tsy mendrika ve ny fomba anadinoko ny fitiavako azy?

1. bozzy ( 05/12/2008 02:30)
Ity ny zava mitranga:Amoureuse b an'ilay fiancé-ko za, efa hoe hivady zahay , nefa izy any dago no miasa fa ndraindray ihany vao miasa aty, tsy vita ny mariazy noho izy mivezivezy loatra any dago noho io asany io
Za anefa mijaly b aty miandry ze fanapahakevitra farany hoe roviana ny mariage sady mieritreritra azy foana foana ka mila tsy ahavita n'inoninona
Tato ato d sorisorena zay izy rehefa tafaresaka @ telephone zahay na kizitina mihitsy @ tsy antony :lasa ny saiko hoe misy inona??? nahare vaovao za fa manana sipa hafa izy any dago any , ary tena marina satria nisy nahita
Niezaka hamono ato ampoko ny fitiavako azy za , ka niaraka tamin'izay olona rehetra nikaoty ahy , efa ho 4 izao ny sipako depuis zay nahalalako zay fa manana sipa izy any ; loza anefa fa tsy mety afaka ato andohako izy !!

Vehivavy tsy mendrika ve za raha nanjary b bandy b mihitsy tato ato, hamonoako tanteraka ny fitiavako azy?

Sa aleo alamina ny saina hoe ny manova no mety ka j'ai eu raison de faire çà?
répondu par kotobekibo le 18/12/2008 00:05
2. dadasy ( 05/12/2008 04:13)
Ento mora ihany Bozzy a! aza malaky mandray fanapahan-kevitra. Raha mbola ao anatin'ny korontana ianao (alahelo be loatra, famoizam-po, hakiviana, na hafaliana tafahoatra koa aza) dia aleo aloha tsy mirotoroto mandray fanapahan-kevitra fa miandry ho tony tsara, mba tsy hanenina amin'izay fanapahan-kevitra horaisinao. Rehefa tony ianao, dia ianao ihany no hilaza hoe mety na tsia izay fanapahan-kevitra horaisinao. Torohevitra atsipy kely ihany e! Dia mahereza!
3. ainaheri ( 05/12/2008 05:55)
Raha ny manova alou d mety tsara,fa ilay misolosolo leh kosa angamba tsy mamely ka,alaivo sary antsaina fa very ny fotoananao no sady ataon'ny bandy filalaovana fotsiny,ny aretina etsy andaniny,aza entim-po @ tsisy dikany,eritereto tsara zay atao alou,fa refa sendra ny tinao ianao ,hainao iany ny manadino an'iny...........
4. fahamarinana ( 05/12/2008 07:21)
:arrow: mitovy hvtr amin'ny dadasy sy ainaheri koa aho...kanefa koa tsy efa tara loatra ve raha mbola manantena hiverina.Tsy aleo dia mifampi-tso-drano no mety.Ny hoe j'ai eu raison dia ianao no mamaly azy...dia raiso hatramin'ny farany ny andraikitra sy izay mety ho vokany :alahelo,sns...sns... (l)
5. xxx ( 05/12/2008 07:40)
miraparara loatra enao zany ramaouto an 4 sahady ve zay ny lhl efa nandalou teo @ nao isika vhv dia saropady hany ka raha hoe hiova lhl matetika tsy lasa iny fa enao hany no traparany eo tadidio anefa fa ny lhl no manary fa ny vhv no mitahiry

tsy misy tsy mafy tsy laitra ny zoto hony ooo :wink: :wink:
6. fahamarinana ( 05/12/2008 07:44)
:arrow: kay,aza mangalatra ny fiteninay an... :wink: :wink: (l)
7. ni81 ( 05/12/2008 08:15)
kay,aza mangalatra ny fiteninay an...
kay tokoa moa fiteninareo io e!
Sa aleo alamina ny saina hoe ny manova no mety ka j'ai eu raison de faire çà?
Sarotra ny manadino, indrindra fa ianao mbola tia azy. Kanefa marina koa ny voalazan'i xxx etsy hoe "aza miraparapa...". Marina koa ny lazain'ny namana hafa ireo.
Ny antony dia lasa mitady hanao défi fotsiny ianao sisa fa tsy mitsinjo ilay tena ho avinao. Te hamafa ny aloky ny lasa fotsiny ianao dia manao izay hanafenana azy @ lafiny maro. Atombeno tsara aloha ny sainao fa aza maika ny hanolo. Mahereza!
8. andrywui ( 05/12/2008 10:02)
ten diso be ianao fa resak'oul ve d'ef hanaovanao anzany oe hiarak am bandy bdb sns;;tadidio an fa ny vady na fiancé iany no azo itokisana satri tena iray aminao(?)misy na rad aza mandaing na zoky na zandry!!ka ny hevitro amn an! de miantso azy tsara ianao de hanontanio tsara izy ka ra ny vavany mihnts no mite oe EFA HANAMBADY OLONKAFA AHO vao minoa ny sahoandresak enao!!!
9. xxx ( 05/12/2008 10:07)
kay le kay ve matotr be otrzan elà ry andrywui!!hi!hi! :lol:
10. sitlo ( 05/12/2008 10:22)
Olona mitempo ohatra anao koa ireo isolosoloanao ireo.
11. ainaheri ( 05/12/2008 12:08)
andrywui:
hanontanio tsara izy ka ra ny vavany mihnts no mite oe EFA HANAMBADY OLONKAFA AHO vao minoa ny sahoandresak enao!!!


