Inona marina no atao hoe finoana e?

1. xxx ( 13/10/2008 09:33)
Zaho mino an'i Jesoa Kristy fa izy tokoa no zanak'Andriamanitra, maty ary nitsangan-ko velona ho famonjena ary ho fanalàna ny ota, Izy no lalàna, fahamarinana sy fiainana izay mitondra any @ fanjakan'Andriamanitra!
1 - N'inona² angatahanareo @ anarako de ho azonareo izany
2- Ny fihevitro tsy fihevitritrareo
3- Ny finoana na dia toa voatsinapy aza de mahafindra tendrombohitra
4- Ny tenin'Andriamanitra de iainana ary tsy misy miafina aminy ny rehetra
Mangataka @ JK aho mba hanampiany ahy ary mangataka ny Fanahy Masina ihany koa @ fo madio tanteraka mba hanazava ny lalàko ary mba hitoerako ho @ finoana marina tokoa.Koa ahoana tokoa no ahazoana ny tena finoana na dia toy ny voatsinapy aza izay mahafindra tendrombohitra tokoa?
Moa ve tsy ampy ny fampianarana azoko matoa aho tsy mahavita toy izany?
novalian'i prime ny 14/11/2008 13:08
2. prime ( 13/10/2008 10:56)
xxx:
Inona marina no atao hoe finoana e?
Raha ny lazain'ny tenin'Andriamanitra dia toy izao amin'ny anaran'i Jesosy :

"[Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." Hebreo 11:1

xxx:
Koa ahoana tokoa no ahazoana ny tena finoana na dia toy ny voatsinapy aza izay mahafindra tendrombohitra tokoa?
Moa ve tsy ampy ny fampianarana azoko matoa aho tsy mahavita toy izany?
... Ny finoana dia an'Andriamanitra, ary angatahana amin'Andriamanitra... fantatr'Andriamanitra koa nefa izay sahaza ny tsirairay sy zakan'ny tsirairay satria ny finoana dia mitaky hery avy amin'Andriamanitra Tompon'ny asa, mitaky andraikitra goavana, mitaky firaisana amin'Izy Andriamanitra, ka tsy azo faritana araka izay mety amin'ny eritreritry ny tsirairay...

Raha jerena ny amin'ny fanomezam-pahasoavana marobe omen'ny Tompo ny mpino araka izay voasoratra ao amin'ny Epistily voalohany ho an'ny Korintiana toko faha 12 dia samy manana ny azy avy ny tsirairay fa tsy voatery hitovy tsy akory... ary ny "finoana" dia anisany, araka izay voasoratra toy izao amin'ny anaran'ny Tompo :

"ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany," I Korintiana 12:9

Izany no midika fa tsy ho an'ny rehetra ny finoana... ilay finoana fototra mahatonga famonjena dia iraisan'ny rehetra raha vao mandray an'i Kristy, fa ilay fanomezam-pahasoavana hiasa amin'ny finoana (hanao fahagagana ohatra) dia an'ny Tompo ny asa, Azy rahateo ny safidy hanome izany na tsia ho an'ny mpino...

Tsy tsapanao ve izany na eo amin'ny mpiara-manompo fotsiny aza? rehefa ilay mianatra na mandinika ny Soratra Masina, na ilay miasa sy manompo mihitsy koa, dia hitanao hoe misy olona (amin'ny mpiara-manompo eo ihany) tena manam-pinoana tsy misy toa izany... ny sasany mbola mihevitra izay hatao, ny azy efa ilay fahatanterahan'ny asa no ifotorany ary tanteraka mandrakariva rehefa izy no miteny... fa raha tsy omena izany ianao dia minoa fa manana fanomezam-pahasoavana hafa fa tsy ny finoana ihany no atao hoe fanomezam-pahasoavana... (raha sitrakao dia diniho tsara ireo voambara ao amin'ny I Korintiana 12) fa ny mpino rehetra dia samy manana ny azy avy avokoa... mety misy manana maromaro, mety misy iray ihany fa saingy avy amin'ny Tompo avokoa izany satria samy avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra avokoa... ary Izy rahateo no efa niteny fa ny sasany omena bebe kokoa, ny sasany antonony ary ny sasany dia iray ihany (fanoharana ny amin'ny talenta) saingy izany rehetra izany dia ho Azy avokoa mba tsy hirehareha ny mpino...


3. Mandefitra ( 13/10/2008 11:08)
Misaotra an i Prime nanazava ilay finoana mahafindra tendrombohitra ... karazana pouvoir omen'i Kristy ho an zay mino Azy io zany, tahaka ny fanomezam-pahasoavana samihafa ihany.
4. fahamarinana ( 13/10/2008 11:24)
:arrow: mankasitraka tanteraka ihany koa ny fanazavana nentin'ny prime e.. :) (l)
5. ikaretsaka ( 13/10/2008 14:52)
bedebe aloha ny atao hoe finoana e
misy ny finoanoampoana , misy ny finoana mitombina
misy ny tsy mitombina
dia amiko ny fahaizana mi balance le heo fa maninona aho ni mino izao raha izao no mitranga no tena finoana
fa tsy le nasesika fotsiny heo misy izao hono de zay fotsiny
6. tywa68 ( 13/10/2008 15:40)
xxx : Finoana marina ahoana moa ? :°)
Efa hiaraha-mahalala fa mitaky fihetsika vaovao ny fanarahana an'i JK, ka tsy mora, ary isika rehetra ireo d efa nania daholo, fa zay mahatsiaro tena mibebaka mafy sy mifona ary tena miasa arak'ilay hafatra navela ho antsika, d hahazo ny toerana nampanantenainy. Aza kivy fa mbola afaka manao izany rehetra izany enao, eny na d eto @ serasera aza :wink:
7. niryna ( 14/10/2008 04:00)
tywa68:


Efa hiaraha-mahalala fa mitaky fihetsika vaovao ny fanarahana an'i JK, ka tsy mora, ary isika rehetra ireo d efa nania daholo, fa zay mahatsiaro tena mibebaka mafy sy mifona ary tena miasa arak'ilay hafatra navela ho antsika, d hahazo ny toerana nampanantenainy. Aza kivy fa mbola afaka manao izany rehetra izany enao, eny na d eto @ serasera aza :wink:

misaotra ty a,izay ilay hoe olombaovao e? ny lasa dia aleo ho lasa fa ny fiainana vaovao no banjinina ,mino an'ilay Atra mahefa ny zavatra rehetra aloha aho voalohany indrindra .
Ny fihetsiko,ny toetrako,ny fiteniko,ny momba ahy rehetra dia omeny hery aho tonga zanany ary dia miova ho fo vaovao,tia ny namana,tsy mamaly ratsy ny ratsy fa mivavaka ho azy,mamela heloka ny ratsy ary mivavaka mba ho voavela koa ny heloko,izay rehetra ataoko dia hiderako azy avokoa ka [b] mino an'Atra izay iray aho,mino ny asany rehetra ary mino ny teny izay nomena ka mampiatra izany amin'ny fiainako .
ireo voalazan'i prime ireo ambony ireo ilay finoana dia an'ilay Atra tsy hita maso kanefa mahefa ny zavatra rehetra .
Mino ny Zanany ihany koa izay nanavotra ny rehetra tao anatin'ny fahotana ,ary mino ny Fanahy masina izay mampianatra ahy,manazava ny diako ka nahalalako ny tenin'Atra ary mino azy koa fa izy no mibitsika ato anatiko ka mitari-dalana aho andeha amin'ny fahamarinana.Raha manao ny tsy marina aho dia ny Fanahy Masina ihany koa no manitsy ahy ary mampahatsiahy ahy amin'izany .Raha mbola tsy mino aho fa manao izay tsy tokony atao ihany dia manana mpisolovava aho hanafaka ahy amin'izany dia i kristy io satria efa voavidin'ny ran'i kristy aho ary ny diakampony no nanasitranana ahy . http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=53&andininy=3-6&dika=[/quote
8. tywa68 ( 14/10/2008 09:05)
Hanampiako ny efa voalaza etsy ambony : andininy 14:27
http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/14
9. prime ( 14/10/2008 11:53)
Ary mbola misy fananarana maro ihany koa nomen'ny Tompo...

Tsara dia tsara ny manam-pinoana, ary tena izany tokoa no sitrak'Andriamanitra... ary na samy fanomezam-pahasoavana manokana aza dia anisan'ny lehibe indrindra ny finoana...

Fa ny tenin'Andriamanitra koa nefa no mampianatra ka manao toa izao amin'ny anaran'i Jesosy :

"Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo." I Korintiana 13:13

,dia hoy ihany koa ny tenin'Andriamanitra :

"Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho." I Korintiana 13:2

Izany no maneho fa tsy ilay finoana omena na tsia antsika no mahamaika an'Andriamanitra satria azony omena rahateo izany fa ilay antony ilantsika sy ampiasantsika izany...
xxx:
Koa ahoana tokoa no ahazoana ny tena finoana na dia toy ny voatsinapy aza izay mahafindra tendrombohitra tokoa?
Moa ve tsy ampy ny fampianarana azoko matoa aho tsy mahavita toy izany?
... ny tena fanontaniana izany dia tsy hoe "fa maninona aho no tsy omena ilay finoana mahafindra tendrombohitra?" fa ny hoe inona no ilan'ny Tompo ahy ka anirahany ahy? ary Jesosy eo no manome ny fanomezam-pahasoavana ho an'ny mpino tsirairay avy araka ny sitrapony sy ny anirahany ny mpino tsirairay avy...
10. fahamarinana ( 14/10/2008 19:08)
:arrow: misaotra anareo hatrany e.. :D (l)
11. fijo ( 14/10/2008 22:30)
ny finoana amiko dia faneken'ny saina zavatra iray tsy hay sy tsy hita.
aza hadino,fa ny tsy mino an'andriamanitra koa dia finoana.
12. cutie ( 14/10/2008 22:38)
tena mazava mitsy le voalazan'i prime. Mba sambasamba t@ iny :-D
13. tywa68 ( 15/10/2008 06:46)
:lol: i Fijo koa tena mazaaaaaava beeeeeeee :°)
14. xxx ( 15/10/2008 07:09)
Misaotra antsika rehetra izay namaly aloha fa ahitsiko kely prime: tena io fanontaniana io mihintsy no anontaniako fa aza avily le izy!, tsy le pouvoir no tadiaviko fa ahoana no ahazaoko an'le tena finoana tokoa satria ao anaty baiboly de imbetsaka i Jesoa no miteny hoe ry Kely finoana? na ny apostoly aza nataony izany nefa nahita sy nanatrimaso ny Tompo koa amin'ny fomba ahoana no ahalalako hoe toy ny voatsinapy na mbola kely noho izay ny finoako! Ny fahamarinana no antony hipetrahan'io fanontaniana io satria Maro no antsoina fa vitsy no fidiana.
15. rakaroka ( 15/10/2008 15:06)
xxx:

