Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana...

21. rakaroka ( 26/09/2008 05:36)
fijo:

tsy ny lehilahy rehetra no manao izany

Angamba fa 'za nahatsikaritra cas maaro mihitsy hoe ny saosy sy ny force-nao no tena manintona ny bandy maaaro na sipa koa. Ilay "cousin-ko moa dia niloa-bava mihitsy wé mampalahelo ahy vhv maro, sahala ny atao "chiffon ftsn dia regefa tsy misy ilany azy 'tsony dia "atsipy"

ary misy koa sipa,raha very asa ny vadiny ohatra dia hilaozany.
:^) :^) :^)
Raha very asa moa ilay bandy dia mitsikaraka indray , tsy maninn loatra fa ao 'reo toa mitsingalam-bongidina fotsiny koh!

satria vao mitranga ny olana voalohany dia iny izy no tsy tazana.

Raha olona tsidraindray moa maninn fa tsapako na ny lhl na ny vhv maaro koa , misy tsy te hiatrika ireny "blem" ireny dia manova fitana!

22. prime ( 26/09/2008 10:03)
ikaretsaka:
na
-rehefa tsy misy mifanambady intsony hono ny olona dia foana ho azy ny fijangajangana e
... amin'ny fomba ahoana ra-ika?
ikaretsaka:
-foanana ilay ethic dia miverina @ toetra maha biby hoe tsy asiana olana ny @ hoe iza no rain'ilay teraka fa rehefa te hiteraka dia mitady lahy dia miray dia....
... Ny hiverina sy hitovy amin'ny biby aloha dia vao maika fahavetavetana eo imason'Andriamanitra...
fijo:
toa io lazain'ika io no vahaolana ko.aleo ihany natiora wa e
... Tena laninao tsara mihitsy ilay vahaolana naroson'ika an... :lol:
rakaroka:
Fa ny tokantrano soa tokoa anie no Paradisa an-tany!
Ary toa samy mi-"pulse" izany avokoa ny rehetra.
... Tena izany mihitsy ry rakaroka... =D =D
rakaroka:
Matetika mifampi-tsy afa-po ny ankilany avy no "vice"mandrava ny tokan-trano!'
... Raha ny lazain'ny Soratra Masina dia misy miasa ao ambadika ka na tsy tian'ny maro eto ny ilazàna azy aza dia tsy maintsy lazaina... fa ny fanahy ratsy dia ny handrava sy hamono no asany... hainy ny mampihetsika sy manainga ny filana rehetra satria efa azy io nofo voaozona io...

Itoviako hevitra tanteraka ianao fa ny tsy faharetana sy ny tsy fandeferana dia mitondra ho amin'ny "vices" maro tsy hita noanoa ary mandrava zavatra maro...
rakaroka:
Za io 'zao sendra vhv Jamba izay , jamba vao haingana izy dia narian'ny vadiny
fa naleony nanaraka olon-kafa : "MAHONENA TANTERAKA!" VAKY NY FO AMAM-PANAHIKO 'Ngamba hoy 'aho na tsy angamba akory, fa tsy fiantehatra ny lhl raha tahaka izao ! Ka mitombina ny resak'i Prime hoe tsy "tandro akory aza ny voady eny amin'ny alitara,sns satria izay 'ngamba ilay "fahafahana!"
... Indrisy ry rakaroka... tena mahonena tokoa izany zava-nitranga izany...

Raha ilay fahafahana tianao atsidika tokoa dia lohahevitra goavana tsara resahana tokoa ny amin'io saingy tsy mifanojo loatra etoana moa...
23. ikaretsaka ( 26/09/2008 19:14)
ny hoe mijagajanga dia heo manao firaisana tsy ara-dalana non?
de 2 ny cause hialana aminy:

na tsy miray
na foanana ny lalana...

lojika be anie izane e
24. fijo ( 26/09/2008 20:18)
prime,tena ekeko tanteraka le vahaolana ka;ny krispijo anie wa tsy mba mila teritery e.izay mahasoa sy mety ihany ny anay e.

ny fijangajangana anie dia vokatry ny fisian'ny fanambadiana e.manambady nefa mbola mitady.ka raha tsy misy intsony ny vady,foana hoazy ny fijangajangana.
25. ikaretsaka ( 26/09/2008 21:11)
izay ange hoa e
26. tywa68 ( 27/09/2008 07:56)
Fijo sy Ika : ilay fitsiriritana ny tsy an-tanana foana no mahatonga an'ilay fakam-panahy, ary mahatonga ny sasany mijangajanga (izany hoe tsy voatery ny olona manambady no atao hoe mpijangajanga :°) fa ny olona tia mifindrafindra satria tsy am-pitiavana no hiarahany fa ny filàny ara-nofo ! )
27. ikaretsaka ( 29/09/2008 21:35)
dia foanana io e...
na foanana ilay fihevitra hoe ratsy ny fitsiriritana na le zavatra tsiriritina mihitsy no foanana dia milamina
28. prime ( 01/10/2008 11:14)
ikaretsaka> Raha foanana io dia toy ny miteny amin\'Andriamanitra hoe tsy ilaina Ianao ry Andriamanitra fa manelingelina ny fiainanay tianay atao... tsy efa fandavana an-kitsirano ny finoana Azy ve izany ry ika?
29. ikaretsaka ( 01/10/2008 13:59)
tsy voatery.. ohatranao miteny amin'andriamanitra hoe ataovy salama foana izahay fa manelingelina anay ny aretina, ahoana izay no eken'ny sainao sy angatahinao?
maninona rehefa izany de hoe mety fa rehefa hoe foano ny zavatra tsy tsiriritina dia hoe ratsy?
30. tywa68 ( 01/10/2008 15:36)
:lol:
31. fijo ( 01/10/2008 20:30)
tywa an,raha manambady no mbola miovaova,dia mijangajanga,(no ilazana azy)
fa raha tsy manambady no miovaova,dia mitady ny toerany.(no ilazana azy)

