AVERENO NY ANAY,IO NY ANAREO(ISRAEL-LIBAN)

1. endrika01 ( 16/07/2008 07:44)
Mifamerina Otage ny roa tonta.Indrisy anefa fa ny andaniny mandray nofo mangatsiaka,ny ankilany mbola velona aina.Mba lasa iany ny saiko e,angamba mety tsy ireo soldat Israeliane reo anaty vata-paty ireo fa mbola any ho any!Fa afeniny Hezbollah:-w:-w:-w
novalian'i endrika01 ny 28/08/2008 19:21
2. tsimati ( 16/07/2008 08:00)
Tena sarindroky ve io fa toa mametraka sarin-javatra ny hafa mantsy ?? Tantara tsy vita mora io ary tsy isiaka no ahavaha an'io ry tonaka aaa. Ny olan'i Madagasikara aza tsy tafavoakantsiaka fa miafanilanilaka, mifampiaro sy misary gaigy sisa. :-D :-D :-D :-D
3. endrika01 ( 16/07/2008 08:41)
Tsimati>ka zay lay tia mijoro,ny sarintavanao avy hatrany no aseho!Raha misy ps hafa akoatrany io,dia tsy maninona atao sarin-javatra hafa,au moins fantatra we io lay namana,nefa koa samy manana ny tiany! :D:D:D avadika ny tafa,mba manaraka fahitalavitra zah zao,dia mahaotsa fo ny mahita we fata-paty no miverina an-tanindrazana(otage).Ny any Madagascar anie tokony tsy halailay fonosana @Ambassade ny hafa miasa any Dago e,de tsy hiafahafa koa ny Frantsay miara-miasa @any Gasikara,zah tsy izay lay olanantsika @zao any Dago?hi hi hi:D
4. tsimati ( 16/07/2008 14:11)
Tena be ny mankarary fo saingy tsy voavaha ry tonaka sady tsy anjaranao koa ny mamaha azy fa ny anao no vahanao satria loza raha hoy ny sasany hoe ny malotonao tsy voafafanao koa ny an'olona no hizahavana kifafa :-D :-D :-D
5. endrika01 ( 16/07/2008 15:23)
tsimati:

Tena be ny mankarary fo saingy tsy voavaha ry tonaka sady tsy anjaranao koa ny mamaha azy fa ny anao no vahanao satria loza raha hoy ny sasany hoe ny malotonao tsy voafafanao koa ny an'olona no hizahavana kifafa :-D :-D :-D



Kely aina ny olona manao fisainana hoatranio voalazanao io,tsy afaka mivelatra fa lany rora ampitoerana eo,mihodikodina surplace fa tsy mba liam-baovao:-D:-D:-D
6. mpianatra ( 16/07/2008 16:43)
endrika01..
alohan'ny hitenenana dia mamakafaka.

mpijery fahita lavitra enao,tohokony ianao,fa io no antony nahatonga anreny ady t@ 2006 reny....ary tsy hoe mampalahelo israel satry nandray vatapaty.
fa ny palestinien no mampalahelo....firy reo babo anady palestinien ao telaviv
firy ny maty......firy no velona...arakiny vaovao koa dia lubanais 5 velona ary palestinien 199 faty..solon'ny miaramila roa zay efa maty...
de mba manotany hoe inona no nahafaty anreo israelien reo..
hoy enao

angamba mety tsy ireo soldat Israeliane reo anaty vata-paty ireo fa mbola any ho any!Fa afeniny Hezbollah

fa enao v zaza kely sa tsis saina?
t@ valo ora maraina teo dia natao ny fijerena akaiky an'reo israelien roa reo.
ary matoa raikitra dia izy zany.
sa enao manaiky men'ny mpivarotra entana tsy lay dedavinao nefa enao andoha vola?
zay le izy.....mamaky mijery mihaino...zay vao miteny..
maninona israel no tsy mikasika an'i luban @zao? hehehehe..mataotra...

