Mandefa voandalana

1. ni81 ( 29/09/2008 11:45)
Misy @ ireo fianakaviana, na namana maro any dago no faly tokoa mampitondra voandalana ho antsika havana aty ivelany (vary gasy 5kg ohatra). Mahafinaritra sy mahafaly tokoa izany, fa saingy izao no olana kely: ilay olona tonga dia ao Marseille no handalo mandritra ny herinandro fotsiny, ny tena anefa any Nantes no mipetraka ohatra. Dia ny elanelan-tany Nantes-Marseille firy Km? Dia avela ilay entana ho any fa lavitra loatra. Dia sorena avy eo ny fianakaviana, na ireo namana fa hoe izahay mba nandefa sns...dia tsy nalainareo akory ny entana! 8O
2. fahamarinana ( 29/09/2008 11:55)
:arrow: Ny ahy dia tonga dia lazaiko fa tsy andefasana afatsy entana tsy mora simba ary azo avela ela ao amin'ny zokinay fa lasa fivezivezena lava eo.Dia tonga koa dia lazaiko fa tsy afaka hanafarana entana satria tsy hiakatra koa aho hanatitra an'iny any paris :-P ,fa kosa rehefa mandeha any dago aho dia miezaka be mitondra zvtr ho an'ny fianakaviana (akaiky indrindra indrindra satria efa 2x izany raha isaina ny roa tonta ) (l)
3. ni81 ( 29/09/2008 11:59)
Ny ahy dia tonga dia lazaiko fa tsy andefasana afatsy entana tsy mora simba ary azo avela ela ao amin'ny zokinay fa lasa fivezivezena lava eo.Dia tonga koa dia lazaiko fa tsy afaka hanafarana entana satria tsy hiakatra koa aho hanatitra an'iny any paris ,fa kosa rehefa mandeha any dago aho dia miezaka be mitondra zvtr ho an'ny fianakaviana (akaiky indrindra indrindra satria efa 2x izany raha isaina ny roa tonta )
Efa lazaina akia izy fa dia mbola misy mandefa mafy loha foana a! Marina fa tsy mora simba ny vary, fa ny halavirana e! Ka raha vary 5kg ve tsy aleo tonga dia mividy eny an-tsena na dia tsy vary gasy aza toy izay handany carburant lavitra be eo! Hafa indray raha toa ka efa nanana vinavina hoe ho any @ ilay toerana mihitsy! :roll:
4. Noue ( 29/09/2008 12:34)
ilay olona mandefa kosa angamba no tokony hilaza mialoha hoe andefasako vary ve ianao? :^)
5. ni81 ( 29/09/2008 13:02)
ilay olona mandefa kosa angamba no tokony hilaza mialoha hoe andefasako vary ve ianao?
Efa nolazaina izy fa hoe aza mandefandefa zavatra aty fa manahirana be ny fivezivezena haka entana any aman'olona any sady manahirana ilay mpitondra koa etsy andaniny! Fa vao maheno dia tsy azo atao ahoana! :lol:
6. xxx ( 29/09/2008 13:22)
ni81:

Efa nolazaina izy fa hoe aza mandefandefa zavatra aty fa manahirana be ny fivezivezena haka entana any aman'olona any sady manahirana ilay mpitondra koa etsy andaniny! Fa vao maheno dia tsy azo atao ahoana! :lol:


Fitiavana daholo izany fa aza raisina ho olana e

Ny ahy dia mahafoy vola aho , asaiko alefan'ilay olona postes, na dia fantatro aza fa lafo lavitra noho n'ny valeur n'ilay entana ilay mandefa azy
7. ni81 ( 29/09/2008 13:27)
Fitiavana daholo izany fa aza raisina ho olana e

