Mpiandry tao @ 66Munites

61. fijo ( 02/12/2008 21:37)
eto dia sahiko ny milaza fa tena mitovy ary iray ireo rapasy ireo sy ny "mpanompo sampy "lazainy.

izao mantsy.amin'ny finoana nentindrazana izay itako tany mahajanga ,dia tsy misy haretina tong ahoazy izany ,fa mosavy daholo izay mitranga aminao.na ny olona maty efa hantitra be iren yaza dia mbol alazain af amatin'ny mosavy.
eto indray dia devoly daholo no nahatonga ny rehetra.izay tsy mitovy hevitra aminao dia devoly,avy gadraina ity fa misy devoly ka be famaliana.
ry haizina ô,menatra anao ny firenenay.
62. ikaretsaka ( 02/12/2008 21:53)
Tsy pasy io fa mpiandey...sa misy pasy mpiandry?
63. fijo ( 02/12/2008 21:55)
misy tokoa,loterana ireo ary loterana ny mamanay.ka fantatro fa misy toko any rapasy mpiandry.ny mpiara nivavaka tamin'ny mamanay tany mahajanga sady rapasy no mpiandry.
64. rakapy ( 02/12/2008 22:04)
Eto dia ny loterana no tratra fa tsy izy ireo irery ihany no manao io fomba io fa maro ireo izay manao exorcism no manao toa io. ohatra hitan'ny masoko dia ireo jesosy mamonjy sy famonjena dia manao io fomba io ihany koa.
65. fijo ( 02/12/2008 22:06)
ny loterana anyamin'ny faritry sud est iny dia tena maro no manao io fomba gaigy io
66. rabilabila ( 02/12/2008 22:21)
O ry zalahy a!!

Manao exorcisme daholo ny vondrom-pivavahana rehetra , na hatrany amin'ny polythéistes na animistes aza , samy misy humiliation sy obscurantisme , ary abus d'autorité daholo ny fanaovany azy fa misy ny institutionalisé ary misy ny tsia . :wink:
67. ikaretsaka ( 02/12/2008 22:38)
Ny ahy raha fantany fa misy tokoa apres analyses be..... ka manaja ny maha olombelona ilay 'misy devoly' izy de tsy manahy. Fa raha zavatra tsisuy no terenko misy de tsy respectena le olona de tsy mety amiko..... ny gasy aza nahalala ny hoe ny adalan'ny tena dw tafin-damba

Nyahy de hoe ataovy ze gafy nao any fa aza involvena ny manodidina anao @ gafinao....
68. rabilabila ( 02/12/2008 22:57)
Raha olon-dehibe adulte sain d'esprit no mandeha manatona exorciste nohon'ny finoany na ny conviction-ny dia tompon'ny tenany izy ary anjarany izany rehefa tsy manimba ny manodidina izy , fa raha ankizy kosa , na olombelona tsy vory saina tsy afaka manapa-kevitra momba izany dia tsipahiko tanteraka ny fitondrana azy any .Amiko moa mazàva ho azy dia tsy misy ny devoly fa misy kosa ny aretina izay tsy voatery sitrana fa mety hamaivanina kosa na ho an'ilay marary ,na ho an'ny manodidina azy.
69. ikaretsaka ( 03/12/2008 02:57)
Marina
70. LazaDaddy ( 03/12/2008 03:09)
Raha olon-dehibe adulte sain d'esprit no mandeha manatona exorciste nohon'ny finoany na ny conviction-ny dia tompon'ny tenany izy ary anjarany izany rehefa tsy manimba ny manodidina izy , fa raha ankizy kosa , na olombelona tsy vory saina tsy afaka manapa-kevitra momba izany dia tsipahiko tanteraka ny fitondrana azy any .



