Mpangalatra mitana ody mahery, tsy misy tady mahatana azy
21. badboy
(
11/07/2008 15:34)
prime >> azfd fa neveriko ho vhv, sady le solonanarana mamitaka knou :oops: :oops: :oops:
Ka io ange ry rahalahy (fa tsy rahavavy tsony) no lazaiko hoe ny ody sy fanafody iray ihany fa ireo mampiasa azy no mamilana!
Dia ireo nanome anarana ody gasy koa no nanaonao foana satria dikany ody gasy = ody ratsy, dia izany hoe ilay gasy=ratsy! Nefa ody gasy ihany koa no ampiasaindRatsimamanga hanasitranana!
;-) ;-) ;-)
prime:
tsy misy dia hoe ratsy avy hatrany na tsia rehefa mampiasa ilay teny, fa ny maharatsy ny ody (raha ny tena heviny fototra) dia ilay hery mampiasa azy ao ambadika sy ny antony ampiasana azy
Ka io ange ry rahalahy (fa tsy rahavavy tsony) no lazaiko hoe ny ody sy fanafody iray ihany fa ireo mampiasa azy no mamilana!
Dia ireo nanome anarana ody gasy koa no nanaonao foana satria dikany ody gasy = ody ratsy, dia izany hoe ilay gasy=ratsy! Nefa ody gasy ihany koa no ampiasaindRatsimamanga hanasitranana!
;-) ;-) ;-)
22. rijadolly
(
13/07/2008 14:30)
Ary ahoana marina ilay hoe "fanafody " ny hevitr'io zao dé tena hoe tsara ô!
miombin-kevitra amin' badboy aho eto; ary ty ahoana??????? "fanafody gasy" hita milatsaka be ilay izy nefa nampiana ô!
Aza manaiky aratsiana intsony isika é! Atsangano ny teny Gasy fa tonga ny fotoana.Aza avela hamavoina intsony ny maha Gasy antsika.Ohatran' teny hoe "MIVAVAKA" io.Ny mahatsara na maharatsy azy dia ny hivavahanao hoe iza?Ambohary amin'izay ny saina,ary masahy mijoro fa tamin'androny vazaha no nahamenatra ny maha gasy satria izay ilay tetik'adiny an-davona antsika tanteraka.
miombin-kevitra amin' badboy aho eto; ary ty ahoana??????? "fanafody gasy" hita milatsaka be ilay izy nefa nampiana ô!
Aza manaiky aratsiana intsony isika é! Atsangano ny teny Gasy fa tonga ny fotoana.Aza avela hamavoina intsony ny maha Gasy antsika.Ohatran' teny hoe "MIVAVAKA" io.Ny mahatsara na maharatsy azy dia ny hivavahanao hoe iza?Ambohary amin'izay ny saina,ary masahy mijoro fa tamin'androny vazaha no nahamenatra ny maha gasy satria izay ilay tetik'adiny an-davona antsika tanteraka.
23. niryna
(
13/07/2008 21:44)
Rasiligaoma:raha tsy manaiky an'kristy ho Tompo sy mpanjaka fotsiny ohatra dia efa eo....kanefa tsy ny fanekena na tsia no olana fa ny hoe mino izany ve hianao sa tsia.
sarotra be io resaak tsara sy ratsy io raha raisiko @ resaka ara-pivavahana fotsiny ohatra.
Izay manaiky arahaba soa ,izay tsy nahatsiaro ny fahasoavana nomeny dia azy ho azy ny azy,izany akory tsy hidika velively hoe tsy nisy izy,izany akory tsy hidika velively ihany koa fa hoe Tsy Atra Izy.
Atra Ray,Atra Zanaka ,Atra Fanahy izay Telo izay Iray.
Tsy ho voatery hino kanefa tsy ny finoany akory dia midika fa ho marina ny eritreriny,tsy ho voatery ahita porofo toy ny siansa manaporofo vao mino.
Ny finoana an'i kristy mantsy mino dia mahita porofo avy eo.
