Inona moa no mahadiso raha toa ka tsy mpino ny olona iray?

121. fijo ( 15/11/2008 22:14)
sahala amindry ben laden io e,izy ihany n omandoto ny finoany
122. prime ( 18/11/2008 12:05)
ikaretsaka:
mety ve le hoe tsy misy atidoha miditra ny fanjakan'ny lanitra?
... Raha tsy mety aminao aza anontaniana ny hafa... :lol:
ikaretsaka:
ary aza tsimponina fa na Jesoa aza tsy mamonjy ny adala sy ny ignorant... jereo ny momban'ny virja 10 ohatra.. jereo fa voalaza ao anaty baiboly izany
... Raha niteny ny fanoharana ny amin'ny virijina 10 mikasika ny dimy hendry sy dimy adala Kristy, olona "tête vide" sy "tsy misy atidoha" ve no tiany nanarina tamin'ny hoe "dimy adala"? ndrao ianao aza no mandray ny tenin'Andriamanitra araka izay fahazoanao azy...!!! :lol:
123. ikaretsaka ( 18/11/2008 16:36)
olona tsy realiste fa dedadedaka fotsiny ilay 5 adala aloha e..
ireny le hoe mitondra jiro de ampy.. tsy misy hafa @ "sola sola e" :wink:

ara tsimpona no nahatonga ahy nanontany io mety ve io
124. coopsal ( 20/11/2008 17:10)
rakapy:
Izaho anie tsy mbola nilaza fa tsy marina i jesosy

rakapy:
Fa aza raisina hoe "lainga" na "marina" na koa hoe"A/tra" na "satana" na koa hoe " black" or 'White" fa lasa tery be ilay fisainana.

==> Somary tsy azoko ny resakao eto! I Jesosy no nilaza fa ny devoly dia rain'ny lainga sady mpandainga hatrany am-boalohany! Ka raha mino aho fa marina i Jesosy dia marina izay lazainy izany! Izy no nilaza an'io, moa ve tsy Izy no tery saina raha izany?

rakapy:
Zava misy avokoa ireo fa ny olana dia misy ireo izay milaza ho kristianaina mpanara dia no mandoto sy manova ilay anaran'i jesosy.

==>
Misy koa ny vola sandoka!
Fa tsy manakana ny fisian'ny vola tena izy akory izany.
Ary tsy mahatonga anao velively tsy hampiasa ny tena vola.

Misy ny mpaminany sandoka
fa tsy manakana ny fisian'ny tena mpaminany marina izany.
Ary ataoko fa tsy sakana ho anao tsy hihainoanao izay tena mpaminany koa.

Maro ny olona mitonon-tena ho kristiana saingy hitanao fa tsy manaraka ny ambaran'i Kristy!
Fa ianao ve tsy mahita na iray aza ka olona fidèle @i Kristy?

Maro ny olona variana mifanenjika nefa samy kristiana!
Fa ianao ve tsy mahita na iray aza ka tsy manenjika mihitsy fa milaza an'i Kristy fotsiny no ataony?

Ianao koa mba manana ny position-nao!
Ny position ny olona na izy (mino) an'i Jesosy [sokajy 1] na tsy mino [sokajy 2]! Ny eo anelanelany dia efa tsy sokajy 1 foana.
125. fijo ( 20/11/2008 21:48)
iza le devoly lazain'ilay jesoa eto?
126. prime ( 24/11/2008 12:04)
ikaretsaka> Fa inona no fahazoanao ilay solika nentin'ilay "dimy hendry"? :lol:

fijo> :wink: te hahafantatra an... :lol: :-D
127. rakapy ( 25/11/2008 03:14)
hoy i Prime "Ka raha mino aho fa marina i Jesosy dia marina izay lazainy izany! Izy no nilaza an'io, moa ve tsy Izy no tery saina raha izany? "
Tsy i jesosy velively no tery saina fa ireo xana mpanara-dia no mamalan-kira.
128. prime ( 25/11/2008 08:30)
rakapy> Sao diso olona iresahana ianao fa tsy izaho no niteny an'io na dia itoviako hevitra aza ilay nanoratra...
129. rakapy ( 25/11/2008 18:12)
Prime> mila tsiny fa kay moa i Coopsal no saika handefasako an'io kay lasa tany aminao ilay valiteny . Ka na izany na tsy izany anefa dia ho an' ny izay xana rehetra ny valiteniko.
130. prime ( 26/11/2008 06:46)
rakapy> Mba handray anjara ny tenako amin'ny resakao sy coopsal ka miala tsiny raha mandray ety antenantenany fa tsy tena naharaka tsara ny niantombohany...

Raha ny ambaranao dia tsy misy mandà satria misy tsy fahatanterahana ny mpino kristiana ary tsy misy sahy hanamarin-tena ny amin'izany... saingy na inona tsy fahatanterahan'ny tsirairay, ny Tompo nifidy azy ireo no manana ny antony feno nahatonga Azy hifidy olona tsy tanteraka ho tonga mpanompo sy mpiara-miasa akaiky Aminy... izay no mahatonga ahy miteny hoe itoviako hevitra ny namana satria raha misy tokoa ny "tery saina" araka ny ambaranao dia ilay nifidy azy ireo no voalohany amin'izany...

Na inona nefa tsy fahatanterahan'ny mpino kristiana tsirairay, ilay Jesosy velona sy mamonjy ny mpanota ary tia ny olona rehetra jerena dia ho azonao ilay tena fitiavana sy fiainana... fa raha ny mpino kristiana tsirairay no ho tsikerainao tsirairay dia sady ho lany andro ianao satria ilay Tompo niantso azy ireo efa manamarina azy, no sady ho very ianao satria tsy ireo no nanolotra ny ainy mba hahavoavonjy anao fa Jesosy... :)
131. mandalomiserana ( 27/11/2008 20:21)
tsara ny adi-hevitra,samy manana ny fijery ny tsirairay; ary tsy azo hifanerena ny safidy fa samy manambara ny faharesen-dahany avy. raha toa anefa ka lasa fanaratsiana ny hafa dia tsy misy antony tokony hiresahana fa manjary manaratsy ilay inoana (ilay tompoina) indrindrindra ianao raha kristiana ny finoanao;Havao aloha ny finoana (foi) sy ny finoana (religisité) fomba finoana no tena marina fa lany andro mifampitsikera fotsiny isika.
amiko ,miainga amin'ny baiboly ny fijeriko: ny olombelona dia noforonin'Atra ary nasiany fofon'aina dia velona;rehefa nanota izy dia matyka nisy banga ao aminy.
tsy feno tokoa ny fiainany ka mitady izay hamenony an'io banga io izy; rny zava-misy manodidina azy no hamenony an'io satria tsy afaka hiaina irery ny olombelona.
raha fiangonana no misy eo, dia mitodika amin'Atra izy satria mahatsiaro ho irery;
raha fanompoan-tsampy no misy, dia mangatam-pitahiana @ny razana izy mba ahazoany aina;
raha technologie no betsaka eo, dia mitady zavatra demontrer-na izy vo mety mandeha ny fiainany.
samy manana ny hahzoany aina sy fahatsapana ny mbola hahalehiben'ny fahabangana;sartra ny mifanejika
saingy,mbola ny baiboly ihany no manamarina fa tokana no mety hahazoana fitsaharana ;dia jesosy Kristy (mat11:28).
tsy mitantara lainga aho fa iainako tokoa ny fitsaharana ao amin'iKristy fa tena tsara;
koa manentana aho fa tsy manambany ny hafa fa andramo ka izahao fa tsara Jehovah
132. ikaretsaka ( 28/11/2008 02:58)
ny tenin'i tywa no iraisako hevitra eto hoe
tywa mamaly ity:


