NY VEHIVAVY SY NY FAHOTANA

101. rabilabila ( 22/10/2008 22:55)
Inona moa no nandravana an\'i Sodoma? valiny: ny fahavetavetany. Hadalan\'izay te hiaro ny lahy manambady lahy, vavy manambady vavy, ary ny lehibe manambady tsy ampy taona na koa ankizy.


I Lota moa nosefo deban\'andriamanitra tao ? Fantatrao tsara ve ny tantaran\'i Lota sy ireo zanany vavy ?
Vakio ao amin\'ny genesisy 19,1-14 ;19,26 sy genesisy19,30-38.
Dia misy afaka milaza ve hoe inona no sazy azon\'i Lota sy ny zanany ? Raha amin\'izao fotoana izao dia \"perpet\"

Ary ny tantaran\'i Amona sy Tarama, samy zanak\'i Davida ( izay ampatsiahivina fa razamben\'i Jesoa ) , vakio ao amin\'ny Samoela 2 13,1-34.

Ary feno zavatra ohatran\'ireo ao anatin\'ny bokinareo , tsy mila mandeha mividy gazety fait divers intsony , fa manokatra baiboly dia ampy ,afaka maka toko sy andininy vitsivitsy isan\'andro dia ampy ho an\'izay manana curiosités malsaines .


na iza hiteny na iza handresy lahatra dia ekeko izay voasoratra, raha nilaza izao ny Baiboly hoe ny vavy no lohan\'ny lahy dia mba ahoana ny hevitrao? izaho dia nanaiky satria izay izany no voasoratra ho an\'ny Mino.

Ary hoy i Paoly :
Korintianina I 11 13: Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin\'Andriamanitra ka tsy misaro-doha ny vehivavy?
Ka tokony hosaronan-doha koa izany ny zadinareo .Eny e!! misy an\'ilay option hoe \"lava volo \" aloha ,ka raha tsy te-hampisarondoha izany ianareo dia fero tsy hotapahiny intsony ny volony ( raha efa manambady ) ary aza manambady vehivavy borivolo ho an\'ireo izay mbola mpitovo.
Korintianina I 14 35 :Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
Raha izaho ianareo tsy entina any am-piangonana intsony ny vadinareo fa sao dia ahitan-doza raha miteniteny any .

Ity indray ao amin\'ny kolosiana :Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin\'ny Tompo.
Dia mahereza ry vaiavy isany fa mety ho tonga hatrany amin\'ilay fanasan-tongotra io an!!
I timoty indray:
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin\'ny fitafiana mahamendrika mbamin\'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin\'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa [perila], na fitafiana saro-bidy.
Tandremo ry vaiavy isany sao dia lazain\'ny olona fa \"janga\" ianareo raha manao firavaka sy mirandrana.........Maty aho Mamako izay manao tana ivoho .
Ao amin\'i Timoty ihany:
Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
Tena i Lery mihitsy ilay hoe :\"ko\" amin\'ny tsy avelako ka chhhhhuuuuuuuuut

Ary tandremo ry lehilahy isany sao dia mitsaika ny vadinareo na ny zanakareo vavy amin\'izao andro efa manakaiky ny farany izao sao dia tratran\'ireto :
Fa lozan\'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin\'izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin\'ny tany ary fahatezerana amin\'ity firenena ity.

Ireo zavatra notsongoiko ireo dia santionan-teny tao anatin\'ny bokimasinareo izay voalazanareo fa mandrakitra ny fahamarinana , ka asakasakareo izay hanaraka n\'izany fa sans moi ni et j\'espère sans ma fille .

102. rabilabila ( 22/10/2008 23:19)
Ary mikasika ilay fahanginana izay lazain'i Prime indray dia azo lazaina fa misy karazany maro ny atao hoe fahanginana = silence , ary aza adino fa io fahanginana io dia tsy azo sarahina amin'ny fitenenana=parole
Betsaka ny fomba fiteny arakaraky ny circonstance:
-le silence est d'or
-briser le silence
-le silence du pouvoir
-le silence des mathématiques
- le silence du mépris
- les techniques du silence
.......................................................................................................

Ao amin'ny beboly tsy misy mireska circonstance mihitsy fa tonga dia aoka mba hangina ny vehivavy , ary raha misy zavatra yiany anontaniana dia miandry tonga any an-trano izay vao afaka manontany ny vadiny .

