Ny sipa gasy teraka aty andafy...

1. lemenakely ( 23/08/2008 08:45)
ny sipa gasy teraka aty andafy matetika dia tsy mahazoazo ny bandy gasy indrindra moa fa ny avy any Dago...tsy mahay n inona na in ,fetsifetsy...Ahoana izany ry zalahy isany ?
novalian'i lohataona ny 03/09/2008 16:49
2. fasaly ( 23/08/2008 09:28)
tsy azo ry petitrouge! iza no tsy mahay nin nin iza no fetsifetsy :?: :-P
3. lemenakely ( 23/08/2008 11:23)
fasaly:

tsy azo ry petitrouge! iza no tsy mahay nin nin iza no fetsifetsy :?: :-P

ny bandy gasy avy any dago hono raha alaina vady dia tsy tsara hoy ny sipa gasy teraka aty andafy e ,fa fetsifetsy(tia tena,pour le paps..) dia dondrombelona sns...
4. ni81 ( 23/08/2008 11:41)
ny bandy gasy avy any dago hono raha alaina vady dia tsy tsara hoy ny sipa gasy teraka aty andafy e ,fa fetsifetsy(tia tena,pour le paps..)
Dia mitovy t@ ilay resaka tary ambadika hoe ny vehivavy na ny lehilahy manambady vazà ihany zany io kou! fa eto tsy ilay vazà (loko) fa ilay vazà ttasy! :)
5. Herimiafina ( 23/08/2008 13:58)
lemenakely:

ny sipa gasy teraka aty andafy matetika dia tsy mahazoazo ny bandy gasy indrindra moa fa ny avy any Dago...tsy mahay n inona na in ,fetsifetsy...Ahoana izany ry zalahy isany ?

Izy tenany ve no resy lahatra amin'izany zavatra izany sa dia zavatra nasisika tao andohany fotsiny ihany izany?
Matetika mantsy isika afrikana itony rehefa any andafy any dia manaratsy tanindrazana sy izay ao anatiny rehetra hisolelafana amin'ny olona any. Ary mahagaga fa ny afrikana ihany no manao an'io.
Manala-baraka mihintsy ny gasy sasany izay tsy mahita hotantaraina afa-tsy ny zavatra ratsy rehetra any Dago. :-D :^)
6. lemenakely ( 23/08/2008 14:59)
Herimiafina:

Marina io ry akamako

7. bazylou ( 23/08/2008 16:16)
booooooooof :roll: :-D
8. Samoana ( 23/08/2008 20:19)
lemenakely:

fasaly:

tsy azo ry petitrouge! iza no tsy mahay nin nin iza no fetsifetsy :?: :-P

ny bandy gasy avy any dago hono raha alaina vady dia tsy tsara hoy ny sipa gasy teraka aty andafy e ,fa fetsifetsy(tia tena,pour le paps..) dia dondrombelona sns...

Arakaraky ny fitaizana ihany io Ramenakely a! Ray aman-dreny manapempo ny zanany tsy hipody an-tanindrazana kosa angamba no manao taiza vilana toy izany e
:-D
9. lemenakely ( 23/08/2008 21:41)
Ny zavatra materika mitranga anefa dia refa ela ny ela dia leony ilay vazaha dia Misaraka ...
10. fasaly ( 23/08/2008 22:13)
ny bandy gasy avy any dago hono raha alaina vady dia tsy tsara hoy ny sipa gasy teraka aty andafy e ,fa fetsifetsy(tia tena,pour le paps..) dia dondrombelona sns...

marina ihany alou fa tsy ny rehetra kosa e! :-P
11. Herimiafina ( 23/08/2008 22:20)
Tsotra fotsiny ny nahatonga an'io fitenenana io e! Niaraka tamina bandy gasy izy dia nidona tamin'ny pôteau, dia avy teo niaraka tamin'ny anakiray hafa indray dia mbola nidona tamin'ny pôteau ihany....Donky, conklizion=bandy gasy mira tsy alehany daholo.
Nandramany indray ny vazaha avy teo dia tsy nidona tamin'ny pôteau fa rindrina be mankadiry. Dia niarina ka nilaza hoe, aleo midona amin'ny rindrina be mankadiry toy izay pôteau.... :-D
12. ni81 ( 24/08/2008 06:39)
Ny zavatra materika mitranga anefa dia refa ela ny ela dia leony ilay vazaha dia Misaraka ...
Tsy an-kanavaka kosa angamba io fa rehefa leo ny olona iray na inona firazanany na avy aiza fihaviany dia leo.
13. ssendra ( 24/08/2008 06:48)
ni81:

Ny zavatra materika mitranga anefa dia refa ela ny ela dia leony ilay vazaha dia Misaraka ...
Tsy an-kanavaka kosa angamba io fa rehefa leo ny olona iray na inona firazanany na avy aiza fihaviany dia leo.

tena marina izany, rehefa leo dia leo na inona fiaviany na inona....