Ny ahy dia mahafoy vola aho , asaiko alefan'ilay olona postes, na dia fantatro aza fa lafo lavitra noho n'ny valeur n'ilay entana ilay mandefa azy
Marina dia marina mihitsy fa FITIAVANA, saingy ho anay dia tsy mety ny mihatsaravelatsihy milaza fa haka ilay entana kanefa tsy handeha ho any akory! Ny anay aleo ny vola halefa ho azy ireo any dago toy izay ho laniana @ entana toy izany nefa aty afaka mahita sy mihinana sakafo gasy foana ihany.
8. fahamarinana ( 29/09/2008 14:13)
:arrow: ary tena efa mahita betsaka tokoa fa ny vidiny no miova araka ilay toerana.Ny aty aminay izao lavitra any paris dia somary miakatra kely ihany fa rehefa mba te hividy dia mikipy...tsy isan'andro fa rehefa mahatsiaro e.
ni :aty aminay tokoa misy vary mena,eny amin'ny sinoa sy afrikana fa produit karana ilay hitako fa izy anaty sachet monja.Azo iafina ihany e.
xxx 5: ny ahy koa dia aleoko avy hatrany tonga dia tsy manafatra raha tsy hoe tonga aty amiko mihintsy ilay olona mpitondra satria sady vola very ho any any dago nefa ny tenako tsy afaka hiakatra akory...Ary na ilay mpitondra aza tsy mety hisahirana handefa poste an'iny akory ndraindray fa fahasahiranana ho azy en plus koa,asa raha tsy hoe mpiray tampo angaha no hiangaviana nefa na izany aza tsy hanahirana olona kosa aho indrindra raha efa ho lava izao.Fa samy manana ny safidiny moa io araka ny tsi 11 ary tsy misy mahadiso ny anao ihany koa.Fa ekena fa tena Fitiavana tokoa fa iny tsy azo lavina anie e!! (l)
9. ni81 ( 29/09/2008 14:21)
Fa samy manana ny safidiny moa io araka ny tsi 11 ary tsy misy mahadiso ny anao ihany koa.Fa ekena fa tena Fitiavana tokoa fa iny tsy azo lavina anie e!!
tsy misy mahadiso an'i xxx mihitsy ka.
10. fahamarinana ( 29/09/2008 14:28)
:arrow: ka marina izay fa tsika roa no kamo hi-se deplace...sy hiala vola amin'ny poste...fa aleoko tokoa alefa any rahatoa misy izay sa ahoana hoy nareo ? ,efa lafo anie ny chrono raha tiana ho tonga malaky e..(l)
11. ni81 ( 29/09/2008 14:35)
ka marina izay fa tsika roa no kamo hi-se deplace...sy hiala vola amin'ny poste...fa aleoko tokoa alefa any rahatoa misy izay sa ahoana hoy nareo ? ,efa lafo anie ny chrono raha tiana ho tonga malaky e..
Tsy isika roa irery fa ilay namako any @ akaikin'i Paris any koa aza tsy mety haka entana izany e! Ny fotoana etsy an-daniny, ny lasantsy etsy ankilany. :lol:
12. tsiambaratelo ( 30/09/2008 11:33)
Nenay njay tsy lavinay zany mintsy raha misy manomé.Havan-tiana tsy mahalavi-tany.Zay zao hanafatra kobaravina le lavabe reny. Na koba katsaka iany kou aza :-P:-D:D
13. booboo ( 30/09/2008 12:05)
Ny ahy koa tsy ataoko olana ny handoa ny sarany handefasan'ilay olona @ poste ilay raha rehefa tsy afaka mankany mivantana aho. Ilay izy ara efa ao koa ataoko hoe aaa ento miverina any fa mandany vola sy fotoana sy carburant anà kah ! hu....Sady ià tsy isa-kerinandro na isam-bolana no sendra an'izany fa mahalana dia mahalana donky...
14. fahamarinana ( 30/09/2008 12:16)
:arrow: booboo :ka ny ahy alohan'ny handefasana no handavako azy rahatoa ka tsy ho afaka aho...ary tsy ilay vola amin'ny poste no tena olana ( tsy resaka fahalafosana ho ahy fa raha manampy kely aho mety tsara ho an'ny any koa )fa ilay olona hisahirana handefa ihany koa e,fahasahiranana double ho azy efa nitondra dia mbola handefa ihany koa.Zà ihany koa tsy isam-bolana no misy mi-propose fa aleoko tsy mandany vola satria ny any ny fiainany aza efa manahirana azy dia juste plaisir ho ahy no hanaovana dépenses fa samy manana ny tiany tokoa io e!! Soa fa misy mpivarotra etsy akaiky na tsy ho any isan'andro aza.
