Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana...

81. prime ( 23/10/2008 10:36)
ikaretsaka> Rehefa hitsimpona ihany dia mba mahaiza mitsimpona... :)

"Ho foana eo amin'ny rakibolana..." no izy rahavako... :wink:
82. ikaretsaka ( 23/10/2008 15:59)
ka raha ho foana eo @ "Rakibolana" ve ary hoa de mbola asaina mandosira ny olona?

io ange no tsy mety hazavain'i prime e...

raha hiteny ve i prime hoe ho foana @ rakibolana ny masoandro de hoe mandosira ny masoandro no voizin'i prime?
satria nahoana?
io lojika io no mbola tsy voazavanao hatramin'izao hafatra faha 81 izao "rahavako"! 8)
83. niryna ( 24/10/2008 04:30)
ikaretsaka:

tsy haio hoe iza no mamay sy tsy mahazo tsara amin'izao
lohahevitra: "ho foana ny fijangajangana""
avy eo "Mandosira ny fijangajangana"

ka foana ve izy de handosirana e???
ataovy serieux hoa


tsy azoko mihitsy ika ,manaiky didy folo ve hianao sa manohitra ? toa mahavariana tokoa lahy e .
84. ikaretsaka ( 24/10/2008 17:51)
inona ny idiran'ny resaka disy 10 @ izany?
resaka "foana" sy resaka "mandosittra" no sujet
io le hoe ze sujet traitena ihany traitena fa aza manao hoe resaka vary dia ampidirina ny mangahazo
efa lazaina foana
85. prime ( 27/10/2008 10:41)
Mba mamakia tsara hoy aho...

"Ho foana eo amin'ny rakibolana..."=lohatenin'ny lohahevitra=fijeriko manokana...
"Mandosira ny fijangajangana..."=tenin'Andriamanitra=fijerin'Andriamanitra mba hahamasina ny olony... natao ho tari-kevitra iaingan'ny resaka...

Te-handrirotra tokoa angaha ka rehefa tsy hitan'ika intsony izay lazaina dia mihodinkodina eo aloha... mitombina mihitsy ny fanamarihana sy ny fanontanian'i niryna satria ilay finoan'i ika mihitsy no tsy mazava hoe manaiky ny didy X aloha sa tsia???... raha manaiky dia mitohy ny resaka... raha tsy manaiky dia tapitra ny resaka satria izay no finoan'i ika... :wink:
86. ikaretsaka ( 27/10/2008 19:27)
ka raha fijerinao manokana dia lazao hoe fijerinao manokana daholo
rehefa tsy tianao contestena dia ataovy ohan'ny fanaon'ilay akama iray iry heo tsy ho contestena..
dia rehefa contraire an'izay dia jereo ihany ny lojikan'ny arguments anao
dia rehefa fihevitrao le izy de ajanony ho fihevitrao sy argument anao entina miady

fa tsy hoe fihevitrao dia raikibolana ,,, de hoy ny didy 10 avy eo..de ika tsy manaraka didy 10 de... de....

jereo hoe iza no mihodina sy mandrirotra amin'izany.
fanoharana tsotsotraL
raha miteny ianao hoe rava ny baolina satria tapitra ny fotoana dia izay.. rava izany!

fa ny anao eto tahakan'ny hoe rava ny baolina aloha no mody haroso, avy eo dia heo aza manao baolina , de avy eo ranona no mpanamboatra ny kianja.. avy eo montre tany ananona no nampiasaina....

de ahoana ihany?
87. prime ( 28/10/2008 11:21)
Tsotra ilay izy fa tsy sarotra sy mihodinkodina be ohatr'izany lazain'ika izany...

Ho foana eo amin'ny rakibolana (fa hitombo sy hiharatsy hatrany) satria tsy misy vidiny eo amin'ny fijery, tsy misy lanjany, efa mahazatra, tafiditra eo amin'ny rafi-piarahamonina... tsy ilaina resahana intsony ny "fijangajangana"...

Efa sondria-tory ny fiarahamonina... dia aiza ho aiza ny hevitry ny tsirairay?