Amiko ,ary efa nolazaiko teto foana ,dia boky toa ny boky rehetra io baiboly io , maro ny hevitra azoko tsongoina ao ,toa ny fitsongoaka ny hevitr'i Spinoza , na i Aristote , na i Platon..... na ao amin'i Harry Potter sns.......
fa ny anareo moa io dia "masina indrindra " ka dia akory atao !! Araho raha izay no mahadiavolana ny sainareo , fa izaho , Rabilabila , rehefa misy ny "tsy rariny " na amin'ny lafiny inona na amin'ny lafiny inona dia tsy hahita fahanginana amiko ianareo .
103. naritsimba ( 23/10/2008 05:13)
rabilabila>> mazava ihany koa ny hevitrao, tsy fanakianana an'iza na iza no notadiavina fa ny hevitry ny tsirairay.
Misaotra an'i Rabilabila.
Misaotra an'i rujadolly.
Misaotra an'izay rehetra nandray anjara ka namoaka ny tena heviny, averiko indray tsy natao hitsarana ny toetran'iza na iza fa natao hahalalana hoe inona marina no tena hevitry ny tsirairay raha ametrahana hevitra toy izao sy toy izao.
Ny faniriako dia ny hahaizantsika miady hevitra.
Ho ahy manokana dia azoko nanatsoahana fomba firesaka vaovao eo @ lehilahy sy vehivavy ity lohahevitra ity ary azoko entina ampiharina na @ asa na @ tokantrano ary indrindra @ fiaianam-piaraha-monina rehetra.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra ary fiadanana ety ambonin'ny tany ho an'ny olona ankasitrahana. AMEN
Vita tompoko.
104. rakaroka ( 23/10/2008 05:58)
[quote=rijadolly]

Tsy misy na iray aza rakaroka tato amin\'ity dinika ity milaza fa ankasitrahany ny lehilahy mamono vady ,vereno vakiana hatrany amboalohany fa i se no tonga dia tany ny sain\'se sy nampitsidika izany satria zay no nihatra t@ \'se
,
Ka 'zay mihitsy ny ankaroan'ny lhl, mora misendraotra tahaka izao. Araho tsara ny resaka...Hoy i Naritsimba eo @ valin-teny 88
lazaina fa lehilahy tsy mivavaka ireo lehilahy mahasahy mikasi-tanana ny vadiny!!!!!!

Efa novakin\'se ve le vaovao t@ midi nalefako eo ambony io? Dia manaoaona ny vokany? Tena zay ve ny tanjon\'le ramatoa? Dia tsy maintsy atsoina vahoaka ve ny fanajana na fandeferana tsy te-hiady fa fahanginana hisitaka kely noho ny fizirizirina ny hevitra heverin\'iray ho tena marina? Aleo ve any amin\'hafa mitady toy izay le ao an-trano no ahitsy satria efa fantatra ny fahalemeny izay inoko fa tsy mbola ho tanteraka ihany ilay vaovao? Tena afa-po tamin\'zavatra niriny ve le ramatoa sa nisy fanenenana be tao anatiny?

Rakaroka ilaina ny FAHANGINANA, inoako fa tsy kisendrasendra io vaovao tamin\'gazety io fa natao ho antsika eto amin\'ity dinika ity ho tena dinihina tokoa hoe aiza ny toerana misy ahy,ary ra izany ny ataoko dia inona ny vokany,ka ra fantatro fa mety voka-ndratsy dia tsy mbola tara aho hanitsy azy.

Novakiako tokoa ilay izy fa tsy novakianao koa angaha iry nolazaiko ambony fa misy vhv 1 isaky ny efatra andro anie "maty" vonoin'ny vadiny!
Ka io tsy ny fampanginana ny vhv mihitsy no vahaolana.
Tahaka ahy aloha dia no-avisé-ko daholo ny procureur , ny différentes associations sns satria "hery tsy mitovy ka raha maninn maninn aho, dia efa manampy an-drizareo ny fikarohana e!...Aiza koa olona natao hiaro ve no lasa biby fampitahorana?...Ary na ny zanako aza efa natoriko hoe "comment faire raha mikasi-tanana i Dada / Quand c'est Non: c'est non amiko, fa any @ vhv marivosalosanareo any no tsetsemo ny vavany. Satria mila mi s'ex ny tsy zakany koa ny olona e...
Tapitra ny anjarako amin\'ity dinika iray ity dia misaotra an\'izay nanjay anjara rehetra sy izay mbola hanohy aho ary misaotra an\'Naritsimba nanokatra azy ary indrindra indrindra Rakaroka izay tena nilaza ny tao am-pony tanteraka.

