Mpino kristiana????

1. prime ( 06/08/2008 12:31)
Ahoana ny hevitrareo mikasika ireto tranga ireto?

Izaho mpino kristiana nefa mbola misotro (divay, rhum, whisky, hydromel, bière, panache, liqueur, cocktail, na zavatra hafa misy alikaola...) rehefa fotoan-dehibe sy fety...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mifoka sigara na sigarety (eny mety mbola mandray sigara be mihitsy aza indraindray...) rehefa tsy misy mahita...

Izaho mpino kristiana efa manana fofom-bady efa vita fisehoana nefa mbola mikitikitika, misiotsioka, mipimaso, mijerijery, miantsoantso tovovavy hafa mahafinaritra...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mandaingalainga kely indraindray mba tsy idiran'ny problema...

Izaho mpino kristiana nefa mbola tsy maharitra fa mandray zavatr'olona na dia fantatro fa tsy ahy aza...

Izaho mpino kristiana nefa mbola manendrikendrika olona tsy manana porofo...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mialona ihany ny an'ny hafa indraindray...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mihatsaravelatsihy ihany mba tsy isian'ny romoromo...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mitsara ny hafa hatrany raha vao misy tsy mety ataony... no sady tia mitakoritsika ny fiainan'ny hafa any amin'izay rehetra tiako ilazana azy...

Izaho mpino kristiana nefa tsy mitandrina ny fitondran-tenako fa mbola miteny ratsy kely tsy voaambina ihany indraindray, mbola manao fitafy mandranitra filàna isaky ny azoko atao, mbola mijery films mahatsiravina sy vetaveta rehefa tsy misy mahita...

Ahoana ny hevitrareo? mbola azo antsoina hoe "mpino kristiana" va aho?
Raha eny dia satria ahoana?
Raha tsia dia inona no tokony hataoko?
novalian'i prime ny 19/09/2008 13:57
2. prime ( 06/08/2008 12:45)
Mbola azo tohizana...

Izaho mpino kristiana nefa mafy fo rehefa mahita voina fa mihevitra izany ho olan'ny hafa... kizitina sarotra iresahana... masiaka tsy azo ifanazavana hevitra...

Izaho mpino kristiana nefa mpanamarin-tena amin'ny zava-misy rehetra...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mizaha ny atao sy ny ho avy any amin'ny mpanandro na mpimasy na mpamaky ny hoavy isaky ny misy fanapahan-kevitra lehibe horaisina...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mamangy doany...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mamadi-drazana araka ny fomba Malagasy, miantso mpanandro, miantso mpimasy, maka vovom-paty kely hitondra fahasoavana ho an'ny ankohonana, miondan-tsihim-paty fa ndrao mba tahian-janahary hanan'anaka... mandihy amim-paty, miantso razana hitahy...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mitahiry zavatra mba ho fiarovana ny fananana, ny ankohonana, ny tokantrano, ny harena... no sady mbola manatona mpitaiza rehefa tojo zavan-tsarotra...

Ahoana ny hevitrareo?
3. diamondra27 ( 06/08/2008 13:04)
raha ny zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo.

Ilay izy izany aloha dia karazana fampitahana amin'ny tsy mpino ny ena marina hoe: rehefa mpino dia tena tokony tsy hanao fahadisoina intsony ,izay no tena tanjona saingy amiko arakaraka ny degre ny mahampino anao no ahafahanao miala amin'ireo zavatra voatanisanao ireo>
Amiko manokana dia tokony tsy misy antery izany ny fiainana kristiana fa ny Baiboly no fitaratra ka raha hitanao fa misy toetra ratsy any aminao dia mila. amboarina . Io anefa hoy aho fandresendahatra sy volonte we tena Jesossy no manafaka fa raha mbola amin'ny herin'ny tena ihany no anaovana azy dia mora lavo eny.
4. diamondra27 ( 06/08/2008 13:06)
Misy ihany koa anefa toetra mbola tsy mety voatohitra ka izany dia mila firaisana be amin'i JK sy ny FM e>
Raha vao tsy ampy firaisana amin'i Tompo dia mora lavo>
Indraindray isika dia mahay teoria be fa le manatanteraka azy tena sarotra be.
5. ni81 ( 06/08/2008 13:18)
Tena mbola maro @ olona milaza ho mpino no manao ny zavatra 1 na 2 na izy rehetra @ ireo tenen'i prime ireo. Tao @ tanàna nitoeranay taloha dia olona mpivaro-toaka be mihitsy ilay rangahy nefa izy Diakona fa tsy mpivavaka tsotra.
6. cutie ( 06/08/2008 14:03)
fa nga moa rehefa we mpino xtiana de tsy maintsy ho madio tsy misy pentina foana zay. Tsy Xtiana enao raha tsy efa nisedra an'reo zazvatra rehetra voatanisan'i prime reo. :)
7. ikaretsaka ( 06/08/2008 14:28)
fa nga moa rehefa we mpino xtiana de tsy maintsy ho madio tsy misy pentina foana zay. Tsy Xtiana enao raha tsy efa nisedra an'reo zazvatra rehetra voatanisan'i prime reo.


