nogiazina ny vola tokony hampiasain'ny CU Antananarivo !

21. kidoropamba ( 22/08/2008 13:24)
Aza dia mampitahotra loatra nareo zany ry naofY fa tena seriE ange izy ity e.
Nisy resaka nifanaovan'ireo namana avy tao @ FJKM moa androany ka tena tezitra be ry lerony @ filoha hajaina sy ny ekipany tonga nanatevindaharana ny fiangonana.
Aleo kosa aloha mailo dia ho hita eo e.

Hajanoko angamba ity paolitika ity fa toa mitady haniry loza izy izany.

Ravalomanana ihany aloha fa.... ^:^
22. naughtyboy ( 22/08/2008 13:38)
tsy ampitahotra mintsiny no tanjoko fa efa mby ankoditra ny ratsy ,ny tantara no manamarina azy reny fa tsy notty ,tsy anganoangano akory reny fa zvmisy..
tsy ny politika no ratsy satria fitaovana entiny tany mandroso rehetra anatsarana ny fananany fa reo mpanodikodina ny safidimbahoaka,tsy ny filohany tiko no halako fa ny fangoronany ny hareny malagasy no tsy zakako...
enao sy ny eritreritrao injai no mitsara oe aiza no anjaratoeranao @ zany ry kidorompamba fa mila akarina ao andavaka i Madagasikara sy ny vahoakany satria tototry haratsiampanahiny reo fahavalony tanindrazana..
23. nanas ( 22/08/2008 14:22)
naughtyboy:

tsy ampitahotra mintsiny no tanjoko fa efa mby ankoditra ny ratsy ,ny tantara no manamarina azy reny fa tsy notty ,tsy anganoangano akory reny fa zvmisy..
tsy ny politika no ratsy satria fitaovana entiny tany mandroso rehetra anatsarana ny fananany fa reo mpanodikodina ny safidimbahoaka,tsy ny filohany tiko no halako fa ny fangoronany ny hareny malagasy no tsy zakako...
enao sy ny eritreritrao injai no mitsara oe aiza no anjaratoeranao @ zany ry kidorompamba fa mila akarina ao andavaka i Madagasikara sy ny vahoakany satria tototry haratsiampanahiny reo fahavalony tanindrazana..



Mitovy hevitra tanteraka aminao aho , ary efa mba nanazava t@ ireo ekipan le8 miditra eto @ serasera mikasika anio aho. Ny olona mpanohana azy eto mantsy dia mihevitra fa resaka halako bika tsy tiako tarehy ny firesahana ny zavatra tsy mety amin zao fotoana zao eto, ny any sasany aza moa tonga hatrany @ resaka hoe fialonana sy ny sisa. Zay manko no mahatonga ahy miventy eto foana hoe tsy le8 no halako fa ilay tsy fananany fanahin olombelona ( fanerena ankolaka, fisongonana sy fanampotehana ny asa fiveloman ny majinika vao misondrotra) ny fametsifetsena ankolaka atao @ tantsaha ( satria ve tsy mba afaka mamaly izy reny). Zany hoe raha ho tanisana eto avoaka dia tsy ho vita fa sombiny ihany ireo. Zany rehetra zany moa dia ampiharin-ndry le maty @ alalan ny fahefana hananany.
Raha fitinina dia fijerevana ny tombon-tsoan ny mpitondra manokana no misy amin zao fotoana.
24. bazylou ( 23/08/2008 09:18)
Ataovy anie ny kajy e, !!! mbolapire noho i deba ilay io!! :roll:
25. kidoropamba ( 24/08/2008 16:31)
EksipEra siEdois izany koa hono no ho tonga eto madagasikara hamianatra ny gasy momba ny maligAsizaSION.

Reraka ny lohako re havako fa tena efa tsy harako mihitsy ny fandehan'ny politika amini'zao.

