Vita soa amantsara ilay cabaret dancing nokarakarain'ny NSD

1. ravatorano ( 11/08/2008 05:09)
Arahabaina izany ny Namana Serasera Dago rehetra fa dia vita sy tontosa soa aman-tsara araky ny nantenaina azy ny cabaret dancing izay niarahana tamin'i tovo J'hay sy ny tariny ary ny Orchestre DIAP/CAPSAT ny sabotsy lasa teo.Izany no tontosa dia noho ireo fiaraha mientana nataonareo rehetra dia ny mpikarakara, ny mpanohana, ny mpandray anajara ary ireo namana marobe tonga nasaina nitondra ireo tapaka sy namana hafa ihany koa nanatevin-daharana ny namana serasera dago.
Noho izany dia tolorana ny fisaorana feno fankasitrahana ireto olona manaraka ireto :
-Voalohany : ny mpikarakara : glou filohan'ny Namana serasera dago,i voahirana,blanche,angotiko,mimifali,labloum,naniie sy ny ekipan'ny "hotesse",ry watafon,lobaka,avylavitra,thiel,diosezy,ra tonton,pata,izay nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka iny fety ary tsy nitandro hasasarana sy fotoana very tamin' ireo fivoriana matetika natao ho fanomanana ilay fety.Isaorana ianareo fa andry lehibe eto anivon'ity fikambanan namana serasera Dago ity.
Ao anatin'izany ihany koa isika namana mpivarotra ny tapakila izay tsy ho voatonoko anarana eto daholo ary ialako tsiny mialoha izany sao mantsy misy adino , isaorana ianareo fa tena hery lehibe mihitsy no nentinareo nanampiana ireo mpikarakara.
Faharoa : misaotra an'i tovo j'hay sy ny tarika rehetra namana izay tonga tao nanafana ny fety fa tena "ambiance" nahafinaritra be ary tena nipoaka mihitsy ny CEMES soanierana nanaovan'dry zareo azy.Enga anie ry zareo mba ho lasa lavitra nohon'ny toerana efa misy azy amin' izao.
Tsy adino koa ny Orchestre DIAP izay nandimby azy ireo ary nanafana ny lanonana mandra paharainan'ny andro ary na dia efa vizana aza ny ankamaroan'ny oloan ka niala sasatra teny amin'ny latabatra dia mbola nikalo sy nanentana hatrany ry zareo.
Fahatelo : isaorana manokana eto ireo namana mpikirakira ny vohikala na "internet "avy ao amin"ny tetikasa. telomiova.Org sy ny Foko Bolg Club izay nandefa solo-tena tao .
Faha efatra ary anisan'ny goavana be dia ny fisaorana ireo "sponsor" rehetra nanohana iny fety iny ka nahafahana nizara ny "lot" marobe teo anelanelan'ny fotoana nialan'nytariika tovo j'hay sasatra kely.
Ireto avy izany :
- SALON DE BEAUTE ET COIFFURE ENDRIKA SY BIKA etsy Tsimbazaza izay nanome "lot" nozaraina teo amin'ny roapolo teo ho eo.
-ny ELITE GSM
-NY COMPAGNIE VIDZAR
-ny MIDI MADAGASIKARA
-ny CAISSE D'EPARGNE DE MADAGASCAR
-............
sy ny maro hafa koa izay mety misy hadinoko fa eo ianareo namana tonga tany hanampy sy hameno ny banga.
Saika adinoko ny mpampiatrano dia ny cemes soanierana izany isaorana ry zareo fa raha tsy nisy ny trano tsy afaka nanao fety isika namana rehetra e !

Nisy ihany ny paparazzzi tonga tany ary ho avy eo ny sary dia aza gaga raha mahita namana avy any dilambato sendra manao fialan tsasatra aty ianareo ary isaorana manokana eto izy ireo.


Nafinaritra ny fiarahana tao ary aoka mba ny sasany indray no hilkaza sy hitantara fa efa lava be loatra ity voasoratro ity e

Mamerina indray ny fisaorana ireo namana serasera nikarakara sy niketrika iny fety iny fa dia tena naha fapo tokoa e !
Rahoviana indray ny manaraka ra prezy ah !