Ny silamo sy ny kristianina sy ny jiosy ny athee ary ireo mitana ny fomban-drazana ohatra dia samy manana ny heveriny ho tsara avokoa ,
marina izany kanefa efa nomena azy ireo ny tenin'Atra ,efa notorina azy ireo ny maha Atra an'i Kristy ka na mino izy na tsy mino tsy any ny olana ,tsy mampiova ny fisian'ATra mantsy izany fa ny olana dia hoe ?nandray Azy ho Mpanavotra azy ve izy ? Nino ny fisiany teto an-tany ve izy ireo sa dia mbola miandry ilay Mesia hoe ho avy hatramin'izao?
dia ahoana ny tohiny ?
rehefa manohana ny cause-ny, ary ratsy rehefa tsy manohana ny cause-ny sy manembatsembana azy: resaka Jihady fotsiny ohatra, na resaka fankatoavana sy tsy fankatoavana ny hierarchie ao amin'ny fiangonana sy ny papa, resaka finoana an'i jesosy ho zanak'Andriamanitra.
ka na tsara na ratsy tsy any ny olana,maninona no maro no nivadika ho kristiana ,maninona no vonoina ny olona fa tsy omena freedom of religious? maninona no tsy avela andeha toy izy ireo mivavaka amin'Atra tsy fantany ? Ary maninona no lehilahy ihany no miditra any fa tsy ny vehivavy,maninona no ao an-trano ny vehivavy no mivavaka raha Atra mitovy no hivavahana,izay izao dia efa misy tsindrihazo lena samy izy,tsara sa ratsy izany,mety ho tsara aminy lehilahy saingy ratsy amin'ny vehivavy kanefa tsy afa-manoatra izy ireo ka izay nahita fifaliana tao anatin'ny fiainana raha nanatona an'i kristy dia voajedaka avokoa .
Ny silamo mihevitra fa tsara ny Jihady raha ratsy izany amin'ny sisa rehetra
dia ho avy indray izao ny hafa hoe ny kristiana koa nanao an'izany ...dia ratsy avokoa ireo na inona finoana na inona e
ny Momban'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra,
dia ireo izay milaza fa tsy zanak'Atra Izy,tsy Atra izy kanefa manao ny tenany ho kristiana dia anti-kristy izy e,ireo mino amin'ny vava kanefa tsy manatona Azy sy tsy manaiky Azy ho tompo sy mpanavotra ary mpamonjy azy dia mitovy daholo ihany,voasoratra ao anatin'ny baiboly izany..Atra Izy,Zanak'Atra Izy ary any amiNy irery no lalana andehanantsika mankany amin'ny Rainy ary Izy irery ihany no mpanelanelana antsika amin'Atra ,voasoratra daholo izany ka na iza na iza mampianatra vilana dia anti-kristy izy izay,omena verses ?
tsara ho fantatra fa ny tenin'Atra dia manambara fa raha misy roa na telo no mivavaka eo amiko ka mangataka zavatra iray amin'ny anarako dia eo afovoany aho.Afaka mikonfesy amin'izay olona tiana hizarana ny zavatra nataonao hianao ary dia tafiditra amin'izany ny mpitondra fivavahana rehetra sy izay olona na tsotra aza ka izarantsika izany toetra nataontsika izany ary dia miaraka mivavaka aminy eo.
ny momban'ny Pape, sy ny sisa koa izao, samy kristianina aza manao hoe tsara ny mikonfesy dia ny sasany manao hoe tsy ilaina fa ratsy ny mikonfesy
Tadidio fotsiny fa ny tenantsika no tian'Atra ahafantatra ny fisiany,tiany hanana firaisana ara-panahy amin'ny Zanany,tiany anatona Azy ka ametraka ny fiainana Aminy.Satria i kristy no nanaiky nanao sorona anala ny fahotantsika ary dia anjarantsika no manaiky Azy,manatona Azy ary mino Azy ho ATRa,ho Zanaka nanafaka tamin'ny ota ary izay tsy miaraka aminy dia tsy ahazo izany famonjena izany satria any aminy irery,ny anarany irery,tsy misy,tsy nisy ary tsy hisy anarana hafa ahazoantsika famonjena raha tsy i kristy Irery
Dia mbola misy ihany koa ny fiteny hoe afaka mizara izay zavatra mampalahelo anao amin'ny hafa hianao ka noho izany ny fikonfesena amin'i mompera dia tsy tokony hisy olana raha tsy ohatra angaha izy no miresaka amin'ny namany ny tsiambaratelon'ilay nikonfesy taminy.Tsara ho fantatra ihany koa fa olona mitovy amintsika izy ,manana ny kilemany,fa tsy hoe ho voavonjy izay mikonfesy any aminy ,tsy misy mahavonjy antsika afatsy i kristy irery ihany.
Ny fanontaniana dia hoe rehefa avy nikonfesy ve rasily dia mbola nanao an'iny toetra iny ihany sa dia nanaiky ho tantanan'i kristy amin'izay ny fiainan-dRasily dia niova ny toetra ratsy dia lasa olom-baovao ka manaiky an'i kristy ho Tompo sy Mpanavotra?