Ravalomanana ihany fa..... :(
26. ravatorano ( 25/08/2008 08:44)
mbola tamin'ny teny frantsay ihany no nakako an ity tao ami'ny gazety mpivoaka isan'nadro eto andrenivohitra fa ialana tsiny indrindra amin 'i naughtyboy :

"Ravalomanana Marc

« Andry Rajoelina doit payer »
lundi 25 août 2008, par Manjaka Hery



Ravalomanana aurait-il fait une telle déclaration si la capitale avait un autre maire ? Le président de la République est arrivé samedi dernier, vers 10 heures du matin, après avoir assisté à la réunion de la SADC en Afrique du Sud, et à la célébration de la semaine de l’eau en Suède. Il a accordé une séance de questions-réponses à la presse. Ainsi, les journalistes lui ont demandé ses réactions face à la confiscation des recettes de la Commune Urbaine d’Antananarivo par le Trésor. Le Chef de l’Etat a répondu qu’« il faut toujours payer ses dettes ». Il a profité de cet instant pour rappeler les difficultés auxquelles le pouvoir a dû faire face pour parvenir à l’effacement des dettes de Madagascar. « Je vous suggère de ne jamais avoir de dettes », a-t-il dit à la presse. « Il est très difficile de négocier avec les créanciers », a-t-il poursuivi.

Politique politicienne

La Commune Urbaine d’Antananarivo, au début du mandat du maire Andry Rajoelina, a déjà eu droit à une demande de paiement de dette de la part de la Jirama. Face à cela, la commune a soulevé à son tour les dettes de la Jirama envers elle. Les deux parties ont ensuite trouvé un terrain d’entente. Les dettes signalées aujourd’hui sont héritées des précédents dirigeants de la commune, mais non pas de l’équipe de l’actuel maire. Mais selon le principe de la continuité de l’administration, les nouveaux responsables doivent mettre la main à la poche pour éponger les passifs de leurs prédécesseurs. Mais quand la politique s’y mêle, l’affaire devient « politicienne ».

• Les différents obstacles que la CUA a dû affronter jusqu’à maintenant :

Les caisses vides de la Commune
La réclamation des dettes par la JIRAMA
L’interdiction au maire de désigner directement les chefs fokontany
Le reclassement de la caisse de la Commune
Absence des membres de l’exécutif au lancement de la reconstruction de l’Hôtel de ville Analakely
Le retrait de la gestion de la gare routière d’Ampasapito

madagascar tribune
25/08/08
Manjaka Hery
27. ravatorano ( 25/08/2008 08:51)
ity indray dia tao amin'ny gazetiko niseho anio

politika
Fandoavana trosa

Hifampiraharaha amin’ny fanjakana ny CUA

Naneho ny heviny manoloana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana manoloana ny tsy maintsy handoavan’ny kaominina ny trosa hatramin’ny taona 80 ny lefitry ny ben’ny tanàna.
Ankoatry ny tatitra momba ny dian’ny delegasiôna Malagasy tany ivelany dia anisan’ny nitondran’ny Filoham-pirenena fanazavana, teo am-pahatongavana teny Ivato, tamin’ny asabotsy lasa teo ny resaka manodidina ny trosan’ny kaominina eto Antananarivo Renivohitra. “Tsy mbola mahafantatra ny antsipiriany momba io dosie io aho, saingy rehefa ananan’olona trosa dia roa ihany ny lalana: aloavy ny trosan’olona na manao fifampiraharahana”, hoy ny Filohan’i Repoblika.
Araka ny fanazavan’Ing Serge Radert, lefitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo sady misahana ny fandriampahalemana sy ny fitantanan-draharaha ary ny ara-bola fa hiezaka ny hifampiraharaha amin’ny fanjakana ny kaominina amin’ny fandoavana io trosa be io.
Araka ny nambarany dia tamin’ny volana jiona teo no efa nosoniaviny sy nosoniavin’ny ben’ny tanàna ihany koa ny taratasy mirakitra io fifampiraharahana io.
Nomarihin’Ing Serge Radert fa tsy mandà fifampidinihina ny kaominina.
Samy tsy nandoa trosa!
Notsiahiviny fa trosa efa tamin’ny andron’i Pds Rakotovao Andriatiana, nandalo tamin’Ing Guy Willy Razanamasy, Marc Ravalomanana, Patrick Ramiaramanana, Hery Rafalimanana ary Andry Rajoelina izao trosa miavosan’ny kaominina izao. Nomarihiny fa tsy nahaloa trosa avokoa ireo ben’ny tanàna sy Pds nifandimby, notanisaina eo ambony ireo nefa
tsy nampidirina tao amin’ny kitapom-bolan’ny “Trésor” ny volan’ny kaominina raha tsy amin’izao fotoana izao.
Mikasika ireo trosan’ny kaominina ireo ihany dia iaraha-mahalala, hoy Ing Serge Radert fa ny fanjakana no nifampiraharaha tamin’ny nahazoana ny ampahany maro amin’ireo vola ireo tamin’ny mpampindram-bola mahazatra vao navadika amin’ny kaominina izany. Niarahan’ny mpanara-baovao nahalala fa nahazo famafana trosa i Madagasikara, tamin’ny taona 1997 ka mampametra-panontaniana ny hoe: nahoana no tsy nahazo tamin’io famafana trosa io ny kaominin’Antananarivo, izay ny fanjakana no nifampiraharaha tamin’ny mpamatsy vola?
Mbola tantara mitohy izany io fandoavana ny volan’ny kaominina io. Andrasana ny tohiny.
V.R.
gazetiko
25/08/2008

