raha misy

1. fijo ( 17/07/2008 20:41)
mino aho ry zareo,fa raha misy amin'izao fotoana izao,lehilahy iray manao sy manatanteraka izay fiainan'i jesoa rehetra,dia ianareo mpino ihany no hanenjika azy voalohany.
novalian'i fijo ny 01/08/2008 21:53
2. rakaroka ( 17/07/2008 21:19)
Satria misy "borne" finoan-drizareo hoe ra latsaka in-dray mandeha ihany teo amin'ny hazofijaliana. Dia hoe lahitokana koa! Dia hoe "izy irery no lalana sy fahamarinana
3. pissoa ( 17/07/2008 21:27)
Ny fahitako azy toa tsy mipetraka akory ny olana satria toa tsy hisy olona hahatanteraka ny nataon'i Jesoa rehetra izany e :-D :-D :-D
4. Noue ( 17/07/2008 21:36)
ny hanatanteraka ny fianan'Jesoa angamba tsy dia mino loatra aho hoe hisy !

iza ? olombelona iza no ahavita an'iany ?

rehefa tonga ny zoma masina no ahitana lehilahy kapohina mafy mandatsa-drà ireny fa raha ny tena ny fiainan'Jesoa no jerena toa tsy hisy ahavita an'zany kosa angamba an ? mais ..iza no mahita ? any ho any angamba mety misy.

Jesoa voahenjika ka raha @ finoana , samy efa nahita ny fanenjehana azy , nahoana no mbola averina zany raha toa ka misy mahavita an'izany ?
5. simplex ( 17/07/2008 21:36)

otran'ny sarotsarotra ihany ny ahita ol hanaiky hofantsihina @ tsinapa eo an :lol::lol:
6. Noue ( 17/07/2008 21:45)
fijo:

dia ianareo mpino ihany no hanenjika azy voalohany.
nahoana moa no henjehinay izy nefa raha ny finoanay no jerena dia voalaza fa hoe :

Heureux ceux qui sont persécutés pour la justice, le Royaume des Cieux est à eux.
Heureux serez-vous si on vous insulte, si l'on vous persécute et si l'on dit faussement toute sorte de mal contre vous à cause de moi. Réjouissez-vous, soyez dans l'allégresse, car votre récompense sera grande dans les Cieux.



7. LazaDaddy ( 17/07/2008 22:37)
fijo:
mino aho ry zareo,fa raha misy amin'izao fotoana izao,lehilahy iray manao sy manatanteraka izay fiainan'i jesoa rehetra,dia ianareo mpino ihany no hanenjika azy voalohany.
Hoy indray aho hoe, raha miverina amin'izao vanin'andro izao i Jesosy dia ireo "mitonona ho mpino Kristianina"
no hanenjika Azy voalohany.

8. Rasiligaoma ( 17/07/2008 23:27)
ilay izy hoe hitsangana amin'ny maty no jerena aloha raha mahavita dia eo no mipetraka amin'izay ilay hoe mino sa tsy mino.
9. Koditra ( 18/07/2008 11:42)
fijo:
mino aho ry zareo,fa raha misy amin'izao fotoana izao,lehilahy iray manao sy manatanteraka izay fiainan'i jesoa rehetra,dia ianareo mpino ihany no hanenjika azy voalohany.


Mety ho marina izany, fa za ndray nefa mieritreritra fa ny tsy mpino aza no hanenjika voalohany satri na dia olona mpino tsotra fotsiny aza efa enjehin'ny tsy mpino, maika fa hoe olona mahavita araka io voalazan'ny fijo io.
Jereo fotsiny ohatra ireny mpitory ny filazantsara eran'ny tanàna mandende ireny fa imehezan'ny tsy mpino fotsiny, ôtran'ny oe olona tsy mahita atao angamba no fieritreretany azy.

Na izany na tsy izany nefa dia tsy hisy mitsy olona hahavita sy hiaina ôtran'ny nataony, mety misy miezaka anyoany fa tsy hahavita 100%.


10. xxx ( 18/07/2008 12:38)
oy fijo oe
mino aho ry zareo,fa raha misy amin'izao fotoana izao,lehilahy iray manao sy manatanteraka izay fiainan'i jesoa rehetra,dia ianareo mpino ihany no hanenjika azy voalohany.

de ozizy za oe tsy andany fotoana ieritreritra anzany za satria jesosy tsy hoavy tsony raatsy am fotoana farany fa lasa suposition daolo fa ra anao supostion iany de oy za oe vitany kristiana izany
11. fijo ( 18/07/2008 20:59)
io voalazan'i laza daddy io koa dia amarina be mihntsy,

ilay pasitera tany ambondrombe iny anie izao efa manao zavatra mifanakaiky ny nataon'i lery e,nefa ny mpino manenjika azy daholo.
samy milaza fa mpitarika ry zalahy,samy milaza fa nandresy devoly,samy be toriteny misarika olona,samy milaza fa mahavita zavatra tsy hain'ny hafa sns
12. pissoa ( 18/07/2008 22:51)
Fa tena devoly angaha ry Fijo ilay noroahin'ilay pasitera ? :wink:
13. Rasiligaoma ( 19/07/2008 05:12)
eo indrindra isika izao
14. ravatorano ( 19/07/2008 09:03)
fa inn zany no noroahan ilay pasitera teny iny
za manana ilay film complet ain izy iny fa tsy tena azoko tsara
mety ho marina ihany ny tenin i fijo sy lazadaddy io sady tsisy olona iraya hitovy toetra na fomba fiaina amin'ny olona iray zany mihitsy.
Tsisy hahavitan ny vitan i fijo zany na iza na iza dia itovizana koa io raha hiresaka an i Jeso na Jesosy na Jesoa !
15. cutie ( 19/07/2008 18:54)
fijo [ Valio ] 17-07-2008 22:41:47
Lohateny : raha misy
mino aho ry zareo,fa raha misy amin'izao fotoana izao,lehilahy iray manao sy manatanteraka izay fiainan'i jesoa rehetra,dia ianareo mpino ihany no hanenjika azy voalohany.

:lol:
tsy ho possible mitsy zany alou satria jesoa tsy olombelona fa Atra, dikan'zany tsy hisy hitovy @ Atra mitsy eo :-D
16. fijo ( 19/07/2008 19:43)
an an,jesoa tsy andriamanitra fa "zanany "hono.
ô ravato an,iza no tsy mahavita ny vitako??????mahavita daholo ny rehetra;
17. fijo ( 19/07/2008 19:45)
pissoa an,fa mino izany pissoa fa tena devoly koa ilay niresaka sy naka fanahy an'i rajesoa tamin'izy nikaremy 40 andro???sa rehefa jiosy de tena devoly fa raha gasy dia tsy tena izy fa devoly vita gasy???
18. cutie ( 19/07/2008 19:45)
it doesn't matter :-D
tsy olombelona fotsiny izy de zay :-D
19. fijo ( 19/07/2008 19:47)
bedy eo ndry fa milaza fa tsy olombelona izy.ary iza izany le nofantsihana nidradradradra nitaraina teny kalavary???
20. cutie ( 19/07/2008 19:51)
za nga nahita an'zany :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0939