Mpiandry tao @ 66Munites

21. prime ( 01/12/2008 08:08)
Ilay fanadihadiana dia efa manana tanjona te-hanaitra ny ankolafiny rehetra mahakasika ny mahaolombelona sy ny zony... hatreo dia itoviako hevitra tanteraka ny fanamarihana rehetra...

Fa raha ny amin'ny lafiny finoana dia tsy voaresaka hatramin'ny fotony ka tsy dia mahagaga loatra ilay "déduction" miainga avy amin'ny fandinihana ilay fomba...

Izany hoe haromontan'ny devoly sy ny asany izany mantsy tsy misy mahafantatra ka mora ilay manao famanamarihana... io nefa no, na tsy inoan'ny olona na mbola tsy hitany, na mbola tsy azony... mazava ho azy fa mahonena kokoa ny mijery olona voafatotra vy sy rojovy noho izany hoe olona fatoran'ny devoly sy ampijaliany ary andevoziny...
22. Noue ( 01/12/2008 08:11)
prime:

Fa raha ny amin'ny lafiny finoana dia tsy voaresaka hatramin'ny fotony ka tsy dia mahagaga loatra ilay "déduction" miainga avy amin'ny fandinihana ilay fomba...

Izany hoe haromontan'ny devoly sy ny asany izany mantsy tsy misy mahafantatra ka mora ilay manao famanamarihana... io nefa no, na tsy inoan'ny olona na mbola tsy hitany, na mbola tsy azony... mazava ho azy fa mahonena kokoa ny mijery olona voafatotra vy sy rojovy noho izany hoe olona fatoran'ny devoly sy ampijaliany ary andevoziny...

dia lazao koa aza fa ny olona outrée mahita an'zao famatorana ny olona tahaka ny biby zao dia misy devoly ko pendant que tu y es !


:evil:
23. coopsal ( 01/12/2008 08:15)
Ho antsika milaza ny tenanntsika fa mino an\'i Kristy (na mino an\' Andriamanitra):
Efa mba nanontany an\' Andriamanitra (na Kristy) ny amin\'izao zavatra miseho rehetra izao ve isika sa miasa saina d ilaozana manenjika sy mifanenjika fotsiny eo?
Raha mino marina isika, nahoana no écartentsika lavitra mihitsy Andriamanitra? Nahoana no inoantsika kokoa ary voaboasantsika ny herin\'ny maizina, ny herin\'ny saina sy ny siansa, fa tsy ny herin\' Andriamanitra no katsahintsika?
Raha misy itenenan-dratsy ny anaran\' Andriamanitra dia isika ihany!
Tsy dia samy hafa amin\'ireo jiosy t@ andron\'i Kristy isika kristiana ankehitriny.
Ireny no nidoka tena ho nomen\' Andriamanitra ny teniNy sy nanindraindra fatratra an\'i Moïse, kanefa ireny no nilazan\'i Kristy hoe \"tsy misy na iray @nareo aza mankato an\'i Moïse\".

