Mpiandry tao @ 66Munites

41. ikaretsaka ( 01/12/2008 15:00)
badboy:

Eny izingiziniko satria NY FANAPARITAHANA NY FILAZANTSARA NO NASENY NATAO FA TSY NY FANDROAHANA DEVOLY!!! Lazao amiko eto hoe IZA TA AORIAN'I JK AO ANATY TESTAMENTA VAOVAO NO NAHAFAKA NA NANALA DEVOLY?????? :twisted: :twisted: :twisted:


Ny apostoly irery ihany sy ny dimbiny.... sy ireo nomen ireo alalana. Fa tsy izay rehetra tonga inspiration tampoka de mitsimpona Teny akory....sy milaza fa mahay.
Izany no voalaza ao anaty baiboly an
42. badboy ( 01/12/2008 15:12)
prime >> Vakio tsara aloha ilay nolazaiko
IZA TA AORIAN'I JK AO ANATY TESTAMENTA VAOVAO NO NAHAFAKA NA NANALA DEVOLY
Nony maty izy kay, ka nitsangana t@ maty, dia mbola nisy ve izany??????? Tsisy filazana izany intsony ao anaty testamenta vaovao!!!! Ka vereno vakiana tsara aloha ilay baiboly, de vereno vakiana ny voalazako, izay vao manalabarabatana raha te hanalabarabatana!!! :twisted: :twisted: :twisted:
43. Noue ( 01/12/2008 15:22)
prime:

Fa toy izao no lazain'ny andininy iray monja amin'io nomena anao io amin'ny anaran'ny Tompo : "Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao." Lioka 10:17 :)

ouille ! ouille ! ny tena nampalahelo koa dia ireo voagadran'ny rojovy miaraka @ malotony izay tsy manakana ny mpanala devoly sady tsisy fahantrana ny fahitana azy ireo na dia @ fofona fotsiny aza.


44. badboy ( 01/12/2008 15:29)
Izao angamba ny tena marina : satria loteranina sy mpiandry dia marina sy mitombona ary tsy azo dikaina!!! Ary ireo teny hanohanana ilay fanao aza dia tsy mifandray @ ilay izy na kely aza satria tsy misy mihintsy teny ao anaty baiboly hoe satria zaza tsy miteny dia misy devoly, na koa hoe rehefa marary saina dia devoly!! Araky ny voalazako etsy ambony dia "fond de commerce" na "etambarotra" ilay fanalana devoly ka tsy maintsy asiana izy hahaelavelona ny mpiandry!!!!

:idea: :idea: :idea: :idea:
45. ikaretsaka ( 01/12/2008 15:38)
kopy ihany ialahy ny farany :-D :-D :-D :-D :-D :-D
46. Samoana ( 01/12/2008 16:35)
Izaho raha hikikiazana sy polipolesina iny lohako iny mainka tafiditra ao amiko ry belzebota sy ny akamany. Raha omena toera-mangina sy rotsirotsina @ teny sy ny hira malefaka indray anefa dia tsapako fa mitsoaka tsy te hierik'ahy intsony rizalahy :wink:
47. rakapy ( 01/12/2008 18:33)
hoy Badboy
Araky ny voalazako etsy ambony dia "fond de commerce" na "etambarotra" ilay fanalana devoly ka tsy maintsy asiana izy hahaelavelona ny mpiandry!!!!

hoy Ikaretsaka
[quotekopy ihany ialahy ny farany [/quote]

Efa mba misy mihiratra ihany ny sasany. Misy manko nihomehy raha niteny teto aho hoe io finoana finoana sy fiangonana... io anie ka BUSINESS no tena ao ambadik'io fa mody atao hoe amin'ny anaran' A/tra.
Inona no tena tanjon'ny akamaroany???
MONEY & POWER.


48. kotobekibo ( 02/12/2008 01:07)
ainaheri:

Asa ianareo zay nahita ilay fandaharana tao @ M6(66M),tany @ faritra atsimo iny!!!!Mampalaelo ny mahita ilay oul marary saina fatorana @ rojo otran'ny gadra,tsy lahy tsy vavy tsy zazakely,lazaina fa misy devoly nefa ny sainy no marary ,d tsaboina @ alalan'ny fandroahana devoly,ataon'ny mpiandry!!
Inona ny andraikitry ny fanjakana @ ireny?? Tena mahonena!!


Tena kivy zà rakoto a! aoka fotsiny e!
Ireny no mitranga ref jamban'ny fivavahana ny ol retra ! lazaina fa devoly dôly izao aretina retra izao , ary ry zareo hono ?
49. prime ( 02/12/2008 09:12)
badboy:
Nony maty izy kay, ka nitsangana t@ maty, dia mbola nisy ve izany??????? Tsisy filazana izany intsony ao anaty testamenta vaovao!!!! Ka vereno vakiana tsara aloha ilay baiboly, de vereno vakiana ny voalazako, izay vao manalabarabatana raha te hanalabarabatana!!!
... Tsy fanalabara-tena ny famakiana ny tenin'Andriamanitra fa famindrapon'Andriamanitra ka tsara rehefa namaky aloha ianao...

