Ho foana eo amin'ny rakibolana ny fijangajangana...

1. prime ( 23/09/2008 11:09)
"Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany." I Korintiana 6:18

Raha ny ao amin'ny Soratra Masina (raiketin'ny baiboly), ny mikasika ny fijangajangana no tantara maro indrindra... raha ny amin'izao fotoana izao, eo anivon'ny fiarahamonina, dia ny fijangajangana no ota mora leferina indrindra... ary manomboka mihafoana eo anivon'ny rakibolan'ny fiarahamonina ny atao hoe fijangajangana na mpijangajanga...

Fa toy ny mandeha ho azy ankehitriny ny fakam-badin'olona, ny fitsiriritana sy ny filàna maro, ny lamaody sy ny hetsika maro koa rahateo mampirisika ny fitafy sy ny fomba ary ny fanao maro manafoana ny atao hoa fijangajangana... raha tsy manao izany aza ianao any amin'ny toeram-piasana isankarazany, ny toerana fanaovam-pety sy lanonana isankarazany, eny rehetra eny, eny fa na hatrany an-tranon'Andriamanitra aza dia toa ianao indray no lazain'ny olona ho olona tsy maharaka na tery saina tsy mba manana 2ème na 3ème na N-ème bureau...

Ahoana ny hevitrareo mpino kristiana?
Ahoana ny hevitrareo mpino tsy kristiana?
Ahoana ny hevitrareo tsy mino an'Andriamanitra?
novalian'i prime ny 18/11/2008 12:25
2. fahamarinana ( 23/09/2008 11:22)
:arrow: Amiko manokana aloha dia tena tsy voako ary tsy ho zakako ny fijangajangana ary tsy ho tolerer-ko mihintsy ihany koa na inona antony na inona ary tsy ho ataoko sanatria...Tsy fantatro na fomba fijery Xna na mpino tsotra fa tsy Xna na tsy mpino tsotra izao ireo voalazako ireo.Ny ahy tonga dia vita lasy teo raha sanatria tratra ny tranga tahaka izany....Tsy misy pardon ,tsy misy fitiavana fa tonga dia rava tanteraka.Ny tsy haiko fontsiny ny mety ahazo ahy ohatra raha tena Xna ahy raha io no fomba fisainako.Mba liana ny aheno ny hevitrareo koa aho eto :( (l)
3. prime ( 23/09/2008 11:26)
Dia hoy koa ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :

"Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]" Matio 15:19

Anisan'ny faharatsiana mahaloto ny olona indrindra ny fijangajangana ary raha ny didy X fotsiny aza dia anisan'ny nosoritan'Andriamanitra manokana izany mba hananan'ny olona fahamasinana ao amin'Izy Andriamanitra Tompoiny...

Ankehitriny nefa dia tsy mahagaga sy tsy mahataitra firy intsony amin'ny ankapobeny izany fa lasa mahazatra, raha tsy hoe nisy "heloka" mety mahatonga sazy eny amin'ny fitsaràna angaha ka tonga lohatenin-dahatsoratra an-gazety... raha tsy izany dia toy ny tsy misy akory mihitsy aza...

Dia ahoana ary? efa mihafoana eo amin'ny rakibolan'ny fiarahamonina izy...
4. prime ( 23/09/2008 11:35)
fahamarinana> Mitoetra tsara ny tianao ambara ary hitako hoe mitombina satria ianao efa nanokan-tena ho amin'ny fahamasinana ka miezaka miaro ny tenanao sy ny momba anao rehetra ho amin'izany, indrindra fa ny fijangajangana...

