ahoana ny hevitrareo ny @ mpiandry

1. haritianah ( 03/12/2008 07:55)
Itako matetika ary efa betsaka mihintsy, maita ireto mpiandry tena mbola vao erotrerony loatra.
Maro koa ny mpiandry dia saika olona niarana olana t@ vadiny dia noho io olana io dia lasa mivavaka bé de miofana kely dia lasa mpiandry.
Raha izaha manokana alou ts dia mety amiko lé ametrahatanana olona mitovy taona amiko zao, na ny fiainany aza mbola ? de izy ve no hametratanana anah.
Mpiandry amiko dia tokony mba olona efa matotra lehibé efa mba nandia fiainana mba afaka itokisan'ny tanora fa ts olona voadona tamina fanambadiana dia nivavaka bé dia lasa mpiandry.Efa maro no itako t@ io cas io.
Tsy tena natoraly ao aminy ny tiakolazaina ny nanosika azy hanao mpiandry fa nohony olana nitranga taminy t@ vadiny de quelque ans de lasa mpiandry.
Amiko alou tokony misy limite d'age na owé ita fa tena volontén'ilay olona natoraly aminy ny nanosika azy ho lasa mpiandry fa ts voadona t@ oalna ara panambadiana izy no lasa mpivavaka de lasa mpiandry vetivety eo.
Mpiandry amiko dia olona itokisako satria anala ny ratsy ato amiko @ alalan'ny herin'ny jesosy, olona azoko itokiko ary fitaratra ho anah hialako @ zvtr rats misy eo amiko.
Zay ny heritreritro fa ahoana ny fijerinao indray
novalian'i lala1 ny 03/10/2014 10:05
2. Noue ( 03/12/2008 08:04)
amiko dia tsy ilaina zany mpiandry zany fa ao Andriamanitra hanampy zay mila azy eee !
manana finoana ve ianao ? misy zavatra tsy mety ve natao ?? ao Andriamanitra hibebahana ! ao Andriamanitra hanaradiha hatrany ary tsy hanary anao izy !
tsy ny fahitana ilay reportage iny no hilazako oe tsy ilaina zany mpiandry zany satria efa be loatra zay zavatra hitako sy niseho vokatrizany eee !
anisan'ny tsy mba nanavakavaka tranom-piangonana hivavahana aho satria amiko dia Andriamanitra hivavahana dia IRAY ! TOKANA ary MASINA aaa ! saingy ny fahitako zavatra maro loatra niseho t@ ireny mpiandry ireny dia hipitsihako ee
aokzay sao dia lazainzareo oe tokony halana devoly koa aho ary mila mihofana eo vao lasa gaigy :-D :-D :-D :-D :-D
3. Noue ( 03/12/2008 08:08)
haritianah:

Mpiandry amiko dia olona itokisako satria anala ny ratsy ato amiko @ alalan'ny herin'ny jesosy, olona azoko itokiko ary fitaratra ho anah hialako @ zvtr rats misy eo amiko.
dia aiza ny toeran'Andriamanitra @ zany ? tsy Izy irery ve no tokony hivavahana sy hangatahina raha sanatria ka misy na mahatsapa tena fa misy zavatra tsy mi-colle ao ????



