Mino aho dia nanao asa,niasa aho satria nino.

1. niryna ( 19/06/2008 14:46)
16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.:arrow: izay mino no hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao , fa mba hamonjeny izao tontolo izao. :arrow: asa nanirahan'Atra ny Zanany :arrow:
hamonjy izay rehetra mino Azy Jaona 3:16

Inona no atao hoe Finoana ? =Fahatokiana ny @ zavatra antenaina
,fanehoana ny zavatra tsy hita maso
Finoana no nahafantarana ny tenin'Atra no nanaovana izao tontolo izao Heb 11:1 :arrow: nino ny tenin'Atra ny olona izay nahalalana fa nanao asa ,Izy no nanao izao tontolo izao, ny asan'ny tanany no nahatoa izao ny zavatra rehetra,ny fofonainy no namelomaNy antsika.
[b]6 Fa raha tsy @ finoana dia tsy misy azo atao
( without faith,it is impossible to please God )

http://baiboly.org/toko.asp?boky=HEBREO&toko=11&andininy=1-6&dika=
:arrow:

Fa maty ny tena raha tsy misy fanahy ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa Jakoba 2: 26

Anome ohatra aho: misy namako tsampako fa afaka mitory ny tenin'Atra izy,(mino aho izany fa mahavita izany izy) ,dia nampihariko izany finoako izany (nanao asa aho ahatanterahako an'izany) dia nivavaka aho (mbola notohizako ihany ny asako satria aho mino tanteraka fa vitany izany) :arrow: noho ny finoako fa mahatanteraka izany izy dia tsy nitsahatra aho nivavaka ho azy (nanao asa aho fa tsy nino fotsiny :arrow:[b] satria aho mino fa Atra no manao ny zavatra rehetra (noho ilay finoako fa vitany izany asa izany ary noho ny finoako fa hamaly vavaka ahy Atra,ary noho ny finoako fa Izy no mahalala ny ao am-pon'ilay olona (mino koa izy fa Atra manampy azy ) dia tanteraka tokoa izany faniriko izany.

-Mino fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao hoy ny SM

--Olona narary nandritra ny 12 taona(nandeha ra ),lany aiky:arrow: no nino an'i kristy raha ny rambon'akanjony fotsiny aza no voaraiko dia ho sitrana aho :arrow: nino an'i kristy izy aloha ary dia nanao asa izy,nitsangana nandray ny rambon'ankanjoNy :arrow: Ny finoanao no nanasitranana anao
-malemy teo amoron-drano nandritra ny 38 taona...tsy nisy nibata. Nanontanian'i kristy izy raha mino Azy... Mino aho hoy izy ...mitsangana ary ho i kristy :arrow: nino izy ary dia nanao asa ..... nitsangana ary dia sitrana noho ilay finoany fa afaka mitsangana tokoa izy(io ilay asa )

misaotra tompoko
(l) niryna
novalian'i niryna ny 01/07/2008 03:36
2. ikaretsaka ( 19/06/2008 15:34)
ary ahoana indray ny momba ireo apostoly izay nanjono aloha vao nino?
3. xxx ( 19/06/2008 15:44)
ary raha marary ianao dia hiheno ny tenin'ny docteur sa hino fotsiny @ izao dia hisy miracle
4. ikaretsaka ( 19/06/2008 15:52)
izay koa 1
5. rebeccaF ( 19/06/2008 18:11)
Miankina amin'ny FINOAN'NY OLONA VE ny fahasoavan'Andriamanitra?
Ohatra tsy mba d'accord amin'izany aho.

Ity zavatra voalazanao ity koa amiko dia fizahozaho be loatra, izay manohitra ny Soratra Masina tanteraka.
nyrina:
noho ny finoako fa mahatanteraka izany izy dia tsy nitsahatra aho nivavaka ho azy (nanao asa aho fa tsy nino fotsiny satria [b]aho mino fa Atra no manao ny zavatra rehetra (noho ilay finoako fa vitany izany asa izany ary noho ny finoako fa hamaly vavaka ahy Atra,ary noho ny finoako fa Izy no mahalala ny ao am-pon'ilay olona (mino koa izy fa Atra manampy azy ) dia tanteraka tokoa izany faniriko izany.