Rabilabila, sahala amin'ny milaza ianao hoe:
Raha olon-dehibe adulte sain d'esprit no mandeha manatona dokotera nohon'ny finoany na ny conviction-ny dia tompon'ny tenany izy ary anjarany izany rehefa tsy manimba ny manodidina izy , fa raha ankizy kosa , na olombelona tsy vory saina tsy afaka manapa-kevitra momba izany dia tsipahiko tanteraka ny fitondrana azy any .
71. rabilabila ( 03/12/2008 07:45)
LazaDaddy>>

-Mba omeo kely ahy hoe ny equivalence entre ny exorciste sy ny medecin?
-Mba omeo kely hoe inona no conditions requises mba ho tonga ho mpitsabo?
-Mba omeo kely hoe inona avy ny exigences takiana amin\'ny mpitsabo?
-Miainga amin\'ny inona ny fitsaboan\'ny dokotera?
-Mila finoana ve ny mankany amin\'ny dokotera sa kosa mila fahatokisana ny compétence-ny ?
-Mba repertorier-o kely hoe inona avy ireo aretina mety ho sitran\'ny mpitsabo na mety ho voa-soulager-ny ?
.......................etsetra .....etsetra.............................


Amiko , insulte ho an\'ireo mpitsabo ny fampitahana azy amin\'ny \"mpanala demony\"

Manarak\'izany dia:
-Inona no mety ho takaitra entin\'ireo zaza terena entina any amin\'ny mpanala demony ? surtout raha notinaiza tao anaty finoana ilay zaza? sachant ny famaritanareo ny atao hoe demony?

Fehiny:
On ne culpabilise pas un enfant qui est autiste , muet , sourd ,handicapé mental .................................,on le soigne , on le soulage ................et il y a des medecins et des medicaments pour ça.
72. tywa68 ( 03/12/2008 09:14)
Lazadaddy : ny dokotera tsy voatery mino an'Atra sy ny fisian'ny devoly, fa kosa nianatra ho mpitsabo, araky ny zava-misy eo ampelatanany, ary tena niofana aman-taonany ho mpitsabo, mba hanamaivana sy hanasitrana ny marary.

Fa misy koa anefa ny mpitsabo no mino an'Atra, ary aminy ny fahaizany d avy @ Atra irery ihany ary tsy mitsahatra ny midera Azy @ fanampiana sy fitsaboana ataony. :wink:
73. tywa68 ( 03/12/2008 09:47)
Rabilabila : rehefa afa-nenina tatsy @ dokotera d entin'ilay RAD ary @ mpiandry koa satria zay no finoany :wink:
74. prime ( 03/12/2008 10:12)
coopsal:
==> Tsy fantatro ireo olona ireo fa henoko fotsiny. Toy izany koa Rasalama, Masindahy Paoly, Petera, ... sns. Dia izao no tenin\'i Kristy tamin\'ny jiosy (izay mety mba ho tenin\'i Kristy @ kristiana maro ankehitriny :
\"Malheur à vous, analystes bibliques et théologiens hypocrites ! Vous édifiez de somptueux monuments aux saints, vous couvrez d\'ornements ceux des justes. Vous dites : Si nous avions vécu du temps de nos ancêtres, nous ne nous serions pas associés à eux pour tuer les prophètes. En disant cela, vous attestez vous-mêmes que vous êtes bien les descendants de ceux qui ont fait périr les prophètes. Eh bien, ce que vos pères ont commencé, portez-le à son comble ! \"[Matthieu 23:29-32]
Malheureusement, le comble a été fait sur la croix il y a environ 2000 ans. Qu\'en sera-t-il de vous qui tuez le CHRIST en esprit (sa Parole) ? Repentez- vous tant qu\'il en est encore temps!!!

Averiko indray, tsy fantatro daholo ireny olona ireny. Fa raha misy iray fantatro dia Kristy, izay namaly am-pitiavana ahy rehefa nantsoiko t@ fahaterena. IL est la manifestation de l\'amour de DIEU envers les hommes. IL veut sauver les condamnés (et tous les hommes sont condamnés).
... Mino aho fa am-pahatoniana ianao no niteny ireo ambaranao ireo satria ireny olona lazainao tsy fantatrao ireny no nanoratra sy nampanoratra ary mpitory filazantsara, Apostoly, Mpaminany, mpianatra mahafatrapo an\'i Kristy, ka na tsy tanteraka aza satria olombelona dia olom-boahosotra... Jesosy no nifidy azy ireny ary nanosotra sy naniraka azy... koa enga anie tsy amin\'ny firehetam-po no itenenanao ireo satria olon\'Andriamanitra ireo lazainao ireo... angamba nisy mpanenjika an\'i Kristy tamin\'izy ireo saingy rehefa nandray an\'i Kristy kosa dia tonga olom-baovao sy olon\'ny filazantsara ka tonga fitaovana mahomby tamin\'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly... ary na ianao aza dia inoako fa tsy nandre ny filazantsara raha tsy niasan\'ny Fanahy Masina ka nandray ny tenin\'Andriamanitra tamin\'ny alalan\'ireny olom-boahosotra ireny (tsy ireny ihany fa ny Mpitandrina, ny Pretra, ny relijiozy, ny Mpiandry, ny Diakona, ny Mpandray ny fanasan\'ny Tompo...)

