zanany mba hanaovana takon-kenatra .Tsy mametraka fanontaniana akory rizareo hoe : inona no fitaizana tsy ampy , na tsy tafita na tsy natao ? Fa tonga dia pratatatatatatatata...........manala-baraka sns no miraraka .

Any ambanivohitra , ary hatramin'izay , ho an'ireo mbola manaraka ny kolo malagasy dia manao hoe : " ny adalan'ny tena tafian-damba",raha toa ka mitondra vohoka ny zanany.Ary na ny fomba malagasy aza misy an'ilay hoe "fanandramana" aloha, ka raha mety dia tohizana ary raha tsia kosa dia hisaorana ary afaka misaotra malalaka na ny lahy na ny vavy , ka raha ao anatin'izay période fanandramana izay no manaizana razazavavy dia tsy "ota " akory izany eo anivon'ny fiarahamonina na dia misy fisaorana aza avy eo ( na avy amin'ny lahy na avy amin'ny vavy) , ary miara-misalahy ny fianakaviana roa tonta hahatontosa ny fanabeazana ilay zaza.
Any amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia tsy olana mihitsy ny fanaovana tokatrano maso ==> tsy miteraka olana ny fiterahana (na misy concubin na tsia )

Raha ny vehivavy miteraka tsy manambady indray , amiko manokana , dia tsy hitako izay antony tokony hitoraham-bato azy .Raha tiana ny zanaka dia ampiana izy ahatontosa ny tanjony ( raha choix) , ary ampiana izy hizaka ny alahelony amin'ny fanamaivanana izay = tsy mitsara azy be-fahatany (raha toa heverina fa fahasolafahana)

Fa raha resa-boninahitra foana no imasoana dia mandainga amin'ny tenany daholo ary tsy ho zarizary akory eo amin'ny fiarahamonina.
49. heidi ( 15/12/2008 12:28)
lemenakely:

Lazaiko aminareo fa tany ambanivohitra nisy kalakely bevohoka tsy nanambady fa latsa re izao ! Manomboka @ raimpianakaviana ka hatramin ireo havana ...Mba mafy saina ilay tovovavy , ary izy dia tsy nety nilaza mandrak izao izay rainjanany!

HE izany izy hoe olon'ny ambanivohitra...
MBOLA taolo fisainana

:-P
50. diamondra27 ( 15/12/2008 13:10)
sipagasy no mahalaza ny tiako ambara

na miteraka tsy manambady tahaka an'i rachida satria safidy zay , na koa nilaozam-bady nefa mahavelon-janaka tsy mangataka aman'olona fa ampy tsara ny ilaina dia samy safidy daholo izany ary tsara lavitra noho ny hoe mal accompagne

mieux vaut etre seul que mal accompagne( asio accent fa tsy misy ny clavier)

51. sakaizakely ( 15/12/2008 13:59)
ny ahy indray rabilabila no mahafehy tsara ny tiako lazaina ka tsy anampiana analana fa tena marina tanteraka

marina fa matetimpitranga ny tsy fifampiresahana eo @ RAD sy ny zanaka. Entin\'ny henatra, fady, fahotana e, oy e ! de vitan\'ny fandraràna bontolo tsy misy fanazavana
Entanin\'ny fitiavantena diso tafahoatra ka na efa voa aza le zanaka de tsy rarahiana fa ny voninahiny no asiany resaka, de eo no mitarika na fanerena azy hanala ilay zaza, na fandroahana mihitsy aza toy ny oe manomboka androany de tsy zanako intsony fa manala baraka rad

tsy misy tonga saina na pitiny kely aza fa lesoka avy @ \"tsy\" fampianarana sy tsy fahampian\'ny fifampiresahana no nahatonga ilay ankizy voataiza am maizina hanandrankandrampoana

Tsy mametraka fanontaniana akory rizareo hoe : inona no fitaizana tsy ampy , na tsy tafita na tsy natao ?


Mbola tsy zakan\'ny rad malagasy zany remise en question zany. Aminy dia tonga lafatra mandio mangarahara tsy misy pentina izy ireo satria nampianatra ny ankizy hamaky baiboly dia mihevitra fa vita ny adidiny ka ho tafiditra direkta any am paradisa :°) :°) :°) :°)
fa ny ankizy matoa mibrioka foana dia misy gènes mitarika azy ireo ho amin\'izany fa tsy faute ndreo mihitsy, heverina fa ditra raha mba te hirevy na hiala voly ireo ankizy, fa tsy hainy zany fitantanana ampitiavana an\'ireo ankizy hahatonga azy ireo ho olombanona

ka raha solafaka de vao maika aza arahintosika sy ampiana latsa, asa izay angamba no maha olomasina azy ireo.

