Mpino kristiana????

21. fijo ( 06/08/2008 21:40)
ka lery aza nisotro dovay ko,izy izany no matsatso voalohany.
22. ikaretsaka ( 06/08/2008 21:58)
ny ahy le hoe satria ahako zao de tsary hanao an zao tsotry ..no somary hafahafa kely amiko
nefa izany aza no niadiany fo tokoa t@ fariseo
23. Mandefitra ( 07/08/2008 05:27)
Ny fiainan ny mpino zany dia firosoana tsy ankiato @ fahatanterahana arak izay no lazain-draKaroka teo.
Ary arakaraky ny hanantonan' ny Kristiana an'Andriamanitra no handratsanaNy antsika koa @ ireo karazam-pahotana zay nangeja antsika, dia ireo marobe notanisain'i Prime ireo ...
Ka tsy hoe tsy nanota ny kristianina, fa miady isan'andro @ fahotana mba hamirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra eo @ fiainany.
24. niryna ( 07/08/2008 05:56)
Isika no jiro fahazavan'izao tontolo izao ka atao ahoana moa no fametraka ny jiro any ambanin'ny latabatra?
Ireo zavatra notenenin'i prime rehetra ireo dia fiainana andalovan'ny olona isan'andro.Inona no mahasamihafa ny mpino sy ny tsy mpino ? Ny finoana an'i JK izay nanafaka tamin'ny ota rehetra izay natao fahiny ary ny fiovana ny toetra izay fantatra fa tsy mety intsony ankehitriny.Eny mbola mandalo an'ireo avokoa ny olona raha mbola olombelona ihany koa fa ny fiaikena fa diso ,ny fibebahana fa tsy mendrika ny hiantso ny Anarany akory azy ary ny fifamelana heloka ny hafa na ny hafana nanaovana toetra tsy mendrika ,izay no tadiaviny amintsika. avia hifandahitra amiko hoy JK fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala MIno an'izany ve aho? Nifandahitra tamiNy ve aho ka nitantara taminy ny heloka reheka rehetra vitako? Namela heloka ny hafa ve aho ary nangataka famelan-keloka? Ireo no vato misakana ka raha tonga satana mamp iditra ireo toetra ratsy ireo rehefa mino an'i JK tokoa isika na dia isika ihany aza dia afaka mandroaka izany herin'ny maizina izany amin'ny Anaran'i JK .Izay sahy manaova fanandramana raha tena mino Azy ho Mpanjaka,Mpamonjy,Mpanasitrana ary Tompon'ny tompo rehetra. Satria efa voavidin'ny ran'i Jesosy isika ka izay izay mino Azy dia anao ny asany koa
Io ilay lazaiko foana hoe izay mino azy dia omeny ny fanahy masina ka io fanahy masina io no mampianatra antsika sy mampahatsiahy antsika tsy anao ireo toetra voalaza ireo ambony ireo intsony.Ary raha sendra misy azy izany dia izy koa no mampahatsiahy antsika ny hifona sy hivavaka. Mahereza daholo e.
25. Lejoba ( 07/08/2008 13:56)
Inona no mahatonga anao hihevitra fa mpino Kristiana ianao?
Hoy Jesoa : izay mino ahy, ny asa ataoko no ataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy....
Koa inona @ ireo tanisainao ireo moa no asa nataon'i Jesoa?

Raha manana faniriana hanaraka ny Tompo ianao dia aza kivy, tsy avy hiantso ny marina Izy fa ny mpanota hibebaka.

Sa kosa toetran'olona milaza tena ho Kristiana ireo natambatrao ireo hanamarinanao tena hoe aleo ihany tsy mivavaka raha toa izao? Raha izany dia diso be ianao fa ny Tompo mihitsy no nilaza fa tsy misy marina na dia iray akory aza satria izay diso @ anankiray dia diso @ izy rehetra.
http://www.dailymotion.com/video/x4rs6v_en-qui-les-adeline_music ^:^ :-@
26. fahamarinana ( 07/08/2008 14:24)
:arrow: hoy izay Mama malalako zay hoe ----Ianao amin'ny toetranao sy ny tsy fahatanterahanao no nantsoin'ny Tompo dia Izy no hanova anao tsikelikely -----
ika:
tsy ny heo fanaovana an'izao sy izao akory no maha Xtianina na tsia anao, fa ny finoanao ...

