Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana...

101. fahamarinana ( 06/11/2008 10:53)
:arrow: nareo roa lahy koa zaza mifanarakaraka mihintsy an.. :-D (l)
102. prime ( 06/11/2008 12:16)
Mamerina ny resaka amin'ny tokony ho izy fotsiny io lavabe ataoko io ry fahamarinana araka izay nitondrako ny lohahevitra ka raha izay no tsy mazava dia tsara ny mamerina azy amin'ny tena izy fotsiny aloha... ny hoe manome fanazavana sy "arguments" d efa vita bdb ao aloha ao, tsy avy amiko ihany fa avy amin'ny namana maro... :)
103. ikaretsaka ( 06/11/2008 16:47)
fijangajangana no lazainao fa foana..dia hoe adosiro indray hono....
dia averiko aminao ny fanontaniana..zavatra foana ve de mbola hadosirana?? eny sa tsia?

io ange no tsy mety valian'i prime e, arguments tsy mamaly an'io no nalahadahatr'i prime ... izay no tiako hanapvana points...fa tsy hoe hoy ny tenin'Atra sy ny tenin'i prime hoe....

aiza @ izay no tsy mbola mazava?
104. prime ( 07/11/2008 06:57)
ikaretsaka:
fijangajangana no lazainao fa foana..
... Io no manaporofo fa tsy azonao hatrany amboalohany ny lohahevitra... tsy niteny aho na dia indray mandeha aza hoe ho foana ny fijangajangana ary efa nahitsiko imbetsaka ao aloha ao fa izay ilay ambarako hoe mamakia tsara...

Ianao no nihevitra an'io ary nampiditra io hevitra io dia tohizanao hatraty na dia efa lazaina aza hoe tsy izany no lohahevitra ato... dia lazainao fa izaho indray no nilaza hoe ho foana ny fijangajangana...

Tsy azonao hatrany am-panombohana ny lohahevitra dia ny fandraisanao anjara rehetra tato dia mitodika amin'io hoe ahoana no anafoanana ny fijangajangana... tsy izany nefa ny lohahevitra dia izao mbola tohizanao hatraty... ivereno tsara vakiana mihitsy aloha ny lohahevitra fa tsy izany no nitondrako ity indray maka ity... :)

Azonao hamoronana lohahevitra io dia jerena araka izay indray hoe "ahoana ny fomba hanafoanana ny fijangajangana... sns" raha tianao fa tsy eto...
ikaretsaka:
dia hoe adosiro indray hono....
... Tsy maninona fa averina foana... tenin'Andriamanitra io, nataoko tari-kevitra fotsiny ahafahana mijery tsara ny lohahevitra ka inona no olanao amin'izany? sa lavinao io baikon'Andriamanitra io ho an'izay miteny ho mpino kristiana? :lol:
ikaretsaka:
dia averiko aminao ny fanontaniana..zavatra foana ve de mbola hadosirana?? eny sa tsia?
... :) valiako tsotra : iza no niteny hoe ho foana ny fijangajangana, izaho sa ianao? :-D

Ka raha ianao, dia ianao ihany dia mahavaly ny fanontanianao... :lol: :-D
ikaretsaka:
io ange no tsy mety valian'i prime e, arguments tsy mamaly an'io no nalahadahatr'i prime ... izay no tiako hanapvana points...fa tsy hoe hoy ny tenin'Atra sy ny tenin'i prime hoe....
... Mazava ho azy fa tsy hisy hamaly an'io raha tsy ianao ihany satria ianao ihany no nampiditra io hevitra io... toy ny lohahevitra bis dia ianao ihany aloha no mitarika azy... :-D
ikaretsaka:
aiza @ izay no tsy mbola mazava?
... Efa mazava dia mazava... ka raha tianao valiana ny fanontanianao dia tariho ary ny hevitrao aloha fa tsy io velively no lohahevitra eto...

Lohahevitra eto : "Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana..."

Tsy tianao ny mitsimpona nefa ianao manao, no sady tsy ataonao tsara fa ny tianao lazaina sy ny hevitrao ihany no averimberinao...

Tsy ny fijangajangana tompoko no ho foana fa ilay teny hoe fijangajangana eo amin'ny rakibolan'ny fiarahamonina... ary ny mahatonga izany sy ny vokatr'izany no dinihina etoana... :)
105. ikaretsaka ( 08/11/2008 04:05)
valiako tsotra : iza no niteny hoe ho foana ny fijangajangana, izaho sa ianao?


iza no nanoratra ity sobjekitra ity kay... valio tsotra

Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana...


tsy raharahiko io fa rakivolana na rakimasoandro fa foana no lazainao
ianao hoa aza mi flip flop fa lasa contradictoire be ... tsy za irery no nanao io remark io
106. prime ( 18/11/2008 12:25)
:)

Ka rehefa tsy mahazo resaka dia mba manĂ na fanetren-tena fa tsy mizivozivo sy mitady hanita-dresaka amin'ny tsy lohahevitra etoana...

Rehefa tsy azo ny resaka dia ny mamaky tsara sy mianatra no fahendrena... :lol: :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5334