28. kidoropamba ( 25/08/2008 10:38)
Tsy maintsy aloa ny trosa hoy ny filohampirenena.
Izany mihitsy angamba ny tsy nahafahany nandoa an'io trosa io t@ 1999 ka hatramin'ny 2007 t@ naha ben'ny tanana azy sy ny ekipantsika izay notarihan'i Patou sy Hery.

Ravalomanana ihany fa... :(
29. ravatorano ( 25/08/2008 12:27)
"Notsiahiviny fa trosa efa tamin’ny andron’i Pds Rakotovao Andriatiana, nandalo tamin’Ing Guy Willy Razanamasy, Marc Ravalomanana, Patrick Ramiaramanana, Hery Rafalimanana ary Andry Rajoelina izao trosa miavosan’ny kaominina izao".

ireo teo alohan 'ingahy Andry *Rajoelina v moa izany tsy nanao mihitsy sa ninina tsy nanefa ny trosany sa neken'ny fanjakana ny tsy handoavany ny trosany ?
ary raha toa ka maire tim izany no lany teo dia mety niseho v izao toe javatra izao ?

"Niarahan’ny mpanara-baovao nahalala fa nahazo famafana trosa i Madagasikara, tamin’ny taona 1997 ka mampametra-panontaniana ny hoe: nahoana no tsy nahazo tamin’io famafana trosa io ny kaominin’Antananarivo, izay ny fanjakana no nifampiraharaha tamin’ny mpamatsy vola? "

dia fanontaniana mipetraka avokoa izany !

amin 'izao fotoana izao dia tsy ampi ny fanazavana omen'ny mpitondra fanjakana mikasika io resaka fanagiazan'ny fanjakana ny volan'ny CU antananarivo Renivohitra io.volabe izy io ary kasain'ny mpitantanan ao amin'ny tanana'Antananarivo ho entina hanasoavana sy hanatsrana ny renivohitra koa dia miandry izay fandehany isika menakaby !