7. xxx ( 16/07/2008 16:56)
Mba mavesatra kosa izany valin-teninao izany ry mpianatra , fa dia naninona anao loatra i endrika01 dia ho lazainao fa tsy misy saina toa izao. Ary noheveriko fa rehefa faty ange no resehana dia mampalahelo daholy na ny an-daniny na ny ankilany, ohatry ny mifaly amin'ny fahorian'ny sasany mantsy enao (asa efa zatra mikirakira anio any an-davaka any ho atao ranomena angamba no toa tsy misy fo toa izao).
8. mpianatra ( 16/07/2008 17:03)
ie.
mialatsiny fa diso aho ngamba.

fa tsy hoe naninona ana i endrika01...fa nena ny zavatra itako no tantaraiko.
raha israelien ray no maty mitrangana zao ntontolo zao...fa palestine ao isan'andro misy maty tsis koa...moa ve tsy olona izy reo?
ny hoe fety...nanapaka ny fanjakana lubanais fa tsis asa androany....satry fiverenan'ireo lazo-nady 5 avy any telaviv...zo any zany...fa zany tsy midika hoe faly ry zareo....satry maro ny efa nataon'israel ary mbola ho ataony...misy tany kely zao nelanelan'i israel sy luban mbola tsy ay hoe aona na ahoana,nefa de tany lubanais zao.
ny mangarondavaka hoy enao...eny, satry aminay ny faty solon'faty..ny ratsy solona ratsy...tsara solohina tsara....tsis alatra tsis angatra.
za tsy malahelo israelien zany mandrapahafatiko..ary ho ananarako ny zanako.
ny antony.....aiko tsara reo ary nenarako tao anatin' 9 taona zay.
zavatra tian'reo atao sy ny zavatra efa vita ..sy ntantara reo sns.
mety diso aho,fa aza omena tsiny satry zay nena...
9. endrika01 ( 16/07/2008 17:51)
Mpianatra>raha tiana ny hahazo mpitsikera,dia any @lay contraire mintsy enao no miainga.Fa tsy we tsy nijery na tsy naharaka akory lay mpanome hevitra vao miteny.Raha nilaza aho tery ambony we vata-paty no noraisiny Israel de midika we miaro azy ireo;fa kosa manome tsiny ny Hezbollah,izay naka ireo Soldat Israelienne tsy nanitsaka akory ny Frontier-ny.Juste anié 5minute taorianio fangalana ankeriny io dia raikitra ny tifitifitra sy zera baomba t@lalana mampitohy Damas é. ========>1600 no maty,ny zaza mena vava,ny vhv,ny lhl koa nisy.Ny lalana simba ny trano rava,vola be sy aina nafoy noho ny fangalana ankeriny any @frontier ny hafa,2 ve namoizana 1600 ?Tena kentrina nefa dradraina fa mahery ny Hezbollah e,patati e patata e,ary mbola ireo koa no tsy namela ny Libanais kristianina hankalaza ny fetim-pirenena(fête de l independance ny 22 novembre)nefa izy miseho ho tena izy,raha ny fampiasana fitaovam-piadiana hamonoana an-kolaka na mivantana ny mpiray tanindrazana aminy de volou.
10. tsimati ( 17/07/2008 03:03)
Fisaorana no atolotra anao aloha ry endrika01 amin'iry ambony hoe "Kely aina ny olona manao fisainana hoatranio voalazanao io,tsy afaka mivelatra fa lany rora ampitoerana eo,mihodikodina surplace fa tsy mba liam-baovao". Tena tsara ary mampivoatra ny mahalala ny hafa ivelany ary mahay sy mahita resahina amin'ny olana erantany saingy tsy tafavoaka ny fireneny. Tehaka no omeko anao ka mahereza.
11. LazaDaddy ( 17/07/2008 03:56)
Endrika> Mampalahelo tokoa. Ny arabo no nila sotasota tamin'i Israely ka rehefa resy an'ady ny Arabo dia mivazavaza fa tsy rariny ny ataon'i Israely. Angaha nisy nitady ady tamin'ny Arabo moa fa vokatry ny nataony no zakainy?

Diniho anie e, raiso ohatra hoe totofan'ny Arabo rockets isan'andro Eraopa na Etazonia. Hinoako fa tsy handefitra toa an'Israely akory ireo fa tonga dia Hiroshima!