marina tanteraka... izay no ilana ny konfesy ange hoe fanadiovana ireo e!

Aza adino fa fa olombelona foana koa koa ianao na "mpino Xtianina" aza, raha mbola eto an-tany ianao no miaina! ka mandia tany mety ho solafaka ary miloloha lanitra ka mety ho lena...
Nobody is perfect ho'zy ny angalisy

1)ho an'ny baibolista! tsy misy miteny mihitsy ao anaty baiboly ny momban'ny sigara sy sigarety! toy iznay koa ny divay ary tadidio fa Jesoa aza nanova ny rano ho divay, ary mampiasa ny divay ho lasa Ra-ny! ary anisan'ny nasainy natolotra ny divay rehefa fanasan'ny Tompo...

2)ny momban'ny ohatra kristianina ao anaty baiboly dia bedebe le hoe ny mpianany mioty salohimbary , i Kristy tenany mihitsy aza no voalazan'ireo fariseo ho miaraka amin'ny janga sy ny samaritanina sy miara miosona @ mpanota.. i Md Piera aza nanda Azy in 3, i Md Thomas tsy nety nino raha tsy nahita... nefa ireny aza notsongainy manokana mihitsy

3)ny zava misy rehetra dia zava boahary avokoa.. Andriamanitra no nahary ireny sy ny derivee-ny isan-karazany (na ny robots aza dia zavatra namboarina zava boaharin'Atra ary mampiasa akora izay zava -boaharin'Atra koa) ary natao ampiasaina ireny hijerena ny manifestation-ny Talenta sy ny asan'Atra eo amintsika


4) ny momban'ny teny ratsy, le manozona sa le manompa ny tian'i prime lazaina? misy manko ao koa misy miteny hoe "ry adala sy votsa saina" na hoe "loza ho anareo sy ny taranakareo" ..... dia raha extrapolena le izy.... ahoana raha manao heo le kisoa(na taovam-pananahana na .....) lahy ity? na le hoe "hanody anao anie zany"
samy mandratra ilay olona concernee ilay izy manko eto !


5) tsy misy resaka koa hoe voarara ny famadihana.... inona no saika hataon'i Maria madalenina tany @ fasan'i Jesoa moa t@ vao mangiran-dratsin'ny paska?? efa nolazaina teto ombieny ombieny hoe ny hevitra lalina fonosin'ny famadihana no tsara jerena fa lasa mifanohitra @ ilay teninao milaza hoe
Izaho mpino kristiana nefa mbola manendrikendrika olona tsy manana porofo...


8. xxx ( 06/08/2008 15:05)
prime:

Ahoana ny hevitrareo mikasika ireto tranga ireto?

Izaho mpino kristiana nefa mbola misotro (divay, rhum, whisky, hydromel, bière, panache, liqueur, cocktail, na zavatra hafa misy alikaola...) rehefa fotoan-dehibe sy fety...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mifoka sigara na sigarety (eny mety mbola mandray sigara be mihitsy aza indraindray...) rehefa tsy misy mahita...

Izaho mpino kristiana efa manana fofom-bady efa vita fisehoana nefa mbola mikitikitika, misiotsioka, mipimaso, mijerijery, miantsoantso tovovavy hafa mahafinaritra...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mandaingalainga kely indraindray mba tsy idiran'ny problema...

Izaho mpino kristiana nefa mbola tsy maharitra fa mandray zavatr'olona na dia fantatro fa tsy ahy aza...