Na hikonfesy in-jatompolo amin'ny olona mitovy amintsika mantsy isika raha tsy mandray an'i kristy ho tompo sy ho mpanavotra dia tsy ahazo famonjena mihitsy.eo no mipetraka ny fanontaniana sy ny olana.
Fahiny ny biby tsy misy kilema no natao sorona ary na ny petra aza dia nitondra ny azy ihany koa ary isan-taona izany fa ankehitriny kosa rehefa nampisehon'Atra antsika ny fitiavany antsika ka nataony sorana Ny Zanany dia afaka mikonfesy any Aminy isan'andro isika ary tena zava -dehibe tokoa izany ran'ny Zanany nalatsany ho antsika izany.Foana hareo ny fanaterana fanatitra alatsa-dra any amin'ny pretra satria efa nomena antsika ny Zanak'ATra natao sorona indray maneha tsy miverina intsony...Vita hoy Izy,nasehony antsika izany fitiavana izany.
Mino,manaiky ary mankatoa ,izay no tadiavin'i kristy amintsika
24. niryna
(
13/07/2008 21:53)
fijo:
ka marina sa manana ny fomba fijeriny azy ilay izy,fa amiko,raha toa ka ny sainao no maniraka anao,fa tsy hoe "satria izay no nampianarina ahy"dia efa lehibe izay.
raha te hiavvaka ianaosatria tena mino fa ilain'ny sainao io dia tsara izay.fa raha hoe hivavaka aho,satria izay no efa nanazarana ahy,dia fopla izay amiko
raha nomen'Atra fahasoavana isika fijo a ka mahatsapa izany dia mandeha ho azy io a.Tsy ho voatery hoe hanara drenirano,raha mandaha sy jamba ny fahasoavana nomeny kosa dia mazava ho azy fa tsy hino ary tsy andray mihitsy satria efa ao aminy ilay tsy finoana a
Ny tsy finoana ,ny tsy fanekena ny fisiany anefa tsy hidika velively hoe tsy hisy izy na tsy nisy izy na hoe tsy miaraka amin'ilay olona izy.
Fandavana no nasetrin'ilay olona satria izay no atao hoe spiritual blind(mbola maizina izy ka tsy ahita fahazavana raha tsy mivoaka ao anaty maizina,tsy ilay mizara ho hitarika azy,mizara fotsiny no anjarany fa ny fony mihitsy no manaiky na tsia ).
Io foana no ataoko hoe raha fianakaviana iray izao aza dia tsy azonao terena izy hiangona na hino an'Atra,famonjena dia iray ihany,te ho voavonjy aho dia manaiky Azy ,tsy te ho voavonjy aho dia tsy manaiky Azy........
tsotra sady mazava tsirairay io.
25. niryna
(
13/07/2008 22:15)
badboy:fanafody izay zavatra azo avy amin'ny hazo ka nahodina ary ampiasaina mba hanasitranana no fahalalako azy ry badboy a
Ny ahy manokana ilay ody no asiko teny kely!
Ny ody dia ao anatin'ilay hoe fanafody! Ny fanafody dia fiataovana fanasitranana!
ny ody dia teny iray hilazana fa anaovana zavatra hafa mihitsy,sarotra ny teny gasy ka indraindray ampifangaroantsika ilay izy.
Mpanao fanafody gasy izao dia tsy mitovy ny hoe mandehana mividy fanafody any amin'ny mpivarotra hianao ,marary ilay olona ary dia sitranina amin'ilay fanafody,ilay mpanao fanafody gasy indray eto ,raha ny fahafantarako azy dia ireny olona manokotoko vato ireny,manao fanafody mahery mba isarihana ny mpiviidy ohatra na manao fanafody mahery mba handratrana olona ,na misy ireny tovovavy mitonatonana mitady vady ireny dia maka fanafody ,asa izay no fahalalako azy ,na ireo mpanao sikidy milaza mahalala ny ho avin'ny olona iray..
Ireo no hilazana ilay resaka ody ? sa ahoana?
marina izany fa avadika ho poizina handratra ny hafa ilay izy fa tsy fanafody anasitranana olona
Ny fiavian'ny ody dia a,vy @ zavaboahary ary matetita potikazo! Ary ny fiavian'ny antibiotika, fanafody fampatoriana, fanafody fampirediredena tahaka ny morphine ohatra dia avy @ zavaboahary, ny poizina mikasika hoditra ary mahafaty sns sns, ny rongony fohana mapitsingevana mbola avy @ zavaboahary!