Mazava ho azy fa very ra tsy mino an i Jesosy
-ny fahefana rehetra efa nomena an i >Jesosy
-tsy misy mankany @ Ray afatsy @ alalan'i Jesosy
Tsy izay boky rehetra izao akory de mitondra mankany @ fiainana daolo,
ny tena azo antoka de tsy ho iray ny toerana hisy ny kristianina sy ny bhoudhiste, ny indou, ny silamo,
tsy afaka hiaraka honina @ kristianina ao amparadisa ireo,


Sahy mihitsy ianao milaza fa tsy afaka hiara-honina ao amparadisa ireo ... f'efa nisy nahita sy niverina angah nilaza zany ? tsy ny etikety anie no hitsaràna anao fa ny fitondra-tena fony fahavelona e. Ireo olona mino ireo na tsy i Kristy aza no hinoany, d mety mampihantra ny fomba mendrika kokoa noho ireo milaza azy ho kristianina ...
133. prime ( 28/11/2008 09:10)
rakapy:
Inona tokoa moa no mahadiso na mahafahotana ny tsy finoana?
... Raha amin'ny eritreritr'olombelona sy ny fifandraisana mahaolona dia na izaho koa aza mitovy hevitra aminao hoe "inona tokoa moa no mahadiso...?" samy manana ny azy, samy manana izay inoany sy tsy inoany, samy manana fahafahana handinika, hijery, hikaroka, hametraka tanjona sns...

Saingy ny tenin'Andriamanitra no namaritra toy izao, amin'ny anaran'ny Tompo :

"17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara]18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara]19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara]" Jaona 3:17-19

Tsy Andriamanitra no tonga hitsara sy hanameloka ny olona fa ny olona ihany no miantso fahamelohana ho azy rehefa manapaka ny fihavanana amin'ilay Nahary azy, izay tsy mikatsaka afatsy fiadanana ho an'izay tia Azy... tsy Andriamanitra no niala tamin'ny olona fa ny olona no niala, sy nahafoy Azy...

Mandrak'ity nefa ny androany dia mbola Andriamanitra hatrany no tsy mitsahatra miantso mba hiverina Aminy izay rehetra niala Taminy... :)
134. coopsal ( 28/11/2008 11:24)
Ikaretsaka:
NB: maso sy tongotra no resahan'i Jesoa @ marka fa tsy hoe raha adala sy bado sy tsy ampy fahalalana!
ary tadidio fa no condamnen'i Jesoa foana aza ny adala sy votsa saina sy ignorant!
->>diso tsimpona indray "ra mpiforcer hifandraika" eto!

==> "Ny fihevitro tsy fihevitrareo" hoy YAHAWEH!
"Izay avy any ambony dia manambara ny zavatra any ambony!" Ary satria Jesoa avy any ambony dia ny any no ambarany, saingy satria ny olona avy ety ambany, dia mampiasa langage ny olona Izy hitenenany ny zava-panahy. Manome fanoharana @ zavatra hitan'ny olona sy fantany ary iainany Izy mba hilazaNy ny zavatra any ambony.

Koa inoako fa ny maso sy tongotra tenenin'i Jesoa eto dia ara-panahy!
Toy izany koa ny votsa saina sy adala izay lazainy tsy ho tonga! T@ jiosy ny atao hoe hendry dia izay "mahalala (matahotra, mi considérer) an' Andriamanitra", koa ny adala dia izay mifanohitra @izay. Ny votsa saina dia izay ihany koa ny heviny. Satria ny antsoiny ho intelligent dia izay mahalala mitodka @Andriamanitra.

Izaho kosa mino ny fitiavan' Andriamanitra ny olona rehetra, itiavany azy ho vonjena ka ny teniNy dia natao ho azon'ny ankizy kely sy ny tsy nahita fianarana aza [Matio 11:25]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0915