30. xxx ( 25/08/2008 14:45)
Ianao koa toe mampihomehy ry ravatorana, fantatrao tsara fa repoblika bananiera ny repoblikan'ny gasikara ka inona indray ary no mahagaga anao amin'izany. i Kidoropamba Tim iringiriny aza ity mitady anao tentativa famadiana palitao.
31. naughtyboy ( 25/08/2008 16:09)
misaotra @ vaovao ravatorano a, izy ty nge efa fanjakany Baroa erahamahalala e.
tsy nisy filoha tsy aharaka zany mintsiny oe foana ny vola ampiasaina @ fitantanana ny fiainambahoaka ao @ kominina ra tsy teto M.kara ary tsy ny kominina no voapotsitra fa ny vahoaka no mifafa ny kihony amerina reo vola nangalarina taminy.
Ra tsy ilaza fotsiny aho oe efa ela no tokony voaloha izy reo,tsy mila ekonomista na politisiana akory vao ahatakatra ireo olana napetraky ty fitondrana ity fa tsy vahaolana, fampatsiahivana ty oh.kely omeko efa nisy nilaza teto:
t@ heritaona iny taloha keliny fetimpirenena de nisy fisehonjavatra goavana be nampitolagaga ny rehetra \" Evasion fiscale ary reo exoneration marobe nivoaka an\'ireo orinasa tsy miankina mitanatana ny fandraharahana aratoekarena\" tao anatiny zany samy mahatadidy isika ny tiko,mbs,magro sns...nahazo amnisties mitentina amantapitrisa maromaro(Ar)Nasorina ny haba ho anreo orinasa manondrana vary magro aiza no hisy vola iditra @ kitampompanjakana manoloana izao, reny rapatriement de devise @ hazo aondrana reny tao maorisy..iza no nahazo tombony teo reo orinasa goavana notanisaiko reo zay tsy mety andoa trosa @ fanjakana zany oe ny vahoaka madinika ihany no asaina madoa hetra fa reo manana sy orinasa matanjaka tsy azo @ zany..
Halatra be vava io eo @ tany amamonina nahoana? ny hetra no fidirambola voalohany miditra @ rafanja ,fanitsakitsahina ny lalana velona @ repoblika zany voalohany indrindra ary tsy ekeny lalany velona @ andrimpanjakana mitantana ny volambahoaka(public finance sector)
manarak\'izany,tsy misy mihitsy erantany n\'aiza n\'aiza sady filoha mpitarika orinasa maromaro mametraka ny orinasa @ sehatra mamokatra(secteur cles) no sady mitazona ny toerany filohampirenena
Porofo ny tsy fahaizamifehy ny tontolony toekarena sy ny ny fanalalahana arabarotra ifandraisantsika any ivelany izany mapihemotra tanteraka reo mpamatsy vola avy any ivelany(IMF,WTO,EPZ..) paika sy tetik\'asa novolavolainy ty mpitondra andetehana ny nositsika ao andavaka..
manginy fotsiny momba ny trosa nofoanany tao anatiny 2001-2007 tetik\'asany
Poverty Reduction Strategy Paper ho any M.kara ahitana reo firenena ao @ G8 sy ny afrikana sns..zay isantsokajiny avy atr@ IMF,WTO,ADB ,paris club voatombana eo @ $ 500 millions azo nampivoarana haingana ny famokarana fambolena fahaiza manao,jono,harena ankibony tany sy reo tsy ho voatanisa
de zao indray ny vola kely any @ kominina anatsarana ny fianambahoka no vizanina ,iza no tompomarika ary o... :lol: tsy te ifanamby za fa efa fantatsika ny valiny,mifohaza ry vahoaka malagasy fa any atranontsika ts1/1 zao ny mpangalatra fa tsy any antokotany intsony..
32. nororavel ( 25/08/2008 19:07)
Efa ela io no fantatra ny halatra be vava sy fanagiazana tanin'olona, volan'olona, tranon'olona t@ ity fanjakandrat8 ity, izao isika ve hoe hay ka tena marina fa tena mpangalatra ny Tim
mbola hitohy ny halatra tsy hijanon'io Manakara, sns..jiolahy anie ireo Tim ireo manomboka any ambony ka hatrany ambany ny fjkm mody fanina ny birao foibe mbola hiongana tsy ho ela tenisany ireo mora ny nahazo an'ideba noho tenisany rehetra ireo ndao tohizo ihany ny mangalatra (tim) fa tsara
33. ravatorano ( 26/08/2008 05:34)
dia mitohy hatrany ny tantara ary mbola lahatsoratra angazety nivoaka tao amin'ny gazetiko anio maraian ity asehoko anareo ity mba ho samy hahita vaovao isika .

Sakanana ny asa ataon’i Andry TGV izay fanerena azy hametra-pialana.