Firenena Arabo iza no ahitana Jiosy ao amin'ny antenimierany? Ny an'i Israely anefa misy Arabo. Ary ny maha-ontsa indrindra dia ny vahoaka Arabo mitaraina saingy tsy afa-manoatra noho ny fandrahonana ho faty ataon'ny lehibeny. Maro aza ireo misafidy ho eo ambany fitantanan'ny Israelianina toy izay Arabo, noho ny resaka zon'olombelona.
12. xxx ( 17/07/2008 04:33)
Fa ahoana moa no tena nahatonga ny ady tamin'iny faritra iny hatramin'ny voalohany mihitsy?. Araky ny fahalalako mantsy dia toa ny arabo no tompon-tany fa tsy ny israelien.
13. tsimati ( 17/07/2008 06:56)
Avereno hatramin'ny voalohany ary ny tantatra :-D :-D :-D
14. ann ( 17/07/2008 18:02)
Ny arabo no nila sotasota tamin'i Israely ka rehefa resy an'ady ny Arabo dia mivazavaza fa tsy rariny ny ataon'i Israely. Angaha nisy nitady ady tamin'ny Arabo moa fa vokatry ny nataony no zakainy?

zany an,
Fa mba fanotanina kely : efa manaiky resy anga ny israel zay isan'ny tafika tsy nisy mpandresy , no nanaiky nanao izao fifanarahana izao?
Fanga tsy vokatr'iny otage iny no nahatonga ny ady t@ taondasa?
Fanga tsy fatandreo ny mikasika ireny soldats- ndreo reny.[maty , velona]
Tena ho resabe mihintsy iny fa mbola ho hita eo ny tohiny ,
fa na dia zany faly miarahaba ireo akanga sisa nanamborana ary mirary fiononana hoan'ireo tompon'ny fahoriana,
15. naughtyboy ( 17/07/2008 19:27)
zao zany no mbo koboko kely @ io tany Palestine io ,
Canaanites na ireo avy any Kanana no voamarina aratantara ho mponina voalohany tao Palestines,de avy eo ny Israelites zay namaritra ara jeografika any Babylon,Greece,Persia ho tanimpankajany de nodimbiasany reo Romans..
Tsy naharitra nefa reto farany fa voasongony Ottoman Empire(avy ao Turkey)
1517-1922
Taorinany ady lehibe voloany 1917 de niditra ny britanika andamina ny fampandriatany tao(Sinai Peninsula,Palestine,Syria 1915-1918)amongorana reo Turkish sy ny Rainiboto mpanohana azy,resy tosika reto farany ka noraisiny fifehezany tafika Britanika ny raharampanjakana tao Palestine,nandritra ny ady de nisy fifanaraha manokana natsoina oe
\"Sykes-Picot\"teo @ Britanika sy Frantsay ho zaraina 2 ny fanjanahana ny firenena ao afovoany atsinanana ka Britain no haka any Palestine(sphere of influence = anisany endrika ivoarany captalism ho imperialism)
Anisany nampiova ny rivotra politika teto de ny fanambarana navoaka t@ 1917 Balfour declaration na ny fahaleovantenany arabo ao antiny firenena arabo mikambana(United Arab Country) ary ny fahazahoany Jiosy mipetraka araky ny lalana ao Palestine...posy kalo atreo aloha elantsiny fa tohizako ze mbola liana fa misy adidy tsy maintsy vitaina :lol: zay kalo fa radem ry akama isany ;-)
16. tsimati ( 18/07/2008 01:25)
Tonga ndray rabe mokony naughtyboy an an an? Dia mety ahita vaha olana ve ono an ? Revin'ny aza tsy voavaha fa mifanilanilaka sahalan'ny gaigy fotsiny an ? :-D :-D
17. endrika01 ( 18/07/2008 08:18)
naughtyboy:

zao zany no mbo koboko kely @ io tany Palestine io ,
Canaanites na ireo avy any Kanana no voamarina aratantara ho mponina voalohany tao Palestines,de avy eo ny Israelites zay namaritra ara jeografika any Babylon,Greece,Persia ho tanimpankajany de nodimbiasany reo Romans..
Tsy naharitra nefa reto farany fa voasongony Ottoman Empire(avy ao Turkey)
1517-1922
Taorinany ady lehibe voloany 1917 de niditra ny britanika andamina ny fampandriatany tao(Sinai Peninsula,Palestine,Syria 1915-1918)amongorana reo Turkish sy ny Rainiboto mpanohana azy,resy tosika reto farany ka noraisiny fifehezany tafika Britanika ny raharampanjakana tao Palestine,nandritra ny ady de nisy fifanaraha manokana natsoina oe
\"Sykes-Picot\"teo @ Britanika sy Frantsay ho zaraina 2 ny fanjanahana ny firenena ao afovoany atsinanana ka Britain no haka any Palestine(sphere of influence = anisany endrika ivoarany captalism ho imperialism)
Anisany nampiova ny rivotra politika teto de ny fanambarana navoaka t@ 1917 Balfour declaration na ny fahaleovantenany arabo ao antiny firenena arabo mikambana(United Arab Country) ary ny fahazahoany Jiosy mipetraka araky ny lalana ao Palestine...posy kalo atreo aloha elantsiny fa tohizako ze mbola liana fa misy adidy tsy maintsy vitaina :lol: zay kalo fa radem ry akama isany ;-)



Raha arakio tantara io de tsy tokony asiany Isarelita olana mintsy ny fipetrahany Palestinienne ao satria ny Cananiene no tonga taloha tao.
18. endrika01 ( 18/07/2008 08:51)
Raha zah manokana aloha a de excuse fotsiny lay resaka tany,na sombin-tany ny Liban ao atsimo ao,zay hamahanany Israel.Fa ny Islam mintsy no mitetika zavatra hafa2 ao Jerosalema ao.Io resaka ady Palesitienne-Israelienne-Syriens-Libanais io dia niainga efa hatrany @Siecle avant J.C tany,resaka fivavahana,ary mbola miteraka disadisa hatraminizao.
19. endrika01 ( 18/07/2008 09:23)
Raha t@1er Septembre1920 no nanaovana ny déclaration solennelle ny LE GRAND LIBAN,Presentant ny France teto Liban no nanao azy,na nisy aza io fanambarana io dia mbola nitohy ndray ny krizy.T@1943 no nanaovana ny Pacte national,ary nilazana fa Le Liban un pays à visage arabe,ary io 22novembre 1943 dia noraisiny fanjakana Libanais ho indépendance du Liban.(nefa hatr@zao tsy sahy makalaza anio akory ny Libanais satry matahotra ny Hezbollah Silamo)dia lazaina fa we sao ndray de tafiany hafa e,tefitefena ny saim-bahoaka mba hangorohoro.Ny Libanais cretienne mankahala Palestinienne ,satria t@1948 ry zareo nitsofoka teto en tant qu Arabe,ary niady t@cretienne,na niezaka aza ny Armeé Libanais hi-des armeés azy ireo t@1973 de é éh.=======>Ny 13 Avril 1975 dia raikitra ndray ny ady lehibe izay efa no-luttendry zareo 13 taona teo aloha!:cry::cry::cry:
20. naughtyboy ( 18/07/2008 10:21)
nisy akony foana ny fidirany politikany reo tandrefana satria efa reo antoko mpanohitra avy @ jiosy mpifindra monina(Yishuv)tetsy andaniny de nanangana tafika (Haganah,Etzel..)hiaro ny jiosy @ arabo nandritra reo vono oul nataony arabo @ jiosy(Hebron massacre 1929) sy androahana reo mpanjanaka (frantsay sy britanika mpiray petsapetsa)
Talohany ady lehibe faha-2 de tsy azondry zareo tandrefana nialana ny fiarovana ny Suez canal zay strategic point @ fiarovana ny Eropa de notsabahany ndray ny raharahany israel-palestine
Teraka ny fikambanana zionist t@ 1897 nefa misy hafa ko natsoina oe(Aliyah Beth)niaro reo jiosy eropeana tao eropa @ antisemitism(fanavakavahampoko) avy @ reo nazi(1936)
Nazaka tena avy eo ny Isareliana 1947-48) ary niova ko ny rivotra politika nifandraisany 2 tonta (ny czech zay tao anatiny soviets empire mo nanohana arapitaovana fiadina ny palestine ary frantsay nanohana ny isareliana..) hotohizako avy eo ra tsy leo fa nahafinaritra ahy ty resaky endrika 1 ty :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0474