Averiko tsara, aza mitompo teny fantatra amin'ny fahadisoana fa tonga ho fitsarana anao izany teny lavinao izany raha izirizirinao nefa efa ahitsy ianao fa diso ny ambaranao...

Ity koa misy tenin'Andriamanitra milaza fa niasa i Kristy tamin'ny mpanompony, hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :
"ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy." Asan'ny Apostoly 19:12... Efa i Petera sy ny mpiaradia taminy no resahan'ny Soratra Masina etoana ary Kristy efa any andanitra no nisehoan'izany, vao ohatra iray fotsiny io ka aza miziriziry amin'ny hevidiso...

Ary na tsy ireo ihany (Apostoly 12) dia maro no voaantso ho amin'izany, dia "izay mino ny anarany"... (Vakio Marka 16:15-20)

Ary ny Mpaminany akaiky indrindra izay niorenan'ny Toby Lehibe 04 dia anisan'izany, Neny Ravelonjanahary (Manolotrony), Dada Rainisoalambo (Soatanana), Nenilava, Volahavana Germaine (Ankaramalaza), Rakotozandry (Farihimena)... ny iray amin'ireo Mpitandrina, ny iray amin'ireo Relijiozy no tonga Mpitandrina, ny roa amin'ireo sisa, laika tsotra... ary tsy ireo ihany fa ny Mpiandry koa dia anisany nomena fahefana ho amin'izany rahateo... ary tsy ny Mpiandry ihany fa ny mpino kristiana rehetra ihany koa (manamarina ilay voalazan'ny namana maro hoe tsy voatery ho ny Mpiandry na mila Mpiandry hatrany vao afaka miady amin'ny devoly sns...)

Ka rehefa tsy inoana dia ekeo fotsiny hoe tsy mino izany ianao ary tsy marina izany aminao dia mazava fa aza mandainga na miziriziry ho milaza ny tena marina nefa ny tena voasoratra marina aza tsy vakianao tsara akory...
50. Noue ( 02/12/2008 09:21)
"prime":
Raha miditra "centre psychiatrique" fotsiny aza dia fomba maro no karazana fitsaboana atao, "isolement", "immobilisation", "cure sous calmant", ankoatra ny "soins" sy ny "traitement" tsy maintsy atao... ary ireny rehetra ireny dia tsy zakan'ny sain'olombelona rehetra rehefa mahita ireny isika...

fa kosa ve zakan'ny mpiandry ny fahitana ireo olona voafatotra @ rojovy miaraka @ maloto , maimbo ampy tahak'zao eee ??????
51. ikaretsaka ( 02/12/2008 14:13)
Prime>De ireny toby ireny koa izany mamatotra zaza 7 taona tsy miteny @ rojo vy sy mivazavazaa sy. Mikapoka ny lohany @ baiboly ary "mampanao batemy" ilay zaza ao anaty am...niny?

De raha mararin'ny androbe na voan ny autism zany de consideren ireny koa hoe nidiran ny demony?

Fa taiza reny no nianatra demonology tokoa kay?
52. coopsal ( 02/12/2008 14:45)
badboy:
IZA TA AORIAN'I JK AO ANATY TESTAMENTA VAOVAO NO NAHAFAKA NA NANALA DEVOLY

==> Tsy idirako ny adi(hevitra)nareo, fa ity iray ity naverimberinao dia tiako aseho anao fotsiny :
"En effet, beaucoup de personnes qui avaient des démons en elles en furent délivrées ; ils sortaient d'elles en poussant de grands cris, et de nombreux paralysés et des infirmes furent guéris."[Acts 8:7]
"Des villes voisines même, les gens accouraient en foule à Jérusalem pour amener des malades et des personnes tourmentées par de mauvais esprits. Et tous étaient guéris."[Acts 5:16]
"Elle fit cela plusieurs jours de suite. À la fin, Paul, excédé, se retourna et dit à l'esprit :
- Je t'ordonne, au nom de Jésus-Christ, de sortir de cette femme !
" [Acts 16:18].

Asehoko fotsiny fa tsy ampy ny voavakin'i badboy.
Tsy maka parti n'iza na iza aho, afa-tsy Kristy ihany!