Ireny olona lazaina fa mahay manao odigasy ireny dia olona nampitaina taminy ny vokatry ny fampiasana isty hazo itsy na ny vokatry ny fampifangaroana azio @ itsy!! Izay no mahasamy hafa azy aminao sy izaho satria anany ny fahalalana ny fomba fampiasana ny zavaboahary!
manana experience izy izany? dia avadiny indray ka lasa mana-poizina olona? sa lasa ataony ho fiarovana azy ka tsy tratra indray izy rehefa mampiasa ilay ody? Dia avy eo fantatra indray ny tsy tian'ilay ody dia iny indray no ataonl'ilay hafa mba tsy andaitra indray ilay izy?
ka e izany izy hoe natao fampiasana entina hanaovana ny tsy ifanaraka @ lalana mipetraka kou,nalndika lalana izany ilay nanao azy,navadiny ho filana ratsy izany ilay izy.Toa diso indray izany hoe gasy=ratsy,hianao no nametraka an'io raha izany k'ty ?
Ny antony hampiasainy azy aveo no mety tsy hifanaraka @ sain'ny maro sy ny andrasan'ny rehetra! Ary izay no ilazana azy hoe odigasy fa tsy odivazaha satria apetraka mailoha hoe gasy=ratsy no sady any amintsika ny fampiasana azy matetika entina hanaovana ny tsy ifanaraka @ lalàna mipetraka!!
Aza adino fa ny fanafody, na raha tianao, ny ody ampiasaindRatsimamanga manasitrana ary tena misy vokany!
dia misavoritaka ny sainay eto fa afangaronao ny fanafody manasitrana sy ny fanafody mamono sy manimba ny mpiara-belona aminitska.
Ary aza adino koa fa betsaka ny fanafody amboarin'ny firenena matanjaka avy @ vonikazo sy hazo misy any amintsika!! Ireo izay nandalo école de pharmacie mahay izany tsara hoe efa ho 150 variétés ny isan'ny fanafody amboarina erantany avy @ hazo any amintsika manokana zay tsisy erantany!! ;-) ;-) ;-) ;-) ;-)
dia eto indray izany fanafody natao hamelomana fa tsy ilay ody fitia,ody ambalavelona,ody mosavy,ody mivoaka alina,ody voan'ny fandraikiraikena ka ody varatra,odi maimbo.ody fandraikirekena,sy ny masobe tsy mahita,tsy hita izay nanjevonan'ilay olona fa toa tapina ho azy ny maso dia toa voan'ny fandraikirekena dia voasavany ny paosy ,tataka tsy nisy nandidy!!..toa be ody ody isika izany.
hi,hi
mety misy koa ve ny hoe ody mampahay ? vazivazy ny ahy io a kanefa mety hisy ihany fa tandremo hi,hi :roll: :D :D
misaotra e
26. niryna
(
13/07/2008 22:16)
fijo:
marina mihintsy izany.
dia mitovy izany ry fijo ny hoe ody sy ny fanafody ? inona no mahasamihafa an'ireo?
27. niryna
(
13/07/2008 22:25)
niryna:
Inona izany fandrotrarana izany ?
ari.malala:dia io bozaka kely io izany no fanafody manohitra ilay ody ataon'ireo olon-dratsy ?
fandrotrarana = bozaka maniry eny ambanivolo na eny an-tsaha
niryna:
Araky ny voalaza eto dia maro dia maro no karazana ody hita aty amintsika ka am-piasain'ny olon-dratsy.
Matoa izy afaka mamaha tady sy mandositra hoy ilay mpitantara dia manana ody mahery .
Dia nandeha ny fanotana fady ? ahoana izany? herin'ny fanafody miady amin'ny fanafody hafa ?
misaotra aky a,tsy mitovy izany ny hoe fanafody sy ny mitazona ody izay atao hoe odigasy e?
ts fanafody le manota fady (raha ny fahalalako azy) fa toy ny hoe tsy mahazo minana tongolo gasy na kisoa na tongolo (ireo matetika hono no fadin'ny odigasy) le olona mitana ody d ampihinana odigasy à son insu d voaota fady izy zay
niryna:
ny vahiny ve no nitondra an'io tao amintsika sa ny malagasy no nahafantatra ny fanafody ka nampiasa izany araky ny teny eo ambony hoe ampiasana amin'ny zavatra ratsy izy matetika
anisan'ny olona mpanidina iany koa ny Malagasy ary manan-karena ity nosin-tsika ity, jereo ftsn io voalazan' badboy io we
badboy:
efa ho 150 variétés ny isan'ny fanafody amboarina erantany avy @ hazo any amintsika manokana zay tsisy erantany!!