Betsaka mihitsy no manao izany, indrindra moa ireo mpamonjy fiangonana isanalahady, maty ah voninahitra e, nolotoinao zahay e !

tsy hisy hanontany izay mety ho ressentis n\'ilay vhv

nisy mpiray tanana taminay jefijefy kely zay bevohoka nefa vo 14 ans, le oul nahabevohoka azy io efa manambady, fa noforsé-ny le sipakely. De noteneniny oe te hijejojejo sy nanaiky anaraka ahy aty am mangingina aty ko aiza no tsy asiko, de notantarainy ny namany rehetra ny nanaovany azy ary nahafantatra daholo ny mpiray tanana rehetra.

efa nibontsibontsina ny kibokeliny le sipa vo tonga saina de niteny tsy fidiny tam dadany oe mety bevohoka, fa tsy sahy niteny ny nanaovan\'ilay lhl azy fa sady vofelaka no volatsan\'ny dadany sy ny nenikeliny de avy teo mou de nentindreo hesorina le zaza.
io namanay io maty ny mamany t@ izy vo 10 ans, le dadany tsisy herintaona de nanambady ramatokely 17 ans tena ranao toetrandrenikely mihintsy

fa tsy nisy niraharaha hoe viol né izy ity, de otran\'ny tsisy dikany ny dignité n\'ilay vavikely, asa samy kely saina iray tanana daholo fa tsy mba nisy nihetsika na nitory na ohatra fotsiny fifanazavana entre le dadany sy ne ranga fa de nijery fotsiny daholo, tao ny naneso oe zany no izy rehefa jefitra lotra, tao ny nitsetra oe tsy ampy affection sy tsy misy mpiahy tokoa rehefa tsy eo intsony le reny,

ka raha io sipakely io zao no teraka teo de mba ahoana re no eritreritrireto mpanenjidresy ireto e ?
52. heidi ( 15/12/2008 15:09)
Betsaka mihitsy no manao izany, indrindra moa ireo mpamonjy fiangonana isanalahady, maty ah voninahitra e, nolotoinao zahay e !


ié! ny gasy aloha dia mbola tena adalan'ilay hoe sao maty aho voninahitra :-P
matetika anefa voninahitra diso toerana :-P
53. ikaretsaka ( 15/12/2008 19:13)
Zay mihitsy
54. lemenakely ( 15/12/2008 22:36)
Mampatsiahy ilay fandaharana hoe tsiky tsidika : matimboninahitra .....izany an!
55. ikaretsaka ( 16/12/2008 03:43)
Hihi
56. heidi ( 16/12/2008 06:38)
halako ery ireny isaky mihetsika de mitsinjo ny voninahitra pfffff!
indrindra ireny mpisolelaka olona manankarena na malaza na ambony ireny :{
57. arialy ( 16/12/2008 10:08)
ny olona anie tsy maits miteny e, ny tsy misy aza metyho foronina ka zava-misy ve tsy anasana vangy?!?
fa lay vhv niteraka kosa na veuve na divorC na célibat tsy misy quoi !!! fa izy aza mba niteraka fa misy anie ny tsy manana ary tsy maita vahaolana e!!
refa tsy mitondra vilia ho fenoina any am hafa izy hoanjanany inona ny olana?
fa ny mpanenjika misy foana, soa izy ireny fa aoriana .
zà alo de manohana ny reny e, na inn situation-ny.
58. Rafahafahana ( 16/12/2008 11:13)
Safidy io, nefa aleo mba eritreretina ihany ny ho avin'ny zaza.
59. heidi ( 16/12/2008 11:54)
fa lay vhv niteraka kosa na veuve na divorC na célibat tsy misy quoi !!! fa izy aza mba niteraka fa misy anie ny tsy manana ary tsy maita vahaolana e!!

marina mitsy, misy ny manambady tsy miteraka tsy manana vaha olana mahafinaritra :-P
60. heidi ( 16/12/2008 11:56)
Rafahafahana:

Safidy io, nefa aleo mba eritreretina ihany ny ho avin'ny zaza.

asiako fanampiny kely, aleo izay zàka ihany fa misy ny fidiram bola tsy dia ampy anefa miteraka koa ka miteraka..... avy eo ny zaza no mijaly....
TSARA NY MITERAKA fa tokony ho jerena ny zàka ny tena sy ny tsy zàka amin'ny famelomana azy sy ny fanabeazana azy ny tiako asiana resaka eto


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6659