Izay ilay izy fa tsy resaka baolina sy blabla resahanao ireo...
88. ikaretsaka ( 28/10/2008 16:08)
de efa novaliako endrika fanontaniana ange ioe!
(tsy maninona izy na "tsisy vidiny na tsisy lanjany na efa mahazatra na inona")
fa ny reflexion manao hoe
1)ny fandrarana sy ny fanaovana hoe mitsoaha sy ny hoe tsy mila miresaka azy ve ho'a hahafoana azy"?
eny sa tsia?
2)satria nahoana?
89. prime ( 29/10/2008 08:57)
Ka tsy izany fanontanianao izany no olana sy nametrahana ity lohahevitra ity fa fampandinihan-tena ny amin'ny fijangajangana... tsotra be...

Raha misy ny vahaolana dia tsy any amin'ny hafa sy ny fanaon'ny hafa no ijerena azy fa ao amin'ny tena ihany... dia izay no anontaniana hevitra hoe ahoana... ny hevitrao nefa toa Andriamanitra mihitsy no henjehinao ho manao hevitra taingina raha arahana satria tsy i Prime no miteny sy mibaiko hoe "aza mijangajanga"... vao eo ianao dia efa tsy misy ambara fa izaho indray no asainao manaporofo ny hevitrao tsy mazava... :-D

Ny hevitrao no tsy mazava dia ny lohahevitra no ahodinkodinao... :wink:

Mba tsotra ry ika a... aminao, ahoana izany hoe fijangajangana midika inona dia novalianao hoe,
ianao:
ny hoe mijagajanga dia heo manao firaisana tsy ara-dalana non?
de 2 ny cause hialana aminy:

na tsy miray
na foanana ny lalana...

lojika be anie izane e
... mazava ny famaritanao saingy tsy izany ihany no atao hoe fijangajangana raha ny lazain'ny Soratra Masina... ny vahaolana arosonao koa dia mazava... ny tsy miray (abstinence) dia na ianao aza mino aho fa tsy manaja izany fa miresaka fotsiny aloha... ny hoe foanana dia efa nambara fa tsy foananao ny fijangajangana na ho foana eo amin'ny rakibolana aza ilay teny... dia eo no manomboka mihodinkodina ianao... tsy hainoanao sy vakianao izay ambaran'ny Soratra Masina fa ny anao ihany no abosesikao dia rehefa tsy misy ambara intsony dia lazainao fa ny petra-kevitra indray no taingina... :lol:
90. ikaretsaka ( 29/10/2008 14:04)
tsy haiko i prime raha efa nanao reflexion marina na tsia
fa rehefa manao reflection ka mametraka heo ity theme ity no dinihina dia ity no hitaritana azy dia atomboka @ fijerena ny lojika sy ny fifandraisan'ireo aloha
ka le fipetraky le zavatra (mody hoe andriamanitra no miteny) hitondranao ilay theme ho dinihana mihitsy ange raha mi reflect (mandinin-tena) no tsy hita be ihany e

ny filazana fitopoan-teny fatratra @ hoe " foana" ve misy "hifandraisany" @ hoe "mandosira"?
zavatra tsy foana sy mi existe izy matoa andosirana!!
sarotra be ve ny mahazo sy mandinika an'izany??
izay le lazaiko foana hoe aza misavoana!!
91. prime ( 30/10/2008 08:37)
Tena tsy mamaky mihitsy ianao fa abosesikao ihany ny tsy fahazoanao hevitra an...

Averiko indray fa tsy olana, tsy ny fijangajangana no lazaiko "ho foana" fa ilay teny eo amin'ny rakibolan'ny fiarahamonina... rehefa tsy azonao izay dia tohizo ny hevitrao fa mibaribary amin'izao fa tsy mamaky tsara koa no olana amin'ny fandraisana anjara eto amin'ny serasera dia raha tokony hanontany hoe inona no tena dikan'izao sy izao eo amin'io lohahevitra io dia mamaly fotsiny kay tsy amin'ny tena lohahevitra marina...

Ny tena tsy azonao etoana dia ny hoe fa maninona no ho foana eo amin'ny rakibolan 'ny fiarahamonina ny fijangajangana? raha izay no tsy mazava aminao dia tsy hazava aminao mihitsy ilay hevitra ary mazava ho azy ny antony nahatonga anao nanome valiny sy vahaolana, handeha atao hoe araka izay fahitanao azy...

Mazava ho azy fa tsy foana velively eo amin'ny firahamonina ny fijangajangana fa lasa riba mahazatra... rehefa nofoanana ilay teny dia tonga fomba amam-panao ilay ota... azoko antoka fa tsy azonao hatreo koa izany ny rohin-kevitra rehetra... :wink:

Ilay foto-kevitra dinihina ra-ika fa aza ilay fomba fanehoan-kevitra no anompanana resaka fa sady HS ianao no sady mivilana ilay resaka ka boribory ihany koa ny valin-teny sy vahaolana arosonao...