dia nikaroka ny malagasy d nahita, saingy misy moa ny tia kely sy tsy te hisasatra d ampiasaina am fanaovan-dratsy _ ny fanaovan-dratsy teneniko eto d ny halatra ny famonoana olona amin'ny alalan'ny pozina, ny fanimbàna olona (atao lasa adala sns)
izany hoe natao ahavelona ilay odigasy izany dia lasa tia tena sy tia kely sy mety nanana fialonana ilay olona dia lasa navadika ho odigasy nanimba indray ilay izy e.misaotra aky e
-------------------------------
Ny dikany izany ny fanafody tsy ody raha izany fa ny iray natao hitsaboana ,ny iray natao hamonoana, lasa nivadika ho zavatra nanimba ilay izy e
28. niryna
(
13/07/2008 22:33)
prime:ahoana indray re ity e. hmm
Tsy mitovy hevitra amin'i babdoy mihitsy aho satria ilay famaritana dia efa samihafa...
Ny ody amiko dia ratsy na avy amin'ny zavaboahary aza satria sady manana tanjona ratsy no tsy mikendry afatsy ny ratsy...
mety heverin'ilay manao sy mampiasa azy ho tsara fa tena ratsy mihitsy satria sady mamatotra ny tena no mamatotra ny hafa... ary ny ody dia tsy manan-kery raha tsy misy fanahy miaraka aminy... ary eo indrindra no tena olana...tapakazo indray izy eto izany ary manana hery avy any amin'?????mety atao manasitrana na mety atao hanimba toy ny hoe oditandroka,tsy voatoton'ny omby ilay olona ary natao hanimba indray ilay izy raha ampiasaina hanapozinana olona e
natao hanasitranana fotsiny.
Ny fanafody dia zavatra hafa mihitsy, vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra ka napetrany amin'ny voahariny ary azon'ny olombelona (nataony mpanjakan'ny zavaboahary) fehezina sy ampiasaina ho amin'ny tsara... amin'ny ankapobeny ny fanafody dia tsara saingy miankina amin'ny fahaizana sy fahalalàna mampiasa sy mandanjalanja azy...
Ka ny resaka eo ambony eo tsy resaka fanafody fa resaka ody... tena zavatra samihafa mihitsy izany... ny iray hery miafina ampiasaina ny iray fanafana fiarovana amin'ny aretina sy ny faharatsiana rehetra...
izay vao manomboka azoko kely ,misaotra e
29. niryna
(
13/07/2008 22:43)
prime:
Ny ody amiko dia ratsy na avy amin'ny zavaboahary aza satria sady manana tanjona ratsy no tsy mikendry afatsy ny ratsy
badboy:an!
Ianao houa ranabavy tena mila miverina mandalina kely ny teny gasy!! Sa ianao isan'ilay tsy niianatra teny gasy tany ampianarana satria nianatra coffr ohatra na clairf!!
an,HS be eto badboy
Tsy omeko tsiny ianao raha nianatra t@ ireny ka tsy mahay teny gasy satria ny tanjona any tsy dia ny hahaizanao teny gasy loatra!! :-P
avy amin'ny teny ody daholo izany ilay izy e,fa ny antony sy ny fampiasana azy no tsy mitovy ka lasa nivadika ho zavatra hafa e.
Fa raha tsy izay dia mahamenatra! Satria tsy mbola henonao angaha ilay hoe "ody andoha" izay fanafody ranabavy fa tsy ilay irediredenao eo ambony io! ;-) ;-) ;-)
teny gasy tokoa ka sarotra toa mitovy fanoratra fa samy hafa dika.
ody=??
fanafody=na fanasitranana aretina na medicine
30. niryna
(
13/07/2008 22:50)
ari.malala:... tsy misy dia hoe ratsy avy hatrany na tsia rehefa mampiasa ilay teny, fa ny maharatsy ny ody (raha ny tena heviny fototra) dia ilay hery mampiasa azy ao ambadika sy ny antony ampiasana azy...
fanotaniana hoan'i prime, raha miteny v za hoe ody tazo na ody tenda d ratsy v zany eto le ody?
prime:.