'za indray aloha dia tsy hiafiafy mihitsy ny "hidradradradra" ny tsy rariny, ary tsy ho hay ampanginina raha ilaina izany!



105. rakaroka ( 23/10/2008 14:32)
.........................................................................................................
106. rakaroka ( 23/10/2008 15:07)
Ka ny "blem" amin'ny firiariavana miaraka @ lhl mihitsy : "henjana" foana na ny
antony mampidradradradra na ny antony "mampangina" 'za indray pandeha voatery "NANGIANA", rehefa avy niadivan'ity olona nikolo sy nampianatra ahy noho ny antony voatery handao azy noho ny "fianarana aty am-pita aho".
Ka izay ny "choix-nao" hoy izy mantsy ahy: 'za tsy namaly...tsy hoe "choix" loatra fa nahatsapa tena ho lehibe izany aho , dia mila maka décision" hoe "handeha" "au contraire" ny masaka an-tsaiko aza dia ny hanohy sy handalina ny "natombony" fa tsy azony !

Dia ohatr'izao ilay "hira" nampianariny , NAMPANGIANA ahy koa no ary mbola io aza ny tsindri-peo nampianarany ahy, hamaranako ny resako aza :
107. rakaroka ( 23/10/2008 15:20)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Musique/musique1.gif[/IMG]
Dia hozakaiko ,eny
Ary tsy ampiako teny
sahinao itompoana fa ahy ny hadisoana
Ny (l) ko tereko
Ny vavako fefeko
haiko ihany ny hangiana
Ry olon-tiana!
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Musique/joue-du-violon.gif[/IMG]
Hoy ianao tsy vazivazy
Mandrik'ahy ny sazy
Ny amintsika aoka ho foana
Fa ahy ny hadisoana
na mahatsiaro mijaly
Dia minia tsy mamaly
Ny hevitrao hajaiko
Ry lalaiko
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Musique/mini-casque-musique-28492.gif[/IMG]
Fa raha any andro iray
Hahatsapanao indray
Fa tsy tamiko foana
Ny hadisoana
Izaho hanankery
Hilaza tsy an-tery
Fa mbola ahy irery
Ny hadisoana!
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Musique/kaos000061.gif[/IMG]
108. ikaretsaka ( 23/10/2008 15:34)
Rijadolly> izay le ilazako hoe vakio ara kontexte le izy fa tsy tsimponina fotsiny
jereo ny zavatra nitranga sy ny contexte nisy t@ izany fa aza hoe izoa no voasoratra de izay izany.. na hoe hatreto ka hatreto ihany fa eo no metimety

averiko lalandava entoana izay
109. coopsal ( 23/10/2008 16:24)
Tsy nahavaky ny hevitra rehetra teto aho! Koa raha efa nisy nilaza teo ambony izao hambarako izao dia ekeo ihany raha inoanao fa avy amin\'i Kristy.
1- Ny hafatr\'i Paoly ho an\'i Timoty (tahaka ny epistily rehetra) dia teny nosoratana ho an\'izay mino marina an\'i Jesosy, satria izay tena mino marina irery ihany no afaka hanaiky fa tena hafatra avy amin\' Andriamanitra ireny, fitondran-tena mifanaraka @ filazan-tsara (izay amonjena ny mino), ka mila ankatoavina. Koa miantefa @izay mino marina an\'i Jesosy izao ambarako izao

2-
naritsimba:
milaza mazava fa tokony hangina ny vehivavy.