Ny fahitako an'io dia contre-témoignage io. Mampiseho ANAO sy ny ASANAO ary ny ZAVA-BITANAO fa tsy i KRISTY velively.
6. rakapy ( 19/06/2008 23:32)
Ka ny fanirian'i Nyrina no tanteraka fa tsy ny an'i Tompo raha ilay ohatra momba ny namanao no jerena sy dinihina?
7. naritsimba ( 20/06/2008 06:43)
Vakio ny HEBREO 11
8. prime ( 20/06/2008 12:04)
Fa ny finoana an'i Kristy kosa aloha ry zareo mahatanteraka fahagagàna maro an... sa tsy mino izany ianareo?
9. ari.malala ( 20/06/2008 12:04)
ny ao am hebreo11 hafa, fa io resaka ametrahan'ny namana fanotaniana am niryna io zavatra hafa ry naritsimba a!!! aleo izy no hamaly fa aza zatra manao avocat ;)
10. fahamarinana ( 20/06/2008 12:49)
prime:

Fa ny finoana an'i Kristy kosa aloha ry zareo mahatanteraka fahagagàna maro an... sa tsy mino izany ianareo?



:arrow: prime :ka tsy misy mandà anie,tena marina ny voalazanao ary tsy misy kianina mihintsy fa ny filazanao,sy fizaranao sy ny fomba entinao mandresy lahatra dia tonga dia miditra avy hatrany.Amiko koa aloha zay,avy dia mazava amiko.Fa ny fanontaniana tsy voavaly be dia be no mahatonga ny namana hafa mitaky valiny,raha hisy koa.... :) (l)
11. prime ( 20/06/2008 13:16)
fahamarinana> misaotra... mazava tsara

niryna> mba valio ny hetahetan'ny namana izany fa miandry anao ny maro...
12. fahamarinana ( 20/06/2008 13:26)
:arrow: hitanareo ,matoa mbola mipetraka ny fanontaniana dia tena porofo fa betsaka no te aheno fanazavana,betsaka no te hanaradia,mety ao ny an-dalana ho resy lahatra ,ao ny efa mino tanteraka dia manamafy ny efa ao aminy;ao ny tsy hino mihintsy nefa dia mbola mamaky izay soratantsika eto...zavatra tsara sy important ary mahavelom-bolo daholo izany.Rehefa tsy hisy intsony ny fanontainana toa mety hampiahiahy ihany :na efa resy lahatra na tena lasa nandeha fa tsy to ny Hafatran'ny Tompo :?: .
Zay no hi-insister-na foana hoe mahaiza re mizara,inona no fatiantoka ,fitiavana daholo anie zany e,io no dradraintsika hatrany...eny na ny tenako koa anie tsy mahay fa mba maka amin'izay omenareo eto na mafy loha aza ndraindray... :) (l)
13. Lek ( 20/06/2008 14:01)
Hoy xxx
xxx:

ary raha marary ianao dia hiheno ny tenin'ny docteur sa hino fotsiny @ izao dia hisy miracle

Ra mino enao sady mivavaka mangataka mitalao de sitrana, ny tsy fananantsika finoana no tsy mahasitrana antsika. Misy aretina tsy sitran'ny dokotera fa sitran'ny vavaka tsy misy mifanoitra amizay
14. ari.malala ( 20/06/2008 14:43)
mino sady mivavaka d ts minana fanafody zany fa mino fotsiny iany?
15. ikaretsaka ( 20/06/2008 15:20)
tsy misy tsara ohatran'ny sady mivavaka no manao fanafody e... :-D
16. rakapy ( 20/06/2008 17:24)
Aza adino koa fa maro ny aretina tsy sitran'ny fivavahana fa sitran'ny dokotera :{
17. bor2lais ( 21/06/2008 09:54)
Mifameno ny fivavahana sy ny fitsaboana : isan\'ny fitaovana eo am-pelatànan\' Atra ny dokotera (ka tokony ampiasaina). Noho izany ny fivavahana tsy misakana ny fandehanana any @ dokotera ary ny fandehanana any @ dokotera tsy misakana ny fivavahana !
18. rijadolly ( 21/06/2008 16:10)
ari-malala:
ny ao am hebreo11 hafa, fa io resaka ametrahan'ny namana fanotaniana am niryna io zavatra hafa ry naritsimba a!!! aleo izy no hamaly fa aza zatra manao avocat
tsy maintsy mifanoana kosa ry ari ny samy mpino a!tsy azo tsika jerena fotsiny ny fandrika mahazo ny samy Kristianina,ary tsy azo avela andeha any izy ra hita fa ho any ny lalany,sa mahafaly an'iza ny valiny diso ataon'iray,sa akiandry ny fadisoana ve sa ankiandry ny fahaizan'zaroa? Andao hifanampy amin'asa é!Ahitsio aho ra diso lalana ary ampio tosika ra izay ILAY IZY(l) .

