Làlan\'ny hazo fijaliana

81. fahamarinana ( 22/09/2008 10:10)
mandefitra:
Za tsy niteny hoe tsy ilaiko kosa aloha fa tsy hahambina ahy hoy aho.
Tsy mitovy zany.

:arrow: ohatran'ny hoe tsy mety azoko koa ny lazain'ny mandefitra nefa ohatran'ny rehefa azavaina ++ dia mitovy hvtr amiko ihany ? azafady raha nanao be fiavy !!! :wink: (l)
82. Mandefitra ( 22/09/2008 10:34)
Mety za ko no tsy mahay manazava tsara ka.
:oops:

Ho aminareo ny fiadanan'ny Tompo.
83. fahamarinana ( 22/09/2008 10:49)
:arrow: ho aminao koa e... :) (l)
84. ikaretsaka ( 22/09/2008 18:14)
dominus tecum koa e
85. bor2lais ( 23/09/2008 09:41)
Vokatry ny \"làlan\'ny hazo fijaliana\" daholo izany zaraintsika izany !
86. ikaretsaka ( 24/09/2008 14:15)
station fahafiry izao i bor2lais?
87. tywa68 ( 25/09/2008 15:39)
:lol:
88. fijo ( 25/09/2008 22:07)
izay eto aloha hampiasaina,fa aza miandry izay tsy hita any e;raha ny eto aza tsy hay ny mampiasa azy,ahoana no hinoako hoe hoainao ny hampiasa izay tsy mbola itanao akory???
89. coopsal ( 07/11/2008 13:13)
fijo:
dia tsaroako fa nisy tsy tonga teny ambony,fa dia izao no resak ahoe ireny tsy tonga ireny ,ny hezaka ataony dia ny ahatongavana amin'ny tanjona iray ambonin'ilay nijanonany teo.

==> Izany zavatra izany dia endriky ny fandraisan'ny finoana maro ny fivavahana sy ny fahamasinana!
@ bouddhisme ohatra dia toa hoe rehefa tsy nahatratra ny fetra fahamasinana ilay olona t@ity dia @ fiainana manaraka izy manarina!
Misy koa ny manao hoe miezaka ny manao tsara sy asa soa ... Mifady hanina ... sns

fijo:
le antony tsy haiko io,fa ny nahagaga ahy dia ,antitra ny ankamaroan'ilay tsy tonga,ka rah amiampy herintaona ve ,ho mora hoazy ny ahatratra le tanjona iray manaraka,

==> Misy fomba itenenan'i Jesosy an'izay remarkn'i Fijo izay :
"Moramora kokoa ho an'ny rameva ny miditra ao @ lava-panjaitra, noho ny olona matoky ny harena miditra ny fanjakàn'ny lanitra".[Mark 10:25]

fijo:
nefa izahay aza tamin'izany mbola natanjak a,nikolay vao tonga teny???

==> Misy fomba hitenenan'i Jesosy an'io koa :
"Lazaiko aminareo marina fa raha tsy mihoatra ny an'ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ny fahamarinanareo dia tsy ho tafiditra ny fanjakàn'ny lanitra aza ianareo" [Matio 5:20]
Raha ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna (teolojiana) izay nahafantatra ny fahamarinana (tahaka ilay tanora mbola matanjaka) aza tsy ampy fahamarinana hahatafiditra azy @ fanjakàn'ny lanitra, ataon'ireo ambiny ahoana no ho tafiditra?

Conclusion : "Tsy hain'olombelona izany, fa hain' Andriamanitra ny zavatra reehtra" [Marka 10:27]

Nataon' Andriamanitra izay impossible ho an'ny olona : mahatafiditra ny olona any @ paradisa.
T@ fomba ahoana? T@ nandefasaNy ny zanaNy :
- hilanja ny vokatry ny fahotan'ny olona
- hanome fofonaina vaovao mahavelona (Fanahy Masina) izay mino an'io voalohany io.

Izay no atao hoe filazantsara ry ireto!
Izaho mino an'izany, ary ny marina, tsy ho nahafantatra an'izany aho raha tsy nanana porofo fa velona Jesosy (zany hoe tsy angano ilay nitsanganaNy t@ maty). Izay aho vao nino fa Izy no hany ahafahako mifandray amin' Andriamanitra, izy irery ihany fa tsy misy hafa. Ary nihaino Azy aho ka nianatra tamiNy. Ary izao no teniNy
"Mankanesa ety @ko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho hanome anareo fitsaharana. ento ny ziogako ka MIANARA AMIKO, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho" [Matio 11:28]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6051