==> Nanana namana vehivavy mpitandrina aho, ary rehefa nahita io toromarika ho an\'ny mpino an\'i Kristy io dia nivavaka hoe ahoana re no tian\' Andriamanitra ambara @ izany e!? Vao t@ity taona ity, io namako mpitandrina io kay no nofidian\' Andriamanitra ho vadiko, ary eo @ko indrindra ilay toerana manalasala! Tsy mampiova ny tenin\' Andriamanitra izay toerana sy fahefana misy ny vehivavy eo @ fiaraha-monina na eo @ asa na eo @ firenena na eo @ fiangonana : ny lahy foana no manapaka azy. Ary raha lahy ao amin\'i Kristy dia izy no mampianatra ny vadiny, mampita @ vadiny izay nampianarin\'i Kristy Azy.
- Eto dia nanazava ny Apostoly Paoly hoe \"satria i Eva no voafitaka fa tsy i Adama\". Ny fampianarana sandoka dia inoako marina fa avy amin\'ny fanoherana io tenin\'Andriamanitra nambaran\'i Paoly io! NY fiangonana, izay (n)atao hoe vadin\'i Kristy, tsy nahay nangina intsony teo anatrehan\'i Kristy (n)atao hoe Lohany fa niseho ho mpampianatra ary dia nandray ny fitak\'ilay bibilava (satana) (miteny zavatra mandraka ankehitriny aho).
- Ankoatra izay, i Petera dia milaza koa [1Petera 3], manazava fa na dia eo anatrehan\'ny lahy tsy mino aza, vao mainka tsara ny mangina ho an\'ny vehivavy! Satria izany toetra mangina izany tena mahataona ny lahy koa hipetraka @ toerany (responsabilité et amour), ary fianarana tsara ho an\'ny zanaka mba ho mpankato.
naritsimba:
Matetika mantsy dia ny lehilahy no mahazo tsiny raha mifamaly @ vadiny

==> Inoako fa tsy resaka fifanomezan-tsiny io, fa izay mahatsapa fa an\'i Kristy dia mankato ny ibaikoan\'i Kristy azy, na hanaiky ny hafa na tsy hanaiky.
Tsarovy fa tsy ny fahadisoan\'i Eva no nahazoan\'i Adama ozona, fa satria izy tsy nankato an\' Andriamanitra! Ary tsy ny fahadisoan\'ny bibilava no nahazoan\'i Eva ozona, fa satria izy tsy nanaiky izay nolazain\' Andriamanitra (ka nampitain\'i Adama taminy).

Fa izao, efa misy ihany ny vehivavy no manaiky fa tokony hangina, tsy hanapaka na hiseho hampianatra ny lahy ... saingy ny faneken\'ny saina tsy ampy hankatoavana izany baiko izay tsy maintsy tanterahina izany.
Ny antony? izay ateraky ny nofo dia mitoetra ho taranak\'i Eva : voafitaka tahaka an\'i Eva.
Fa mila ateraky ny fanahin\' Andriamanitra ny olona izay vao ho tonga taranak\'i Sarah (vadin\'i Abrahama [1 Petera 3]).
Ny (n)ateraky ny fanahy dia izay mino marina an\'i Jesosy! [Jaona 1:12]
110. fijo ( 23/10/2008 20:19)
bokaka an,ny ahy koa vao folo taona,fa ndao hatakalo e.
de entindry ny baiboly de shut ann raha te hitabataba de aaaaaaaaahhhhh ihany.
111. ikaretsaka ( 24/10/2008 18:58)
112. fijo ( 28/10/2008 21:56)
ka tsy mety ve izay ary.
113. vivisexy ( 01/11/2008 18:30)
naritsimba:

I Timoty 2:10-15
Mba vakio hoe io ho anareo dia mba lazao ny hevitrareo!
Dia tohizako ao @ Ohabolana 26:5
Aminareo hadisoana ve raha toa ka mamaly ny vadiny ny lehilahy raha sendra ireny vehivavy minantsanantsana ireny, na ilay vehivavay maivava be ireny. Matetika mantsy dia ny lehilahy no mahazo tsiny raha mifamaly @ vadiny.
Amin'ireo andinin-tsoratra masina ireo anefa indrindra ilay ao @ ITimoty dia milaza mazava fa tokony hangina ny vehivavy.
Sa ve izay no atao hoe fandrosoana sy fitovian-jo.



amiko a ny lehilahy zany mila mitia ny vadiny,ny vehivavy kosa mila manaiky ny vadiny.ny baiboly anie natao mba hampirindra ny fiainana e,ra manaraka ny voalaza ao ny zanakolombel d milamina ny tany,sady mendrika ny vevavy koa zany satria izy no maivandoha nanaiky ny satana d aleo izy mba fehezin ny vadiny
114. fijo ( 06/11/2008 22:14)
ka izahay anie ta,fa nareo be resaka e.izay no olana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083