4. tywa68 ( 03/12/2008 08:50)
Tsy olana amiko ny mpiandry fa tokony hiseho mangarahara @ fihetsiny sy fiteniny hoe tena irak'Atra ka tena hanamaivana sy hanampy ny mila azy, fa tsy zay rehetra tsy mitovy aminy d ho lazaina fa devoly daholo.
Noue aza mijery télé loatra :lol: :-D :-D
5. Noue ( 03/12/2008 09:22)
:-D :-D :-D :-D :-D ouki aza eee ! aleo aloha pihina ny télé fa tsssss :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. haritianah ( 03/12/2008 09:44)
Amiko alou ilaina ny mpiandry, isika samy olombelona alou mila fifananatra sy mifapitaiza, ka ny fitaizana @ mpino dia ny fitaizana araka ny Andriamanitra.
Ka amiko ny mpiandry dia olona afaka itarika antsika anitsy antsika hiditra bebekokoa @ maha zanak'andriamanitra antsika.
Ny mino ny lazain'ny mpiandry isika, zany owé ny lazain'ny vavany no inoantsika satria milaza amintsika matetika ny mpiandry fa andriamanitra no mahalala izao rehetra izao fa ny mpiandry dia fitaovana fotsiny ampahalala antsika hivavaka ho antsika ny mpiandry.
Zany owé amiko ny mpiandry dia tokony ho modely alou vao tokonyt hitarika olona sy hanala devoly à olona.
Raha ny fiainanana ianinan'nilay mpiandro vao erotrerony ve ts hitany ny hiotondrana azy ahoana kosa mou no itondrany ny olona? indrindra fa maro ny olona mbola hào taritina hihiditra ao ambala.
tywa68 à matetika anie ny mpivavaka dia hitanao @ fiteniny sy fihetsiny fa tena tena mampiseo fa tena mpiandry tokoa fa ny zavatra iainaany andavananadro matetika no mandiso fanantenana ny olona.
Tonga @ zay ny fitenin'olona owé zany vé ka toetrana mpiandry é.
7. tywa68 ( 03/12/2008 09:50)
haritianah : isika taritina aloha d manantena modely manja e ! ka eo indrindra no samy manana ny fijeriny sy ny zakany :lol:
8. prime ( 03/12/2008 12:11)
haritianah> Tsy dia manan-kambara aho satria mitombina ny ambaranao...

Ny fanamarihako kely fotsiny dia tsy miankina amin'ny taona sy ny tranga eo amin'ny fiainana ary ny haben'ny traikefa ny antson'Andriamanitra fa miankina Aminy ilay Tompon'ny antso... ohatra akaiky, ny 100%'ny Apostoly dia tsy olon'ny fivavahana fa mpanjono sy mpamory hetra ary mpitantam-bola za-draharaha, nefa dia ireo no nantsoin'ny Tompo... raha ny hoe iza no manana traikefa sy mahalala fivavahana tamin'ny fotoan'andro dia angamba ny fariseo sy ny sadoseo ary ny mpanora-dalàna no "tokony" voaantso ho Apostoly... nefa fantatrao tsara ny zava-nisy tamin'ny fifandraisan'ny Tompo tamin'izy ireo (tamin'ny ankapobeny satria aoka tsy hadino kosa tokoa aloha fa tsy ny fariseo rehetra akory no tsy nino sy nandà ny Tompo fa nisy tokoa ampahany tena nanara-dia an'i Kristy na dia tsy hiresaka an'i Nikodemosy sy Josefa Fariseo fotsiny aza, ankoatra ny Apostoly Paoly)...

Izany hoe, Andriamanitra no mahalala ny antony ifidianany ny olona iray ho amin'ny asa fanompoana manokana satria Izy rahateo no Tompon'ny asa... ary matetika dia ny olona izay heverintsika ho farahidiny amin'ny fiainana amin'izao tontolo izao no iantefan'ny antson'Andriamanitra amin'ny asa fanompoana manokana ka iasany sy omeny fanahy fibebahana ka antsoiny hanompo Azy... (olona mpisotro toaka, mpifoka zava-mahadomelina, mpijangajanga, mpanodikodim-bola, mpilalao ody, mpitaiza sampy, mpiandry doany, mpanao zava-betaveta sns, mahantra sy fadiranovana, taizan'aretina, tsy manam-pahaizana sy fahalalàna loatra...) fa ireo olona nanompo an'Andriamanitra sy niaro ny tena sy ny fanahy tamin'ny ratsy ary manan-kaja eo amin'ny fiarahamonina indray aza no tsy dia marisika loatra amin'ny asa fanompoana manokana... ka izay ilay lazaiko hoe Azy ny antso ary Izy no manao ny asa... Izy rahateo efa niteny fa "ny fiheviny dia tsy fihevitsika"...

