Mpangalatra mitana ody mahery, tsy misy tady mahatana azy

1. niryna ( 09/07/2008 02:21)
SAMBAVA. Manana fahaizana tokoa ny zanak’olombelona. Ny indro kely anefa, ampiasaina amin’ny zavatra ratsy izany matetika.
Mpangalatra mitana ody mahery, tsy misy tady mahatana azy

Voasambotry ny fokonolona omaly ny mpangalatra iray tao amin’ny tanàna atao hoe Antanifotsy I, Sambava. Rehefa tratra ity lehilahy ity dia nofatorana tamin’ny tady. Avy eo nohidiana tao anaty efitrano iray an’ny fokontany. Akory anefa ny hagagan’ny tomponandraikitra raha niverina haka azy ho fotorana fa tsy hita izay najavonany. Izany hoe afaka nandositra ny anao lahy. Ilay tady namatorana azy sisa no navelany teo. Ny varavarana tsy vaky ary mbola nihidy.

Notana fady

Tsy nipetraka fotsiny anefa ireo tomponandraikitra ireo fa nandrindra ny fikarohana azy. Nody ventiny ny rano nantsakaina. Hita tany an-tranona vehivavy iray izy. Tsy rotitra akory izy fa dia nanaraka izay baiko nomena teo. Lasa saina ihany anefa ireo hisambotra azy fanindroany. Nisy ny nahatakatra ny fahaizany. Matoa izy afaka mamaha tady sy mandositra avy ao anaty trano mihidy dia manana ody mahery. Misy araka izany ny fanotana fady tsy maintsy natao. Nalaina ny silipon’ilay vehivavy nampiantrano azy. Io no nasaina nanaovany. Raha vao tafiditra io dia nalemy ary tsy afa-nihetsika intsony ranamana ary azo nofatorana sao aman-tsara. Maro dia maro ny karazana ody hita aty amintsika izay ampiasain’ny olon-dratsy. Manomboka amin’ny mpangalatra omby ka hatramin’ny mpangarom-paosy, mampiasa ody avokoa. Samy manana ny fadiny anefa ireny. Misy amin’ireny mpangalatra ireny no tsy voatanan’ny rojo vy mihitsy. Raha fatorana fandrotrarana anefa izy, mitomany toy ny zazakely ary tsy afaka mihetsika. Io izany no fanotana fady ny ody any aminy.

Inona izany fandrotrarana izany ?

Araky ny voalaza eto dia maro dia maro no karazana ody hita aty amintsika ka am-piasain'ny olon-dratsy.
Matoa izy afaka mamaha tady sy mandositra hoy ilay mpitantara dia manana ody mahery .
Dia nandeha ny fanotana fady ? ahoana izany? herin'ny fanafody miady amin'ny fanafody hafa ?

ny vahiny ve no nitondra an'io tao amintsika sa ny malagasy no nahafantatra ny fanafody ka nampiasa izany araky ny teny eo ambony hoe ampiasana amin'ny zavatra ratsy izy matetika.
(l) niryna
2. Rasiligaoma ( 09/07/2008 03:44)
mety koa hoe isika no manasokajy ny tsara sy ny ratsy avy hatrany fa tsy mihezaka ny mi comprendre aloha.
ny ratsy amin'ny tsi11 manko samy manana ny azy, toy izany koa ny tsara!
3. prime ( 09/07/2008 11:55)
Rasily> Mitombina tsara ilay fanamarihana... ny hampazava izany indrindra no ilàna referansa mari-pototra hanazava hoe inona marina no tsara, inona no ratsy?
4. endrika01 ( 09/07/2008 13:40)
Rasiligaoma:
mety koa hoe isika no manasokajy ny tsara sy ny ratsy avy hatrany fa tsy mihezaka ny mi comprendre aloha. ny ratsy amin\'ny tsi11 manko samy manana ny azy, toy izany koa ny tsara!
Ratsy izy rehefa ampiasaina hamonoana ny namana,hakana ny fananany hafa,izay tsy nosasarany akory,hanaovana valifaty ny namana nohony lolo-po na fialonana,na fitiavan-tena be diso tafahoatra.Mety ho tsara izy raha hoentiny miaro-tena @hetraketrakiny hafa,zany we ampiasainy hoazy tenany samirery tsy maningotra ny fiainany hafa.Araka ny fomba fijeriko @akapobeny io!Asa,tsy haiko ny any namana sasany:D:D:D
5. niryna ( 09/07/2008 17:44)
Rasiligaoma:

mety koa hoe isika no manasokajy ny tsara sy ny ratsy avy hatrany fa tsy mihezaka ny mi comprendre aloha.

izany ve ,ahoana izany?

ny ratsy amin'ny tsi11 manko samy manana ny azy, toy izany koa ny tsara!

mba azavao kely hoe izany rasily ,misaotra anao

:D
6. niryna ( 09/07/2008 17:52)
prime:

Rasily> Mitombina tsara ilay fanamarihana... ny hampazava izany indrindra no ilàna referansa mari-pototra hanazava hoe inona marina no tsara, inona no ratsy?

eka ozy.kanefa tsy tian'ny olona sasany ilay referansa kou!

