nogiazina ny vola tokony hampiasain'ny CU Antananarivo !

1. ravatorano ( 21/08/2008 06:50)
COMMUNE URBAINE ANTANANARIVO
Les recettes confisquées par le Trésor


Le ministère des Finances vient de retenir les recettes de la mairie d'Antananarivo. Elles serviront à payer des dettes contractées depuis les années 80.



Un coup de massue pour la commune urbaine d'Antananarivo (CUA). La trésorerie municipale vient de retenir ses recettes équivalant à près d'Ar 880 millions.
Il y a quelques semaines, la trésorière municipale a informé la mairie de la CUA, par courrier, qu'elle se trouvait « astreinte à déduire sur vos (Mairie) fonds libres la somme de 878 776 235,40 ariary (...) ».
La lettre fait référence au « montant des prêts du fivondronam-pokontany d'Antananarivo-renivohitra », selon l'avis de l'Agence comptable centrale du trésor et de la dette publique. La même missive précise que la rétention répond à des dettes non acquittées par la mairie d'Antananarivo, qui remontent au début des années 80.
Reprendre à zéro
En mars, le ministère des Finances et du budget avait d'abord décidé de rattacher la caisse de la commune au trésor public, privant cette dernière d'une caisse autonome. Quatre mois plus tard, le même ministère décide de retenir les recettes municipales à titre de remboursement des prêts du fivondronam-pokontany d'Antananarivo renivohitra. La mairie d'Antananarivo n'a pas pu ainsi utiliser ses recettes de ces derniers mois.
Andry Rajoelina, maire d'Antananarivo, est injoignable. La mairie ne semble pas encore réagir face à la décision. Mais une source auprès de la commune ne cache pas sa déception.
« Avec la décision du ministère, la mairie va être obligée de tout reprendre à zéro. Comme par hasard, le montant de l'argent retenu correspond à peu près à celui du fonds libre de la commune », a-t-elle fait remarquer.
La même source, au courant du dossier, « n'écarte pas un coup politique pour acculer le maire » derrière la décision du gouvernement. « Je me demande pourquoi les autorités n'ont pas exigé ce remboursement à tous les maires précédents? », s'est-elle demandée. Elle évoque en même temps le principe selon lequel les dettes exigibles ne doivent pas remonter au delà de cinq ans.
Interrogé sur la question, Henri Bernard Razakariasa, secrétaire général du ministère des Finances et du budget, affirme « ne pas être au courant de la décision ». Néanmoins, il soutient que « toutes les dettes de l'Etat doivent être recouvrées ».
Sans entrer en profondeur, il indique en même temps que le principe de la non-exigibilité des dettes de plus de cinq ans ne s'applique pas d'une manière systématique. « Les situations peuvent être différentes d'un cas à un autre », précise-t-il.

Iloniaina Alain
Date : 21-08-2008
L'express de madagascar

2. kidoropamba ( 21/08/2008 08:20)
Tsy olana io. Ary marina ny ataon'i Trésor. Aleo mamerimbola kosa ireo nitrosa e.
Sahala t@ ingahy ben'i tanAna tany @ kapitaly ekonomika, izany Ratsiraka izany, izy io. Nofaizin'ny trésor ny volan'ny kaominina ka tsy voaloa ny fanesorana ny fako. De nogadraina. hin!hin!hin!hin!

Teknika mahomby io ary ilaina. Avelao ry zareo ao @ CUA mianatra politika kely fa mbola tsy vita batisa. hin!hin!hin

Faizo ary faizo mafy fa fahavalombahoaka.

Dera sy laza ho anao ry filoha hajaina Ravalomanana.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
3. rabingogilabanga ( 21/08/2008 08:27)
-saika tsara raha ny hevitr'i ravatorano no anampiany an'io, fa raha ny article ny gazety no ho entinao, dia toa samy efa mahita an'nio daholo ny ankabeazantsika; ianao izay pro-TIM (arakan'ny resakao mazana eto, t@ ireny fifidianana ireny), satria ny tresor dia miankina @ ministere ny Budget finance et tresor, izay ny PM koa no sefony TIM no mpitondra

-trosa efa h@ 1980 hono no haloa! asa fa dia ianareo ao antananarivo ao no mitsara! nahoana no tsy natao izany t@ 2002-à 2007 ? tsy ampy intsony ny mitatitra izany eto, ny vahoaka no ho sahirana!
izy lehibe tokoa ve no miady ka ny ankizy no voaporiporitra




-satria i ravatorano no responsable ny forum politika eto, ary nefa teny vazaha no idiran'ny ravatorano eto, dia fanontaniana ny ahy, inona no but ny hoe tsy azo itenenana vazaha eto?
Enkena citation na article na journal no oentinao, saingy ny fampiharana ilay règle izany no voaaraka tsara eto, fa ilay tanjona @ tsy fampiasana teny vazaha ve tsy simba @ io. ary inona le tanjona azafady?