9. ainaheri ( 03/12/2008 12:45)
Raha ny amiko alou tsy hitako izay ilako azy ee,zay oul tsisy fiofanana tery fa nanao tsianjery baiboly kely teny fotsiny ve d inn no zakany?? Jereo akaiky fotsiny anie ireny fomba fiainan'ireny oul ireny ee,pire noho ilay alana devoly ny sasany
10. Noue ( 03/12/2008 12:58)
prime:

ary matetika dia ny olona izay heverintsika ho farahidiny amin'ny fiainana amin'izao tontolo izao no iantefan'ny antson'Andriamanitra amin'ny asa fanompoana manokana ka iasany sy omeny fanahy fibebahana ka antsoiny hanompo Azy... (olona mpisotro toaka, mpifoka zava-mahadomelina, mpijangajanga, mpanodikodim-bola, mpilalao ody, mpitaiza sampy, mpiandry doany, mpanao zava-betaveta sns, mahantra sy fadiranovana, taizan'aretina, tsy manam-pahaizana sy fahalalàna loatra...)

anky va re eeee


:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
11. prime ( 03/12/2008 13:29)
ainaheri> Misy fiofanana ny ho Mpiandry ka... 02 taona ny fiofanana, na ao amin'ny Loteràna na ao amin'ny FJKM, ary mandalo sedra sy fizahan-toetra mahamay, mandalo fanaraha-maso sy fanadinana ary dinika hentitra tsy latsaka ny in-04, ankoatra ny tsy maintsy idirana toby ka miasa sy mandinin-tena lalina amin'izany toerana izany... vao mety tokanana ho Mpiandry (fanosorana)...

Ekena fa misy tsy fahalavorariana ny fitondran-tenan'ny Mpiandry sasany satria miankina amin'ny fifandraisany sy ny finoana ao anatiny an'i Jesosy izany... fa misy rafitra mpanara-maso nefa ny Mpiandry rehetra na iza na iza, na aiza na aiza ary azo torina amin'ny lazainy sy ny ataony ary ny heveriny, ka raha voaporofo izany dia tsy maintsy mametraka akanjo (sazy faratampony) izany Mpiandry izany ka tsy mahazo miasa intsony eo amin'ny sahan'ny Tompo amin'ny mahaMpiandry...

Tsy maintsy miverina miofana indray toy ny vaovao, vao nibebaka, toy ny nandray antso vaovao avy amin'ny Tompo raha mbola te-hiverina hiofana... nefa tsy mora intsony izany manomboka eo...

Noue> Mampihomehy ve izany? :wink:

Mpanjono, mpijangajanga, mpamory hetra (mpangala-bola sy mpampahory vahoaka ary mpanodinkodina, mpanan-karena amin'ny fahorian'ny sasany hoy ny Soratra masina) no nantsoiny ho Apostoly dia ahoana hoy ianao?

Raha i Noue no iantefan'ny antson'ny Tompo, sady tena iantefany mihitsy rahateo, hanaiky ve ianao ka hiatrika Azy, hibebaka ka hanolo-tena feno ny fiainanao ho Azy, tsy hisy afatsy ho Azy intsony? aoka tsy hadino fa tia anao Jesosy ary mihoatra lavitra noho izay hitanao hatrizay ny tena fiadanana, raha mandray Azy ianao... ahoana ny hevitrao? :)
12. Noue ( 03/12/2008 15:16)
prime:

Raha i Noue no iantefan'ny antson'ny Tompo, sady tena iantefany mihitsy rahateo, hanaiky ve ianao ka hiatrika Azy, hibebaka ka hanolo-tena feno ny fiainanao ho Azy, tsy hisy afatsy ho Azy intsony? aoka tsy hadino fa tia anao Jesosy ary mihoatra lavitra noho izay hitanao hatrizay ny tena fiadanana, raha mandray Azy ianao... ahoana ny hevitrao? :)



