Fitiavana sy ny kapoty

1. rebeccaF ( 21/06/2008 12:03)
Tsoriko aloha fa izaho dia momba ny fampiasana ny kapoty raha mpivady no mampiasa azy. Izany hoe ao an-tokan-trano.

Tsy izay anefa no tiako hitondrana ny ady hevitra fa izao:

- Fitiavana ve no mahatonga ny tanora hampiasa kapoty sa tsia? Inona no antony raha eny, ary mba hazavao kosa raha tsia.

- Raha lazaina fa fiarovan-tena no mahatonga ny tanora hanao kapoty, olon-tiana ve ilaina fiharovana ny fiarahana aminy? Misy tsy fifampitokisana ao ka mbola azo lazaina ho misy fitiavana ve?

- Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ? Raha eny satria nahoana? Raha tsia omeo ny antony.

2. tess ( 21/06/2008 13:01)
na mpivady na mpisipa na tanora na antitra, ny fampiasàna kapoty tsy hoe tsy fitiavana fa fiarovana, fiarovana ohatra ny tsy ho bevohoko, misy ny tsy mihinana pillule noho ny antony maro samy hafa.... :-P
raha mifankatia izy ka tsy hatokisany ilay olo-tiany maninona moa inona no antony tsy azo ampiasàna kapoty!....


Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ?

tsy mbola nisy lalàna izany kosa angamba e????
miakina am nao vevavy ihany io raha te ho virja alohan'ny fanambadina na tsia.....
3. rebeccaF ( 21/06/2008 13:48)
tess:
raha mifankatia izy ka tsy hatokisany ilay olo-tiany maninona moa inona no antony tsy azo ampiasàna kapoty!....

Mbola misy fitiavana ve amin'io cas lazainao io? Sa fitadiavana satisfaction sexuelle fotsiny?
tess:
tsy mbola nisy lalàna izany kosa angamba e????

Ny fanontaniana dia mazava hoe: "Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ? Raha eny satria nahoana? Raha tsia omeo ny antony."

4. xxx ( 21/06/2008 14:45)
Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ?


eny madama


fa inona foana no mahatonga anareo antitra hametra ny firaisana aranofo ho eo anivon'ny tokantrano fotsiny e ?

ny faniriana hanana firaisana ara-nofo ange dia voajanahary ho an'ny zava-mananaina rehetra e, ka tsy tokony raràna

aleo hanarina ny jeunes hanao kapoty dia mba lasa ekspert amin'io taranja io hahaizany manome fahafahampo ny tenany sy ny partinerany, sady fitiavana izany no revy manja

raha ferana foana mandritry ny hatanorana ny filàna aranofo dia miteraka frigidité ho an'ny vehivavy, tsy mahalala izay fandehan'ny tenany, tsy mahay maka tsirony. Ho an'ny lehilahy indray dia mitarika ny éjaculation précoce satria tsy mba nianatra nitana izany. Izany no atao hoe frustrés na coincés tsy mahavoa raha ao anaty bodofotsy , atao inona :-D :-D

Samy oainina ny lahy sy ny vavy eo

ianao nametraka fanontaniana izay inoako fa efa nanambady vao nanao firaisana, Tonga dia afapo tamin'ny vadinao ve ? sa firy taona avy eo vao tonga tamin'ny orgasme sa vao ilay voalohany dia efa tonga ?

Betsaka ireo vehivavy tsy mba mahalala izany hoe orgasme izany, indrindra moa ireny maotina be ireny e ! Tanjona ve izany, irina ho toy izany daholo ve ny vehivavy rehetra. Aleo manao entrenemà mianatra revy dieny mbola tanora na tsy ao anaty ny mariazy aza.

5. MimiSimply ( 21/06/2008 14:50)
Ny olona tena mivavaka angamba mahalala tsara oe ny anton\'ny firaisana dia ny maha bevoka any vehivavy, na de ny tsy mpivavaka azany mahazo tsara an\'izany...
Misy olona tia sady tara, mahavita castité tsara, de o anireo zany tsy ilaina ny firaisana. Misy olona tsy mahavita miarak@sipa de tsy manao ninoninona, de o anireo zany nécessaire ny firaisana.
Ny kapôty tsy maha bevoka fotsiny fa tsisy resaka fifatokisana ary tsisy resaka fitiavana fa méthode anti-conceptionel fotsiny.
6. tess ( 21/06/2008 16:57)
rebeccaF:

[quote=tess]raha mifankatia izy ka tsy hatokisany ilay olo-tiany maninona moa inona no antony tsy azo ampiasàna kapoty!....