Tsiambara :ka ny anareo angamba be olona tonga any liban ka tsy olana ho anao satria hifankahita aminy....zahay aty ambanivohitra dia tsy tafa.(l)
15. booboo ( 30/09/2008 12:46)
Fahamarinana > ah, ny fahazoako ny resaka hatrany an-dreniny zao dia hoe tsy alaina mihitsy ilay entana na efa ao aza satria alavitra loatra no misy ny tena sns, tsy alaina mihitsy satria sao manahirana ilay nitondra ilay entana ilay mi-poster azy. Fa raha io lazainao farany io dia hafa indray...( ny tranga lazain'i ni81 mantsy hoe efa ao ilay entana fa tsy hoe vao hafarana, hitsio zà raha diso...)
16. fahamarinana ( 30/09/2008 13:13)
:arrow: booboo : ka ny ahy efa nihitatra ny resaka kouh...Tsy diso akory ianao kah fa efa somary nihitatra kely ilay resakay sy ni ary mety nivaona tamin'ny départ koa aza dia niafara tamin'io fa tsy misy olana akory anie booboo fa mety koa ny ataonao e fa tsy lavina mihintsy. :wink:
Zà fontsiny no efa sendra olona tsy nety akory na ny hi-poster azy aza dia na misy mandefa aza dia aleoko farafaharatsiny produit tsy mety simba dia alaiko ao paris amin'ny zoky rehefa afaka miakatra na dia volana maromaro aza ndraindray.(l)
17. ni81 ( 30/09/2008 13:29)
Izao ilay resaka e! Tsy misy io vary 5kg io fa ohatra fotsiny no nataoko. Fa saingy efa niseho t@ volana mars lasa teo.
Nahafantatra olona nankaty ny namana iray dia nandefa entana. Mahafaly sady mampihetsi-po tokoa izany. Izaho anefa tena sahirana be mihitsy noho ny asa aman-draharaha t@ io fotoana io. Ilay olona nampitondrain'ilay namana ilay voandalana tsy afaka nijanona ela tao @ ilay nivantanany akory ka niantso dodoria be (soa fa vibreur dia mangalatra nohenoina...). Dia nisy namako nasaiko nandeha naka ilay entana tany, nomeko azy ny adiresy dia lasa izy. Dia hoy aho taminy hoe: alaivo akia fa misy entana any hono ho anay, fa alaivo ho anareo fa tena tsy mahavezivezy be aho!
Dia izao indray io namana io (na dia efa nafarako aza mba tsy hampitondra fa ho very fotsiny noho ny fotoana) dia mbola nampitondra, ary dia nolazainy fa hoe handalovy any @ aéroport fa misy gasy fantany lasa any. Mpinamana anankiroa izahay no asainy maka io any. Izay ilay izy.
18. fahamarinana ( 30/09/2008 18:57)
:arrow: ni : mba tia anjy koa zao namanjy zao na dia somary mafiloha kely aza an... :) (l)
19. ni81 ( 30/09/2008 19:09)
ni : mba tia anjy koa zao namanjy zao na dia somary mafiloha kely aza an...
ie, tena tia izy ary tena mafy loha mihitsy fa dia mandefa foana na dia fantatra aza ny fahasahiranany. Ny olona any dago mantsy tsy mahita ty hazakazaka arahin-tosika aty ity koa? :lol: Nilazako ilay namana any @ île-de- france any fa izy aza tsy mety haka.
20. endrika01 ( 01/10/2008 05:35)
fahamarinana:

:arrow: booboo :ka ny ahy alohan'ny handefasana no handavako azy rahatoa ka tsy ho afaka aho...ary tsy ilay vola amin'ny poste no tena olana ( tsy resaka fahalafosana ho ahy fa raha manampy kely aho mety tsara ho an'ny any koa )fa ilay olona hisahirana handefa ihany koa e,fahasahiranana double ho azy efa nitondra dia mbola handefa ihany koa.Zà ihany koa tsy isam-bolana no misy mi-propose fa aleoko tsy mandany vola satria ny any ny fiainany aza efa manahirana azy dia juste plaisir ho ahy no hanaovana dépenses fa samy manana ny tiany tokoa io e!! Soa fa misy mpivarotra etsy akaiky na tsy ho any isan'andro aza.
Tsiambara :ka ny anareo angamba be olona tonga any liban ka tsy olana ho anao satria hifankahita aminy....zahay aty ambanivohitra dia tsy tafa.(l)




Ry zareo any liban aza mety tsy ifankahita kou,mbola apitapita tanana vao ho voarainilay nandefasana :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2657