Mikasika ny fampitahanao ny lohahevitra sy ny tenin'Andriamanitra dia mampiseho indray mandeha koa fa tsy azonao mihitsy ilay lohahevitra... Andriamanitra miteny hoe "Mandosira ny fijangajangana...", ny fiarahamonina mamaly hoe "efa foana izany teny izany..." ;

Ny fiarahamonina efa tsy rototra intsony ny amin'ny firaisana mialoha ny fanambadiana...
Ny fiarahamonina efa tsy taitra intsony ny amin'ny fampirafesana...
Ny fiarahamonina efa tsy taitra intsony ny amin'ny fisakaizana amin'ny vadin'olona sy ny sakaizan'olona etsy sy eroa...
Ny fiarahamonina efa tsy taitra intsony ny amin'ny fitsiriritana sy ny filàna maro isankarazany...

Ny ifandraisan'izany? tsy misy lanjany intsony ny tenin'Andriamanitra mba tsy itenenana hoe tsy inona intsony...
92. tywa68 ( 30/10/2008 10:45)
ka efa mazava ve ilay resaka sa ? taingina, mibosesika, misavoana ... zany no voasoratrareo :-D :-D :wink:
93. ikaretsaka ( 30/10/2008 20:20)
ka le fanontaniana ange tsy mety voavaly e

ny filazana fitopoan-teny fatratra @ hoe " foana" ve misy "hifandraisany" @ hoe "mandosira"?


misy resaka izay manao hoe [IMG]http://img75.imageshack.us/img75/5378/jitcrunchaspxwm5.jpg[/IMG]
94. prime ( 03/11/2008 09:54)
Dia faly hany anie ry tywa e... :wink:

ikaretsaka> efa voavaly io, fa mila miverina mamaky ianao ô... na dia io ambony io fotsiny aza... :)

Hoy ny tenin'Andriamanitra : "Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana," I Tesaloniana 4:3

Ny tena mahagaga dia raha mankeny amin'ny fitsaràna ka maka statistika, ny 90% eo ho eo amin'ny anton'ny fisaraham-panambadiana (fangatahana fisarahana) dia ny fijangajangan'ny andaniny na ny ankilany...

Andavanandro izy, heverina ho toy ny foana ilay teny, amin'ny fiainan-tokantrano izy kay anisan'ny olana goavana atrehin'ny mpivady...:lol:
95. ikaretsaka ( 03/11/2008 20:51)
ho foana anie prime...
= aza miresaka @ prime? fadio i prime..

andraso ovaiko kely le tournure ara
"hoy i Tessa t@ Paolisalonianina (azafady fa ataoko fictif fa inoako fa ho azonao ny point-ko) )
Fa izao no sitrapon'i (izay andriamaniny) dia ny hanamasina anareo, hifadianareo an'i Prime

--->dia ho foana ve i prime??
Aoka letsy le!
ataovy serieux
96. prime ( 04/11/2008 10:14)
Mamakia tsara fa misy tsy mazava aminao mihitsy... ilay ho foana ary toa tsy fantatrao intsony... :)
97. prime ( 04/11/2008 10:23)
Mamakia tsara fa misy tsy mazava aminao mihitsy... ilay ho foana ary toa tsy fantatrao intsony... :)
98. fahamarinana ( 04/11/2008 10:30)
:arrow: naharitra eky ity resakareo mirahalahy ity an...naika hiditra aho fa aoka ndray sao dia vao maika manova resaka eo. :) (l)
99. ikaretsaka ( 05/11/2008 00:30)
ny tsy azoko sy angahahiko fanazavana sy fanontaniako tsy mety mazava @ prime de le hoe zavatra foana ve dia handosirana? ahoana ny mampety izany??
io fotsiny valiana miaraka @ argument mafonja fa mila ny hoe "ho'zy ranona hoe" sy ny hoe " voalaza hoe"...fika fialana balan'ny tsy ampy argument sy ny tsy te hisaina izany! :wink:
Arosoy ny hevitrao hiaraha midinika hoy i fody izay
100. prime ( 06/11/2008 10:46)
Inona ilay ho foana sy lazainao handosirana aloha? :lol:

Fantatrao ve aloha ilay resahana? :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3173