Fantatro fotsiny fa misy ny mpaminany sandoka (faux témoins du christ), misy ny bibidia (le monde), misy ny fanahy avy ao @ satana (occultisme), ary ireo telo ireo dia manao famantarana (signes, prodiges) manerana izao tontolo izao sady mankany @ mpanjakan'ny tany (dirigeants du monde) mba hitaona azy ireo ho @ adin'ilay andro lehiben' Andriamanitra. [Apokalypsy 16:13-16]
53. ikaretsaka ( 02/12/2008 14:53)
ireo nirahin'i jesoa sy no commissionen'ny apostoly no nahafaka

fa tsy ireo nisoratena sy nihambo fa voahiraka! :-D :-D :-D
54. coopsal ( 02/12/2008 15:10)
Neny Ravelonjanahary (Manolotrony), Dada Rainisoalambo (Soatanana), Nenilava, Volahavana Germaine (Ankaramalaza), Rakotozandry (Farihimena)
==> Tsy fantatro ireo olona ireo fa henoko fotsiny. Toy izany koa Rasalama, Masindahy Paoly, Petera, ... sns. Dia izao no tenin'i Kristy tamin'ny jiosy (izay mety mba ho tenin'i Kristy @ kristiana maro ankehitriny :
"Malheur à vous, analystes bibliques et théologiens hypocrites ! Vous édifiez de somptueux monuments aux saints, vous couvrez d'ornements ceux des justes. Vous dites : Si nous avions vécu du temps de nos ancêtres, nous ne nous serions pas associés à eux pour tuer les prophètes. En disant cela, vous attestez vous-mêmes que vous êtes bien les descendants de ceux qui ont fait périr les prophètes. Eh bien, ce que vos pères ont commencé, portez-le à son comble ! "[Matthieu 23:29-32]
Malheureusement, le comble a été fait sur la croix il y a environ 2000 ans. Qu'en sera-t-il de vous qui tuez le CHRIST en esprit (sa Parole) ? Repentez- vous tant qu'il en est encore temps!!!

Averiko indray, tsy fantatro daholo ireny olona ireny. Fa raha misy iray fantatro dia Kristy, izay namaly am-pitiavana ahy rehefa nantsoiko t@ fahaterena. IL est la manifestation de l'amour de DIEU envers les hommes. IL veut sauver les condamnés (et tous les hommes sont condamnés).

badboy:
NY FANAPARITAHANA NY FILAZANTSARA NO NASENY NATAO FA TSY NY FANDROAHANA DEVOLY

==> Mba minoa an'i Kristy aza fa au moins misy izay tsy manao afa-tsy mitory ny filazantsara, mba ho porofo aminao fa tena manatanteraka ilay iraka izy! Ary tsy manenjika na iza na iza rahateo. Izany hoe, marina izay naniraka azy fa tsy angano.
55. ikaretsaka ( 02/12/2008 15:19)
fa dikantenim tsekta inona no ampiasain'i coopsal kay???

"Malheur à vous, analystes bibliques et théologiens hypocrites


mbola tsy nisy baiboly manko t@ andron'i matio sy Jesoa fa torah no nisy t@ izany
:wink:
56. fijo ( 02/12/2008 21:18)
aiza indray ny akamandry rapros amin'ireny,fa raha ireny no ekenareo ho finoana ry zalahy dia ,aleo mivadika silamo.iny mba avy dia mamono fa tsy mampijaly.rehefa ho samy dondrona be ihany.
57. tywa68 ( 02/12/2008 21:27)
coopsal : ka ilay fomba entina handroahana ny devoly @ anaran'i Jesosy anie no tena manitsakitsaka ny madinika e ! ary efa hiaraha-mahalala fa tsy ny famerenana foana ny anaran'Atra akory no ho maha-mpiandry anao kokoa ! na maha-mendrika anao ! tsy mitsara aho miteny an'izany, ary tsy mila hanaovana copier-coller eto akory ny didy folo raha samy kristiana, fa aleo d tenenina hoe misy karazan'olona mahatanty mijery an'ireny, d misy olona tsy taitra, d misy ny tena tsy te-hierika fivavahana intsony satria efa nahafantatra ny fitondra-tenan'ireo mpitory ny tenin'Atra, vao maika nahita an'iny, d tena maika nitsôka, fa ny iriko d mba tsy ho atao anaty harona daholo ny milaza azy ho kristiana satria misy an'ireny be rebareba extremista ireny :°)
Miambena mandrakariva fa tsy hay lay fotoana :wink:
58. fijo ( 02/12/2008 21:30)
fotoan ainona ry tywa??fa ny ahy le fotoana mba hamelana ireo olon aireo no handrasako.
59. ikaretsaka ( 02/12/2008 21:32)
Zay mantsy
60. tywa68 ( 02/12/2008 21:35)
fijo : ilay fotoana feno fanantenàna e (mila asorina aloha ny rojovy na d zany satria mbola olombelona, sa efa tsy izy koa ireny nafatotra ireny ?:lol: :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096