:roll:
fa ny isaorana an'Atra dia nomeny ny fanahiny isika mba izara izany teniNy izany ka afaka mampifanaraka ny toetrandro taloha,ankehitriny ary ny ho avy.

Atra velona Izy noho izany ,mbola velona sy mahery koa ny teniNy ankehitriny.Ary mbola azo am-piasaina hatramin'ny ankehitriny ary ho mandrakizay fa tsy toy ny filazan'ny olona hoe Kristy tamin'ny taona 2000 lasa izany
Ahoana hoy ny teniNy mikasika ny mpangalatra? mikasika Azy?

10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana
; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.

11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Jaona 10:10-11
7. niryna ( 09/07/2008 17:55)
endrika01:

Ratsy izy rehefa ampiasaina hamonoana ny namana,hakana ny fananany hafa,izay tsy nosasarany akory,hanaovana valifaty ny namana nohony lolo-po na fialonana,na fitiavan-tena be diso tafahoatra.

marina izany ary izay no tanjona kendren'ilay satana.Ataony fitaovana handravana ny olona ny toetra maro.Ary ao anatin'ny toerana mikorontana,tsy mametraka ny fiainany amin'Atra izy no miandriandry enyo.


Mety ho tsara izy raha hoentiny miaro-tena @hetraketrakiny hafa,zany we ampiasainy hoazy tenany samirery tsy maningotra ny fiainany hafa.Araka ny fomba fijeriko @akapobeny io!Asa,tsy haiko ny any namana sasany:D:D:D



:D
8. Rasiligaoma ( 09/07/2008 21:21)
sarotra be io resaak tsara sy ratsy io raha raisiko @ resaka ara-pivavahana fotsiny ohatra.

Ny silamo sy ny kristianina sy ny jiosy ny athee ary ireo mitana ny fomban-drazana ohatra dia samy manana ny heveriny ho tsara avokoa , rehefa manohana ny cause-ny, ary ratsy rehefa tsy manohana ny cause-ny sy manembatsembana azy: resaka Jihady fotsiny ohatra, na resaka fankatoavana sy tsy fankatoavana ny hierarchie ao amin'ny fiangonana sy ny papa, resaka finoana an'i jesosy ho zanak'Andriamanitra.

Ny silamo mihevitra fa tsara ny Jihady raha ratsy izany amin'ny sisa rehetra

ny Momban'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra, ny momban'ny Pape, sy ny sisa koa izao, samy kristianina aza manao hoe tsara ny mikonfesy dia ny sasany manao hoe tsy ilaina fa ratsy ny mikonfesy
9. fijo ( 09/07/2008 21:26)
ka marina sa manana ny fomba fijeriny azy ilay izy,fa amiko,raha toa ka ny sainao no maniraka anao,fa tsy hoe "satria izay no nampianarina ahy"dia efa lehibe izay.
raha te hiavvaka ianaosatria tena mino fa ilain'ny sainao io dia tsara izay.fa raha hoe hivavaka aho,satria izay no efa nanazarana ahy,dia fopla izay amiko
10. badboy ( 09/07/2008 21:49)
Ny ahy manokana ilay ody no asiko teny kely!
Ny ody dia ao anatin'ilay hoe fanafody! Ny fanafody dia fiataovana fanasitranana!
Ny fiavian'ny ody dia avy @ zavaboahary ary matetita potikazo! Ary ny fiavian'ny antibiotika, fanafody fampatoriana, fanafody fampirediredena tahaka ny morphine ohatra dia avy @ zavaboahary, ny poizina mikasika hoditra ary mahafaty sns sns, ny rongony fohana mapitsingevana mbola avy @ zavaboahary!

Ireny olona lazaina fa mahay manao odigasy ireny dia olona nampitaina taminy ny vokatry ny fampiasana isty hazo itsy na ny vokatry ny fampifangaroana azio @ itsy!! Izay no mahasamy hafa azy aminao sy izaho satria anany ny fahalalana ny fomba fampiasana ny zavaboahary! Ny antony hampiasainy azy aveo no mety tsy hifanaraka @ sain'ny maro sy ny andrasan'ny rehetra! Ary izay no ilazana azy hoe odigasy fa tsy odivazaha satria apetraka mailoha hoe gasy=ratsy no sady any amintsika ny fampiasana azy matetika entina hanaovana ny tsy ifanaraka @ lalàna mipetraka!!