=D> =D> =D> =D>
^:^ ^:^ ^:^ ^:^
novalian'i Aino ny 20/08/2008 07:05
2. kelly13 ( 11/08/2008 05:45)
mmhh, hitako zany ilay ambiance marina! miandry sary fa io no tena mety mahaliana ngamba :wink:
3. Ralay ( 11/08/2008 06:50)
Dia arabaina izany fa nahavitasoa ny namana any dago dia isaorana koa ny mpampita vaovao sy izay mbola hampita rehetra.
Miandry ny sary izany no sisa.
:lol:
4. Tattum ( 11/08/2008 07:09)
Nahita anireo sary tany amin'ny Avylavitra aho ka dia miarahaba ny zavam-bita fa tena pro be sy matotra be ilay soirée!
Tiako tenenina amin'ilay hoe matotra hoe tena tsara ny fivaokany sy nankafy daholo ireo izay tonga.

Ianareo moa no hisaorana be dia be fa mafinaritra hatrany ny fiarahana sy ny fiara manantotosa. Dia mavita be ry zareo a!
5. ari.malala ( 11/08/2008 07:28)
miarahaba e! tena nafinaritra e! afapo fa misaotra ny mpikarakara! Ny sary hoavy eo ian fa ndraso klou fa mbola te dodo b ny tenanay lollllll
6. watafon ( 11/08/2008 07:30)
Misaotra an'i zoky ravato nanao ny tatitra e ! miandry ny sary sisa e !
7. ravatorano ( 11/08/2008 09:14)
raha ny fizotran'ny fety dia tahatahak'izao :
Nanokatra ny fotoana ny filoha mpitantana ny fikamabanana Namana Serasera Dago dia i glou izany - nanao lahateny nanentana sy feno fisaorana izy ary nisaotra ny mpandray anajara rehetra tsy anakanavaka izay tsy ho tononiko tsony eto satria betska no tsary tadidiko!
Ny partie voalohany nataon'ny orchestre diap izay hira nentina niandrandrasana ny olona na dia efa feno ihany aza ny latabatra marobe tao.Avieo dia niditra antsehatra i Tovo J'Hay sy ny tariny naneho ny talentany nandritra ny ora iray.
Nitsahatra kely naka aina sy nisotro ranomboakazo aloha zareo ary dia raikitra indray ny fisarihana loka marobe toy ny fanaovam-bola, ny fanamboarana tarehy, ny fampihenana teny amin'ny alalan'ny dihy izay nomen'ny Endrika sy Bika, toa ihany koa ny loha parasol lehibe.
Niditra an-tsehatra indray i tovo j'hay sy ireo hira tena nampalaza azy faraparany dia nofaranany tamin' ny "o! zoma " sy hita roa nifanesy izay.
Nafana tokoa ny fety ary tsy nitsahatra niakatra nandihy ny olona marika izany fa tena tafiditra tsara tao anaty ambiance ny rehetra.
Vita ny an'i tovoj'hay dia natao ny fisarihana farany ireo loka natolotri'ny Zain,CEM,eleite gsm,compagnie vidzar sy ny maro hafa koa.
Ny orchestre diap no nanohy ny fotoana ary nikalo ireo hira mihetsika nisesisesy ary indrindra ireo hira mavesatra izay tsy nialan'ny namanamaro mihitsy dia ry toxicity izany.Raikitra ny dihy ka dihy re izao e .Efa ela aloha no nahafantarako fa ny namana serasera dago dia be mahay mandihy ary koa manao izany ao anatin'ny filaminana tokoa.
Efa tena nazava ny andro, andro ririnina mao vao nisaraka ny ankamaroan'ny olona.Maro amin 'izy ireo no nanolotra fisaorana sy nilaza ho afa po nefa moa ny manao zavatra tsy mora ary tsy misy mihitsy izany hoe tonga lafatra amin'ny fikarakarana fety toy itony koa dia raisinay avokoa ny sosokevitra entina hanatsara zavatra avy aminareo nanatrika tany izay ombanay fisaorana feno tsy mety ritra e !
Ny nasaina moa samy namonjy fodiana fa ny mpiketrika kosa mbola nanao ny fanamarinana farany.Tao ny nanao ny resa-bola,tao ny nikarakara ny tany andakozia nanasa ny vilia sotro antsy sotro rovitra vera bol sns ary nandamina izany, tao ny nandrava ny ravaka antsehatra sy ny manodidina azy.
Tsy ho voatanisa antsippirihanay eto izy ity fa kosa dia tsy mitsahatra izahay ny mamerina ny fisaorana mitafotafo ho anareo re ry zareo rehetra ah indrindra fa nareo mpikarakara sy niketrika iny fety iny fa tena favo nareo e! hita izao fa matanjaka mihitsy ny association namana serasera dago ary vitsy ny mahavita ny toy ireny koa dia
=D> =D> =D> =D> ho anareo ary mi ^:^ ^:^ ^:^ amimpanajana eo anoloanareo mpikatrika izahay nahazo fahafaha po e !
tsiky dia ampy
:D
8. ravatorano ( 11/08/2008 10:18)
ialako tsiny ny fahadisoana eo amin'ny firafitry ny teny :
ilay salon de beauté dia HAY ENDRIKA SY BIKA eo Marohoho Tsimbazaza izy io ary mikarakara ny vatana, ny tao-volo,sy ny tarehy.
Marihina fa izay no sponsor officiel an'iny fety iny ary mobla izy ihany koa no nanome lot maro indrindra.
Ny loa nomen'ny midi madagasikara dia abonnement amin'ny midi flash.
Alefako tsikelikely eto ihany izay tadidiko ary mamerina ny fialatsiny amin izay teny latsaka e !
Ity aza no tena adinoko kle aza ah !
Isaorana isika rehetra nohon'ny filaminana izay nasehotsika teo , hita taratra mantsy fa olona mahafehy tena avokoa ny namana serasera rehetra ary toy izany koa ireo olona nasainy koa dia mille fois merci e !
misaotra an'arivorivony , an-tampitrisany e !
=D> =D> =D>
9. ravatorano ( 11/08/2008 10:24)
sary voalohany :

