Inona moa no mahadiso raha toa ka tsy mpino ny olona iray?

1. rakapy ( 28/10/2008 18:50)
Inona tokoa moa no mahadiso na mahafahotana ny tsy finoana?
novalian'i coopsal ny 28/11/2008 11:24
2. ikaretsaka ( 28/10/2008 18:56)
amiko!
tsisy....
ny tokoany atao fotsiny dia ny mifankafantatra dia mifampizara ilay finoana sy tsy finoana...
ialana lalandava @ le ignorance...
ny ignorance amiko no sady crime no fahotana no stupidite

3. rabilabila ( 28/10/2008 19:49)
Ah!!! Rakapy namana !! taiza foana ianao e!! voatery nanao autostop ny tenanay fa tsy tonga ny piesy.

valin'ny fanontaniana iombonako amin'i Ika , tsy hain-draolombelona no manambatra ireo zavatra na hevitra marobe iombonany fa ny tsy fifanarahany foana no arentirenty , tsy ny mahaolona intsony ny mikaoty fa ny fangalàna dizinefo ....................sns.....................

4. rakapy ( 28/10/2008 20:36)
Rabila> tena maty retrovizera tany Andalatanosy nama le tomabila nitondra anay de tavela tany anay efa ho eni-mbolana :-D :-D :-D mbola niandry piesy avy tany tana. Nga tsy raharaha e!
5. ikaretsaka ( 28/10/2008 20:42)
neveriko hoe nahita sarety tany de niraikiraiky :-D :-D
6. rakapy ( 28/10/2008 21:20)
Ika> :-D :-D :-D
7. fijo ( 28/10/2008 21:23)
ny olona niresaka tamiko ,dia nahatsapako,fa ny olona tena mahalala ny finoany dia tsy manome tsiny izay tsy mino na mino zavatra hafa.fa ireo le mandray ankapobeany ,no tena tsy manaiky mihintsy raha vao sendra olona hafa fijery noho izy eo anoloany.
8. rakaroka ( 28/10/2008 21:28)
koa :roll: :-w :-w hono hoe: "zé mino ihany hono no vonjena" :-P
dé refa tsy mino 'zany dé :-w :-w :-w Dia very any am "mandrakizay, sy any am farihy mirehitr'afo sy helo sns ...Dia 'zay no mahatonga lé tory hoe : "mba minoa!" :^) :^) :wink:
9. fijo ( 28/10/2008 21:31)
le voavonjy io moa voavonjy akory??de le tsy voavonjy ,manao akory koa,fa manahirana be le misaina azy
10. rakaroka ( 28/10/2008 21:37)
lé voavonjy hono mankany paradisa, dia lé tsy voavonjy any am ny "afobe e": kila hotohoto any . Donk mbô tsy ahalasa karatoa an'i LéFijo rahatrizay no mampanao tongotra an-katoka itoriana hoe : "mbô minoa ihany wà!" :wink:
11. fijo ( 28/10/2008 21:44)
efa hoavy izao ny ririnina ka aleo aloha lefijo hoany amin'ny afobe fa mangitsy ka.kozy e
12. ikaretsaka ( 28/10/2008 21:51)
le fisainana hoe "maty ialahy raha tsy mino ze lazaiko an'ialahy fa teny mahasoa no lazaiko an elahy" io mihitsy no hitako hafahafa k'loha e!

de sh'avy eo koa misy silamo iznay miteny an'io koa heo maty ialahy raha tsy mino ze lazaiko (silamo an ela)

de mitohy de mitohy



de avy eo le bandikely tratry ny dilem be hoe "ia ihany ary ro hahafaty ahy.... "

za mino marimarina @ izay fa lozanareo rehetra izay ni influencer azy raha lasa nivaha le boay kely @ izay cas izay
13. fijo ( 28/10/2008 21:53)
izay indrindra.ary eo no misy ny tena olana amin'ilay "fizarana" finoana.
14. rakapy ( 28/10/2008 22:13)
Izaho tamin'ny faha 6 taonako dia koboko i rabainanay nametraka kilalao teo ambody hazo noely raha sendra nifoha aho handeha hamany.Nefa i lery mihintsy no niteny hoe minoa mafy fa ho avy i dadabe noely hitondra kilalao ho anareo anio alina! de nino aho talohan'io. fa avy eo dia fantratro ny tetiky ra olombelona @ ity resaka finoana ity.
Dia toy izany koa ny finoana. I krity sy ny akamany dia dadabe noelin'ny olon-dehibe.

