Inona moa no mahadiso raha toa ka tsy mpino ny olona iray?

101. rakapy ( 07/11/2008 23:07)
Coopsal, Prime, Fahamarinana,Mandefitra ary ireo mpino an'i jesosy> Raha iverenako ilay loha-hevitra dia inona izany no mba valiteninareo momba ireo olona tsy mino an'i jesosy? Diso ve izy ireo sa tsia?
102. Mandefitra ( 10/11/2008 10:51)
Tsy afaka ny hi tsara azy izahay na diso izy na tsia ka.
Fa raha ny Mpino Kristianina no mahalala fa tsy mpino ny olona iray, dia adidiny no manambara aminy ny filazan-tsaran i Kristy.
Miova moa izy tsara, tsy miova izy dia entina am-bavaka mba hotsidihan ny Fanahy Masina.
103. coopsal ( 10/11/2008 11:09)
rakapy:
Raha iverenako ilay loha-hevitra dia inona izany no mba valiteninareo momba ireo olona tsy mino an\'i jesosy? Diso ve izy ireo sa tsia?

==> Izaho tsy manana valin-teny ahy manokana. Fa satria efa Jesosy no inoako dia izay lazainy no inoako ary ampitaiko eto (voasoratra ao @ baiboly izany) :
- Voalohany, tsy fantatro ny tianao lazaina amin\'ny hoe \"diso ve\", fahotana? Raha ny finoako (dia izay ambaran\'i Jesosy) : ny tsi-finoana an\' Andriamanitra sy ny fahotana dia tahaka ny microbe sy ny aretina, ary ny aretina no mitondra fahafatesana.
FANOHARANA 1 : Ny mpahalala @ resaka fitsaboana dia milaza mazava ny maha samy hafa ny VIH sy ny SIDA! Fa milaza kosa fa ny olona nidiran\'ny VIH dia tsy maintsy ho lasa sidéen (raha tsy hoe angaha misy fanafody tampoka!)

- Faharoa : Ny finoana an\'i Jesosy (@ maha JEHOVAH Mpamonjy azy), dia mitovy @ fandraisana fanafody rehefa voan\'ilay aretina.
FANOHARANA 2 : Ndeha ataontsika hoe (supposons) marina ny an\'i Zaranaina fa tena mahasitrana SIDA tokoa ilay fanafodiny! D ataontsika hoe (supposons) isika sy rakapy samy nidiran\'ny VIH, ny zavatra aely @izao dia ny anti-rétro-viraux, izay tsy fanafody velively fa voalaza fa ahafahan\'ny vatana manamboatra sela izay potiky ny VIH, mampihemotra fotsiny ny fotoana voatondro hahafatesana (fa tsy manafoana!).
samy nandre mikasika an\'i Zaranaina isika, saingy fantatra moa fa tsy neken\'ny manam-pahefana izany ka dia sarotra inoana.
- Izaho nahatsapa fa efa tsisy fika intsony, ka dia nanatona an\'i Zaranaina aho ary dia nandray ary nampiatra ny fanafodiny! Sitrana aho!
- Ianao tsy nino an\'ilay fanafody dia tsy nivakl! Tonga teo aminao aho nilaza ny amin\'ny fanafody nahasitrana ahy! Tsy nino ianao. Naka namana aho nitantara taminao ny fiainany tahaka antsika ary nilaza ny amin\'ilay fanafody mahasitrana. Tsy nino ianao. Farany, novidiako mihitsy ilay fanafody, noraisiko an-tsoratra ny toromarika ary napetrako teo aminao, ary lasa aho satria tsy afaka hanao mihoatra an\'izay. Rehefa lasa aho dia noraisinao ilay fanafody dia natsipinao tany am-baravaran-kely (satria tsy nino ianao).
@ izao, tsy ny SIDA no hahafaty anao, satria isika samy nanana, fa ny tsy finoanao ny fanafody tokana izay afaka nanasitrana anao.