Isika kristiana @izao fotoana mba toy izany koa! Isika manindraindra baiboly sy ny anarana hoe \"JEHOVAH\", \"JESOA KRISTY\", ... kanefa raha eto i Kristy dia tsy miova no ambarany @ntsika fa hoe \"Tsy misy na dia iray aminareo aza mankatoa an\'i Kristy!\".
Ireny no nirehareha fa taranak\'i Abrahama, ilay lehilahy nisehoan\' Andriamanitra ary nanaovany fanekena! Ireny no nitenenan\'i Kristy hoe \"fantatro ihany fa taranak\'i Abrahama ianareo, kanefa ianareo mitady hamono ahy, i Abrahama tsy mba nanao izany. Fa ianareo zanaky ny devoly rainareo, izy dia mpandainga sady rain\'ny lainga.\"
Raha eto i Kristy @izao dia tsy miova no teniny amintsika fa : Fantatro ihany fa kristiana ianareo! Kanefa ianareo mitady hamono ny fahamarinana! Kristy tsy mba nanao toy izany. Zanaky ny mpaminany sandoka ianareo, fa izany dia mpandainga tahaka ny devoly, satria avy ao amin\'ny devoly izy\"
Ireny no nanolotra ho eo an-tanan\'ny jentilisa (Pilato sy ny romana) an\'ilay nofon\'i Kristy mba hohombohona sy halaim-baraka, ary izy ireo dia niara-nanala baraka sy naneso t@ireo jentilisa ireo!
Isika ankehitriny mba mahay manenjika azy ireny fa isika koa, tena manolotra hoviravirain\'ny tsy mino ny anaran\'i Kristy, tsy ilay fanaovana hoe rajesosy na razezo no tiako tenenina, fa ny tena anaran\'i Kristy dia ny maha \"YAHAWEH Mpamonjy\" azy, ny maha \"Andriamanitra mahery\" azy, (maro izy ireo tsy hotanisaiko eto), ny tena anaran\'i Kristy dia ilay maha FAhamarinana sy Lalana tokana mankany @ Ray, ny maha FIainana (fa tsy fombafomba) Azy. Isika ihany no manolotra izany anarana izany mba hataon\'ny tsy mpino ho henatra eto @izao tontolo izao! Ary isika koa mba miaraka amin\'ireo tsy mpino maneso sy mandatsa Azy!

Izao no maha samy hafa azy, ny an\'ireo fahiny, ny Zanaka (ilay nofo) no natoloNy mba hofantsihana sy hitondra fijaliana! Ny antsika ny Fanahy no atao an\'izany.
Hoy ny tenin\'i Kristy : \"Raha misy miteny ratsy ny Zanaka, mbola hahazo famelan-keloka izy, fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka izy.\"
Koa diniho fa ireny judaïste (juifs) ireny, na dia nanolotra ny Zanaka ho eo an-tanan\'ny Jentilisa aza dia mbolamahazo famelan-keloka. Fa isika izay manolotra ny Fanahy hotsiratsiraina, inona no ho antsika ?
Manentanan anareo kristiana namako aho! Miverena @ Andriamanitra (mibebaha), aoka ny feony irery ihany no hohenoinareo!
24. badboy ( 01/12/2008 08:17)
prime >> Mankasitraka!! Hita izao hoe iza no tena manao habibiana!! Na ao anaty baiboly aza TSY MBOLA NISY HOE NOFATORANA ROJOVY SATRIA ALANA DEVOLY!!

Na dia hampijaly sy hamonoana olona aza izany ilay fivavahana, dia rehefa an'ny tena dia arovana, na inonkidona na inonkitranga!! Izay izany ilay antsoina hoe FINOANA!!!

:evil: :evil: :evil:
25. prime ( 01/12/2008 09:07)
badboy> Tsy misy miaro ka... rehefa tsara dia tsara, rehefa ratsy dia ratsy, rehefa tsy mety dia tsy mety, rehefa mety dia mety... izaho tsy niteny hoe mety ny toa izany fa nametraka ny fandinihana fotsiny hoe aza variana amin'ny fomba fa fantaro ny antony lalina... hatreo ihany...

Ka manoloana ny zava-misy, mialoha ny itsarana dia tsara kokoa ny mandalina... izay ihany no tiako ametrahana ny fifanakalozan-kevitra...

coopsal> Mitombina ny fanamarihanao... mahereza ary mivavaha f'andrao voafandriky ny hatezerana...

