Ahoana ny famaritanareo ny hoe: namana

1. ni81 ( 05/11/2008 07:48)
Ahoana ny famaritanareo ny hoe: NAMANA? Eo amin'ny lahy sy vavy, eo amin'ny samy vehivavy na eo amin'ny samy lehilahy.
2. fahamarinana ( 05/11/2008 08:12)
:arrow: saro-baliana akia izany fanontaniandry izany an !!
Zà manokana dia tena vitsiana ny tena atao hoe namako ary tsy fantatro akory aza raha tena izy na sarisary namana ihany koa....
satria sady exigeante amin'ny tenako aho no exigeante amin'ny namako...Ary lehilahy aza no tena akaiky ahy raha jereko izay namana ananako fa lasa lavi-toerana dia mailaka sisa no ifampiresahana...
Ny azo lazaina fa tena namako hatreto dia ny vady malalako : izy no mahataty ahy,izy no tena tia ahy,izy no manao ny sitrapoko,izy no mahalala ny manjo ahy sy mahavita mamaha ny olako,izy no tiako hizarana ny tena hafaliako,izy no tsy hanambaka ahy,izy ihany no henoko teny avy hatrany,izy no andeferako indrindra,izy koa nefa no hitatatako be indrindra, izy mihintsy no tena tiako tsotra izao e...tsy misy nahoana,tsy misy satria hoy Rado izay...kay lasa declaration be manadala koa ilay izy an !!!
Aza mampiteniteny ahy oah ndry fa lasa be lazao zà zao...tsss !!!!!!:wink: :D (l)
3. malala1 ( 05/11/2008 08:25)
sambatra be akia ndry ry fahamarinana a
4. fahamarinana ( 05/11/2008 08:38)
:arrow: Ny tsi11 samy manana ny définiton-ny amin'ilay atao hoe fahasambarana sy ilay takiany amin'ny namana.....Fa izany akory tsy midika fa mandeha malama tahaka ny lalana asiana savony fa ndraindray koa misy kitoatoana eny antenantenany eny...Fa mba maniry hanana namana tsotra tena namana aho,tahaka ny mpiray tampo hita amin'ny films sy heno amin'ny tantara ary vakiana anaty roman-photo...fa sarotra tadiavina o ? :-D (l)
5. ni81 ( 05/11/2008 08:48)
hoy fahama
Ny azo lazaina fa tena namako hatreto dia ny vady malalako
Mazava be tokoa ny fanazavan-dry rehetra e! fa aleo aloha ho jeren-tsika daholo ny hevitra.
6. sakaizakely ( 05/11/2008 09:59)
misy sokajy isankarazany amiko ny namana

kinamanamana = analana azy, miara-mikivalavala, miarakadala, miara-mifaly, izarako ny mahafinaritra, mijanona ho superficiel iny

namana = idem + mi comprendre ahy tsara, eo akaikiko eo foana na misy mahory ahy aza

tena namana = vitsy noho ny ratsantanana, azoko itokisana, izarako ny mamy sy ny mangidy, mifampizara ny ao ampo ary akaikin'ny foko kokoa, azoko iresahana andro sy alina, tia ahy am toetrako fa tsy am zay mety aminy fotsiny, mamela ahy hanana ny safidiko fa tsy mibaiko ahy am tokony ataoko, mampiakatra ny morale-ko raha sendra latsaka iny sns sns ....

bedabe tsy tambo isaina ny kalité-n'ilay tena namana

an'isan'izany ilay vady, azo ianteherana tanteraka nefa koa tsy ilazako ny rehetra fa mbola tiako koa ny mitazona ny jardin secret-ko. Asina part de mystère kely ihany :-P :-P :-P
7. fahamarinana ( 05/11/2008 10:07)
:arrow: :-D :-D mampihomehy koa sakaiza...eka ozy,marina izay !! :) (l)
8. tess ( 05/11/2008 11:05)
ni81:

Ahoana ny famaritanareo ny hoe: NAMANA? Eo amin'ny lahy sy vavy, eo amin'ny samy vehivavy na eo amin'ny samy lehilahy.


amiko na lahy na vavy dia afaka atao hoe namana , ny namana dia azo itokisana am rehetra, azo antenaina am andro sarotra, ary fidely mpinamana foana......
MISY MANTSY tato hoe namana hono ary nandray azy tena namana mitsy aho kosa anefa dia, ohatra izy no manaparitaka ny sary n'oul any rehetra any dia mody alefa any aminao ilay sarin'oul dia avy eo amizay lasa nihitatra be ilay izy dia nahilika taminao ilay izy hoe i anona mitsy no nanaparitaka ny sary satria izy no nandefasako azy, anefa sary mody hoe andefasako ny sariko indriko , hay sari montazin'izy sy ilay ankizy iray izay ilay izy
amiko izany fopla be tsy namana....Mbola nisy ihany anefa ny coup taoriana io de aleo tonga saina hoe tsy mba ho namana izany rey oul e!ç


:-P :-D
9. tess ( 05/11/2008 11:07)
1. Mpandefa : fahamarinana [ Valio ] 05-11-2008 09:12:24
Lohateny : Re : Ahoana ny famaritanareo ny hoe: namana
saro-baliana akia izany fanontaniandry izany an !!
Zà manokana dia tena vitsiana ny tena atao hoe namako ary tsy fantatro akory aza raha tena izy na sarisary namana ihany koa....