Trosan’Antananarivo-Renivohitra nandritra ny 28 taona, terena tsy maintsy haloan’ny Ben’ny tanàna am-perinasa Andry TGV! Nihaona tamin’ny mpanao gazety, tetsy Mahamasina, omaly ireo tomponandraikitra eo amin’ny fitatanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra nampahafantatra ireo sakana samihafa ataon’ny Fanjakana. Goavana amin’izany ny tsy maintsy handoavan’ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina ny trosa nanomboka tamin’ny taona 1980 no nankaty izay mitentina hatramin’ny 878.776.235, 40 Ariary. Ny fanesorana teo am-pelatanan’ny Kaominina ny fitantanana ny Gare Routière etsy Ampasampito ka homena ny ATT ary re fa ho esorina aminy koa ny SAMVA. Ho azy ireo dia voakapoka mafy ny Kaominina ary voakenda ny asan’ny Ben’ny tanàna izay midika “fanerena ankolaka ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy hametra-pialana”. Nambaran’izy ireo fa raha mitohy ny fanagiazana dia ho tanteraka ilay nodradradradraina nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana hoe “tsy mandeha ny tanàna raha tsy olona eo amin’ny fitondrana no mitondra eo”. Mampametra-panontaniana ireo tomponandraikitra ny zava-misy. “Ho faizina ve ny vahoakan’Antananarivo? Mbola ilaina ve ny Ben’ny tanàna sa ny Governemanta no hitantana ny Renivohitr’i Madagasikara?
Ny fanantenan’izy ireo anefa dia “tsy haka ny toeran’ny CUA ny Governemanta fa hamela azy hiasa”.
Mitohy ny asa
Na eo aza izany rehetra izany dia fanamby no apetraky ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany fa tsy maintsy vita izay nampanantenaina ny vahoaka. Ny antso nataon’izy ireo amin’ny Fanjakana dia “ilaina ny fifampidinihana fa tsy didy jadona an-taratasy foana no ifampiresahana ary miandry mba ho foanan’ny Fanjakana io trosa efa lany andro io”.

Ny Tahiry R.
gazetiko
26/08/2008
34. kidoropamba ( 26/08/2008 08:04)
xxx:

Ianao koa toe mampihomehy ry ravatorana, fantatrao tsara fa repoblika bananiera ny repoblikan'ny gasikara ka inona indray ary no mahagaga anao amin'izany. i Kidoropamba Tim iringiriny aza ity mitady anao tentativa famadiana palitao.

Azafady tompoko! mbola tsy nisy fivadihana palitao izany ny aty aminay fa mbola ny filoha hajaina ihany aloha. Saingy mampanontany tena ihany ity zavatra miseho ity satria efa ompa sisa no anaovan'ireompanolobodirindrina ahy raha misalotra iny TisErta Ravalomanana sy Hery rafalimanana ireny aho.

Mbola tsy misy mivadika aloha. Aleo ny sitiratejia an'i razokibe Ramarisely no arahina raha amin'ny kirizy tahaka izao.

Ho tafita ihany ve isika?
Ravalomanana ihany fa...:(
35. ravatorano ( 28/08/2008 05:42)
araky ny reko anikeo maraina tamin'ny vaovao nalefan'ny tv tsy miakina iray dia TOA HOE navotsotry ny fanjakana ihany ilay volabe izay "nogiazany sy nadefasany taratasy mba tsy ho kitihan"ny CU Antananarivo" azy
36. ravatorano ( 28/08/2008 06:19)
dia hoy indray ary ny gazetiko nivoaka anio maraina e :


Na niainga tànana tamin’ny fanagiazana ny volan’ny Kaominina aza ny fanjakana dia mbola namoaka ny fandinihina ny fitantanam-bola teo aloha ihany ny tomponandraikitra.