Mbola misy fitiavana ve amin'io cas lazainao io? Sa fitadiavana satisfaction sexuelle fotsiny?
:-P
tess:
tsy mbola nisy lalàna izany kosa angamba e????


:arrow: fa nahoana aza no eritreretina hoe tsy misy fitiavana intsony raha mampiasa kapoty?????? na dia ataok aza hoe tsy mahatoky ny partenerany ilay vavy na lahy tsy midika fa tsy misy fitiavana ao aminy...
misy ny olona tena tia ny partenerany fa saro-piaro loza velona, efa anisan'ny tsy fahatokisana anie izany e! ary raha misy ny firaisana mino kosa aho fa atao ampitiavana izany sinon tsy misy io sa?????





7. tess ( 21/06/2008 17:01)

hoy rebecca
Ny fanontaniana dia mazava hoe: "Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ? Raha eny satria nahoana? Raha tsia omeo ny antony."


tsy misy antony loatra ilaina ny firaisana na tsia alohan'ny fanambadiana reh!
io efa lazaiko io, miankina aminao ihany hoe te ho virja ve ianao mba ho fièrtée nao ohatra alohan'ny fanambadiana...


ny ilàna azy angamba dia mba experience nao mba tsy ho badraodra be loatra rehefa vita mariazy vao hanao firaisana :-P
8. Belami ( 21/06/2008 21:18)
tess : ahoana indray io hoe badraodra io =)) =)) =)) =)) =))
9. ainaheri ( 21/06/2008 22:08)
- Fitiavana ve no mahatonga ny tanora hampiasa kapoty sa tsia? Inona no antony raha eny, ary mba hazavao kosa raha tsia.


Fiarovan-tena ny tena marina eo @ aretina zay mihanaka sy tsy fanta-pototra

Raha lazaina fa fiarovan-tena no mahatonga ny tanora hanao kapoty, olon-tiana ve ilaina fiharovana ny fiarahana aminy? Misy tsy fifampitokisana ao ka mbola azo lazaina ho misy fitiavana ve?


Tsy voatery we refa manao kapoty @ olon-tianao ianao d midika fa tsy matoky azy eo @ aretina samihafa,satria misy fomba hafa kou no azo anaovana kapaoty,oh raha en periode d'ovulation rakalakely nefa nareo tsy mbola vonona ny hiteraka

Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ? Raha eny satria nahoana? Raha tsia omeo ny antony.


Za alou tsy d mitomany an'zany ee,satria za aza mahatsapa ny tenako we efa niaraka aman'oul ,d aona za no iteny we tsy maintsy zao enao vô alaiko vady lol(hevitro za samirery) Fa misy bandy tsy voakasi-pahotana t@ fototra mitsy d zay no mahatonga azy hitady sipa otr'zay kou ngambany,ao kou mou ny sipa milaza tsy anann mitsy ra tsy avy manambady;samy mnana ny eritreriny zany ee
10. tess ( 21/06/2008 23:32)
Belami:

tess : ahoana indray io hoe badraodra io =)) =)) =)) =)) =))

belami: otran'ny poisson mort refa otrzay hono


:-P :-D
11. ainaheri ( 22/06/2008 06:25)
:-D :-D :-D Poisson mort sa vatan'akondro eee :roll: :-$ :-$ ,To maptaotra iany le efa manana experiansy klé :-D :-D :-D Kilalaky hihihihi
12. tess ( 22/06/2008 07:22)
ka tsy aleo izany samy virja no mifanambady dia otran'ny ireny jamba mifampitantana ireny am vlou! hihihihihi
13. ainaheri ( 22/06/2008 07:28)
Mety ho 1 anatin'ny 100 angamba ny tandrifin'ny zany,hay fona iny refa zatra ka,.....somary mivoboka mijery cinema oh,na kou mividy DVD sy ny karazany hehehe
14. ravaomariakely ( 22/06/2008 12:00)
:-D :-D :-D
mahatapatsinay mitsy nareo ato ka, badraodra é, hihihi!
iny njay no tsy hitako!
15. rebeccaF ( 22/06/2008 12:48)
xxx:
ny faniriana hanana firaisana ara-nofo ange dia voajanahary ho an'ny zava-mananaina rehetra e, ka tsy tokony raràna

Zava-manan'aina tokoa ny olombelona fa saingy tsy mitovy amin'ny BIBY. Manana saina sy fanahy izy, ka ireo no mitondra ny fiainany fa tsy "instinct" ohatra ny biby akory.
Ataoko fa tsy nisy nandrara teo hoe: "tsy azo atao ny manao firaisana". Noho izany tsy mitombina ny fanankianana ataonao.
xxx:
aleo hanarina ny jeunes hanao kapoty dia mba lasa ekspert amin'io taranja io hahaizany manome fahafahampo ny tenany sy ny partinerany, sady fitiavana izany no revy manja