Dia ahoana ny ataonao sy ny hevitrao raha tsy eo amin'ny tokantranonao loatra fa eo amin'ny fianakaviana, ny namana na ny fiangonana mihitsy aza no misy izany? :)
5. Mandefitra ( 23/09/2008 12:29)
Anisany sarotra ho an'ny lehilahy ny fiadiana @ fijangajangana sy ny fitsiriritana. Satria zay toerana haleha, na zay fandaharana jerena @ TV dia feno vehivavy mihanjakanjaka manataitra ilay filana natoraly aby. Tsy vitan ny fitafiana fotsiny aza moa fa fihantsiana tsotra izao.
Etsy andaniny ny fiaraha monina rahateo tsy mitaiza mitsy mba hankahalana ilay fijangajangana fa maika mamporisika aza : ny lehilahy kapain-tsihita fery, un perdu 10 retrouvés, ny zavatra refa hangalarina dia matsiro, ny maso mijery tsy mitondra mody , ny sipasipaina betsaka fa ny ho vadiana tsy misy etc ...
Inona no fanafodiny?
satria tsy afaka hiala @ zao tontolo izao fa mbola miaina eto dia zay voalazan'i Paoly ao @ efesiana 6:11 no tsara indrindra : http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Efesiana&Toko=6
"11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra ..."

6. badboy ( 23/09/2008 13:18)
Mba mivoatra houa ilay fisaianana!! Raha ianao no mora voasariky ny zipo fohy kely, na ny fiara mamiratra dia aza ilay mitafy na ilay mitondra fiara no torahambato fa ianao tsy mahatambatana sy mitsiriritra!! Mora loatra ilay miteny hoe ny fitafiany na ny fihetsiny no nahatonga ahy nijangajanga!! Ianao no fositra satria raha mijangajanga ianao na i ane dia ianao na i ane no nanosika ny tenanao fa tsy ilay misetrasetra fitafiana na ilay mitondra fiara ka nanaitra filahiana sy nampandranoka fivavina!!!

Mahaiza mamehy tena, ary rehefa tsy zaka ilay fiara na fitafian'itsy na iroa dia tapeno ny maso!! Ny fanekena ny manodidina no fototry ny fiarahamonina, ka raha tsy zakanao ny mijery ny manodidina anao dia mandehana any @ dezera dia any ianao miana irery ilay fiainandafatra zahavinao!!! Raha tsy izay dia mamono tena dia @ zay tonga de direct any andanitra !! :idea: :idea: :idea: :idea:
7. rijadolly ( 23/09/2008 15:22)
badboy:

Mba mivoatra houa ilay fisaianana!! Raha ianao no mora voasariky ny zipo fohy kely, na ny fiara mamiratra dia aza ilay mitafy na ilay mitondra fiara no torahambato fa ianao tsy mahatambatana sy mitsiriritra!! Mora loatra ilay miteny hoe ny fitafiany na ny fihetsiny no nahatonga ahy nijangajanga!! Ianao no fositra satria raha mijangajanga ianao na i ane dia ianao na i ane no nanosika ny tenanao fa tsy ilay misetrasetra fitafiana na ilay mitondra fiara ka nanaitra filahiana sy nampandranoka fivavina!!!

Mahaiza mamehy tena, ary rehefa tsy zaka ilay fiara na fitafian\'itsy na iroa dia tapeno ny maso!! Ny fanekena ny manodidina no fototry ny fiarahamonina, ka raha tsy zakanao ny mijery ny manodidina anao dia mandehana any @ dezera dia any ianao miana irery ilay fiainandafatra zahavinao!!! Raha tsy izay dia mamono tena dia @ zay tonga de direct any andanitra !! :idea: :idea: :idea: :idea:
Resaka efa nandeha foana marina io hevitr\'badboy io ary tsy azo tsika rehetra lavina mihitsy ny fahamarinany satria tokony ahatohitra ny Fankampanahy rehetra isika satria efa nomena ny fiarovana rehetra sy hery hanohitra izany araka ny voalazan\'Namana ao ambony ao.
Ny zv tsindriko kely fotsiny dia zao,Ny mpangalatra dia tsy mangalatra ny zavatra tsy fantany(fa tsara aminy),na fantany fa misy zavatra azo angalarina ao.Ny mpangalatra dia tsy fantatrao mihitsy hoe itsy mpangalatra.Ny zavatra hafeninao any ambany fandriana aza mahagaga fa fantany maika fa ny zavatra sarobidy aminao izay tsy foinao no ampideraderainao.Midika izany hoe avy ry mpangalatra alaivo ty,ihihihihi! Ianao koa zany dia anisany mandrisika ny mpangalatra anao ny asany.