NB : Tsy maniry velively ny ahazoan\'iza na iza aretina fa Fanoharana ihany iny entina milaza ny fiainan\' ny olombelona ara-panahy (araka ny anambaran\'ny baiboly azy). Ny tsi-finoana an\' Andriamanitra dia virus niditra rehefa nanomboka nandika ny fandraràna i Adama sy Eva. Nifindra t@ taranak\'izy ireo izany ary nandova otrikaretina aby. Otrikaretina izay tsy nisy fanafany hatrizay ary efa voatondro ny fotoana hahafatesan\'izay rehetra manana azy ( = henatra rehefa asehon\' Andriamanitra ny zavatra rehetra!).
Fa ankehitriny dia torina kosa fa i Kristy no fanafody manafaka an\'izany! Sady mamono ny otrikaretina no manasitrana ny aretina (fahotana). Misy ny mino ka manatona an\'i Kristy ary mandray Azy, misy ny tsy mino.
Koa noho izany, araka ny baiboly (finoana an\'i Jesosy), raha lasa any amin\'ny afobe ny olona dia tsy hoe satria nanota, fa hoe, satria tsy (nino ka) nandray an\'i Kristy izay fomba tokana ahazoany famelana ny helony rehetra.

Ary inoako ny fanambaran\'ny baiboly ny amin\'i Kristy, ka toy izao no fahazoako ny fanontanianao : \"Marary an-doha ve aho raha tsy mihinana efferalgan?\" Tsy hoe satria ianao tsy mihinana fanafody dia harary!
Fa ny marary rehefa tsy sitrana dia mitombo ny aretina ary maty ny iafarany.
Izany no inoako rehefa miteny Kristy hoe \"Ny zanaka tsy tonga amin\'izao tontolo izao hanameloka azy, fa mba hamonjy azy\".
104. isangojy ( 10/11/2008 11:28)
Inona moa no mahadiso raha toa ka tsy mpino ny olona iray?
Misaotra anao nanokatra ny adihevitra mba ahafahako manazava ny hevitro

Ny finona dia safidy, ary ao anaty safidy tsy misy afatsy anankiroa, na enao partisan-Jesosy, na enao partisan-satana!
Tsy afaka ny ho eo ampovoany enao satria lay safidinao maha eo ampovoany anao iny, avy amin ny tsy finoanao an 'i Jesosy ny dikan'izany avy @ satana.
Atra no lohan'ny zavatra rehetra, ary ny tsy manaiky izany dia avy amin'ny devoly satria izy mialona, te hitovy amin Atra, ary mbola ho avy ny andro hanao ny tenany ho a/tra izy ka hipetraka eo @ tempolin' Atra, kanjo ho levonin'i Jesosy @ fofonain'ny vavany izy
Atra hatramin'ny voalohany dia efa nametraka safisy fa tsy mba nanery ny olombelona, ka ao anatin ny aradalana enao zany ra toa tsy hino no safidinao fa dia tsy misy anjaranao zany any @ paradisa raha toa ianao hijanona @ zay safidnao izay;
ADR

105. fijo ( 10/11/2008 22:48)
hay hayhay izay tsy mino jesoa izany dia avy di asatana avyhatrany???eo le olan abe,ny silamo ,ny boudhista,ny indo ny sasany haf aizany avy diai satana???izay le tsy fahampian'ny fahalalana aminareo sasany.
106. isangojy ( 11/11/2008 05:48)
Mazava ho azy fa very ra tsy mino an i Jesosy
-ny fahefana rehetra efa nomena an i >Jesosy
-tsy misy mankany @ Ray afatsy @ alalan'i Jesosy
Tsy izay boky rehetra izao akory de mitondra mankany @ fiainana daolo,
ny tena azo antoka de tsy ho iray ny toerana hisy ny kristianina sy ny bhoudhiste, ny indou, ny silamo,
tsy afaka hiaraka honina @ kristianina ao amparadisa ireo,
107. tywa68 ( 11/11/2008 11:57)
isangojy:

Mazava ho azy fa very ra tsy mino an i Jesosy
-ny fahefana rehetra efa nomena an i >Jesosy
-tsy misy mankany @ Ray afatsy @ alalan'i Jesosy
Tsy izay boky rehetra izao akory de mitondra mankany @ fiainana daolo,
ny tena azo antoka de tsy ho iray ny toerana hisy ny kristianina sy ny bhoudhiste, ny indou, ny silamo,
tsy afaka hiaraka honina @ kristianina ao amparadisa ireo,

Sahy mihitsy ianao milaza fa tsy afaka hiara-honina ao amparadisa ireo ... f'efa nisy nahita sy niverina angah nilaza zany ? tsy ny etikety anie no hitsaràna anao fa ny fitondra-tena fony fahavelona e.:wink: Ireo olona mino ireo na tsy i Kristy aza no hinoany, d mety mampihantra ny fomba mendrika kokoa noho ireo milaza azy ho kristianina ...
108. ikaretsaka ( 11/11/2008 16:07)
izay mantsy
109. coopsal ( 11/11/2008 16:23)
tywa68:
tsy ny etikety anie no hitsaràna anao fa ny fitondra-tena fony fahavelona e.

==> Izaho manokana aloha ry tywa68 efa resy lahatra dieny izao fa raha ny fitondran-tenako dia tsy ho tafiditra any @ paradisa mihitsy aho!
Marina fa mpanao asa soa aho, mpivavaka sy mpamaky Soratra Masina, miezaka ny ho tsara eo anatrehan'ny rehetra sy ny tenako koa!
Saingy efa nasehon'i Kristy tamiko fa tsy ampy hahafahako hiditra ny paradisa ny fitondran-tenako.

Efa hitako fa na dia manana volonté be hanao ny tsara aza aho dia tsy voatery hahavita ireny. Jereo anie, efa hitako ohatra ilay teny hoe "tiava ny namanao tahaka ny tenanao". Sady nampiany example mihitsy hoe "manaova ohatra an'ilay Samaritana tsara fanahy".
Fa teneniko anao fa imbetsaka aho no tsy nahavita, mahita olona mitsirara eny an-dalana, rehefa te hamono ny feon'ny fieritreretako aho dia ataoko fotsiny hoe "io ve tsy olona mamo"! D lasa aho, indraindray aho mba miezaka fa tena "tara loatra any am-piasana aho" ... tsy vitako e!
Mazotoa izay mbola hitady purification @ alalan'ny fiezahana ho tsara fitondran-tena!

Faly ery aho fa mino an'i Kristy fotsiny aho dia sady purifié (noho ny ràny natete) no tsy mila miasa fatratra (fa vao mainka mivesatra fahotana), fa Izy no milanja ny mavesatro rehetra, izaho omeny zioga maivana miaraka @ assurance fa hahazo fiainana mandrakizay!
[Matio 11:28]
110. ikaretsaka ( 11/11/2008 16:29)
dia ovay iznay ny fitondrantenanao ko

ny finoana tsy arahin'asa dia naman'ny maty momoka hoy i Md Jakoba izay!
111. ikaretsaka ( 11/11/2008 16:38)
dia tadidio koa fa ny ankamaroan'ireo olona nositranin'ny Tompo dia nasainy niasa aby koa
Nasainy nanasa ny masony.. nibata ny fandrianany..niteny tany @ lehiben'ny mpisorona.. sns