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
aiko tsara io rengaine io eee ! araky ny voalazan'ny namana atsy ambadika oe
"haritianah ":
Maro koa ny mpiandry dia saika olona niarana olana t@ vadiny dia noho io olana io dia lasa mivavaka bé de miofana kely dia lasa mpiandry.
Raha izaha manokana alou ts dia mety amiko lé ametrahatanana olona mitovy taona amiko zao, na ny fiainany aza mbola ? de izy ve no hametratanana anah.
Mpiandry amiko dia tokony mba olona efa matotra lehibé efa mba nandia fiainana mba afaka itokisan'ny tanora fa ts olona voadona tamina fanambadiana dia nivavaka bé dia lasa mpiandry.Efa maro no itako t@ io cas io.
Tsy tena natoraly ao aminy ny tiakolazaina ny nanosika azy hanao mpiandry fa nohony olana nitranga taminy t@ vadiny de quelque ans de lasa mpiandry.
Amiko alou tokony misy limite d'age na owé ita fa tena volontén'ilay olona natoraly aminy ny nanosika azy ho lasa mpiandry fa ts voadona t@ oalna ara panambadiana izy no lasa mpivavaka de lasa mpiandry vetivety eo.
13. tywa68 ( 03/12/2008 15:35)
Noue : henoy tsara ihany ny antso sao variana njy :lol:
14. niryna ( 03/12/2008 15:38)
misaotra prime fa tena mazava a.
_________________________________________________
Anampiako azy kely koa dia tsy tonga hiantso ny marina i kristy fa ny mpanota mba hibebaka .(Jaona 3:17 )ka na inona toerana nisy ahy,hianao ,isika rehetra ,tsy isika no nifidy an'Atra fa Atra no nifidy antsika . Ary fantany koa ireo tsy mety hiaraka aminy kanefa mbola miandry sy mitady antsika izy ka nandefa ireo olona nirahiny mba amonjy ireo fanahy izay mbola very sy tsy mahalala Azy .

Raha tonga ao aminao ny antso(marobe io ) efa voavidin'ny ran'ny Kristy ilay olona ka na inona toerana nisy azy taloha dia efa voafafa avokoa izany,ny olona no mety mandao ,ny olona no mety mbola hitsikera hoe toy izao iny taloha ... ny olona no mety iteny hoe ireny hono no mba atao hoe kristiana ? maro no mety fitsikerana,maro ny mety zavatra mbola hialana, saingy Atra dia mamafa ny fahotany rehetra rehefa niaiky izany ,izy ,isika ka nibebaka taminy ary dia tsy ho tsarony intsony .
Ireo rehetra izay mangetaheta ny teniny dia tsy ataony ho very anjara mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana ,tsy lavorary ny fiainan'ireo izay mangetaheta Azy raha tsy manankina ny fiainany Aminy.

Ny fanontaniana ho antsika rehetra dia hoe mino an'izany ve isika fa voafafa avokoa ireo fahotana izany nibebahantsika taminy ? Mino ve isika fa izay manatona azy dia tsy ho laviny ? Mino ve isika fa efa voavidin'ny ran'i Jesosy kristy ny fahotantsika,mino ve isika fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotantsika dia ho fotsy toy ny oram-panala raha mifona sy mibebaka any amiNy isika ?

Ireo talenta folo izay fanoharana nomen'i kristy dia afaka anazava antsika tsirairay fa tsy hoe ho mpiandry avokoa ny olona rehetra ary tsy hoe izay milaza ho mpiandry koa dia ho mpiandry tokoa fa toy ny hoe kristiana kanefa tsy tena kristiana io ,mbola ady ny fanarahana an'i kristy,mafy ny manaradia an'i kristy ,mafy ny milanja ny hazofijaliany fa mila tolona ambavaka isa-minitra ,isan'andro. Tsy izay te hanao mpiandry akory dia ho tonga amin'izany raha tsy Atra no niantso azy ary araka ny efa nolazain'ny namana eo ambony fa maro no fisedrana .Isika kristiana rehetra koa dia mandalo izany fisedrana izany isa-minitra ,isan'andro. FA IZAY MIARAKA AMIN'I KRISTY DIA TSY ATAHOTRA NA ANGOZOHOZO NY FINOANY SATRIA HOY NY TENINY -TSY ANDAHO ANAO AHO NA AMELA ANAO HO IRERY.