8. fahamarinana ( 23/09/2008 16:57)
:arrow: misy fahamarinany ny lazain'ny mandefitra nefa koa amiko tsy excuse ny jery sy ny manodidina na hisy hiboridana sanatria eo anoloanao na hanao toetra tsy mendrika fa ny tenanao ihany no mametra ny azo atao...Anjaranao no mamehy ny tenanao miaraka amin'ny fahalemenao ....eny na sarotra aza...Amiko aloha (zà io lazaiko io ) dia tsy sarotra ny tsy mitsiriritra ny hafa fa samy manana ny toe-tenany ihany koa. (l)
9. fijo ( 23/09/2008 20:21)
inona aloha no hevitr'ilay teny hoe mijangajanga???satria itako tamina boky kristianina,raha tsy diso aho,dia ilay bokin'ny "vonjeo ny fianakaviana"no nahitako izay.ny atao hoe vehivavy janga,dia ny vehivavy efa niray tamina olona mihoatra ny iray.(1)
ka raha izay anie dia efa janga daholo e,ary io moa fiainana ko.raha aty le bandy,le sipa any ve,de hangidihidy irery eo izy???ngamba kosa rariny raha mba misy mpanotra ihany ka.
10. rakaroka ( 23/09/2008 21:20)
O ry lé Fijo a, tsy misy manao "volontaire" ho mpanota izany e :roll: :roll:
Mbô masina wa raha te hiditra am-piangonana :-D :-D :-D
11. prime ( 24/09/2008 09:17)
Mandefitra:
Anisany sarotra ho an'ny lehilahy ny fiadiana @ fijangajangana sy ny fitsiriritana. Satria zay toerana haleha, na zay fandaharana jerena @ TV dia feno vehivavy mihanjakanjaka manataitra ilay filana natoraly aby. Tsy vitan ny fitafiana fotsiny aza moa fa fihantsiana tsotra izao.
... Indrisy ry mandefitra... fa tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy koa rehefa mahita hatsaran-tarehin-dehilahy, na nofosana sy ranjanana, na manana fiara tsara tarehy sns... tonga dia mitsiky, mitady fifandraisana haingana toy ny miantso hoe ity aho... :lol:
Mandefitra:
Etsy andaniny ny fiaraha monina rahateo tsy mitaiza mitsy mba hankahalana ilay fijangajangana fa maika mamporisika aza : ny lehilahy kapain-tsihita fery, un perdu 10 retrouvés, ny zavatra refa hangalarina dia matsiro, ny maso mijery tsy mitondra mody , ny sipasipaina betsaka fa ny ho vadiana tsy misy etc ...
... Izany dia izany tokoa... ary rehefa lasa lavitra izy dia toy ny tsy misy mihitsy aza fa toa mahazatra eo anivon'ny fiarahamonina... tsy heverina ho fijangajangana intsony ny fahavetavetana eo imason'Andriamanitra...
Mandefitra:
Inona no fanafodiny?
satria tsy afaka hiala @ zao tontolo izao fa mbola miaina eto dia zay voalazan'i Paoly ao @ efesiana 6:11 no tsara indrindra : Jereo eto
"11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra ..."
... =D =D