Diso be zany,hiandry vasoka eo enao ra hiandry ny valiny avy aminy zany
12. ni81 ( 05/12/2008 12:12)
ten diso be ianao fa resak'oul ve d'ef hanaovanao anzany oe hiarak am bandy bdb sns;;tadidio an fa ny vady na fiancé iany no azo itokisana satri tena iray aminao(?)misy na rad aza mandaing na zoky na zandry!!ka ny hevitro amn an! de miantso azy tsara ianao de hanontanio tsara izy ka ra ny vavany mihnts no mite oe EFA HANAMBADY OLONKAFA AHO vao minoa ny sahoandresak enao!!!
efa misy lonilony ilay bandy mikizitina @ tsy antony zany e! Tsy sahiny ny tena milaza @ bozzy ny tena zava-marina e! Lehilahy!
13. xxx ( 05/12/2008 14:19)
Bozzy >>> ianao sy ny fitiavanao no simbanao fa tsy ilay bandy . Manao vengeance aminao no ataonao fa tandremo tsara
14. tywa68 ( 05/12/2008 15:11)
Bozzy > soa aza tsy nivady d nipoitra hoe tsy mifankatia nareo ! rhf reraka ny mitady etsy sy eroa v enao tsy hipetraka e : d izy koa ohatran'izay ihany ! Tandremo aza sao sendra ny tena olon-tia ka jamban'ilay fahazaran-dratsy :°)
15. diamondra27 ( 05/12/2008 15:59)
ary bozzy koa tsy tara mitsy an , 4 mecs deja , oh la la otrany we ny niandrasanao le vaovao no ela de lasa koa ndry

tsy mety izany amiko fa ny olona voadona aza efa tsy fidiny maika fa we hanaiky viravirain'ny bandy am zao fotsiny


refa otran'io de maka toky tsara aminy , anontanio ny heviny raha mbola tia andry izy na tsia sy haka vady andry
ny bandy koa nge akia mety manao sipa fotsiny fa tsy midika izany we tiany ilay bokaka e, ndry tsinona tsy eo koa , dia aza mino ze olona any fa nareo mitsam ihany mandamina ny resaka

ilaina ny hevitry ny hafa fa ianao no miaraka am le bandy ao mahalala we inona ny itiavanao azy sy we inona ny tsy tantinao aminy de ataovy ny balance de zay

16. heidi ( 05/12/2008 16:11)
raha te hanadino tanteraka azy no tanjona...?
mba hanadinoina azy dia atovy izay mahafinaritra... :P
Alohan'ny hidirana am relation matotra....
MATETIKA MANTSY tsy mety hadino izy ireny raha tsy tena mi défoule tanteraka, donko manana ny safidinao tanteraka ianao hanadinoina azy 8)
17. fijo ( 05/12/2008 21:59)
aiza i bozy io,fa sao mba tokony hiaona koa isika e
18. kotobekibo ( 06/12/2008 00:05)
fijo:

aiza i bozy io,fa sao mba tokony hiaona koa isika e


Fijo hono prem's d zà zany deuz @ njy e! :-D :-D :-D
laingako izany :-P
Aza mihaino lakolosy tokana aloha , fa aleo mifanazava tanteraka hoe inn no hatao , tsy ianao irery hoe ny bandy ary tsy zà irery ny sipa , ny tany lavitra , ny fihainana mitohy .
Aleo tsy mifandany zara @ tsy misy dikany ref tsy ho poin's , na tairina haingana d miara-monina tanteraka tsy misy mandéndé .

Tsy manome tsiny anjy raha misolosolo njy , fa afepeno aky a! mba discrete , ny mpanatsatso v na hoe nifanoroka t@ tarehy fotsiny aza no nataonareo , d efa b resaka b otran'inn avy eo . Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka . :-*
19. xxx ( 06/12/2008 07:25)
fijo zany faha 5 kou :^) :^) :^) :^)
20. ni81 ( 06/12/2008 07:34)
hoy kotobe
Aza mihaino lakolosy tokana aloha , fa aleo mifanazava tanteraka hoe inn no hatao , tsy ianao irery hoe ny bandy ary tsy zà irery ny sipa , ny tany lavitra , ny fihainana mitohy .
Aleo tsy mifandany zara @ tsy misy dikany ref tsy ho poin's , na tairina haingana d miara-monina tanteraka tsy misy mandéndé .
mora ny miteny, fa ny manatanteraka tena sarotra. :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086