Tsy ny taona no mikaonty fa ny antso izay ilain'Atra ataontsika .Efa nolazaiko ity fa zaza 11 taona izao dia efa voahantso hitoriteny .Dia ahoana no eritreritsika,iza no nanome saina azy hilaza ny tenin'Atra ?
Zaza 13 taona dia efa nanasitrana,zanak'olona mpanao fanafody gasy ,teo am-piandrasana omby no nasehon'Atra azy ny fanjakany,zaza tsy nianatra,tsy nahay namaky teny,ny anarany no nampiarina azy ary ilay fihirana kely nomena azy no nofenoiny ny anarany ,io no nampianarina azy voalohany.Mitory teo ambony pilipitra anefa izy tsy misy baiboly,tsy mahay mijery na mamaky baiboly kanefa ny teny navoakan'ny vavany nahavaky fo ny rehetra ? Ahoana no fieritreretanareo an'izany?
Tsy takatrintsika olombelona ny fahalalan'Atra fa izay mangetaheta ny teniny kosa dia ataony ho tonga zanany ary omeny hery lavitra koa aza ka anao zavatra mahagaga tsy takatry ny saina aman'eritreritra .MIno izany ve hianao ?
Ataovy aza ny fanandramana fa raha nandaitra tamin'ny fiainako izany, mino tanteraka koa aho fa andaitra amin'izay mitady azy

7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo


8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana..Mat 7:7 -8



(l) niryna
15. rahery08 ( 03/12/2008 15:42)
Ny hazo avo halan-drivotra hoy ny Ntaolo Malagasy !
Ireny Mpiandry ireny na ireny Pastera ireny no azo lazaina fa fahavalo voalohany ho an ireo Devoly !
Mety mikorontana tokoa ny fiainany, mety misy mihintsy aza lavo amin’ny fahotana!
Fa ny tokony ataontsika indrindra dia ny mivavaka ho azy! Andriamanitra no nifidy azy, ka aleo Adriamanitra no hitsara azy,
Ho an’ny olona manantona Mpiandry ametraha-tanana ange dia tsy ho olona no antonony Fa Atra, Aleo tsy ny Mpiandry no jerevana, fa Aleo Atra !
Fa raha tsy resy lahatra ianao manantona, dia aza manantona fa manjary lasa fahotana.
16. tywa68 ( 03/12/2008 15:56)
niryna :
7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo


8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana..Mat 7:7 -8


Tsy misy mandà ny fahamarinan'ireo anaty baiboly raha mbola kristiana.
Fa ilay fanerena ny olona sembana sy marary na tsy vory saina zany no tena olana tsy tanty, maika moa fa fatorana satria hita @ endriny hono ny DEVOLY !!! tsy zay hitanao hafa2 akory d ho DEVOLY daholo ...

rahery08 : tsy mitsara anie fa olombelona ny tena, ary nahita fa tsy no tantaraina, ka ahoana no hikipiana hanohizana ny fiainana andavanandro, indrindra moa mahalala fa olona milaza ho irak'Atra no manao an'ireny ??? sarotra e :wink:
17. ikaretsaka ( 03/12/2008 16:43)
tywa68:


Tsy misy mandà ny fahamarinan'ireo anaty baiboly raha mbola kristiana.
Fa ilay fanerena ny olona sembana sy marary na tsy vory saina zany no tena olana tsy tanty, maika moa fa fatorana satria hita @ endriny hono ny DEVOLY !!! tsy zay hitanao hafa2 akory d ho DEVOLY daholo ...


Za mo d' efa ela no niteny an'io hoe vetsovetsoina ery ity "aza mitsara mba tsy ho tsaraina" io nefa izy mpivetso an'io ndrindra no rehefa. Isaky ny mahita zavatra hafahafa de TSARAINY ho devoly avokoa.
Aefa ela aho no niteny fa ny zavatra lavindreo nge ataony fa @ fomba hafa fotsiny e

Io ary le nolazaiko anao tywa........
18. tywa68 ( 03/12/2008 17:26)
Ika : tsy maninona fa d mamerina ny hevitro aho d enga anie ka tsy ho diso fandray ny mamaky ahy :-D :lol: Tsy manenjika fa maneho hevitra ary rehefa misy tsy zaka na tsy tanty d tenenina fa tsy afenina na modiana tsy hita sy asiana copier-coller ! :wink:
19. ikaretsaka ( 03/12/2008 20:17)
ka tsy maintsy hiverina indray izao ny pli vava @ famerenan-tsompon-desona @ l ehoe " sambatra ianareo henjehina "
a chaque fois mahatsiaro ho concerne(e) izy de voaenjika hono

re-io ary ilay nolazaitsika sy aanao tywa :wink: :wink:
20. fijo ( 03/12/2008 23:36)
za tsy mila mpiandry na tanora na antitra.za ihany no miandry ny fanahiko de ampy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1669