Misaotra antsika rehetra izay namaly aloha fa ahitsiko kely prime: tena io fanontaniana io mihintsy no anontaniako fa aza avily le izy!, tsy le pouvoir no tadiaviko fa ahoana no ahazaoko an'le tena finoana tokoa satria ao anaty baiboly de imbetsaka i Jesoa no miteny hoe ry Kely finoana? na ny apostoly aza nataony izany nefa nahita sy nanatrimaso ny Tompo koa amin'ny fomba ahoana no ahalalako hoe toy ny voatsinapy na mbola kely noho izay ny finoako! Ny fahamarinana no antony hipetrahan'io fanontaniana io satria Maro no antsoina fa vitsy no fidiana.


Mitombina "TANTERAKA" ny fanamarihan'i xxx satria ny "finoana" izany tsy antemaka , aiza moa hamantaranao ny finoana anjambany sy ny diso @ milaza amin-tapitrisa fa mino anefa mifandipatra ny zavatra inoany?, sns
raha tsy mbô manao reflexion toa 'zao? d'autant plus na ao @bible aza miverina imbetsaka ny fisian'ireo "mino" fa DISO FITAZANA, hoy ny tsipona mihitsy, ary na i Jesoa en perso aza wa. Tena marina ity fa tsy voa-capté-dreo ny "message"divine tokony namitaina dia nanao "ajustement" foana....
Donk "aza mbî ho minomino foana ihany fa ho votso-droa re!.... Saino, halalino, fantaro ny zavatra rehetra fa hanefy ny finoana izany!
:wink:
16. pissoa ( 15/10/2008 17:48)
Efa nanandrana namindra tendrombohitra angaha i xxx ?
Fa maninona ilay tendrombohitra no tiana hafindra ? :-D :-D :-D :-D :-D
17. rabilabila ( 15/10/2008 19:24)
fijo:

ny finoana amiko dia faneken'ny saina zavatra iray tsy hay sy tsy hita.
aza hadino,fa ny tsy mino an'andriamanitra koa dia finoana.


Tsia tompoko ô!!! Ny "tsy finoana " dia fanapahan-kevitra manokana ,niala tamin'ny fandanjalanjana ny zava-misy .
Ny tsy mpino dia tsy manana ( toa ny mpino) porofon'ny fisian'andriamanitra akory , ary indrindra ny "tsy mpino" dia afaka miova hevitra rehefa misy mahita ilay porofon'ny fisiana ,fa raha tsy izany izy dia tsy mpino idéolojika ,na dogmatika koa .


18. fijo ( 15/10/2008 20:25)
ka le tsy fanana porofo dia io lazaiko hoe "zavatra tsy ita sy tsy hay io"ka rehefa tsy hita sy tsy hay ilay zavatra dia nisy "nino"nisy "tsy nino"fa amiko dia izay izany no finoany azy.
19. rakaroka ( 15/10/2008 20:32)
Somary "Subjectif sy relatif" ihany ny fitazako ilay famaritanareo ny "finoana".
Ce qui veut dire tsy te hahalala loatra ny fiheveran'ny hafa izany mihitsy ianareo fa mitompo teny fantatra fa ny anareo ihany no marina. :-w :-w :-$
Manoloana ny "concept" isan-karazany, dia samy manana ny heverina fa "finoany" ny tsi1/1. Ny manana ny "Marina" anefa tsy determiné" raha tsy misy ny porofo, ary mbola hafa koa ny "finoana" miaraka @ hetsika isan-karazany fa tsy nihanona t@ fihainoana ftsn.
Ny hoe "nahafindra tendrombohitra" dia manana ny heviny tsy voatery ho ara-bakiteny ary tsy tokony ho tsiratsiraina na négligé-na mbo tsy hanaovan'ny sasany sy ny "tantara" ho zinona koa ny finoana tsy nisy izany akory !
20. fijo ( 15/10/2008 20:40)
an an,tsy hoe mitompo teny marina,satria araka ny nolazaiko dia tsy misy porofo,ka safidy manokana io.tsy midika izany fa marina na diso.izay no tsy hanameloakao ny mpino,satria amiko na izy na za samy,tsy mahalala ny tena marina,fa izy nisafidy hino za tsia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3026