Eo amin'ilay dokotera indray ra ny hevitro dia zao,Iza tokoa moa no tsy mahafantatra fa ny Finoana no mahasitrana,eny fa nadia ireo izay misalasala aza.Ra tsy avy any amin'Ilay Mpanasitrana dia Jesoa Kristy zany dia tsy ahitana fahasitranana ilay marary na dia manana fahalalanabe aza ilay dokotera.Tsy oe tsy ilaina ny fahalalana ananan'ilay dokotera izay avy any amin'Andriamanitra ihany fa kosa mampitombo ilay Finoan'ilay marary.Ka io finoana io no mitombo ao anatin'ilay marary ka mitarika fahasitranana azy.Aza inoana anie ny fanafody omen'dokoteranao raha tsy vao maika vizana eo ianao é!Miova dokotera indray angamba fa oe tsy mamely ilay teo nefa ianao no tsy mino.

Mampatsiahy ahy ilay fandaharana @radio zay izy ty hoe:"IZAHAY DOKOTERA MITSABO FA JESOA NO MANASITRANA."
19. niryna ( 21/06/2008 17:22)
ikaretsaka:

ary ahoana indray ny momba ireo apostoly izay nanjono aloha vao nino?

ahoana hono hoy izy ?

:D
20. niryna ( 21/06/2008 17:41)
xxx:

ary raha marary ianao dia hiheno ny tenin'ny docteur sa hino fotsiny @ izao dia hisy miracle

ie .... misaotra anao sy ikaretsaka aho.
Nisy fianakaviana narary any @ hopitaly any dago.
Nanao fivoariana daholo ny fianakaviana rehetra tany fa hiaraka hivavaka azy

:arrow: noho ny finoan'izy ireo izany dia nanao ny asa izy ary niandry miracle avy tany amin'ATra ...
Na misy roa na telo hivavaka,angataka zavatra iray AVY AMIN'NY ANARAKO ( kristy io ) dia eo afovoany aho ...
Elan'elan-tany ? tsy mahasaraka ny fitiavan'Atra antsika.
Toerana lavitra? raha miaraka mivavaka dia hihaino. antsika tokoa izy
Mitady fanasitranana,fiadanan-tsaina sns ? Ao aminy Irery ary ny anarany mahery ,ny finoan'ny olona ary ny fampiasana izany finoana izany dia niaraka nivavaka ihany koa izahay tatytany lavitra aty.
Rehefa avy nivavaka izahay rehetra omaly dia tany dago ary dia toy izao no fitantaran'ny fianakaviana iray.
Nisy fahagagana ary tena nisy herin'ATra nanampy ny marary tamin'ny ora izay niarahanay rehetra nivavaka tany sy taty...
Ny vokany ....Aleloi deraina mandrakizay anie ny anaran'i Tompo !!!!!

Tsy afaka nihinan-kanina fa fanafody fotsiny no nomena azy(seruum) :arrow: izao izy afaka nihinana :arrow: .

Tsy afaka ni-pipy nandritra ny andro maromaro :arrow: nifanontany ry zareo hoe im-piry tokoa izy moa izao no ni-pipy ?

Nalemy teo am-pandrina :arrow: izao izy nandeha irery tsy nisy nampitsangana ,lasa nivoaka tany amin'ny WC ny hopitaly :arrow: .

Ry Andriamanitra mahery sy tsara indrindra o,mbola nasehonao anay isan'andro isan'alina ihany ny fahagagana vitanao aminay :arrow: .Isaorako manokana izany Tompo o fa mamaly vavaka hianao,ny asan'ny tananao no nanasitra ny fianakavianay noho ny fampiasanay ilay finoana izay avy aminao.Misaotra Ray o fa mbola afaka mijoro vavolombelona amin'ity serasera ity ihany koa aho.Misaotra ihany koa fa tsy noho ny herinay na ny fahalalanay manokana no nahatonga anay eto fa noho ny fitiavanao anay tsirairay avy.Ny fahasoavanao anie hitoetra ato am-ponay avy.Misaotra Ray o noho ny nanomezanao ny Zanakao Malalanao hanafaka anay ao anatin'ny ota,ny tsy fahalalana ,ny tsy finoana.Misaotra tamin'ny nanomezanao anay ny Fanahinao Masina mitari-dalana anay,mampianatra anay,manitsy ny dianay. Mizara ny teninao masina amin'ity sehatra ity .
Derainay mandrakizay ny anaranao Amena

(l) niryna
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3777