Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana...

41. prime ( 10/10/2008 05:36)
ikaretsaka> Inona ilay tsy tokony hifandraika?
tywa68> Dia ahoana ny hevitrao mpino manoloana ny fijangajangana? satria eo amin'ny fiarahamonina dia efa foana izy amin'ny ankapobeny ary azo atao ny mangalabadin'olona, mitsiriritra ny vadin'ny hafa... sns
42. tywa68 ( 10/10/2008 05:59)
tywa68> Dia ahoana ny hevitrao mpino manoloana ny fijangajangana? satria eo amin'ny fiarahamonina dia efa foana izy amin'ny ankapobeny ary azo atao ny mangalabadin'olona, mitsiriritra ny vadin'ny hafa... sns


Ny hevitro moa hampiova inona loatra satria na tenenina aza ilay olona, tsy ny herintsika no ilaina hanohitra izany fitsiriritana izany, fa hivavahana izy mba hiala @izany filàn'ny nofo sy ny fitiavana mandalo haingitraingitra, azo vidiambola... zany hoe resaka fitaizàna koa io : rehefa feno olona manodidina azy mpanao an'izany d normal taminy zany : mila miova cadre zany izy, ary mila mihaino sy mandray ny filazan-tsara tiantsika zaraina aminy : tsy mora ny manova azy fa manantena foana kosa aho fa hifoha izy ka hitady ny Marina (eo no samy manana ny fotoanany).
Mbola lavitra ary tsy mora, na isika milaza ho mpino aza mila ho solafaka satria olombelona :°)
43. fahamarinana ( 10/10/2008 06:22)
tywa:
mila mihaino sy mandray ny filazan-tsara

tywa:
eo no samy manana ny fotoanany

:arrow: marina tanteraka satria miheno ka atao ihany fa ilay mandray mbola hafa koa!!!(l)
44. fijo ( 10/10/2008 21:07)
toa samy marina daholo nefa samy diso aby koa isika ko
45. prime ( 13/10/2008 09:45)
fijo> Satria ahoana? mba velabelaro hoe azafady!... misaotra

tywa68> Misaotra... mazava tsara
Tena ilaina ny hevitrao ka... mety hahatratra ny rehetra araka ny ambaranao mantsy io ary ny ankohonan'ny mpino matetika no lasibatry ny devoly, ka raha tsy miambina sy tsy miorina tsara dia tena maivoka...

Ianao sy ny mpino manana an'i Jesosy dia mety hahatohitra fa ny ao antrano sy ny ao amin'ny ankohonana ary ny fianakaviana no tena mila iadiana sy itolomana amim-bavaka satria tsy voatery mitovy avokoa ny finoan'ny tsirairay...

fahamarinana> Inona no tena mampisalasala amin'ilay hoe "mandray"? :)
46. fahamarinana ( 13/10/2008 11:13)
:arrow: prime :tsy mampisalasala akory fa ny tiako lazaina hoe heno tokoa fa hoe tena voaray araka ny tokony ho izy ve !Ny amiko manokana no lazaiko satria ndraindray mety handray vilana na ho mafy loha na koa tena tsy nahay izay izy marina... :) (l)
47. prime ( 13/10/2008 12:48)
fahamarinana> Misaotra...

Dia ahoana no mahatonga anao hanontany tena hoe "tena voaray araka ny tokony ho izy tokoa ve" raha tena nihaino ianao? izay no tiako anontaniana fa miala tsiny...

Dia indro misy tenin'Andriamanitra atolotro anao amin'ny anaran'ny Tompo ho fankaherezana anao :

"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." Filipiana 4:6

Dia matokia sy minoa fa efa Andriamanitra no miantso anao raha hoy indrindra Izy amin'ny anaran'ny Tompo :

"... Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao." Isaia 43:1
48. ikaretsaka ( 13/10/2008 14:27)
prime:

ikaretsaka> Inona ilay tsy tokony hifandraika?
tywa68> Dia ahoana ny hevitrao mpino manoloana ny fijangajangana? satria eo amin'ny fiarahamonina dia efa foana izy amin'ny ankapobeny ary azo atao ny mangalabadin'olona, mitsiriritra ny vadin'ny hafa... sns


le sobjektra napetrakao mihitsy no mivoana raha ny fahitako azy raha izany
diniho tsara ary
raha miteny ve ohatra hoe ho foana @ rakibolana ny fifohana sigara (na rongony) de vitan'ny hoe aza mifoka sigara fotsiny na hiteny hoe ratsy ny sigara (na rongony) ??? tsia rangahy an!
tsy aleo ve ny paraky sy ny fanamboarana sigara sy ny mpifoka gaigilahy mihitsy no aripako?? sy ny idee hoe azo fohana iny ravin-javatra iny??

izay no tiako lazaina @ le heo tsary mifandraika!
ts'isy hafa @ le hoe pasitera miteny le hafatr'i Md Paoly heo tsy tsara ho an'ny mpanao raharahan'Atra ny manambady... nefa izy manambady!