Fa raha ny tianao ambara etoana izao dia manana endrika fanafana na koa hiaro tsy ho tratr'ilay aretina na hitsabo ilay aretina ilay izy... fa raha izany no heviny tianao ambara dia fanafody an-doha na fanafody tenda na fanafody aretin'andoha na fanafody areti-tenda no teny Malagasy mety kokoa... fa entin'ny fahazarana hoy aho isika indraindray izay tsy dia tena misy mahadiso azy rehefa mifankahazo fotsiny ny tiana ambara... Fa raha ny tena teny Malagasy fototra dia samy hafa mihitsy ny atao hoe ody sy fanafody..
mazava fa misaotra
o, dia mifangaro indray izy izany k'ty
Ny tena olana anankiray koa dia ilay filazana mpitaiza ody (mpisikidy na mpanandro na mpitana ody na mpimasy sns... ohatra) antsoin'ny maro hoe "mpanao fanafody"...
:roll:
31. niryna
(
13/07/2008 22:54)
tsimati:
Voalohany i badboy dia zaza tia ho deraina ary mihevitra maharaka ny sehatra rehetra misy. Sady mahay politika no mpanao lalana no teknisinina no miditra amin'ny resaka fivavahana sns.
hi,hi
toa izay koa no fahalalako azy ry tsimati
na olona aiza na aiza ao madagasikara dia mahafantatra ny hampiasana ny teny hoe ody. vao miteny hoe manao ody dia ilay voasoratra ho ody mahery no ao antsaina. Saingy na afaka ampiasaina aza io fototeny dia tsy misy Malagasy andeha hivy fanafody ka hilaza hoe midy ody sahala izao ve :-D :-D :-D .
an,
Raha ny fandalinana teny Malagasy kosa dia tsy teny Malagasy hain'ny ntaolo fa teny namboarina ny Malagasy ofisialy. Tsisy mahadiso izany akory fa ny tiako laizaina dia hoe maro ny fiteny Malagasy tranainy no tsy hain'ny akademia na ny fototeniny aza. noho izany tsy tokony hidirana lalina fa izay fahazoan'ny daholobe azy no ampiasana. ny mpandalina samy mpandalina indray resaka hafa iny.
NA IZANY AZA DIA TSAROVY FA I BADBOY DIA ELITA GASY MBOLA MIOFANA :-D :-D
:roll: :D :D
Dia ahoana izany ?
32. Rasiligaoma
(
14/07/2008 07:54)
aoka kosa tsy ilay olona no jerena fa ny heviny e.
fa marina io hoe miankina amin'ny ny fomba hampiasana ireny zava boahary ireny: izany hoe na hanasoavana olona sy ny manodidina azy no ilavana azy na anaovana ankasomparana, no hanasokajiana azy!
Zava-boaharin'Andriamanitra ihany mantsy no fototra ampiasaina amin'izy ireny! ka rehefa hita hoe mahasoa ny antony : na mandatsak'orana io na mampiasa ireny fitadiavana rano rehefa hihady lava-drano ireny, na mampiasa ravin-kazo sy tany sy vato sy voan-javatra isan-karazany
na mampiasa ordinateur na radar na ondes,
na gasy io na vazaha, rehefa hainao ny mi controle an'ireo ka ny tanjonaoaminy dia ny hanasoa fa tsy ny hisompatra, dia tsy hitako ny olana!
fa marina io hoe miankina amin'ny ny fomba hampiasana ireny zava boahary ireny: izany hoe na hanasoavana olona sy ny manodidina azy no ilavana azy na anaovana ankasomparana, no hanasokajiana azy!
Zava-boaharin'Andriamanitra ihany mantsy no fototra ampiasaina amin'izy ireny! ka rehefa hita hoe mahasoa ny antony : na mandatsak'orana io na mampiasa ireny fitadiavana rano rehefa hihady lava-drano ireny, na mampiasa ravin-kazo sy tany sy vato sy voan-javatra isan-karazany
na mampiasa ordinateur na radar na ondes,
na gasy io na vazaha, rehefa hainao ny mi controle an'ireo ka ny tanjonaoaminy dia ny hanasoa fa tsy ny hisompatra, dia tsy hitako ny olana!