Mila miambina tokoa rehefa misy mamono ny Fanahy, ary izany indrindra no tokony handraisana andraikitra ka tsy amelana ny hafetsen'ilay ratsy handrakotra haizina ny finoan'ny olona... fa tsy izay hita no inoana fa ny fanehoana ilay tsy hita sy ny fahatokiana ny zavatra antenaina (hoy ny Hebreo 11:1, izay)... ary mbola ao anatin'ny asam-pamonjena no ifotoran'ny Toby fifohazana rehetra ka tokony hidirana lalina hatrany amin'ny asany fa tsy itsaratsarana ivelany... ary etoana no mila iambenana mafy mba tsy hifampitsara ny mpanaradia an'i Kristy fa hifampahery sy hifampitondra amim-bavaka...

Ny fanamarinan-tena ny amin'ny fomba no varavarava efa hitan'ny devoly hatrizay teo amin'ny samy mpino ary mbola tena tokony iambenana mafy mandrak'izao...
26. Noue ( 01/12/2008 09:14)
prime:


Mila miambina tokoa rehefa misy mamono ny Fanahy, ary izany indrindra no tokony handraisana andraikitra ka tsy amelana ny hafetsen'ilay ratsy handrakotra haizina ny finoan'ny olona..

Ny fanamarinan-tena ny amin'ny fomba no varavarava efa hitan'ny devoly hatrizay teo amin'ny samy mpino ary mbola tena tokony iambenana mafy mandrak'izao...

aiza zany eeeee ! fa ny zavatra tsy azoko dia io fitiavan'ny mpiandry io filazana tsisy farany oe DEVOLY io ! tena tianzareo mahintsiny ve io no isakin'ny misy zavatra tsy mifanaraka @ zay tiany dia lazaina oe misy devoly eeee ??????


27. badboy ( 01/12/2008 09:38)
Noue >> Ka io ny entambarotry ny mpiandry!!! Andramo alana ange ilay hoe "misy ny devoly" dia ho hitanao fa tsy an'asa intsony mpiandry!!! Noho izany miaro ny entambarotrany izy satria io no hahafahany mivarotra!!

Ilay fiarovana tsy anomezatsiny fa samy miaro izay kely ananany!! Fa ilay fiarovana ny kely ananana @ famotehana ny mahaolombelona sy ny zony tsy azo ekena angamba!!! Raha mijanona @ ilay rediredy sy tabataba isankarazany tsy dia maninona loatra, fa saingy tsy izay no mitranga satria ATOSITOSIKA ILAY OLONA, ITANGORONANA DIA ITABATABANA, tsy vitan'izay FA MBOLA FATORANA @ ROJOVY NY TONGONY ARY TSY EKENA NY ATAKY NY DOKOTERA HOE HITSABO AZY @ FANAFODY satria NY BAIBOLY IHANY NO FANAFODY!!!!

Izireo anefa dia mahalala fa NY FANDROAHANAA DEVOLY DIA NIJANONA TEO @ JK fa tsy nitohy t@ ireo mpianany!! Sao dia mba maka fahefahana ankeriny ireo mpilaza ho mpandroaka devoly @ anaran'Atra?????? 8O 8O 8O
28. rabilabila ( 01/12/2008 09:44)
Raha mino marina isika, nahoana no écartentsika lavitra mihitsy Andriamanitra? Nahoana no inoantsika kokoa ary voaboasantsika ny herin'ny maizina, ny herin'ny saina sy ny siansa, fa tsy ny herin' Andriamanitra no katsahintsika?


Manamafy tanteraka ny zavatra resahiko atsy ambadika .
29. Nandra1 ( 01/12/2008 09:54)
Za tsy mbola nahita izany reportage izany fa ny zava-misy hitako fony mbola zaza alo de misy fotoana nahita vhv izay aho, manjakely rakala, ireny malefaka be ireny rehefa normale, ary misy fotoana tena mitroatra be toa an'ny olona romotra, misaoty eny @ varavarankely misy étage ary mihazakaza matanjaka be tsy misy mahatazona, notsaboina foana, honohono hoe izany ambalavelona izany no nahazo azy!
Amiko tsy hanometsiny n'iza n'iza alo satria tsy fantatro! fa ireo fianakaviany indrindra fa ny reniny ve de hanaiky hoe fatorana rojo izany ny zanany kely raha tsy toa misy zava-miseho izay tena extra-tokoa ary efa tsy vitan'ny dokotera intsony!
Pour an'i prime a! mila mandalina tsara!
aiza zany eeeee ! fa ny zavatra tsy azoko dia io fitiavan'ny mpiandry io filazana tsisy farany oe DEVOLY io ! tena tianzareo mahintsiny ve io no isakin'ny misy zavatra tsy mifanaraka @ zay tiany dia lazaina oe misy devoly eeee ??????