15. ravatorano ( 29/10/2008 09:46)
rakapy < hihihihi dadabenoelin ny olon debe ahona kle hahahahaha

amiko dia izao ihany anjaranao no mitazona ny finoana ao anatinao satria ny tsy finoana dia efa finoana izay.Ka na mino na tsy mino an'andriamanitra ianao dia anao izay ary samy manao izay tokony "hahavony" azy sa ahona ra fijo !
16. ikaretsaka ( 29/10/2008 12:43)
amiko aloha dia tsy imposition ny finoana fa safidy e

tsy hoe tsy maintsy mino ianao fa safidinao ny hino na tsy hino
io no hitako somary mivaralila @ ataon'ny "mpitory sasany" rehefa injay iny fa tereny ho ohatr'azy aby ny olona
17. rijadolly ( 29/10/2008 15:39)
Rakapy:
Inona tokoa moa no mahadiso na mahafahotana ny tsy finoana?
Marina tena marina io tenin\'Rakapy io ho an\'tsy mino,

Ny mpino no tsaraina amin\'Finoany, ao anatin\'io Finoany io no ahafatarany hoe meloka izy na tsy eo anolohan\'Ilay inoany.Ny Mpino no mahafantatra ny Fiafarany na dia minomino fotsiny aza izy,Dia eo no mivoaka ilay hevitra hoe za aza ty minomino fotsiny dia meloka maika fa za mahafantatra(efa nitoriana)fa Jesoa Kristy no làlana sy Famonjena ahy sy Hanadio ny heloko eny fa na ny heloko rampitso aza no tsy mino.

Ho ahy tsy Mpino!
Iza ny hanadio ny heloko taloha ra tena mpangalatra aho taloha,
-gadra ve?
-Hafatry ny samy variana ve?
-Ra mpino ilay nasiako ratsy,ampy azy ny hitenenako hoe efa niova aho?
18. rabilabila ( 29/10/2008 17:30)
Ho ahy tsy Mpino!
Iza ny hanadio ny heloko taloha ra tena mpangalatra aho taloha,
-gadra ve?
-Hafatry ny samy variana ve?
-Ra mpino ilay nasiako ratsy,ampy azy ny hitenenako hoe efa niova aho?


-Raha mpangalatra aho taloha , dia ny eritreritro manenjika ahy dia efa mety hampiova ny tantana .Izay no mahaolombelona ahy ,afaka mijery ny lasa hanatsarana ny ho avy .
-Tsy ny fatahorako ny zandary akory no tsy hangalarako , fa tsy mangalatra fotsiny aho satria tsy misy antony tokony hangalarako.
-Fa afaka manao "robin des bois " koa aho raha toa hitako fa amin'ny tsy rariny no mampanana ny hafa ( fanandevozana , famitahana .....ilay tsy rariny eo )
-Rehefa mamngalatra dia mangalatra na mpino na tsy mpino ilay angalarina ary afaka mamela daholo na mpino na tsy mpino fa tsy ho an'ny mpino irery akory ny fandeferana sy ny fitserana ary ny famelàna .
19. ikaretsaka ( 29/10/2008 18:28)
izay koa tsetsatsetra kely...
misy manao hoe ny antony inoany dia nohon'ny tahotra hono!

karaha zandarma sy sirveillant ty A/tra ko
20. rijadolly ( 29/10/2008 19:14)
Rabilabila HS@ le fanontaniako izay te tsy hino intsony>>>>>tsy nahafapo ahy ny valiny satria mbola ao le fahotako taloha fa tsy afaka miantona ao antampon-dohako ao.

Manitatra njay ika an! sa mamily resaka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0402