Dia ilay atao hoe fitiavana no mbola tsy hainao, na efa novainao ny dikany. Ao anatin'ity rediredinao ity dia ahitana taratra ny degradation ny fomba fiheverana ny atao hoe: fitiavana, sy ny atao hoe: firaisana
xxx:
raha ferana foana mandritry ny hatanorana ny filàna aranofo dia miteraka frigidité ho an'ny vehivavy, tsy mahalala izay fandehan'ny tenany, tsy mahay maka tsirony. Ho an'ny lehilahy indray dia mitarika ny éjaculation précoce satria tsy mba nianatra nitana izany. Izany no atao hoe frustrés na coincés tsy mahavoa raha ao anaty bodofotsy , atao inona

Raha ny fahitako azy dia efa milomano tafahotra ao anatin'ny tontolo tsy mahalala fahasambarana afatsy ny avy amin'ny firaisana ianao, ka manadino ny maha olona.
Ny satisfaction sexuelle no apetrakao ho lohalaharana amin'ny zavatra rehetra. Dia ho hatraiza anefa ny hasambarana ho azonao amin'izany ? Haharitra hatramin'ny rahovina ny fitiavanao sy ny fiharahanao amin'izay olon-tianao? Moa mbola misy dikany ve ny atao hoe: fianakaviana ho anao?
xxx:
ianao nametraka fanontaniana izay inoako fa efa nanambady vao nanao firaisana, Tonga dia afapo tamin'ny vadinao ve ? sa firy taona avy eo vao tonga tamin'ny orgasme sa vao ilay voalohany dia efa tonga ?

Izaho mbola tsy manam-bady, ary tanora miaina eo anivon'ny tanora maro. Amiko dia misy fotoanany ny zavatra rehetra. Ka ny fotoanan'ny firaisana dia amin'ny fotoanan'ny fanambadina. Ary tsy mahatsiaro manana olana amin'ireo zavatra voalazanao ireo aho.
xxx:
Betsaka ireo vehivavy tsy mba mahalala izany hoe orgasme izany, indrindra moa ireny maotina be ireny e ! Tanjona ve izany, irina ho toy izany daholo ve ny vehivavy rehetra. Aleo manao entrenemà mianatra revy dieny mbola tanora na tsy ao anaty ny mariazy aza.

Dia revy mitondra makaiza hono ity lazainao ity?
Raha lazainao fa maontina be tsy mahalala na inona na inona ny vehivavy tsy mba manaiky ny sitrapo adalanao dia izao mba anontaniako kely: Firy isan-jaton'ireo lazainao hoe expert amin'ny firaisana no sendra ny olana saro-bahana rehefa ao an-tokan-trano (tsy fiterahana, aretina, fanitsakitsahana, vava ratsy hoe: vehivavy ratsy fitondran-tena, ady lava, famingaviingan'ny zanaka....) ? Ary firy isan-jaton'ireo vehivavy tsy mba nanao firaisana aranofo nialohan'ny fanambadiana kosa no mba sendran'izany?

Fehiny: Amiko dia tsy misy fahendrena na dia kely aza izay nolazainao ry xxx. Ianao koa aza moa tsy sahy miseho hoe: iza? Midika ho tsy fandraisana andraikitra izany amiko. Tsy mba olona responsable.
16. rebeccaF ( 22/06/2008 12:57)
tess:
tsy misy antony loatra ilaina ny firaisana na tsia alohan'ny fanambadiana reh!

Ka raha tsy misy antony anie izany dia manaonao foana e!
Manaonao foana satria tsy mba misy fampiasana ny saina sy ny fanahy handanjalanja izay atao. Raha nisy mantsy izay dia ho afaka hilaza mazava hoe: izao no antony hanaovako an'ity na tsy hanaovako an'ity.
tess:
ny ilàna azy angamba dia mba experience nao mba tsy ho badraodra be loatra rehefa vita mariazy vao hanao firaisana

Mbola "ANGAMBA" no hametrahanao azy, izany hoe: zavatra tsy tena maharesy lahatra. Raha io no jerena dia mbola manamafy ny filazako hoe: manaonao foana. Satria fanapahan-kevitra mipetraka eo ambon'ny fisalasalana.
17. rebeccaF ( 22/06/2008 13:09)
ainaheri:
Fiarovan-tena ny tena marina eo @ aretina zay mihanaka sy tsy fanta-pototra