Izaho mpino kristiana nefa mbola manendrikendrika olona tsy manana porofo...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mialona ihany ny an'ny hafa indraindray...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mihatsaravelatsihy ihany mba tsy isian'ny romoromo...

Izaho mpino kristiana nefa mbola mitsara ny hafa hatrany raha vao misy tsy mety ataony... no sady tia mitakoritsika ny fiainan'ny hafa any amin'izay rehetra tiako ilazana azy...

Izaho mpino kristiana nefa tsy mitandrina ny fitondran-tenako fa mbola miteny ratsy kely tsy voaambina ihany indraindray, mbola manao fitafy mandranitra filàna isaky ny azoko atao, mbola mijery films mahatsiravina sy vetaveta rehefa tsy misy mahita...

Ahoana ny hevitrareo? mbola azo antsoina hoe "mpino kristiana" va aho?
Raha eny dia satria ahoana?
Raha tsia dia inona no tokony hataoko?



Te hanontany anao aho: manambady , manan-janaka, vao tera-bao ilay olon vadiny, niaraka virtoaly t@ ankizy taty ivelany dia nikasa ny hivady, ny malala moa tsy ferana, nony hita fa mpandainga dia zavatra hafa no nilany vanona!
Lasa mpiandry hono ilay lehilahy nefa mpandainga ary fantantsika fa ny devoly no rain'ny lainga! TOE-JAVATRa narahiko tamina namako ireo. Efa ho 2 taona izao! Tsy nahalala akory ny hifona ka hifamela heloka t@ ilay vavy fa dia toy ny hevitra nifanankonana teny fotsiny!
Ny tokony hatao: mamela ny helokay tahak'izay namelanay ny heloky ny namanay, raha tsy nifona koa t@ ilay olona dia tsy ho afa-bela indray andro any (hoy zorro izay). Mifamela aloha vao be serimônina!!!!
9. rijadolly ( 06/08/2008 15:27)
Ahoana ny hevitrareo? mbola azo antsoina hoe \"mpino kristiana\" va aho?
Raha eny dia satria ahoana?
Raha tsia dia inona no tokony hataoko?
:oops: :oops:
Eny .Satria aho mino an\'Kristy ho Tompoko sy Mpamonjy ary mahatsapa ny hadisoako fa tsy mamono sofina,ka manolotra izany eo anatrehan\'Ilay Mpanavotra ahy.
Tsia. Ny tokony atako dia manatanteraka ny hazakazako hatramin\'farany fa tsy miverina an-dalana na minjanona an-dalana

NB: Ireo nolazain\'Prime reo ny 99,999% Mba tsy ilazako hoe 100%,eny mety mbola misy aza izay tsy voatoniny(tsy haiko :oops: ) Ireo ny vato misakana sy mihatra ny nofo tsy maintsy ho resena Mba hibatanao ilay satro-boninahitra nampanantenaina ho anao izay mitaky fanampiana avy amin\'Fanahin\'Andriamanitra sy ny FanamarinaNy anao
10. ikaretsaka ( 06/08/2008 15:46)
ka izay ange no hilazako hoe ny ankamaroan'ireo mihevi tena ho kristianina koa dia matetika adinony fa olombelona izy ka mety mbola hosolafaka e.

"tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any" ho'zy ilay hira katolika izay
11. Ilo ( 06/08/2008 16:05)
Ny Kristianina dia tsy antsoina intsony hoe mpanota.

Rom 6
1 "Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;"


Tsy milaza akory izany hoe tsy manota intsony ny kristianina, amin'ny maha-nofo azy, mety ho latsaka @ fakam-panahy ihany indraindray fa tsy tokony hinia manota kosa. Tsy vitan'ny herin'ny tena fotsiny anefa izany fa mila mangataka hery amin'A/tra.
Marka 14:38 "Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery."

Tsy misy miteny ao @ Soratra Masina hoe aza mifoka sigara sns, fa hoy kosa Izy :
IKorintiana 3:17 "Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany."
Ka rehefa zavatra manimba ny fahasalamana dia tsy tokony ho atao.