ka tsy aleo ve mitady ny toerany toa izay mijangajanga?????,sa
32. prime ( 02/10/2008 10:43)
ikaretsaka:
tsy voatery.. ohatranao miteny amin'andriamanitra hoe ataovy salama foana izahay fa manelingelina anay ny aretina, ahoana izay no eken'ny sainao sy angatahinao?
maninona rehefa izany de hoe mety fa rehefa hoe foano ny zavatra tsy tsiriritina dia hoe ratsy?
... Didy X angaha ny hoe "aza atao tratry ny aretina izaho na izahay"???

Aza mampitaha zavatra tsy misy ifandraisany ra-ika a...

Didy X mazava tsara ny hoe "aza mijangajanga" sy ny hoe "aza mitsiriritra"... raha tianao foanana ireo dia sady fanehoana tsy finoana no fanehoana fandavana ny didin'Andriamanitra... ny fahalemenao no mila foanana fa tsy ny didin'Andriamanitra... aiza ary ianao izany...

Tsy mahafoana ireo ianao, na ilay fijangajangana sy fitsiriritana, na ny didin'Andriamanitra satria samy efa voasoratra avokoa... sa ahoana hoy ianao?
33. ikaretsaka ( 03/10/2008 17:28)
efa nampidirinao moa ny didy 10 tsy hitako ny hidiran'ny didy 10 amin'izany he rehefa izay ihany
atao koa hoe manaja ny sabata dia hoe ataovy sabata foana ny andro de hanompo anao foana zahay?
34. niryna ( 03/10/2008 22:00)
Mandefitra:

Anisany sarotra ho an'ny lehilahy ny fiadiana @ fijangajangana sy ny fitsiriritana. Satria zay toerana haleha, na zay fandaharana jerena @ TV dia feno vehivavy mihanjakanjaka manataitra ilay filana natoraly aby. Tsy vitan ny fitafiana fotsiny aza moa fa fihantsiana tsotra izao.



:D mandefitra a > ka ny vehivavy mihitsy no fitaovam-piasana hatrany amboalohany ka ( Eva ) ka hatramin'izao mbola mandaitra foana ny fampiasan'i satana ny vehivavy :cry:
35. ikaretsaka ( 03/10/2008 22:44)
eeeeee. I eva ihany anie no nanomboka ny tantara hoy ilay hiran'i silo izay
36. prime ( 07/10/2008 10:16)
ikaretsaka:
efa nampidirinao moa ny didy 10 tsy hitako ny hidiran'ny didy 10 amin'izany he rehefa izay ihany
... Tsy misy idiran'ny didy X ahoana ra-ika?

Ao amin'ny didy X anie ny hoe "aza mijangajanga" sy ny hoe "aza mitsiriritra" e... ka tsy misy idirany ahoana?

Dia hoy ianao hoe foano ny fijangajangana sy ny fitsiriritana... izany no mahatonga ahy manamafy hoe, tsy ny fijangajangana sy ny fitsiriritana no foanana satria toy ny manafoana ny didy 2 amin'ny didy X avy hatrany izany... rehefa foana ny fijangajangana sy ny fitsiriritana dia tsy misy ilàna azy intsony fa foanana koa ny didy 2 voalaza ireo... tsy adala akory Andriamanitra ka mamela ireo didy ireo hitoetra...

Izay ilay voambara ao ambony ao hoe ny fahalemenao sy ny otanao no mila foanana fa tsy ireo satria ireo dia efa eo ary tsy maintsy atrehinao satria eto amin'izao tontolo izao ianao...

Ny vahaolana tsara aza dia hoe ahoana no handresena na "hanafoanana" ny fahalemena sy ny ota?...
ikaretsaka:
atao koa hoe manaja ny sabata dia hoe ataovy sabata foana ny andro de hanompo anao foana zahay?
... Ka angaha moa efa foana tokoa izany didy izany ra-ika??? :lol:
37. fijo ( 09/10/2008 20:14)
hiady didy X indray nareo mitsam
38. ikaretsaka ( 09/10/2008 21:03)
za tsy manao hoe foana na foany ny didy fa hoe aza forcena hifandraika ny zavatra tsy tokony hifandraika
39. tywa68 ( 10/10/2008 05:00)
ka inon ihany e ! iza no manao ny tsy mety ato ? aoka kely mba hitsara tena sy tsy hieboebo hoe manana ny marina, sa tsy zany ry Fijo ? :°)
40. niryna ( 10/10/2008 05:28)
ikaretsaka:

za tsy manao hoe foana na foany ny didy fa hoe aza forcena hifandraika ny zavatra tsy tokony hifandraika


matoa manda dia ao raha ,oops,tsy misy marina na iray aza kanefa raha miziriziry manohitra lava ny tenin'Atra dia mandinihatena ,oops
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913