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77901-photo_caba.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77901-photo_caba.jpg[/IMG][/URL]

10. ravatorano ( 11/08/2008 10:28)
omem-boninahitra ny mpanakanto :

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77902-photo_caba.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_2_77902-photo_caba.jpg[/IMG][/URL]
11. angotiko ( 11/08/2008 10:45)
ravatorano sy ny raprezy glou ary ny serasera dago:
misaotra fa voarainay " SALON DE BEAUTE ET REMISE EN FORME" HAY ENDRIKA SY BIKA sy ny tarika TOVO J'HAY ny fisaorana nataonaonareo, ary izahay ihany koa dia maneho fisaorana ho anareo satria nafinaritra ny fandraisana, ary nirindra tsara ny filaminana sy ny fandaminana
misaotra antsika rehetra zay tonga nanotrona ihany koa fa raha tsy teo ianareo tsy afaka ny namoaka ny talentanay izahay, ary izahay nahatsapa fa tena nafana dia nafana tokoa ary tsapanay ny hafanana, nafinaritra ny ambiance ary te ren'ny fonay ny hafalinareo, ary izahay dia faly ihany koa, ary mino izahay fa mbola ho tsara lavitra no ireny ny zavatra ataonareo ka enga anie mba aharitra ela be ny fikambananareo, ary hitohy hatrany hatrany ny fifandraisanareo sy ny fifankatiavanareo
izahay HAY ENDRIKA SY BIKA sy ny tarika TOVO J'HAY dia vonona ny hiara hiasa aminareo, rehefa misy ny azonay atao
12. ravatorano ( 11/08/2008 10:47)
ireto sary manaraka ireto dia nalaiko tao amin'ny blog an i avylavitra :
teo ampiomakomanana :
[URL=http://yoopix.org/photo/1/77903-2751737871.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_2_77903-2751737871.jpg[/IMG][/URL]