Tsy fanomezam-boninahitra olona na fanindraindrana no nilazana sy nitsongana ireo Mpaminany efatra sy ny Toby nisy azy avy fa famaliana resaka etoana ny fanontanian\'i rakapy entina ilazana fa miasa Jesosy... ary sady miasa mivantana Izy no miasa rahateo tamin\'ireo olom-boafidiny ka nanehoany ny voninahiny...

Ka asaina ianao hianatra sy handalina ny momba ireny mpanompon\'Andriamanitra ireny ihany koa satria vavolombelon\'i Jesosy velona ny asany tamin\'izy ireny, fa tsara hatrany ny mianatra sy mandalina raha mbola tsy fantatrao ny sasany na ny momba azy ireny fa mampitombo amin\'ny finoana izany, ary izany rahateo no ananaran\'i Kristy antsika dia ny hamantatra ny zavatra rehetra ka handraisana an\'i Kristy ka ho tena iray Aminy, araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'ny Tompo : \"Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.\" I Tesaloniana 5:21

Aoka tsy hadino fa miasa Jesosy ary efa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany... ary rahateo izany fahefana izany dia efa nomeny ihany koa ireo rehetra izay mino Azy... (indrindra moa ireo izay nahazo hosotra manokana ho amin\'ny fanomezam-pahasoavana) (Vakio ny Marka 16:15-20)

Ka miambena ihany fa ndrao tonga mpanenjika an\'i Jesosy ianao raha manenjika ireny olom-boahosotra ireny na mitsikera azy ireny... Jesosy ilay efa ao am-ponao dia isaorana Azy feno nifidy anao ho isan\'ny olom-boavonjy saingy aza hadino fa niasa Kristy ary mbola hiasa amin\'ny olona maro hafa araka izay iantsoany azy avy... ary ny asan\'ny Tompo amin\'ny alalan\'ireny olom-boafidy ireny no porofo mivaingana fa velona Jesosy ary fitiavana Izy ka mamindra fo amin\'ny olona rehetra izay manatona sy mibebaka Aminy...

Jesosy no efa nifidy ary maniraka ny mpino toy izao (araka izay voasoratra amin\'ny anaran\'ny Tompo) : \"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin\'ny Ray.\" Jaona 14:12

Ka ilay famonjena tsy natao ho ahy irery na ho anao irery na ho an\'ny mpino vitsivitsy fa natao ho an\'izao tontolo izao, ka manaiky sy mino sy mandray an\'i Jesosy...

Mahereza hatrany...
75. Noue ( 03/12/2008 10:18)
"Jesoa":
"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray." Jaona 14:12
fa tsy nilaza kosa Jesoa oe fatory @ rojovy miaraka @ malotony ny olona eee ! sa tsy zany ry prime???
76. tywa68 ( 03/12/2008 10:33)
zay manenjika sy mitsara hono d ho kila :-D
77. prime ( 03/12/2008 10:56)
Noue> Ilay famatorana amin'ny rojovy no tena tsy zakanao an... :wink:

Manasa anao aho hiroso lalina ao amin'ny Tompo dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra... tsy ilay rojovy na fatotra tady mahazaka na fatotra fehikibo hoditra no olana tsy maintsy atrehina fa i Satàna...

Tsy afaka ny hanamarina na handiso ny zava-misy tamin'ny toby resahana io ny tenako fa fantatro fotsiny fa tompon'andraikitra amin'ny ataony ireo Mpiandry amin'izany toby izany... mahereza hatrany...
78. Noue ( 03/12/2008 11:22)
prime:

Noue> Ilay famatorana amin'ny rojovy no tena tsy zakanao an... :wink:

Manasa anao aho hiroso lalina ao amin'ny Tompo dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra... tsy ilay rojovy na fatotra tady mahazaka na fatotra fehikibo hoditra no olana tsy maintsy atrehina fa i Satàna...