49. fahamarinana ( 13/10/2008 15:01)
:arrow: prime :tsy mitsahatra ny misaotra mandrakariva e fa mampahery foana,efa hainao ihany angamba hoe aiza ho aiza i fahamarinana nefa dia mbola eny foana ny teny fampaherezana e,izay no tsy hanadinoako ity dinika iray mamiko ity na dia hoe ndraindray aza tsy dia mahazo resaka loatra ny tenako.... :D (l)
50. tywa68 ( 13/10/2008 15:55)
Faha : izay anie no mahafinaritra eto @ sera2 mba mifampitantana tsy ho very e :-*
51. ikaretsaka ( 13/10/2008 16:06)
faaha: fa ahiratra tsara koa ny maso sy ny masom-anahy fa le ":^) tantano aho" fotsiny indraindray ngo de manao Jamba mifampitantana.
izay le abnaovako foana hoe remise en question foana aloha
52. fahamarinana ( 13/10/2008 19:05)
:arrow: eka ozy,izy aby ny voalazanareo.. :-* (l)
53. tywa68 ( 15/10/2008 07:05)
Ika : ny jamba sasany mety maheno ny tena ANTSO d ireny be maso miseho be saina ireny indrindra no tena pahana :wink:
Fahamarinana : :-*
54. ikaretsaka ( 15/10/2008 16:08)
tywa> indraindray mba dinihina tsara ihany koa fa tsy heo izay miantso hoe tywa ah de hoe tamy ooooooo!

mampatsiaro ahy ilay mpanampy tao aminay izay... ny ankizy no9 mamaky lala sy noro (noro no anarany) dia manao hoe Noro a de izy ro "ahoana tompoko" avy any! :-D :-D
dia raha oharina @ fiainana andavanandro hoe ny olona mamaky ilay boky ka mitatatata akory de tsy mahatonga anao hanao foana hoe "ity aho"
55. fijo ( 15/10/2008 21:11)
samy marina ;satria samy mahay manazava ny marina aminy.samy diso ihanykoa,satria tsy misy hafaka hiteny hoe ,ilay nolazaiko no tena marina.

izay no adihevitra ,ary izay no hiadiana hevitra foana.
56. tywa68 ( 16/10/2008 07:46)
mampime koa i Noro =)) =))

Ka izay anie hoa e (ny feo miantso tsy voatery ho henon'ny rehetra) fa feo mangina ao anaty ao zany e ! d aza manontany hoe ahoana koa izany ? :lol:
57. prime ( 16/10/2008 12:44)
ikaretsaka:
le sobjektra napetrakao mihitsy no mivoana raha ny fahitako azy raha izany
diniho tsara ary
raha miteny ve ohatra hoe ho foana @ rakibolana ny fifohana sigara (na rongony) de vitan'ny hoe aza mifoka sigara fotsiny na hiteny hoe ratsy ny sigara (na rongony) ??? tsia rangahy an!
tsy aleo ve ny paraky sy ny fanamboarana sigara sy ny mpifoka gaigilahy mihitsy no aripako?? sy ny idee hoe azo fohana iny ravin-javatra iny??
... Raha izay no fahazoanao ny antony nanaovako ity lohahevitra ity dia mazava ny antony ilazanao ireo hevitrao ireo...

Saingy tsy ireo lazainao ireo no tanjona tiana ahatongavana... :)
ikaretsaka:
izay no tiako lazaina @ le heo tsary mifandraika!
ts'isy hafa @ le hoe pasitera miteny le hafatr'i Md Paoly heo tsy tsara ho an'ny mpanao raharahan'Atra ny manambady... nefa izy manambady!
... :-D

Mahavariana ny fandraisanao hevitra ra-ika... :-D

Raha tsy mifandraika hoy ianao... fantatrao angaha hoe iza aho? sa izaho ilay mpijangajanga tsy misy toa izany eo amin'ny fiarahamonina nefa sahy mitondra lohahevitra toa ity nataoko ity? :-D
58. ikaretsaka ( 16/10/2008 18:30)
tsy haiko na izaho angamba no tsy mahay mitsimpona sy mandray ilay hevitra taingina... fa apetraho tsara ny petrak'hevitr'i prime dia mba ho mora voaray ihany :-P
59. tywa68 ( 16/10/2008 18:48)
Hoy i Prime
fantatrao angaha hoe iza aho?

Raha te ho fantatra d tantarao tsara moa fa aza masiaka e :lol: azonao ampiana sary koa :wink:
60. fijo ( 16/10/2008 19:56)
sao dia tsy mazava kosa ny nanehoana ilay hevitra?eto mantsy dia samy mamaly arakaraky ny ahazoany ilay petrakevitra ny tsirairay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1623