Novahan’ny fanjakana ihany ny fanagiazana ny volan’ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ao amin’ny Trésor. Na izany aza namoaka ny fandinihana mahakasika ny fandaniam-bola nataon’ny mpitantana ny Kaominina tamin’ny taona 2004, 2006 sy 2007 ny tomponandraikitry ny Kaominina ankehitriny. Raikitra ny am-pamoaka, hoy izy ireo. Omaly hariva no nampahafantarin’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsimbazaza ity fandinihana ny fitantanam-bola ity izay ny “Inspection generale de l’Etat” no nanao ny fanadihadiana. Fantatra tamin’izay fa be ny vola navoaka tsy ara-dalana tamin’ireo taona ireo. Maromaro ihany ireo sehatra nahitana an’io ka isan’izany ny fandaniana tsy tafiditra tao anaty tetibola izay mitetina hatramin’ny 5.734 983 284, 17 ariary. Ho azy ireo dia “tsy fanajana ny tenin’ireo mpanolontsaina Monisipaly ny fampiasana vola mihoatra tahaka ireny”. Fa goavana ihany koa ny fividianana zavatra na fandaniam-bola tamina raharaha hafa nefa tsy mbola naloa izay sarany (Depenses engagées non mandatée) izay mitotaly hatramin’ny 3 826 504 860, 54 ariary. Ohatra amin’ity farany ny fandaniam-bolan’ny Kaominina izay tsy fantatra mazava hoe inona. Ny fandaniana an’ireo zava-mitranga tsy ampoizina sy samihafa (Depense diverses et imprevues). Mbola hanao fanadihadiana momba an’io ny tomponandraikitra. Ireo dia samy tamin’ny taona 2007 avokoa. Ankoatra ireo anefa dia nisy ihany koa ny “travaux fictif” na fananganana fotodrafitrasa vita fakitiora nefa tsy misy asa vita akory.
Araka ny fanazavana nataon’Atoa Serge Radert dia 42% ny trosan’Antananarivo renivohitra hatramin’ny 2004 no tsy ara-dalana sy mampiahiahy izay mitotaly 1 727 000 000 ariary raha 2 399 000 000 kosa no tena ara-dalana. Manoloana ireo dia ho “fantarin’izy ireo izay tena trosa ara-dalana ary tsy maintsy ho alohan’ny Kaominina izany fa izay tsy ara-dalana navoakan’ny Inspection kosa dia tsy azon’ny Kaominina efaina”.

Ny Tahiry R.
gazetiko
28/08/2008
37. naughtyboy ( 28/08/2008 11:23)
dia faly zahay nandre zany vaovao zany ary manantena fanadihadiana mazava @ fandaniambola tsy nahazahoandalana @ tetibola ampiasainy fampandehanandraharaha ankapobeny nataony reo tompon'andraikitra ao @ kominina,ary ny fanagadrana fahatany ny olompirenena eo itondra fanatsarana
ny fiainambahoaka sy fanangiazana ny vola entimiasa de tokony andraisana fepetra hentitra koa..aiza ko olona te hanao zv ndray no tadiavina ampidirina amponja ,te ifanandrina @ hatezerambahoaka noho ny tsy rariny ngambany sa ko efa very tadidy ny mpitondra fa izay no nahatafakatra azy teo :-P
38. penguin ( 28/08/2008 11:49)
Azerao izy dia raiso ty zavatra raha milay. Ankoatr'izay mampiomehy. Efa mitamatama nefa mbola tsy hita-n'elah izay hanaovana azy ve ? Mba menatra ry manandoha be konetaka a!!!! :-D :-D
39. kidoropamba ( 28/08/2008 12:54)
Za aloha tsy faly amin'izao fihemoran'i fitondrAna izao e.
Mamerina ny antsoko amin'i ministra dE sipAOro teo aloha Patou tiramway ny tenako mba hanao opErasiOn sipesialy ao @ CUA.

Tsy tokony manaiky RESY ny filoha hajaina amin'izao boay kely 33 taona izao. Hoan'ny voninahitra ry filoha ô. Tairo ny aksiOn. gadrao!

Ravalomanana ihany fa... :x
40. naughtyboy ( 28/08/2008 13:34)
de izao v no mahafaly anao olona mpiray tanindrazana aminao manao ny asany te anasoa tanindrazana ho gadragadraina fahatany ,tena miha miabo ny ivo sy ny fisainanao ry kidoro fa tsofy ny boazaka iakatra.. :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.743