Misaotra indrindra... mila tafiana tokoa ny fiadiana... :)
12. prime ( 24/09/2008 09:58)
badboy:
Raha ianao no mora voasariky ny zipo fohy kely, na ny fiara mamiratra dia aza ilay mitafy na ilay mitondra fiara no torahambato fa ianao tsy mahatambatana sy mitsiriritra!! Mora loatra ilay miteny hoe ny fitafiany na ny fihetsiny no nahatonga ahy nijangajanga!! Ianao no fositra satria raha mijangajanga ianao na i ane dia ianao na i ane no nanosika ny tenanao fa tsy ilay misetrasetra fitafiana na ilay mitondra fiara
... Mitombina tsara ny fanamarihanao no sady misy fahamarinany rahateo... satria tokoa ny tena no mila mandini-tena mialoha fa tsy manilika any amin'ny hafa ny fahalemen'ny tena foana isaky ny misy fahalavoana...
badboy:
Mahaiza mamehy tena, ary rehefa tsy zaka ilay fiara na fitafian'itsy na iroa dia tapeno ny maso!!
... sarotra tanterahana nefa anisan'ny vahaolana tsara...
badboy:
Ny fanekena ny manodidina no fototry ny fiarahamonina, ka raha tsy zakanao ny mijery ny manodidina anao dia mandehana any @ dezera dia any ianao miana irery ilay fiainandafatra zahavinao!!! Raha tsy izay dia mamono tena dia @ zay tonga de direct any andanitra !!
... mila fitandremana satria mbola fahotana ihany koa na ny fanavakavahana na ny famonoana olona...
rijadolly:
Ny zv tsindriko kely fotsiny dia zao,Ny mpangalatra dia tsy mangalatra ny zavatra tsy fantany(fa tsara aminy),na fantany fa misy zavatra azo angalarina ao.Ny mpangalatra dia tsy fantatrao mihitsy hoe itsy mpangalatra.Ny zavatra hafeninao any ambany fandriana aza mahagaga fa fantany maika fa ny zavatra sarobidy aminao izay tsy foinao no ampideraderainao.Midika izany hoe avy ry mpangalatra alaivo ty,ihihihihi! Ianao koa zany dia anisany mandrisika ny mpangalatra anao ny asany.
... Mifameno tsara ny hevitrao sy badboy... mila mandini-tena hatrany nefa ny manodidina ihany koa dia tompon'andraikitra na dia ampahany kely ihany aza amin'ny ataony rehetra... saingy izay ilay lazaiko hoe, ilay manodidina sy ny fiarahamonina aza efa tsy mihevitra ilay izy ho fahalotoana sy fahavetavetana ka tsy mahagaga raha mivarina ho amin'ny fijangajangana ny olona ao anatin'ny fahalalana tsara ny ataony...

Raha tsy mahafantatra ilay olona nefa manao ilay fahadalana dia efa ambaran'ny tenin'Andriamanira fa tao anatin'ny tsy fahalalana ka mbola manana anjara tsara rehefa tonga ny andro ampahiratan'Andriamanitra ny masom-panahiny ka ibebahany... fa ilay mahafantatra tsara nefa manao fanahy iniana na manamarin-tena ho mety amin'ny atao nefa fantatra tsara fa misy fahadalana dia eo no tena olana...
fahamarinana:
misy fahamarinany ny lazain'ny mandefitra nefa koa amiko tsy excuse ny jery sy ny manodidina na hisy hiboridana sanatria eo anoloanao na hanao toetra tsy mendrika fa ny tenanao ihany no mametra ny azo atao...Anjaranao no mamehy ny tenanao miaraka amin'ny fahalemenao ....eny na sarotra aza...Amiko aloha (zà io lazaiko io ) dia tsy sarotra ny tsy mitsiriritra ny hafa fa samy manana ny toe-tenany ihany koa.
... Izany dia izany tokoa, mora tenenina fa sarotra tanterahina...
13. prime ( 24/09/2008 10:11)
fijo:
inona aloha no hevitr'ilay teny hoe mijangajanga???satria itako tamina boky kristianina,raha tsy diso aho,dia ilay bokin'ny "vonjeo ny fianakaviana"no nahitako izay.ny atao hoe vehivavy janga,dia ny vehivavy efa niray tamina olona mihoatra ny iray.(1)
... Misy famaritana mazava tsara io ao amin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy hoe efa nanatanteraka firaisana mihoatra ny tamin'ny olona iray ihany... ary tsy ny vehivavy ihany fa indrindra koa aza ny lehilahy araka ny fanamarihan'i Mandefitra etsy ambony...
fijo:
ka raha izay anie dia efa janga daholo e,ary io moa fiainana ko.
... Mitombina ny ambaranao ary na ny tenin'Andriamanitra aza manamarina izany ambaranao izany satria tsy misy marina na dia iray aza fa samy efa nanota avokoa... (indrindra nijangajanga)

Fa tsipihiko fotsiny ilay nambaranao farany fa tsy fiainana velively izany fa ambaran'ny tenin'Andriamanitra mihitsy aza hoe : fahalotoana, fahavetavetana, fahafatesana...