Saropady izany zvt lazainao izany satria tsy mora ny miady amin'io, tena mila herin'Andriamanitra tanteraka fa tsy vitan'ny vava! ary mijaly tokoa ny olona tena possedé izany! Ka amiko, raha misy olona miadala² miteny² an'izany de tsy mendrika, fa aleo lavitra ary io pseudoko io =)) =)) =))
30. Noue ( 01/12/2008 10:18)
Nandra1:

Saropady izany zvt lazainao izany satria tsy mora ny miady amin'io, tena mila herin'Andriamanitra tanteraka fa tsy vitan'ny vava! ary mijaly tokoa ny olona tena possedé izany! Ka amiko, raha misy olona miadala² miteny² an'izany de tsy mendrika, fa aleo lavitra ary io pseudoko io =)) =)) =))


raha saropady io nolazaiko io aaa ! dia inona aza no filaza oe zazakely manana olana @ fitenenana dia lazaina fa misy devoly dia fatorana eo ampovoan'ny tokotany @ rojo vy be zao ???? saropady ve sa mba aiza ny zon'olombelona @ zany eee ????


31. Nandra1 ( 01/12/2008 10:42)
dia inona aza no filaza oe zazakely manana olana @ fitenenana dia lazaina fa misy devoly dia fatorana eo ampovoan'ny tokotany @ rojo vy be zao ???? saropady ve sa mba aiza ny zon'olombelona @ zany eee ????

Raha mbola ray aman-dreny izany, tsy hisy hahafoy ny zanany hatao toy izany raha tsy efa-biby angaha fa matoa nofatorany de mety manao crise ze tsy naturelle fa hafa mihintsy ny "possedé"! Raha mbola tsy nahita olona nihetsika an'ireny ianao de tsy hino mihintsy fa ireny adala ireny no fetra ary mety hahafaty ny tenany mihintsy izy raha tsy arovana na hahafaty olona!
32. Noue ( 01/12/2008 10:54)
Nandra1:

Raha mbola ray aman-dreny izany, tsy hisy hahafoy ny zanany hatao toy izany raha tsy efa-biby angaha fa matoa nofatorany de mety manao crise ze tsy naturelle fa hafa mihintsy ny "possedé"!

raha mijery ilay reportage ianao dia nazavainy tsara tao oe manana olana @ fitenenana hatramy naha kely azy io zaza io eee ! olana oe tsy miteny ilay zaza , retardé zany ny fitenenany eee ! dia inona kay no hidiran'ny devoly @ zany ????


33. ni81 ( 01/12/2008 10:57)
io ilay izy fa efa nasehon'i noue koa moa tary ambadika tary. Any @ faramparany ry Nandra1 a http://www.m6replay.fr/
34. Nandra1 ( 01/12/2008 11:17)
raha mijery ilay reportage ianao dia nazavainy tsara tao oe manana olana @ fitenenana hatramy naha kely azy io zaza io eee ! olana oe tsy miteny ilay zaza , retardé zany ny fitenenany eee ! dia inona kay no hidiran'ny devoly @ zany ????