Aza adino fa ny fanafody, na raha tianao, ny ody ampiasaindRatsimamanga manasitrana ary tena misy vokany! Ary aza adino koa fa betsaka ny fanafody amboarin'ny firenena matanjaka avy @ vonikazo sy hazo misy any amintsika!! Ireo izay nandalo école de pharmacie mahay izany tsara hoe efa ho 150 variétés ny isan'ny fanafody amboarina erantany avy @ hazo any amintsika manokana zay tsisy erantany!! ;-) ;-) ;-) ;-) ;-)
11. fijo ( 09/07/2008 21:56)
marina mihintsy izany.
12. ari.malala ( 10/07/2008 06:55)
niryna:
Inona izany fandrotrarana izany ?


fandrotrarana = bozaka maniry eny ambanivolo na eny an-tsaha

niryna:
Araky ny voalaza eto dia maro dia maro no karazana ody hita aty amintsika ka am-piasain'ny olon-dratsy.
Matoa izy afaka mamaha tady sy mandositra hoy ilay mpitantara dia manana ody mahery .
Dia nandeha ny fanotana fady ? ahoana izany? herin'ny fanafody miady amin'ny fanafody hafa ?

ts fanafody le manota fady (raha ny fahalalako azy) fa toy ny hoe tsy mahazo minana tongolo gasy na kisoa na tongolo (ireo matetika hono no fadin'ny odigasy) le olona mitana ody d ampihinana odigasy à son insu d voaota fady izy zay

niryna:
ny vahiny ve no nitondra an'io tao amintsika sa ny malagasy no nahafantatra ny fanafody ka nampiasa izany araky ny teny eo ambony hoe ampiasana amin'ny zavatra ratsy izy matetika
anisan'ny olona mpanidina iany koa ny Malagasy ary manan-karena ity nosin-tsika ity, jereo ftsn io voalazan' badboy io we
badboy:
efa ho 150 variétés ny isan'ny fanafody amboarina erantany avy @ hazo any amintsika manokana zay tsisy erantany!!
d nikaroka ny malagasy d nahita, saingy misy moa ny tia kely sy tsy te hisasatra d ampiasaina am fanaovan-dratsy _ ny fanaovan-dratsy teneniko eto d ny halatra ny famonoana olona amin'ny alalan'ny pozina, ny fanimbàna olona (atao lasa adala sns)
13. ari.malala ( 10/07/2008 06:57)
fanitsiana, azafady fa diso, ampihinanana tongolo gasy na kisoa na tongolo fa tsy ampihinana odigasy toy ny voalaza eo ambony_ miala tsiny!

fanitsiana iany, mpandinika fa tsy mpanidina :-P
14. prime ( 10/07/2008 12:34)
Tsy mitovy hevitra amin'i babdoy mihitsy aho satria ilay famaritana dia efa samihafa...

Ny ody amiko dia ratsy na avy amin'ny zavaboahary aza satria sady manana tanjona ratsy no tsy mikendry afatsy ny ratsy... mety heverin'ilay manao sy mampiasa azy ho tsara fa tena ratsy mihitsy satria sady mamatotra ny tena no mamatotra ny hafa... ary ny ody dia tsy manan-kery raha tsy misy fanahy miaraka aminy... ary eo indrindra no tena olana...

Ny fanafody dia zavatra hafa mihitsy, vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra ka napetrany amin'ny voahariny ary azon'ny olombelona (nataony mpanjakan'ny zavaboahary) fehezina sy ampiasaina ho amin'ny tsara... amin'ny ankapobeny ny fanafody dia tsara saingy miankina amin'ny fahaizana sy fahalalàna mampiasa sy mandanjalanja azy...

Ka ny resaka eo ambony eo tsy resaka fanafody fa resaka ody... tena zavatra samihafa mihitsy izany... ny iray hery miafina ampiasaina ny iray fanafana fiarovana amin'ny aretina sy ny faharatsiana rehetra...
15. badboy ( 10/07/2008 15:46)
prime:
Ny ody amiko dia ratsy na avy amin'ny zavaboahary aza satria sady manana tanjona ratsy no tsy mikendry afatsy ny ratsy


Ianao houa ranabavy tena mila miverina mandalina kely ny teny gasy!! Sa ianao isan'ilay tsy niianatra teny gasy tany ampianarana satria nianatra coffr ohatra na clairf!!