:arrow: Itovizako hevitra ihany koa...satria na ny tenako fony mbola tsy Mino tanteraka dia efa tsy nanao ireo voalazan'ny prime rehetra ireo,ny ankamaroany zany e...nefa mbola tsy nahatsapa tena ho Xna akory satria tsy dia azo lazaina fa ampy ny Finoako azy : routine tamin'izany fa tsy niainana tanteraka toa ny amin'izao fotoana izao.....(l)

27. cutie ( 07/08/2008 14:30)
: SHOAN [ Valio ] 06-08-2008 20:50:28
Lohateny : Re : Mpino kristiana????
raha manahirana ny sainao dia miovàha lasa bouddhiste
fangaha moa refa kristiana sa mpino dia tsy mahazo maka fahafinaretana ?
fiainana mandàlo io ka ataovy zay mahafaly ny fosy ny saina
sotroy zé tinao sotroina fa tandremo fotsiny sao mamo mitsingindina amy tany hihihhihi
fohao koa ny sigara fa tandremo sao kofona
Pio maso ny sipa tsara tarehy fa mandoka azy izany
etc ....
izay zany

afaka ampiarahana tsara ny boudista sy ny xtiana ka :)
28. Lejoba ( 07/08/2008 14:35)
cutie [ Valio ] 07-08-2008 16:30:06 afaka ampiarahana tsara ny boudista sy ny xtiana ka
N'importe quoi, Tsisy olona afaka hanompo tompo roa fa ny 1 ankamamiany, ny 1 ho halany. Tandremo fa ny Andriamanitry ny Kristiana dia Atra saro-piaro : aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany Eksodosy 20 (didy Folo) :-@ :-@ :-@
29. cutie ( 07/08/2008 14:40)
ny bouddhista nga manompo???
30. cutie ( 07/08/2008 14:41)
ny boudista tsy religion mitsy akory :)
31. ikaretsaka ( 07/08/2008 15:20)
cutie> arakarak'ilay perspective anao io
32. cutie ( 07/08/2008 15:22)
discipline io amiko
there is no god in buddhisme :)
33. ikaretsaka ( 08/08/2008 02:05)
fa must a religion have a G in order to be called a religion?
34. prime ( 08/08/2008 07:02)
Misaotra antsika rehetra tamin'ny fizaràna hevitra...
35. prime ( 08/08/2008 07:27)
diamondra27> Misaotra...

Tsy dia fampitahana loatra amin'ny tsy mpino no tiana ahatongavana fa tena ilay fiainam-pinoana mihitsy, ny amin'ny hoe mpino kristiana, dia inona no tokony hatao raha mbola ao anatin'ny iray na ny ampahany amin'ireo?

xxx> Itoviako hevitra tanteraka... ny fanarahana dia an'Andriamanitra dia tsy amin'ny anarana sy ny seho ivelany hoe izaho mpiandry na diakona na mpitandrina na pretra...sns fa tena fiainana anaty miray amin'Andriamanitra... Andriamanitra tokoa mahalala ny any am-po tsy miloaka ary efa niteny fa amin'ny fomba ahoana tokoa no iandrandrana famelankeloka avy amin'Andriamanitra nefa ny tena aza mbola be fo, tsy mamela ny heloky ny hafa, mandainga... mihevitra ny tsy misy mahita sy tsy hitan'Andriamanitra ka nefa misalotra akanjo masina?
36. prime ( 08/08/2008 07:54)
rijadolly,ilo,rakaroka,mandefitra,niryna> Mankasitraka... misaotra amin'ny fizaràna... tena izany tokoa...

Mila fandinihan-tena lalina ny fanarahana dia an'i Kristy...
37. prime ( 08/08/2008 08:03)
rijadolly,ilo,rakaroka,mandefitra,niryna> Mankasitraka... misaotra amin'ny fizaràna... tena izany tokoa...

Mila fandinihan-tena lalina ny fanarahana dia an'i Kristy...
38. prime ( 08/08/2008 08:08)
ni81> tena tsy vitsy ny ohatra toa io ambaranao io...

D ahoana ny hevitrao?
39. prime ( 08/08/2008 08:29)
ikaretsaka,shoan> Raha ny hevitrareo izany dia tsy maninona akory na mbola miaina ireo toetra ireo na dia mpino kristiana aza?
40. prime ( 08/08/2008 08:39)
cutie:
fa nga moa rehefa we mpino xtiana de tsy maintsy ho madio tsy misy pentina foana zay. Tsy Xtiana enao raha tsy efa nisedra an'reo zazvatra rehetra voatanisan'i prime reo.
... Itoviako hevitra tanteraka... =D>
cutie:
afaka ampiarahana tsara ny boudista sy ny xtiana ka
... ohatry ny azoko ny tian'i cutie ahatongavana hoe izay tsara atsy sy aroa no raisina... (sa diso izany?)

Fanamarihana fotsiny... ny kristianisma tsy "principes de vie" na "dogme" na "philosophie" fotsiny fa tena fiorenam-piainana feno ao amin'i kristy mihitsy... raha tsy izany dia very ilay tena "essences" ny finoana iantsoan'i Jesosy ny olona rehetra...
cutie:
discipline io amiko
there is no god in buddhisme
... fa "réligion" mihitsy izy raha ny tena izy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109