33. ari.malala
(
14/07/2008 08:14)
ny fahitako azy dia ilay teny no atao fototry ny olana, na ody na fanafody rehefa entina hanaovana ratsy dia ratsy izy izay!! ohatra hoe ity ravin-kazo ity dia mahasitrana aretina toy izao, saingy raha afangaro ity ravin-kazo ity na ity fakan-kazo ity dia lasa manome effet ratsy toy izao (izay vokatry ny fikarohana no ahalalana izany rehetra izany) ka entina animbàna olona dia lasa ratsy izy izay.
niryna, ilay resaka fandrotrarana, tsy fanafody hoa ilay izy, ota fady, toa andry hoe rehefa mivavaka d lasa tsy mahazo manao izao sy izao sy izao intsony, ka raha mandika an'iny d lasa toy ny manota fady. Indry v ts mbola nandre mintsy hoe voaota fady?
niryna, ilay resaka fandrotrarana, tsy fanafody hoa ilay izy, ota fady, toa andry hoe rehefa mivavaka d lasa tsy mahazo manao izao sy izao sy izao intsony, ka raha mandika an'iny d lasa toy ny manota fady. Indry v ts mbola nandre mintsy hoe voaota fady?
34. Rasiligaoma
(
14/07/2008 08:18)
mety tsy nivoaka ivelan'Antananarivo na tanan-dehibe sy nipetraka ambanivohitra maharitra izy angamba
35. prime
(
15/07/2008 08:40)
Mazava be ny mahasamihafa ireo... fa tsy iverenana intsony angamba...
ari.malala> ny toa io ambaranao io indrindra no manahirana amin'ny resaka ody...
Ny hoe ody voay, ody tandrok'omby na toton'omby, dia izay indrindra ilay nohamafisiko ao ambony ao hoe, ilay hery miafina (asan'ny fanahy) ao ambadika no mahaody ny ody...
Fa hafa mihitsy izao ohatra ny mena-boay izay tena fanafody mahery amin'ny fery sy ny cancer sns... no sady mahomby...
ari.malala> ny toa io ambaranao io indrindra no manahirana amin'ny resaka ody...
Ny hoe ody voay, ody tandrok'omby na toton'omby, dia izay indrindra ilay nohamafisiko ao ambony ao hoe, ilay hery miafina (asan'ny fanahy) ao ambadika no mahaody ny ody...
Fa hafa mihitsy izao ohatra ny mena-boay izay tena fanafody mahery amin'ny fery sy ny cancer sns... no sady mahomby...
36. Rasiligaoma
(
15/07/2008 20:06)
ka iny hery miafina iny tsy tonga dia tsaraina ho ratsy foana fa tsara analyser-na aloha.
ilay izy tsy mbola mazava sy voafehy tsara fotsiny io, fa amiko io dia tsy misy hafa amin'ny onjam-peo, andriam-by sy ny sisa. na ireny fitaovana mamoaka feo sy fofona fiarovana amin'ny alika ireny na aphrodisiaque
ilay izy tsy mbola mazava sy voafehy tsara fotsiny io, fa amiko io dia tsy misy hafa amin'ny onjam-peo, andriam-by sy ny sisa. na ireny fitaovana mamoaka feo sy fofona fiarovana amin'ny alika ireny na aphrodisiaque
38. prime
(
16/07/2008 07:59)
bichette> Misaotra betsaka... izaho koa efa namaky an'io sy ireo témoignages be dia be avy amin'ireo olona efa nahita ny helo sy ny lanitra sy ireo nanolo-tena ho an'i Kristy nefa mpanao majia ngezalahy sy ngezavavy... =D>
(ho hitanao eo anie fa maro no tsy hino e?!!)
(ho hitanao eo anie fa maro no tsy hino e?!!)
39. bichette
(
16/07/2008 13:15)
Ny zava-miafina rehetra rehefa tsy avy amin'ny Andriamanitra dia avy amin'ny satana daholo. Fanahy 2 ihany no misy : Na Andriamanitra Jehovah na satana.
Hoy Jesosy Kristy hoe "izaho no fahazavana" (matio 5) ary satana dia lazaina fa prince des tenèbres. Andriamanitra dia mampiseho amintsika mazava hoe Iza izy. Satana kosa dia ao anatin'ny maizimaizina foana izy no miasa. Raha misy hery hafahafa dia tsy hitantsika mihitsy hoe "iza sy avy aiza marina izao zava-mitranga izao" dia fantaro avy hatrany fa satana no mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'izany zavatra izany, saingy fahamaizinana izy ary tenebre ka tsy hitantsika tsara hoe iza marina izy. Fa Andriamanitra kosa dia mazava, miharihary tsy miafinafina izany mihitsy izy. Ny occulte rehetra dia maizina avokoa, sans exception na milaza fa manao ny tsara izy na tsia.