Tsy omeko tsiny ianao raha nianatra t@ ireny ka tsy mahay teny gasy satria ny tanjona any tsy dia ny hahaizanao teny gasy loatra!! :-P

Fa raha tsy izay dia mahamenatra! Satria tsy mbola henonao angaha ilay hoe "ody andoha" izay fanafody ranabavy fa tsy ilay irediredenao eo ambony io! ;-) ;-) ;-)
16. ari.malala ( 11/07/2008 06:12)
fanotaniana hoan'i prime, raha miteny v za hoe ody tazo na ody tenda d ratsy v zany eto le ody? :°)
17. Rasiligaoma ( 11/07/2008 06:26)
izaho koa vao saika hanontany
18. prime ( 11/07/2008 09:56)
badboy:
Ianao houa ranabavy tena mila miverina mandalina kely ny teny gasy!! Sa ianao isan\'ilay tsy niianatra teny gasy tany ampianarana satria nianatra coffr ohatra na clairf!!
... Misaotra ry mpampianatra Malagasy miaraka amin\'ilay hoe \"houa\" \"teny gasy\"... :-D

Sady izaho tsy vhv ry badboy a... :-D (fanamarihana ihany iny :)
badboy:
Tsy omeko tsiny ianao raha nianatra t@ ireny ka tsy mahay teny gasy satria ny tanjona any tsy dia ny hahaizanao teny gasy loatra!!
... fa inona no tanjona any ry badboy? (lasa HS!!!) :lol:
badboy:
Fa raha tsy izay dia mahamenatra! Satria tsy mbola henonao angaha ilay hoe \"ody andoha\" izay fanafody ranabavy fa tsy ilay irediredenao eo ambony io!
... mahamenatra tokoa raha tsy mahafantatra ny mahasamihafa ny atao hoe ody sy fanafody... :-P ka mampitovy na manafangaro azy vokatry ny fahazarana...
ari.malala:
fanotaniana hoan\'i prime, raha miteny v za hoe ody tazo na ody tenda d ratsy v zany eto le ody?
... tsy misy dia hoe ratsy avy hatrany na tsia rehefa mampiasa ilay teny, fa ny maharatsy ny ody (raha ny tena heviny fototra) dia ilay hery mampiasa azy ao ambadika sy ny antony ampiasana azy...

Fa raha ny tianao ambara etoana izao dia manana endrika fanafana na koa hiaro tsy ho tratr\'ilay aretina na hitsabo ilay aretina ilay izy... fa raha izany no heviny tianao ambara dia fanafody an-doha na fanafody tenda na fanafody aretin\'andoha na fanafody areti-tenda no teny Malagasy mety kokoa... fa entin\'ny fahazarana hoy aho isika indraindray izay tsy dia tena misy mahadiso azy rehefa mifankahazo fotsiny ny tiana ambara... Fa raha ny tena teny Malagasy fototra dia samy hafa mihitsy ny atao hoe ody sy fanafody...

Ny tena olana anankiray koa dia ilay filazana mpitaiza ody (mpisikidy na mpanandro na mpitana ody na mpimasy sns... ohatra) antsoin\'ny maro hoe \"mpanao fanafody\"...

Fa raha ny tena hevitry ny hoe mpanao fanafody tamin\'ny andro fahiny (na ny ao anaty baiboly aza satria i Lioka nanoratra ny filazantsara aza izao dia izany mihitsy no asany) dia mpitsabo... :)
19. tsimati ( 11/07/2008 10:13)
Voalohany i badboy dia zaza tia ho deraina ary mihevitra maharaka ny sehatra rehetra misy. Sady mahay politika no mpanao lalana no teknisinina no miditra amin'ny resaka fivavahana sns.
na olona aiza na aiza ao madagasikara dia mahafantatra ny hampiasana ny teny hoe ody. vao miteny hoe manao ody dia ilay voasoratra ho ody mahery no ao antsaina. Saingy na afaka ampiasaina aza io fototeny dia tsy misy Malagasy andeha hivy fanafody ka hilaza hoe midy ody sahala izao ve :-D :-D :-D .
Raha ny fandalinana teny Malagasy kosa dia tsy teny Malagasy hain'ny ntaolo fa teny namboarina ny Malagasy ofisialy. Tsisy mahadiso izany akory fa ny tiako laizaina dia hoe maro ny fiteny Malagasy tranainy no tsy hain'ny akademia na ny fototeniny aza. noho izany tsy tokony hidirana lalina fa izay fahazoan'ny daholobe azy no ampiasana. ny mpandalina samy mpandalina indray resaka hafa iny.
NA IZANY AZA DIA TSAROVY FA I BADBOY DIA ELITA GASY MBOLA MIOFANA :-D :-D
20. badboy ( 11/07/2008 11:15)
tsimati:
NA IZANY AZA DIA TSAROVY FA I BADBOY DIA ELITA GASY MBOLA MIOFANA

Misaotra @ ilay fanomezamboninahitra hoe elita. Fa tsy mbola mpampianatra ny tenako na koa efa mpitondra orinasa na mpiandraikitra ambony noho izany tsy ho raisiko ilay sokajy elita! Ilay mpiofana no ho tazoniko satria izay no ataoko @ izao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.048