Mpino kristiana????

61. prime ( 12/08/2008 16:00)
ikaretsaka:
amijko manokana ra prime tsy ny filazana fa za zao (kristianina ohatra ny example eto) de manao an zao na tsy manao an'izao no maha izay marina na tsy izay marina ahy an!
... Ka misy miteny angaha moa eo hoe izao no marina na izao no tsy marina? na hoe izaho izao na izaho manao an'izao??? tsy mahazo resaka indray ianao an... ny lohahevitra nentiko dia hoe ireto misy tranga izay fanaon'ny mpino kristiana sy heverin'ny mpino kristiana fa azo atao... inona no tokony hatao? fa tsy misy fitsarana hoe izao no marina na tsia... dia avy eo inona no vahaolana?

Mifototra amin'ny fandinihan-tena izany fa tsy mifototra amin'ny fanavakavahana... raha mahavita fandinihan-tena amin'izany dia efa dingana lehibe izany toa io ambaran'i Herimiafina io... mila fanetren-tena ka manaiky iasan'ny Fanahy Masina nefa vao afaka mahadinika ilay tsara araka an'Andriamanitra... eo no tena olana...
ikaretsaka:
code d'honneur aho code d'honneur
... mbola miampy "code d'éthique" io ra-ika any amin'ny orinasa goavana toy ny banky ohatra... misy karazana "restaurants" sy "magasins" tsy azonao idirana intsony raha miasa ao aminy ianao ary na ny fitafinao aza dia izy no mamaritra azy fa tsy izay mety aminao intsony...

Ka hanara-dia an'i Kristy indray va hoy aho vao baranahany???

Sa hoy aho misy polisy sy zandary manao ny asany mamolava sy miteny ratsy dia heverina ho mety? sa mety izany aminao?

Fa rehefa fiainana kristiana no baikon'i Kristy mba hitandri-tena dia resabe???... :lol:

Ilay fahalavoana anie itovian'ny rehetra e... na ny mpino na ny tsy mpino... fa ny mpino kristiana kosa dia mila mankato sy manaraka ny baikon'i Kristy : dia ny miala amin'ny ratsy fanao sy mitandrin-tena ho amin'ny fahamasinana... ady isanandro izany...
ikaretsaka:
momba ilay hiara haniry> andriamanitra aza tsy sarotiny @ iznay ko IZAY IANAO ve?
... Fa iza moa no sarotiny?

Dia ilay miara-maniry ihany koa angaha moa no olana amin'io ohatra notsongainao io??? ilay fanaovana ny ratsy mitovy aminy no ipetrahany resaka...

Ka na hiaraka aza ny vary sy tsimparifary... inona tokoa moa ny olana mandrapahatonga ny fotoam-pijinjana raha hiara-haniry ao?... fa ilay vary manao ny ataon'ny tsiparifary va tsy efa lasa tsimparifary ho azy??? eo no mila itandremana fa tsy ny fiarahany maniry...

Ianao indrindra no mpanao fanamarihana ny mahazavadehibe ny fifaneraserana amin'ny mpanota toy ny nataon'i Kristy... fa angaha ny fifaneraseran'ny mpino amin'ny mpijangajanga no ipetrahan'ny adihevitra raha tsy ilay mpino hanao ny fanaon'ilay mpijangajanga... dia eo no mipetraka ny adihevitra hoe raha mpino kristiana aho dia ahoana?

Aza entim-po ra-ika fa fitiavana sy famindrampo avy amin'Andriamanitra no mbola iantsoany ny mpino ho amin'ny fahamasinana a... :)
62. cutie ( 12/08/2008 16:44)
prime [ Valio ] 11-08-2008 12:51:22
Lohateny : Re : Mpino kristiana????
Hoy i cutie:
Prime:
mety ho azon'i toi ihany no tiako hambara ka
... efa mazava...

Fa raha zen no tianao ahatongavana dia tsy "compatible" amin'ny kristianisma ihany na dia izany aza...

za koa nga te ho xtiana lol
63. prime ( 12/08/2008 17:18)
cutie> Safidinao izay ka na ho kristiana ianao na ho bodista, malalaka ny safidinao... fa ilay teninao nanao hoe "compatible" ny kristianisma sy ny bodisma no nahatonga resaka momba an'io notsongainao io...

64. cutie ( 12/08/2008 17:20)
zay fihevitrareo tsy fihevitro :)
65. prime ( 12/08/2008 17:48)
Hajaina ny fihevitrao... :)
66. cutie ( 12/08/2008 17:50)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D
67. prime ( 12/08/2008 18:00)
Mampihomehy ve izany? :lol: :-D
68. cutie ( 12/08/2008 18:01)
ie :-D
mitsiky io e :D
69. prime ( 12/08/2008 18:15)
:°)
70. cutie ( 12/08/2008 18:51)
:°)
71. prime ( 13/08/2008 12:21)
cutie> Dia ahoana?

Inona ny dikan'ilay hoe "ianao tsy te ho kristiana"?
72. fijo ( 13/08/2008 21:29)
mba lazao hoe ry prime ny antony tsy azo hampifandraisana ny kristianisma sy ny zen?????ny mpitarika zen dia tsy nandrara mihintsy izay finoanao,fa ny azy dia ny fampianarana hanao ahay hanao io fandinihantena io no asany.

cutie,mankarary andoha io amin'ny voalohany,ary mety ahafanina mihintsy;fa avy eo io ahafahan amifehy tena ao anatin'ny fotoana fohy.
ndao hanao fa tsara e
73. ikaretsaka ( 14/08/2008 03:55)
aleo ihany hoa kristianiona zen raha izany :-D :-D SJ ho'zy ny efa zatra
74. prime ( 14/08/2008 11:58)
fijo> Ilay "concept" mihitsy no samihafa, indrindra fa rehefa tonga amin'ilay "phase de libération" iny ka mi-"vider" ny "esprit" rehefa manao zen...