Izany no ilana mamaky sy mandinika ny Soratra masina ahafantarana izay tokony atao ary tsy vakiana fotsiny fa ampiarina eo @ fiainana.
Ny tena ratsy koa mantsy dia ny manao ny ratsy ho tsara sy ny tsara ho ratsy!
12. ikaretsaka ( 06/08/2008 16:39)
mko tsy tena olomasina aby zany ze sekta rehetra :°)

13. SHOAN ( 06/08/2008 18:50)
raha manahirana ny sainao dia miovàha lasa bouddhiste
fangaha moa refa kristiana sa mpino dia tsy mahazo maka fahafinaretana ?
fiainana mandàlo io ka ataovy zay mahafaly ny fosy ny saina
sotroy zé tinao sotroina fa tandremo fotsiny sao mamo mitsingindina amy tany hihihhihi
fohao koa ny sigara fa tandremo sao kofona
Pio maso ny sipa tsara tarehy fa mandoka azy izany
etc ....
izay zany
14. ikaretsaka ( 06/08/2008 19:41)
amrina ny an'i shoan.. amiko ny fivavahana anisan'izany ny kristianisma dia tsy natao hangeja sy hahatonga anao hi se detacher fa mainka haza hahatonga anao ho actif sy involved eo @ ilay misy anao
15. fijo ( 06/08/2008 21:02)
za izao tsy mpino nefa tsy mifoka sigara sy daina.sa tokony hifoka satria tsy mpino???????
za izao tsy mpino nefa tsy tia mamo koa.(misotro aho,fa tsy tiako ny mamo)sa mila manao mamolava koa satria tsy mpino????
16. ikaretsaka ( 06/08/2008 21:08)
fijo:

za izao tsy mpino nefa tsy mifoka sigara sy daina.sa tokony hifoka satria tsy mpino???????
za izao tsy mpino nefa tsy tia mamo koa.(misotro aho,fa tsy tiako ny mamo)sa mila manao mamolava koa satria tsy mpino????


izay.. tsy ny heo fanaovana an'izao sy izao akory no maha Xtianina na tsia anao, fa ny finoanao...

17. fijo ( 06/08/2008 21:10)
efa tena lasa mibirioka le finoan'ny sasany ka ,mampanahy ihany ka.ny mpino izany tsy hihaino hira koa ny hiafarany fa hiran'ny satana ireny.
18. rakaroka ( 06/08/2008 21:24)
Mitovy fijery @ Ilo kosa aho, marina fa "libre" hanao izay ataony ny olona fa mba misy eken'ny saina kosa ny fepetra tsy tokony hanaranana fo loatra, tahaka ny sigara : koa na ilay fonony aza dia efa miteny ho'azy hoe "attention
danger pour la santé" dia hinia ho akipy tsotra izao ny feon'ny fieritreretako hamosavy tena?...Ho ahy il faut savoir dire "NON"!
Fa tsara ny "size" nosokafan'i prime" ity, manoloana ny firefarefan'ny toetra sy fomba fiaina voageja sy jiogain'ny nantsoina hoe ota mitaha @ "hasin'ilay Kristy sy Atra Ray dradradradraina. Ny "blem" dia toa misy "laisser-aller" izany noho ny liberté sy ny famonjena ho efa vitan'i Kristy dia zary tsy mi-se sentir responsable na dia @ propre vie-ny aza ny Xtiana mpino maaaro. Hadinony fa nantsoina indrindra koa ho amin'ny "FAHATANTERAHANA" rizareo ! Donk, "atrika" iray fibanjina indrindra koa ny "etat de perfectionnement" tsy hirefarefana @ imperfectionnement lava!Rahateo hanalaviran'ny tsy mpino sy ialany ny Xtiana.
19. fijo ( 06/08/2008 21:28)
ô ry zareo an,izy jesoa hinoanareo aza namadika ny rano ho lasa divay.ka miheritrereta.
20. rakaroka ( 06/08/2008 21:38)
Ny indrokelin'ny mpandrafitra eto anie, 'zaho 'ngamba mety hi-pardonne anareo hoe d'accord aza fa olombelona tokoa tahaka ny rehetra ianareo
'entre-tsika"io fa 'za mahatsapa fa ny teny dia mametraka mazava hoe "ianareo no fanasin'ny tany ka raha ny fanasina no tonga matsatso, inn no hahasira azy?..." . Dia ny tsy mpino maro koa mety hiteny hoe mpitari-bato vilam-bava rizareo 'zany! dia tsy hino izay X-nareo any 'tsony koa izy vokatr'izay! :roll: 8O :?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.125