Ny faharetana sy ny fahononan-tena dia anisan'ny fiainam-pinoana lalina ananaran'i Kristy ny mpino Azy... ka tsy ny fisarahan-toerana no mahasakana ny fitiavana sy ny fanantenana ary ny finoana...
rakaroka:
O ry lé Fijo a, tsy misy manao "volontaire" ho mpanota izany e
... Misaotra amin'ny fananarana... tena zava-dalina ny ambaranao ao ambadik'izany teny fohy nefa mazava tsara izany... =D =D
rakaroka:
Mbô masina wa raha te hiditra am-piangonana
... Handeha ampiako kely hoe "dia mba miverena amin'izay ao ambalan'Andriamanitra"... :)
14. majesty ( 24/09/2008 11:05)
Hoy prime :
Ahoana ny hevitrareo mpino kristiana?
Ahoana ny hevitrareo mpino tsy kristiana?
Ahoana ny hevitrareo tsy mino an'Andriamanitra?


Toa ohatran'ny eo @ Kristiana ihany no tena ahitana an'io voam-bolana hoe "mijangajanga" io fa ny ankoatran'zay tsy dia mahita loatra ah.ohatra hoe eo @ Silamo zao toa tsy dia maharé an'io matetika aho fa asa aloha e,ahitsio raha diso :)
15. prime ( 24/09/2008 11:34)
majesty> Hay tokoa moa an! izaho koa tsy dia tena mahalala ny foto-pinoan'ny Silamo tokoa raha ny momba an'io...

Fa misy lalàna ihany raha ny kely fantatro amin'ny Korano mamaritra ny momba an'io ary toa fampianarana sy fitaizàna entina ialàna amin'io indrindra no antony anankiray aneken'ny Silamo ny "polygamie"... (ahitsio aho raha diso) fa saingy kosa raha mangala-badin'olona ohatra dia tena misy famaizana henjana mihitsy...

16. ikaretsaka ( 24/09/2008 13:44)
na
-rehefa tsy misy mifanambady intsony hono ny olona dia foana ho azy ny fijangajangana e

-foanana ilay ethic dia miverina @ toetra maha biby hoe tsy asiana olana ny @ hoe iza no rain'ilay teraka fa rehefa te hiteraka dia mitady lahy dia miray dia....
17. fijo ( 24/09/2008 20:30)
toa io lazain'ika io no vahaolana ko.aleo ihany natiora wa e
18. fijo ( 24/09/2008 20:31)
rakaroka an,ngaha moa fanahiniana,fa izay le fiainana e
19. rakaroka ( 25/09/2008 21:47)
:roll: :-w :-w :-w :-$
"MAHAFINARITRA" ahy ity "sizen'i Prime ity na izany na tsy izany!
:-$ Fa ny tokantrano soa tokoa anie no Paradisa an-tany!
Ary toa samy mi-"pulse" izany avokoa ny rehetra.
Matetika mifampi-tsy afa-po ny ankilany avy no "vice"mandrava ny tokan-trano!'
Za io 'zao sendra vhv Jamba izay , jamba vao haingana izy dia narian'ny vadiny
fa naleony nanaraka olon-kafa : "MAHONENA TANTERAKA!" VAKY NY FO AMAM-PANAHIKO :cry: :cry: :cry: :oops: :oops: :oops:'Ngamba hoy 'aho na tsy angamba akory, fa tsy fiantehatra ny lhl raha tahaka izao ! Ka mitombina ny resak'i Prime hoe tsy "tandro akory aza ny voady eny amin'ny alitara,sns satria izay 'ngamba ilay "fahafahana!"
20. fijo ( 25/09/2008 22:01)
tsy ny lehilahy rehetra no manao izany.ary misy koa sipa,raha very asa ny vadiny ohatra dia hilaozany.olona malemy saina ireny,ary tsy azo hitokisana,satria vao mitranga ny olana voalohany dia iny izy no tsy tazana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.633