4. kidoropamba ( 21/08/2008 08:34)
hin!hin!hin!hin!hin!
Omano aloha ny avocats sy ny fitsarana fa manangasanga ny mandat d'arrêt satria tsy ho afaka ny fako eto antananarivo. hin!hin!hin!

Maranitsaina hoa ity filoha hajaina Ravalomanana ity. Nisy nihevitra mantsy fa tsy ho sahy hikasitanana an'ireto zanak'i Andriamasonavalo ny filoha hajaina Ravalomanana. nofirany fotsiny dia tao. hin!hin!hin!

RipitiORa izao fa tsy misy akamakama intsony.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
5. badboy ( 21/08/2008 09:10)
Izay izany ny valikafatra t@ ilay fahamafisandohandRajoelina nanisika ireo anaran'ny tokony heveriny ho azo atao filohampokotany!! Maimbo tanteraka ny rivopôlitika hiainana raha izao endriny izao, ary tena tsy maty voalavo ankibo ny akaman'ilay raika lahy maire teo taloha!! :twisted: :twisted: :twisted:
6. ravatorano ( 21/08/2008 09:34)
rabingogilabanga < marina fa ny tenako no mandrindra ny dinika politika eto amin ity dinika serasera ity ary marina ihany kioa fa tamin'ny teny frantsay no nametrahako io lohahevitra io ary tena marina ny voalazanao hoe "citation na article amin'ny journal" ilay nentiko io.
Efa ampy hahavaly izay tianao ho fantarina angamba izay
Amiana kely fotsiny angamba.
Ity tranokala ity dia natao indrindra mba hifandraisan'ny malagasy rehetra indrindra fa ireo any ivelan'i madagasikara ka tsy dia afaka mampiasa loatra ny tenindrazany.Noho izany dia ny tanjona eto izany dia ny hampiroborobo io teny malagasy io mba hahafahan'ireo malagasy izay lasa nanadino ny teniny amin'ny ampahany nohon 'ny fahafahany nampiasa izay andavanandro.
Misaotra anao rabingogilabanga an nametraka ny fanamarihana :D

Ilay trosa tokoa dia efa hatramin'ny taona 1980,izany hoe efa nifamdimby tao avokoa ireo ben'ny tanana arema,avi,herivelona,tim sy ny tsy fantatray.....
Trosa tsy voaloan'ireo tompon'andraikitra hatramin izay no tsy maintsy hefain'ny mpitantanana hatramin izay.
Amizao mantsy toa miakatra ny fidiram_bolan'ny kaominina nohon'ny fandraisan'anjara ny be sy ny maro satria hitan'ny vahoaka fa hanasoavana azy tokoa izany.
Naninona ary raha tsy nahaloa trosa ka tsy nahay nitantanaan ireo tany aloha raha nandraisana fe petra sahaza sy mifanentana amin izay
:?:
7. bazylou ( 21/08/2008 10:43)
Io aloha dia hita mihitsy hoe ""coup monté"" . Efa hatramin'ny 1980 ve dia 28 taona aty aoriana vao mitaky azy sy mandray izao fepetra izao.....tsss, misy te hividy 4*4 indray ao !!! beeeurrk gasy marina!!! :-D :-D
8. naughtyboy ( 21/08/2008 11:26)
eh binnn, noeveriny bazy ho vazaha nga .. :-D :-D
9. badboy ( 21/08/2008 11:40)
Tsy de hoe hividy 4*4 loatra, fa kofonina @ zay tsy mipelipelika!! Raha izao manko ny mitohy dia isan'ny mety ho "futur candidat à la présidence" matanjaka Rajoelina!! Iza ary no ben'ny tanana lasa prézida tahafiny hoy ianao??? Fanotaniana mitentina 878 776 235,40 ariary ho an'izay mahay ny valiny!!! :^) :^) :^)
10. naughtyboy ( 21/08/2008 12:06)
ozy Ravatorano:
"Trosa tsy voaloan'ireo tompon'andraikitra hatramin izay no tsy maintsy hefain'ny mpitantanana hatramin izay."

tsy mazava tsara amiko ny tianao lazaina eto fa izany nga mo olana fa tsy adidy , ireny indrindra no anisany andraikitra tsy maintsy imasoany voalohany ary nifidianana azy eo @ toerana io(amaha reny olana reny ) fa tsy itaingitseza fotsiny..

Ozy badboy:
"Izay izany ny valikafatra t@ ilay fahamafisandohandRajoelina nanisika ireo anaran'ny tokony heveriny ho azo atao filohampokotany!!"