Raha misy fanahiana amin'ny aretina isan-karazany ve dia mbola mitombina ny fifampitokisana eo amin'ilay olon-droa mifankatia? Ary raha tsy misy ny fifampitokisana moa mbola azo inoana ve hoe: tena mifankatia tokoa izy roa?
ainaheri:
Tsy voatery we refa manao kapoty @ olon-tianao ianao d midika fa tsy matoky azy eo @ aretina samihafa,satria misy fomba hafa kou no azo anaovana kapaoty,oh raha en periode d'ovulation rakalakely nefa nareo tsy mbola vonona ny hiteraka

Angaha tsy maintsy manao firaisana rehefa miaraka (tsy mpivady no tiako lazaina) ?
ainaheri:
Za alou tsy d mitomany an'zany ee,satria za aza mahatsapa ny tenako we efa niaraka aman'oul ,d aona za no iteny we tsy maintsy zao enao vô alaiko vady lol(hevitro za samirery) Fa misy bandy tsy voakasi-pahotana t@ fototra mitsy d zay no mahatonga azy hitady sipa otr'zay kou ngambany,ao kou mou ny sipa milaza tsy anann mitsy ra tsy avy manambady;samy mnana ny eritreriny zany ee

Raha ny fahitako azy dia tsy mamaly ilay fanontaniana mihitsy ianao dia ny hoe:
Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ? Raha eny satria nahoana? Raha tsia omeo ny antony.
18. tess ( 22/06/2008 13:09)
rebeccaF:

[quote=tess]tsy misy antony loatra ilaina ny firaisana na tsia alohan'ny fanambadiana reh!

Ka raha tsy misy antony anie izany dia manaonao foana e!
Manaonao foana satria tsy mba misy fampiasana ny saina sy ny fanahy handanjalanja izay atao. Raha nisy mantsy izay dia ho afaka hilaza mazava hoe: izao no antony hanaovako an'ity na tsy hanaovako an'ity.
:-P :roll: 8) :-P ;-)



fa inona moa no hidiran'ny hoe fampiasàna saina sy ny hoe manaonao foana sy ny hoe fanahy handalnjalanja eto ry rebecca???
tsy mety azonao mitsy ilay izy
tsy dia misy antony loatra hoy aho ny fanaovana ny firaisana na tsia alohan'ny fanambadiana.... :arrow: efa lazaiko io fa arakaraka enao vehivavy ihany io...raha ho voninahitrao ny hinanona virja mandra-panambady dia tsy manao firaisana enao alohan'ny fanambadiana

fa raha manao firaisana enao alohan'ny fanambadiana dia mba hanana experience kely ianao izany amin'io lafiny io....sao ataon'i bandy hoe otran'ny poisson mort leity ny an'lelah, efa resaka nandeha tany am rubrik hafa any ho any io vehivavy tsy manana experience amin'ny lafin'ny resaka tianao ho fantatra io dia avy eo izy voasarika any am hafa possible
mazava ve ry rebecca??????

tess:
ny ilàna azy angamba dia mba experience nao mba tsy ho badraodra be loatra rehefa vita mariazy vao hanao firaisana



Mbola "ANGAMBA" no hametrahanao azy, izany hoe: zavatra tsy tena maharesy lahatra. Raha io no jerena dia mbola manamafy ny filazako hoe: manaonao foana. Satria fanapahan-kevitra mipetraka eo ambon'ny fisalasalana.


ary oatran'ny tsy ekenao ilay hevitra hatolotro fa tsy voatery hanaraka ny lazaiko enao fa mametraka dinika ianao dia mamaly tostra fotsiny aho
tsy angamba fa tena marina, experience ho anao ihany ny fanaovana firasiana alohan'ny fanambadiana, raha mbola virja moa ianao no hanambady dia manaraka ho azy eny hainao miandalana ihany koa io
mazava ve ry rebecca

fa tsy azoko e! mamaly hevitra ve ilaina mila hoe tsy maintsy hevitra araka ny tianao tadiavina sa ahoana???sinon sorito dieny mialoha ilay izy hoe hevitra tena sur 100°/° NO TADIAVIKO fa izay f
misy fisalasalàna tsy mila mamaly


19. tess ( 22/06/2008 13:11)
hazavao maninona ry inona no antony hilazeanao hoe manaonao foana ny olona misafidy ny hanao firaisana na tsia alohan'ny fanambadiana..
izay no safidiny ary samy manana ny safidiny ny tsirairay fa tsy hoe manaonao foana izany ny olona.....
8)
20. xxx ( 22/06/2008 13:18)
ary raha ny famalian'i rebbeca ny mpamaly hevitra rehetra eto izany dia diso sy tsy marina daholo, noho izany hainao ihany izany ny valinteninao amin'ny dinika apetrakao ka maninona no nampiditra ito hevitra ito
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1391