fa tsy t@ izao fotsiny
112. rakapy ( 11/11/2008 17:59)
Isangojy> Raha ny fahazaoko ny voalazanao izany dia midika fa ianao izay mitonon-tena ho mpanara-dia an'i Jesosy izany no tsy te hiaraka @ ireo hafa finona ireo. Ataoko angamba fa izy Jesosy tenany aza dia tsy sahy nilaza izany.
Ka moa va tsy efa faminaniana sandoka sahady no mitranga??? :-D :-D :-D
113. fijo ( 11/11/2008 22:42)
izay mihintsy,nefa avy eo komba be samy iray tarika.ety an tany aza ireny no atao ko,maika fa any kle???aoka marina
114. ikaretsaka ( 11/11/2008 23:32)
raha vao misy io "zahay ihany" sy "nareo tsy izy"io aloha dia tsy maintsy hisy kombaka foana e
115. coopsal ( 14/11/2008 09:27)
rakapy:
Ataoko angamba fa izy Jesosy tenany aza dia tsy sahy nilaza izany.
Ka moa va tsy efa faminaniana sandoka sahady no mitranga???

==> Marina ihany izany le Jesosy? ary marina tokoa izany fa misy ny faminaniana sandoka izay voasoratra ao @ baiboly?

Tahaka izao io tiako anontaniana io :
Socrate affirme "tout ce que Platon dit est mensonge"
Platon affirme "tout ce que Socrate dit est vérité"
Lequel des deux ment?
116. prime ( 14/11/2008 12:03)
ikaretsaka:
raha tety vide ra prime no tonga any ka tsy fantatr'i prime akory hoe aiza ity misy ahy ity de ahoana???
... Hay moa izany no dikan'ny "tête vide" nambaran'ny masindahinao? :-D =)) maninona no tsy atao hoe "fou" mihitsy? :lol: :-D
ikaretsaka:
NB: maso sy tongotra no resahan'i Jesoa @ marka fa tsy hoe raha adala sy bado sy tsy ampy fahalalana!
... :lol: :-D Angataho ny fanahy masina dia idiro lalina kokoa ny hevitr'Andriamanitra ny amin'ireo teniny ireo dia hazava aminao...

Na ara-dalàna amin'ny toe-tena mahaolona feno aza ianao nefa very any amin'ny helo dia faty antoka avokoa... na feno fahalalàna sy fahaizana ary fahendrena eto amin'izao tontolo izao aza ianao nefa very any amin'ny helo dia faty antoka daholo... na anananao avokoa aza ny zava-tsarobidy indrindra eto amin'izao tontolo izao nefa very any amin'ny helo dia zava-poana avokoa... izay no fototr'ireo tenin'Andriamanitra ireo... :)
ikaretsaka:
ary tadidio fa no condamnen'i Jesoa foana aza ny adala sy votsa saina sy ignorant!
->>diso tsimpona indray "ra mpiforcer hifandraika" eto!
... Hay ve ny "Jesoanao" mpi-condamner' e!!! ny ahy ny Jesosiko Mpamonjy... :)
117. ikaretsaka ( 14/11/2008 21:07)
mety ve le hoe tsy misy atidoha miditra ny fanjakan'ny lanitra?

ary aza tsimponina fa na Jesoa aza tsy mamonjy ny adala sy ny ignorant... jereo ny momban'ny virja 10 ohatra.. jereo fa voalaza ao anaty baiboly izany
118. rakapy ( 14/11/2008 22:44)
Coopsal> Izaho anie tsy mbola nilaza fa tsy marina i jesosy na koa hoe tsy misy ny mpaminany sandoka! Zava misy avokoa ireo fa ny olana dia misy ireo izay milaza ho kristianaina mpanara dia no mandoto sy manova ilay anaran'i jesosy. Noho izany ny mapaminany sandoka dia tsy ahatsapa tena fa misandoka. Ary ireo izay mihevi-tena fa mpanompo an'i jesosy dia tsy mahatsapa tena fa mandoto azy.
Fa aza raisina hoe "lainga" na "marina" na koa hoe"A/tra" na "satana" na koa hoe " black" or 'White" fa lasa tery be ilay fisainana.

119. fijo ( 14/11/2008 22:55)
ary tena mandoto ny hinoany ny sasany
120. ikaretsaka ( 14/11/2008 23:37)
izay mantsy ry rakapy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 3.1585