za tsy nahita an'le reportage, fa tokony miainga avy any ifotony mihintsy ohatra hoe manao crise démoniaque na ohatr'izany ve sa de zay fotsiny ve ny antony hoe moana le zaza, tsy afaka hiteny de hatao an'izany! Raha izay fotsiny de le RR no adala sady tsy misaina raha izany, ngah izy no nisafidy an'izany?? kilema toy ny kilema rehetra izany! Aleo mivavaka ho an'izany zaza izany fa de hangina tokoa izy fa Jehovah hiady ho azy!
35. LazaDaddy ( 01/12/2008 11:21)
badboy:
Izireo anefa dia mahalala fa NY FANDROAHANAA DEVOLY DIA NIJANONA TEO @ JK fa tsy nitohy t@ ireo mpianany!! Sao dia mba maka fahefahana ankeriny ireo mpilaza ho mpandroaka devoly @ anaran'Atra??????
tena sahy ianao ry "namana" manizingizina an'izany zavatra diso lazainao izany momba ny asan'ny Fanahy...inoako fa tsy fahafantarana ny marina no itenenanao an'io...nefa na vokatry ny "tsy fahafantarana" aza dia vao maika sahy ianao manizingizina nefa tsy mahafantatra...
36. badboy ( 01/12/2008 11:26)
Eny izingiziniko satria NY FANAPARITAHANA NY FILAZANTSARA NO NASENY NATAO FA TSY NY FANDROAHANA DEVOLY!!! Lazao amiko eto hoe IZA TA AORIAN'I JK AO ANATY TESTAMENTA VAOVAO NO NAHAFAKA NA NANALA DEVOLY?????? :twisted: :twisted: :twisted:
37. LazaDaddy ( 01/12/2008 11:32)
38. ainaheri ( 01/12/2008 12:30)
Mandefitra:
Na izany na tsy izany, manana adidy koa ny mpitsabo sy ny fampielazam-peo hitaiza ny malagasy @ ty finoanoam-poana ity, ka zay zavatra mitranga dia nataon'olona avokoa na hoe mosavy.


Izay zvtr zay no tokony ataon,'ny fanjakana,tsy resaka finoana ihany fa tokony ampahalalana oul ny antony mahatonga ilay aretina sy ny karazany,ny zvtr tokony ataony,mbola taraiky be ny medias sy ny governemanta raha izay zvtr zay,mazava ho azy ,satria tsy mikasik'azy

Nandra1>> jereo ihany ilay reportage,tsy nanao krizy na inn ilay zaza ,fa tsy miteny fotsiny zao d lazaina fa devoly...Misy ao kou aza zaza malemy d lazaina fa misy devoly no mahatonga azy malemy,ny ahy tsy dia tiako lotra ny manararaotra tambanivohitra otr'zao,raha tena mino sy mizara ny fahasoavan'Atra izy,tokony hanoro ny fianakavian'ny marary oe,zao no mahatonga ilay aretina,fa tsy baséna @ devoly ny zv-drehetra @ fiainana
39. karinah ( 01/12/2008 12:31)
Mandefitra:

Noue> tsy afaka mijery satria :"Nous ne pouvons malheureusement accéder à votre requête, car ce site est réservé aux résidents de France Métropolitaine. "

Fa zao koa iray mahagaga : nahoana moa no tsy hitan'ny mpanao gazety malagasy zany zavatra zany?
isika mantsy mihinana amambolony @ zay asehon ny vahiny, fa tsara koa raha manadihady ifotony ny zava-misy.


ankizikely 7 toana ve dia fatorana vy??? tsy rariny kosa eee, innn hono ny danger mety ho vitan'izany ankizikely izany??? hummmmm..
:{
40. prime ( 01/12/2008 12:39)
badboy> Asaina ianao aloha hamaky tsara ireto andalany vitsy ireto amin'ny anaran'i Jesosy : Lioka 10:1-24... dia aza mianiana na mihizingizina amin'ny fahadisoana fa mihainoa sy mamakia tsara mialoha ny ilazana hevitra...

Fa toy izao no lazain'ny andininy iray monja amin'io nomena anao io amin'ny anaran'ny Tompo : "Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao." Lioka 10:17 :)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119