Raha tena miaraka amin'Andriamanitra marina isika sy nateraka indray dia na ody inona na ody inona dia tsy misy mahazo antsika mihitsy (l) (l) :D satria isika rakofan'Andriamanitra amin'ny ràn'i Jesosy Kristy. Ary ny anjelin'Andriamanitra dia mitoby manodidina izay mahatahoatra Azy. Ahoana ahatongavana amin'izany ? http://64.233.183.104/search?q=cache:5IhV6dIaOuEJ:www.bible-ouverte.ch/coeur/vivre28.htm+comment+naitre+de+nouveau&hl=fr&ct=clnk&cd=1&gl=fr
Tokony manana an'Andriamanitra ao ampo mihitsy fa tsy hoe etiquette fotsiny. ilay hoe kristianina dia tsy misy mahazo antsika mihitsy.
Hoy Jesosy Kristy hoe "izaho no fahazavana" (matio 5) ary satana dia lazaina fa prince des tenèbres. Andriamanitra dia mampiseho amintsika mazava hoe Iza izy. Satana kosa dia ao anatin'ny maizimaizina foana izy no miasa. Raha misy hery hafahafa dia tsy hitantsika mihitsy hoe "iza sy avy aiza marina izao zava-mitranga izao" dia fantaro avy hatrany fa satana no mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'izany zavatra izany, saingy fahamaizinana izy ary tenebre ka tsy hitantsika tsara hoe iza marina izy. Fa Andriamanitra kosa dia mazava, miharihary tsy miafinafina izany mihitsy izy. Ny occulte rehetra dia maizina avokoa, sans exception na milaza fa manao ny tsara izy na tsia.
Raha tena miaraka amin'Andriamanitra marina isika sy nateraka indray dia na ody inona na ody inona dia tsy misy mahazo antsika mihitsy (l) (l) :D satria isika rakofan'Andriamanitra amin'ny ràn'i Jesosy Kristy. Ary ny anjelin'Andriamanitra dia mitoby manodidina izay mahatahoatra Azy. Ahoana ahatongavana amin'izany ? http://64.233.183.104/search?q=cache:5IhV6dIaOuEJ:www.bible-ouverte.ch/coeur/vivre28.htm+comment+naitre+de+nouveau&hl=fr&ct=clnk&cd=1&gl=fr
Tokony manana an'Andriamanitra ao ampo mihitsy fa tsy hoe etiquette fotsiny. ilay hoe kristianina dia tsy misy mahazo antsika mihitsy.
40. Rasiligaoma
(
16/07/2008 13:47)
ny zava-miafina rehetra rehefa tsy avy amin'ny Andriamanitra dia avy amin'ny satana daholo. Fanahy 2 ihany no misy : Na Andriamanitra Jehovah na satana.
io indray ilay filazana fotsiny tsy misy porofo!
mbola betsaka mihitsy ny zava-miafina tsy mbola hain-draolombelona: dia Satana avokoa ve ireny rehefa tsy mazava na tsy takatry ny saina kelintsika?
Tantaraiko tantara tena nisy ianareo: fony aho mbola nanao SN, tamin'ny andron'ireny BLU sy CB voalohany ireny dia nisy cyclone , tsy tadidiko loatra intsony na cyclone kamisy angamba izy izay na geralda, ny tenako tamin'izany tavela tany amin'ny zandary tanyamin'ny tanana kely manodidina an'i Besalampy (tsy mbola mahazo radio ny tany tamin'izany hafa-tsy amin'ny onde courte, ary olona tena an-kavitsiana no manana ireny radio ireny any) ny ankizy efa lasa tany Morafenobe avokoa, dia mifampiresaka amin-dry zareo tany tamin'ny alalan'ny BLU tao amin'ny tobin'ny zandary izahay, dia nohendrikendrehin'ny olona tao amin'ilay tanana hoe misy devoly hono sy fitaovan-devoly no ampiasainay, satria aiza hono dia olona any Morafenobe no afaka hiresaka amin'ny olona any Besalampy amin'ny alalan'io boaty io?
Raha olona tsy mbola nahita sy nahay ary nahafehy ny zava-miafin'ny ny onjam-peo dia izany mihitsy ny ho afitsony : dia toy izany ireo hery miafina: magie ody sy ny sisa, ho antsika tsy mahafehy sy tsy mahalala, indrindra moa rehefa mbola ampian'ilay mba mahay mythe samihafa mba hanafenany ilay kely mba hainy, dia eo dia mihesona eo daholo , dia lasa mitarika io fitsarana hafahafa io!