Rariny amiko ra any @ toerana zay misy anao no manolotra reo anarany olona heverinao iaramiasa anatratra ny tanjona sy zotra arahina ..ary tokony ho dinihana zany tolokevitra zany ra mampandroso
11. naughtyboy ( 21/08/2008 16:54)
mahalaza zv bdb ny voalazany rabingo eto:
" satria ny tresor dia miankina @ ministere ny Budget finance et tresor, izay ny PM koa no sefony TIM no mpitondra "

ra ny nambarany ty gazety ty zay mbola tsy fantatro mazava ny tsy fiankinandohany @ politika(neutrality) de mazava fa
" Henri Bernard Razakariasa, secrétaire général du ministère des Finances et du budget, affirme « ne pas être au courant de la décision »."
Aiza ko tonga de raofina fotsiny tsisy savasava ravina na fikaonandoha @ reo antenimiera sy andrimpanjakana ny vola entina miasa ao @ kominina satria teny midina..de trosa amantaonany maromaro no asolo azy,valifaty ny vahoakany kominina Antananarivo zay faiziny fitondrany tiko satria very ny fitiavambahoaka ny filohany tiko fa lasany Rajoelina ny fony,ny ohatr'izao no tena mampikatso ny asa ataony reo hafa anasoa ny firenena..
12. nororavel ( 21/08/2008 18:28)
Mazava ny lohamboto miala tsiny @ ilay teny fa io no azontsika hi"qualifier"na azy hita fa tsy tia tanindrazana ravalo sy ny tim, fa tia pouvoir ary naha ratsiraka tsy nahavita an'io t@ i ravalo fony izy maire
Ka izao no izy Iarivo tsy handohalika @ bibidia sy ny mpanompo sampy aleo atao kérosene hoan'ny force one hitondra ny akama rehetra hitsangantsagana na hividiananan'i depiote 4*4 hanaovandry zalahy halatra sy hijerena fananan''olona ho giazina indray
Efa mihaina @ dictature isika ary i Andry tsy maintsy aharesy na tiana na tsy tiana Iarivo miaraka @ Andry
Aleo ravalo hoan ' an 'indrana
13. ratakktikk ( 21/08/2008 18:43)
O ry nororavel a! inona indray ity resaka an'indrana(tanindrana) sy afovoany ity e.
Voalzany io ambony io:
Iarivo miaraka @ Andry
Aleo ravalo hoan ' an 'indrana


Miala amin'ny fjkm sy katolika dia any indray a. Tsy mahavoa amin'ny fampiadiana finoana dia resa-poko indray.
Tena mandova toe-tsaina mpanjanatany mihitsy ity nororavel ity.
Aza taitra ianao fa ny gasy tsy ho azonao amin'izany na oviana na oviana. Horonan-tsary efa nandeha efa ela be daholo izany.
inona indray ny manaraka?
14. kidoropamba ( 22/08/2008 09:22)
Efa manely tsaho ary mandefa anAOnsy ao @ site-ndry zareo TGV ry zalahy fa mitady "ziRista". hin!hin!hin!hin!hin!

Manangasanga hoa ny mandat d'arret ka omano ny avocats sy ny tsaramaso.
Sady efa vita tsara ange io antanimora io e.
tsara tokAnanan'ingahy ben'i tananAna io antanimora io.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
15. xxx ( 22/08/2008 09:38)
nororavel:

Mazava ny lohamboto miala tsiny @ ilay teny fa io no azontsika hi"qualifier"na azy hita fa tsy tia tanindrazana ravalo sy ny tim, fa tia pouvoir ary naha ratsiraka tsy nahavita an'io t@ i ravalo fony izy maire
Ka izao no izy Iarivo tsy handohalika @ bibidia sy ny mpanompo sampy aleo atao kérosene hoan'ny force one hitondra ny akama rehetra hitsangantsagana na hividiananan'i depiote 4*4 hanaovandry zalahy halatra sy hijerena fananan''olona ho giazina indray
Efa mihaina @ dictature isika ary i Andry tsy maintsy aharesy na tiana na tsy tiana Iarivo miaraka @ Andry
Aleo ravalo hoan ' an 'indrana

Nororavel ary efa nahita train à grande vitesse nitondra ronono ve nareo sa tsia fa toa hoe atsangana eto Madagasikara hono izany Tandremo fa sao lahy mialan'Ankatso dia Ambohidepona ka hiala ankanjo vao hieponepona.Madagasikara ho an'ny Malagasy.

16. kidoropamba ( 22/08/2008 11:05)
Hitondra YaOrta afirika eto madagasikara ity saDekY ity ka tsy azo ekena hoy TIKO. Rariny loatra.