Amin'ny finoana kristiana, ny resaka "méditation" no akaiky azy kokoa saingy ny mahasamihafa azy, ny finoana kristiana mifantoka tanteraka amin'i Jesosy avokoa ny fandinihan-tena (ilay tena dia tsy "finalité" fa "sujet"), ny vavaka, ny fifonana, ny fandraisana famelan-keloka, ny fandraisana Fanahy Masina, ny fangatahana rehetra, ny fandraisana fahasoavana sy fitahiana dia Jesosy Kristy avokoa... sns ary ny tenin'Andriamanitra no hery mampitoetra ilay "méditation"...

Ny fanaovana zen, mifantoka kokoa amin'ny tena sy ny momba ny tena ny fandinihan-tena... ary raha alefa lavitra kokoa aza dia mitodika amin'ny manodidina, ny fiarahamonina, ny tontolo rehetra, izao tontolo izao... saingy ilay "izaho" tsy maintsy mazava ary mitoetra araka ny fahaizako manakatra tsara ilay "équilibre entre les deux forces contradictoires"...
75. cutie ( 14/08/2008 13:55)
Mpandefa : prime [ Valio ] 14-08-2008 13:58:13
Lohateny : Re : Mpino kristiana????
fijo> Ilay "concept" mihitsy no samihafa, indrindra fa rehefa tonga amin'ilay "phase de libération" iny ka mi-"vider" ny "esprit" rehefa manao zen...

Amin'ny finoana kristiana, ny resaka "méditation" no akaiky azy kokoa saingy ny mahasamihafa azy, ny finoana kristiana mifantoka tanteraka amin'i Jesosy avokoa ny fandinihan-tena (ilay tena dia tsy "finalité" fa "sujet", ny vavaka, ny fifonana, ny fandraisana famelan-keloka, ny fandraisana Fanahy Masina, ny fangatahana rehetra, ny fandraisana fahasoavana sy fitahiana dia Jesosy Kristy avokoa... sns ary ny tenin'Andriamanitra no hery mampitoetra ilay "méditation"...

Ny fanaovana zen, mifantoka kokoa amin'ny tena sy ny momba ny tena ny fandinihan-tena... ary raha alefa lavitra kokoa aza dia mitodika amin'ny manodidina, ny fiarahamonina, ny tontolo rehetra, izao tontolo izao... saingy ilay "izaho" tsy maintsy mazava ary mitoetra araka ny fahaizako manakatra tsara ilay "équilibre entre les deux forces contradictoires"...

ny meditation @ zen de practice ahafahanao mi-concetrer @ zavatra ataonao one thing at a time :)
Tsy misy resaka mi vider esprit sy ny tariny zany io fa resaka concentration fotsiny :)
76. cutie ( 14/08/2008 13:56)
fijo [ Valio ] 13-08-2008 23:29:00
Lohateny : Re : Mpino kristiana????
mba lazao hoe ry prime ny antony tsy azo hampifandraisana ny kristianisma sy ny zen?????ny mpitarika zen dia tsy nandrara mihintsy izay finoanao,fa ny azy dia ny fampianarana hanao ahay hanao io fandinihantena io no asany.

cutie,mankarary andoha io amin'ny voalohany,ary mety ahafanina mihintsy;fa avy eo io ahafahan amifehy tena ao anatin'ny fotoana fohy.
ndao hanao fa tsara e

rahoviana ny fotoana :-D
77. cutie ( 14/08/2008 13:57)
70. Mpandefa : prime [ Valio ] 13-08-2008 14:21:53
Lohateny : Re : Mpino kristiana????
cutie> Dia ahoana?

Inona ny dikan'ilay hoe "ianao tsy te ho kristiana"?

one thing at a time hoy ny zen ka mbola tsy mieritreritra an'zany xtianisma zany alou za :)
78. fijo ( 14/08/2008 21:03)
prime,ka rehefa libre ngaha le esprie de voasakana tsy hino ny finoany intsony?????tsy misakana azy izany,fa mety vao miha hampino kokoa ilay olona efa mino.

misy fotopisainana zen milaza hoe "ici et maintenant"ary io dia ilay efa averimberinay sy ika foana hoe ataovy tsara ny androany nao,fa tonga tsara hoazy ny hampitso.aza maika sy manahy ny ampitso,fa izay ahatsara ny androany atao,fa rah atanteraka izay dia hilamin any hampitsonao.


cutie an,izao dia efa lasa ka.
79. niryna ( 15/08/2008 13:49)
fijo:


misy fotopisainana zen milaza hoe "ici et maintenant"ary io dia ilay efa averimberinay sy ika foana hoe ataovy tsara ny androany nao,fa tonga tsara hoazy ny hampitso.aza maika sy manahy ny ampitso,fa izay ahatsara ny androany atao,fa rah atanteraka izay dia hilamin any hampitsonao.

marina izany ary dia mila manatona an'i kristy isika izao fa tsy fantatra izay fahatongavan'ny fahafatesana na rahovianla na rahoviana,mila mihomana ,mila miambina

80. ikaretsaka ( 15/08/2008 16:59)
prime>tsy i jesosy irery ihany fa ny trinite ka....

ho an'izay liana
http://www.creighton.edu/CollaborativeMinistry/cmo-retreat.html
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1104