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77904-2751739905.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77904-2751739905.jpg[/IMG][/URL]

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77905-2751740629.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77905-2751740629.jpg[/IMG][/URL]

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77906-2751744539.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_2_77906-2751744539.jpg[/IMG][/URL]
13. fahamarinana ( 11/08/2008 10:57)
:arrow: misaotra tamin'ny tatitra,mankasitraka tamin'ny sary dia mirary soa sy manohana na antany lavitra aza e... (l)
14. ravatorano ( 11/08/2008 11:01)
teo ampametahana ireo banderola an'ireo mpanohana sy namana :

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77907-2751746607.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77907-2751746607.jpg[/IMG][/URL]
banderole namana serasera new look

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77908-2751752505.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77908-2751752505.jpg[/IMG][/URL]


[URL=http://yoopix.org/photo/1/77911-2752585376.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77911-2752585376.jpg[/IMG][/URL]
HAY ENDRIKA SY BIKA

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77909-2751753439.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77909-2751753439.jpg[/IMG][/URL]
[URL=http://yoopix.org/photo/1/77910-2752586252.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_3_77910-2752586252.jpg[/IMG][/URL]
ito indray ny tetikasa.telomiova.org


15. angotiko ( 11/08/2008 11:07)
izaho manokana dia nahatsapa fa tena nireussira be ny fetintsika, tao tsara ny ambiance ary tena nafana dia nafana ny fety, ary isika dia nilamina tsara, ny tiako lazaina dia mahay mifety tsara, nahay nilamina sy nandamina tsara, tsy mba nisy ny korotana fa dia nilamina eh, ary mahay mikarakara sy miasa tsara, ka inona moa fa dia ao ANTSAHAMANITRA indray zany amin'ny heritaona koa sa ahoana ry glou hahahahaha moi ça
misaotra manokana ireo ekipa teo amin'ny fandraisana olona, milay be ry reto a (blanche, mimifalie na sharelle, naniie, sasa, angotiko) ary ahoana le bôty sy ny couleur marron hahaha tao tsara ka
16. ravatorano ( 11/08/2008 11:10)
ny fandraisan'ny filohan'ny namana serasera dago fitenenana ho fanokafana ny lanonana :
[URL=http://yoopix.org/photo/1/77912-2751755123.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77912-2751755123.jpg[/IMG][/URL]

ny DIAP/CAPSAT nanokatra ny fotoana
[URL=http://yoopix.org/photo/1/77913-2751783015.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77913-2751783015.jpg[/IMG][/URL]

efa ambiance mafana amizay :

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77915-2751797001.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_2_77915-2751797001.jpg[/IMG][/URL]
[URL=http://yoopix.org/photo/1/77916-2751803355.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_1_77916-2751803355.jpg[/IMG][/URL]

ireo "serveurs" :

[URL=http://yoopix.org/photo/1/77914-2751786103.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_3_77914-2751786103.jpg[/IMG][/URL]
17. lo ( 11/08/2008 11:17)
arahabaina nahatontosa soa izany lanonana izany e, mahatsiaro foana na lasan-davitra aza :-)
pi-maso manokana ho an'ireo efa mpiara-mijery cabaret tany antanàna :wink: amboary ny pro raha misy fa hiakatra kely amin'ny volana ambony raha tsy misy ny sampona :-)
18. ANARIM ( 11/08/2008 11:20)
zà moa zany le oe tsy afaka nankaiza fa nitaiza...
19. ari.malala ( 11/08/2008 11:28)
anarim zany an lol tonga amizay aza ny sary

zany zay ra mandihy lollllllllllll
[URL=http://img227.imageshack.us/my.php?image=photocabaret010ro7.jpg][IMG]http://img227.imageshack.us/img227/4333/photocabaret010ro7.th.jpg[/IMG][/URL]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1455