Tsy afaka ny hanamarina na handiso ny zava-misy tamin'ny toby resahana io ny tenako fa fantatro fotsiny fa tompon'andraikitra amin'ny ataony ireo Mpiandry amin'izany toby izany... mahereza hatrany...

anisany io ry prime aaa ! fa ny zavatra tsy azoko dia ny tsy fanekenareo ny fanitsakitsahina ny zon'olombelona! mazava angamba zay eeee !

79. prime ( 03/12/2008 11:47)
Averiko indray, tsy mitsara aho satria tsy mahalala ifotony... raha mahalala ny antony hanaovana izany ianao dia ataovy fa izaho tsy hilaza ny hevitro satria izaho tsy mahafantatra...

Tsy anjarako mihitsy no handeha hitsara ohatra ireny olona fatorana amin'ny fehikibo mavesatra ary tsindromina zavamahadomelina 20 ora isanandro any amin'ny "centre psychiatrique" entiko hanamarinan-tena ho tsy fanajana ny zon'olombelona... tsy anjarako mihitsy no hitsara ohatra ireny fampijaliana olona amin'ny toby fanaovana fanadihadiana ho an'ny olo-meloka lehibe (tuers en séries, criminels de guerre, terroristes...) ireny entina hakana hevitra (renseignements) entiko hanamarinan-tena ho tsy fanajana ny zon'olombelona... tsy anjarako mihitsy no hitsara ohatra ny fanerena sy fampijaliana zaza tsy ampy taona any amin'ny toby fitaizana zaza maditra entina hanamarinan-tena ho tsy fanajana ny zon'olombelona...

Izany rehetra izany nefa dia zava-misy avokoa... fa misy antony manokana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny matoa mandray fanapahan-kevitra hentitra amin'ny tranga isankarazany... ny antony hanaovany izany, izay tsy fantatro izaho sy ianao no mahatonga ahy miteny hoe, raha izaho aloha dia tsy hitsara...

Fa ny tena tsy ho azonao mihitsy raha izao dia ilay ady amin'ny devoly... miala tsiny aminao aho raha hilaza izao lazaiko izao (satria izany mihitsy no izy) hoe, ny ady amin'ny devoly dia tsy azo ilalaovana "sentiments" satria izy rahateo tsy manao "sentiments" izany rehefa mamatotra fanahin'olona fa tena mampahory sy mamono... tsy ilay olona fatorana rojovy no iadiana ka hoe misy olona ho faly hihazona azy amin'ny rojovy, fa ny devoly izay tsy maintsy iomanana avokoa ny ady aminy rehefa fantatra izy sy ny ataony... eo nefa no tsy ananako izaho sy ianao "information"...
80. Noue ( 03/12/2008 12:34)
prime:

Fa ny tena tsy ho azonao mihitsy raha izao dia ilay ady amin'ny devoly... miala tsiny aminao aho raha hilaza izao lazaiko izao (satria izany mihitsy no izy) hoe, ny ady amin'ny devoly dia tsy azo ilalaovana "sentiments" satria izy rahateo tsy manao "sentiments" izany rehefa mamatotra fanahin'olona fa tena mampahory sy mamono... tsy ilay olona fatorana rojovy no iadiana ka hoe misy olona ho faly hihazona azy amin'ny rojovy, fa ny devoly izay tsy maintsy iomanana avokoa ny ady aminy rehefa fantatra izy sy ny ataony... eo nefa no tsy ananako izaho sy ianao "information"...

anky va re eee ! dia mba inona hono zany devoly nahazo ity zaza vao 7 taona nanana olana @ fitenenana hatramy nahakely azy ???

tsy azoko hoy ianao ny ady @ devolinao zany ???? azoko tsara io kaaa ! ny hany fanafodiny raha tena misy zany dia Andriamanitra Iray Tokana sy Masina ! il suffit oe mibebaka fa tsy hanararaotra ny zaza tsy afaka maneho ny tiany dia lazaina fa devoly no mahazo azy ary hitsakitsahina ny zo maha olombelona azy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0899