Manahy aho sao dia SIDA no entin'ity sadEky ity ka hiroborobo fatratra ao dago. hummmmm! tandremo ny hoditr'akondro ry filoha hajaina fa tsy mazava ity rAObinsOn ity.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
17. ravatorano ( 22/08/2008 11:22)
Fanagiazana ny volan’ny CUA

Niverina indray ny tantara tamin’ny 1999

« Tsy misy ny zava-baovao fa ny teo ihany no miverina”. Io no fahitana ny olana sedrain’ny kaominin’Antananarivo renivohitra, taorian’ny nahafantarana fa manana olana momba ilay volany mitentina 878 tapitrisa ny CUA. Mitovitovy, na dia tsy sahala tamin’ny zava-nitranga tamin’ny 1999-2000 aza, mantsy ny zava-misy ankehitriny, satria tamin’io fotoana io dia nandalo sakantsakana ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fotoan’androny. Raha tsiahivina ny zava-nisy dia nisy vola 120 tapitrisa tao amin’ny kitapombolan ‘ny kaominina. Saika hanamboarana lalana izany nefa dia indrisy fa tsy nosoniavin’Ing Herivelona Ramanantsoa, minisitry ny Fitaterana tamin’ny fotoan’androny ny taratasy hanatanterahana ny asa. Na izany na tsy izany dia io niaraha-nahita io ny tsenan’Anosibe, anisan’ny nahazo tombony tamin’ilay vola.
Amin ‘izao fotoana izao dia re fa mety ho voasakantsakana ny hampiasana ny volan’ny CUA, raha mieritreritra ny hanatsara ny tanàna ny tomponandraikitra. Tsiahivina fa taorian’ny fepetra vaovao navoakan’ny fanjakana dia nampidirina any amin’ny “Trésor” ny volan’ny CUA. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny kaominina ny fitantanana ny fiantsonana eny Ampasapito. Ny tiana hambara dia misy hatrany ny sakantsakana.

V.R.
gazetiko
22/08/2008


naughtyboy < zafady fa diso tsipelina ilay voalazako fa izao no tena izy :
"Trosa tsy voaloan'ireo tompon'andraikitra hatramin izay no tsy maintsy hefain'ny mpitantanana amizao".

raha ny voalazan i V.R ao amin'ny gazetiko io zany dia mbola tsy vao androany akory no nisy ny sakana teo amin'ny kominina sy ny fitondrana mikasika ny vola ampidirin'ny tananan'Antananrivo.
Ingahy Ravalomanana moa no ben'ny tanana tamin ny taona 1999-2000 io.
Raha neveriny fa tsy afaka nampandroso ny kominina Antananarivo izy tamin izany sakana izany dia tokony ho hisy v izany amin 'izao izy efa eo amin'ny fitondrana faratampony eto amin'ny firenena izao.
Izay ilay resaka ery ambony hoe toa ny taloha indray no niverina raha izao,zany hoe ny tsy nety nataon'ny teo aloha ary efa nahazo ny mpitondra amizao dia mbola hatao fanahy iniana ihany v ny hampiarana izany nefa samy fampandrosoana no hatao



:?:
18. naughtyboy ( 22/08/2008 12:18)
tsisy fady na tongolo na salady Ravatorano fa zany fijerinao no atao oe fijery tsy miangatra

Raha neveriny fa tsy afaka nampandroso ny kominina Antananarivo izy tamin izany sakana izany dia tokony ho hisy v izany amin 'izao izy efa eo amin'ny fitondrana faratampony eto amin'ny firenena izao.
Izay ilay resaka ery ambony hoe toa ny taloha indray no niverina raha izao,zany hoe ny tsy nety nataon'ny teo aloha ary efa nahazo ny mpitondra amizao dia mbola hatao fanahy iniana ihany v ny hampiarana izany nefa samy fampandrosoana no hatao

zany oe nanaonao foana ny fitondrana nanafoana ny volany kominina..
19. kidoropamba ( 22/08/2008 12:19)
Sao dia tsy mety marina ary ity ataon'i filoha hajaina ity?
Heveriko fa mety mbola hiova hevitra ihany izy ato ho ato satria toa ho ratsy izany fandehany izany raha ny teo Ihany no Miverina.

Sao de tsy ho tafita mihitsy isika malagasy?

God save or do not save Ravalomanana? ^:^
20. naughtyboy ( 22/08/2008 12:34)
Ozy kidodrompamba
"Sao dia tsy mety marina ary ity ataon'i filoha hajaina ity?
Sao de tsy ho tafita mihitsy isika malagasy? "

ENY tena tsy mety tokoa,ny ahiako aza de mbola ho ratsy noho izao no itranga ny tahirimpanjakana indray no manaraka eo :roll: ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3991