marina mihitsy aky! sarotra be ny hahatoky ny olona sy hansdray azy ho tena namana, fa kosa misy ny namana tena namana an! hummmmmmmm
10. fahamarinana ( 05/11/2008 11:09)
:arrow: ndao ho namako fa zà tsy manao an'izany :tonga dia any amin'ny paris match fa tsy serasera ntsony akia,ntsooo...mampalelo kely ilay didy masokelinay o ! :-* ....:wink: (l)
11. tess ( 05/11/2008 11:16)
NY Coup faharoa de lazaina fa nanoratra tany am sipany ndray hono :-D :-D :-D ni'mporte koi hoy aho teo de vita ny namana foplà hahahaha!
tsy namana zany amiko ,
9. Mpandefa : fahamarinana [ Valio ] 05-11-2008 12:09:01
Lohateny : Re : Ahoana ny famaritanareo ny hoe: namana
ndao ho namako fa zà tsy manao an'izany :tonga dia any amin'ny paris match fa tsy serasera ntsony akia,ntsooo...mampalelo kely ilay didy masokelinay o ! ....

tsy olana mitsy aky ry fahamarinana ah! misy namana hitako tato depuis ny nidirako zao dia namako foana ry zareo hatramzao tsy mifamitaka tsy mifampihatsara velatsihy tsy mamely ambadika ary raha misy zvtr tsy mazava mifapiresaka avy hatra, mifanja sns hu hu hu huè :wink: :-* :-* :-*
12. ni81 ( 05/11/2008 11:33)
ndao ho namako fa zà tsy manao an'izany :tonga dia any amin'ny paris match fa tsy serasera ntsony akia,ntsooo...mampalelo kely ilay didy masokelinay o ! ....
=)) =)) =)) =))
13. fahamarinana ( 05/11/2008 11:36)
:arrow: ka hita kouh fa gasy ka manja e... :D (l)
14. ni81 ( 05/11/2008 11:37)
tsy mifamitaka tsy mifampihatsara velatsihy tsy mamely ambadika ary raha misy zvtr tsy mazava mifapiresaka avy hatra, mifanja sns hu hu hu huè
io ilay mifampiresaka io no tena mety raha vao misy tsy mazava, ary nisy vitsivitsy @ namana mpiserasera eto no nandefa hafatra tamiko nanontany ahy fa nisy tsy dia nazava taminy loatra ny momba ahy...(fanazavana kely fotsiny io) :)
15. booboo ( 05/11/2008 11:41)
Namana izany amiko izay izarako ny pitsopitsom-pianako ka hananako - minimum syndical - fahatokisana sy mitovy longueur d'onde. Lay pitsopitsony mety hoe miara-mimotika, fotoana iarahana, fifanomezan-tanana, fizarana alahelo na fifaliana, sns.

Ny ahy zany tsisy hoe namana² na tena namana fa namana tsotra aby rehefa mbola izarako ny pitsopitsony, pitsopitsony @ fianako fa tsy izy manontolo akory a hihihihihihi ( iny ny vadiko ihany no izarako an'iny ).

16. tess ( 05/11/2008 11:44)
ka ilay cas tam lay namana noresahiko io anie aky ry ni ka efa nifampiresaka tam hafatra fa e! e !e !e !e vita ny resaka sary iny de nisy ndray lay resaka hoe nanoratra tam sipany, soa fa namako itokisako ato ihany no nitantarany azy de tratra ny fampielezana ny lainga sy ny haratsina :-D :-D :-D
aza mba tratranzany iahny fa milanja etikety ratsy eny enao raha tsy maheno ilay resaka atao any ambadika tsssss, izay ilay atao hoe namana fopla fa tsy tena namana araka ny voalazan'i fahamarinana hoe sarisary namana//// :?
Tsy ny fahaizany miresaka no jerena fa ny zvtr hataony no hita hihihihih
17. fahamarinana ( 05/11/2008 11:55)
:arrow: ka raha amin'ny maha-olombelona tsotra fontsiny ihany ohatra anie dia tokony ho mazava tanteraka fa tsy be laingalainga na mamitaka e...maika moa raha atao hoe namana izay !
Ny tena namako nolazaiko anareo tery ambony dia efa tsy antsoina intsony aza hoe namana satria lasa anadahy ny iray,ary rahavavy ny iray.Efa lasa fianakaviana tanteraka.
Fa kosa be namana mifandray amiko aho fa tsy hary nihaona ary rehefa mby ilay fotoana ahitako anjareo,na ianareo ato amin'ny sera dia ho tahaka ny inona !!!...ny olana kely tsy andehanako dia be papparazi nefa zà tsy tia alaina sary,sa hitafy gony ve ohatra mety ho hety. :-P (l)
18. ni81 ( 05/11/2008 11:58)
ny olana kely tsy andehanako dia be papparazi nefa zà tsy tia alaina sary,sa hitafy gony ve ohatra mety ho hety.
izy dia tena =)) =)) =)) =)) mihitsy ange e
19. fahamarinana ( 05/11/2008 12:02)
:arrow: ka marina anie,mbo te ahita an'i tess aho,diam's efa hitako,mbo te hanatrika ny fetin'ny sera....aza mba saro-kenatra ihany fa tsy mahita ny hitan'ny olona...
ihomehezanjy fontsiny aho fa ampaherezo moa !!! :evil: :-D (l)
20. booboo ( 05/11/2008 12:14)
zà efa tsy handeha ihany haka ny sary sy hametraka sary ho hitan'ny be sy ny bobaka miaraka @ commentaires bidules, fa andana mandeha ry Fahamarinana a ! kôzy ê ! misy anana ange any ê ! :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.219