14. Tokinao ( 24/08/2008 09:29)
lemenakely:

ny sipa gasy teraka aty andafy matetika dia tsy mahazoazo ny bandy gasy indrindra moa fa ny avy any Dago...tsy mahay n inona na in ,fetsifetsy...Ahoana izany ry zalahy isany ?

Ny hitako ho anton'io dia satria efa manana fomba fisainana vazaha izy, pire kokoa aza indraindray, izany hoe betsaka ny "prejugés" ratsy. Tantarain'ny ray aman-dreniny ao an-trano foana koa ny hafetsifetsen'ny gasy hany ka izay no milentika ao an-dohany. Tsy ataoko faobe aloha fa misy ny exception e.

Noho io antony io moa dia tsy mba manintona anah mihitsy ireny gasy teraka aty an-dafy ireny. Aiza rangah ka vao mampiresaka azy fotsiny dia heveriny fa "interessé" @ papier-ny foana.

Moi, je m'en fous de son papier.
Fijoroana vavolombelona 2 (3 manko e :) ) :
1°- Nisy vehivavy iray saika hampiditra ahy @ zanany. Dokadokafany ery ny zanany, tantarainy ny fahaizany (ny diplôma, ny faharanitan-tsainy izay tsy mankaiza akory), ary tsindrina foana ny hoe : "efa manana papier" sns. Ka raha manambady an'ilay zanany hono aho dia afaka mijanona eto Frantsa, ka ho be karama (izay marina aloha, satria in-droan'ny karamako any Dago no ho azoko raha eto Frantsa). Dia henoiko fotsiny izay teneniny, na dia ao anatiko ao aza aho miteny hoe : tsisy ilàko izay taratasin-janakao ry ramatoa tsy misaina 'ty a.. Marina fa misy "intérêts" ihany ny fitiavana indraindray (hoy isika mpi-forum sasany), fa raToky dia tsy amin'izany velively. Tsy nolazaiko azy mivantana moa io fomba fijeriko io, raha tsy izany angamba dia tapaka nanombok'izay ny fihavananay. Raha io no jerena dia izao : ny ray aman-dreny no efa manisika ao antsain'ilay zaza any ambadika any hoe : ny gasy rehefa tonga aty an-dafy dia mitady papier foana (izay diso tanteraka).

2°- Nisy vehivavy iray izay koa : efa manan-janaka, efa nisara-panambadiana koa, efa be taona be raha oharina amiko. Te hikôty ahy izy dia izao no anombohany ny resaka : raha izao no misy vehivavy efa manana papier te ho vadinao, dia manaiky ve ianao :) ? Nolaviko an-kolaka koa moa io hoe: tena tsy mieritreritra an'izany mihitsy hoa za. Mandalo fotsiny aho eto Frantsa.

3°- Misy ankizivavy iray izay koa eto @ namana serasera eto :) (iza àry :) ). Tsy lazaiko ny asany (ny marimarina kokoa : tsy lazaiko "izay lazainy ho asany"). Fa izao : Afaka mi-"régulariser" papier hono izy :), sady mikôty moa izy @'zany. Tonga dia tsy nanoratako intsony fa mahakamo be.

okay!
15. lemenakely ( 24/08/2008 10:27)
dia misy mikoty foana izany ra Toky ? Nareo kosa angamba mpanao kaonty sans provision koah
16. ni81 ( 24/08/2008 10:32)
dia misy mikoty foana izany ra Toky ?
Ka normal be satria hitady kosa ve izy dia ho any @ SDF sa ahona? :-D :-D
17. Tokinao ( 24/08/2008 10:44)
lemenakely:
dia misy mikoty foana izany ra Toky ?

ni81:

Ka normal be satria hitady kosa ve izy dia ho any @ SDF sa ahona? :-D :-D

kakakaka de ampy e :-D :-D :-D :-D :-D :-D
18. ssendra ( 24/08/2008 12:47)
3°- Misy ankizivavy iray izay koa eto @ namana serasera eto (iza àry ). Tsy lazaiko ny asany (ny marimarina kokoa : tsy lazaiko "izay lazainy ho asany". Fa izao : Afaka mi-"régulariser" papier hono izy , sady mikôty moa izy @'zany. Tonga dia tsy nanoratako intsony fa mahakamo be.

iza kay izany :-D
19. naughtyboy ( 24/08/2008 13:48)
mazava amiko zany horonantsary zany ry Toky ,ny tsy mety azoko @ reny olona reny na de tokony ahasarika aza le olona de tsy ampy fahatokisana ka ttsy no atao kakana anjonona tsy migany ee... :-D :-D
20. fasaly ( 24/08/2008 14:41)
fa izao kosa alou e! nareo miresaka fotsiny hoe sipa teraka andafy ary ny bandy mba manao ahoana, mino aho fa pire lavitra noho ny sipa an :°)
nisy bandy izay manana tts hono izy ao france dia ireto sipa mifandrombaka an'i lery sipa mitady paps dool hanjono azy am fanambadiana fa tena otran'ny hoe manao castings dool zany lay sipa aloha sady somary ampifilafilainy eny daholo ka tsy haiko tsony hoe nanambady ihany lery sa ahoana na nijanona ho celibat hu hu hu hu!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6315