Hiran'izao tontolo izao

1. Koditra ( 01/06/2008 22:33)
Tsy mahazo mihaino radio mandefa hiran'izao tontolo izao.
Nisy namako izay nipetraka t@ iny lalana miakatra an'Ankatso iny.
Nanana olana izy satri ny tompo-tranony dia lasa tafiditra tao anaty antoko-pivavahana iray izay, nanomboka teo dia tsy mahazo mihaino na mandefa télé sy radio afa mandefa hiran'izao tontolo izao intsony io tompotranony io. Zany eo iany fa ny olana dia h@ mpanofatrano koa tereny tsy handefa radio sy télé. Mbola nangalatra iany anefa lé namako mandefa radio hafa sy télé fa alefa moramora mba tsy henon'ny tompotrano. Taty aoriana kely, sendra enon'ny zanak'ilay tompotrano ny namako nandefa Radio Tana, mba fandaharana mandefa hira milay eh, raikitra ny fifamalina oe nahoana ianareo no mbola mandefa radio mandefa hiran'izao tontolo izao, tezitra ny namako aveo satri tsy nisy fifanarahana an'zany t@ voalohany ary tsy voatery hanaraka ny finoany, niala ny trano izy.

Tena izay ve no takian'Andriamanitra @tsika?
Ao anaty baiboly ve misy andininy milaza an'izany, na mivantana io na ankolaka, sa ilay antoko-pinoana nisy ilay tompotrano mihitsy no mety mandray dika vilana?
novalian'i Koditra ny 15/07/2008 16:57
2. belakely ( 02/06/2008 00:54)
ssssssss
marina ny an'le namanao oe ialao ny tranony, le namanao aza mba mampidi-bola ho azy koa!!!!
ao amin'ny baiboly aloha tsy misy mihitsy hoe aza mihaino ny hiran'izao tontolo izao izany e!
ny fivavahana koa ange zavatra manokana (intime) e! tokony tsy hasehoseho izany!
hoy i Kierkegard, filôzôfa danois, arakaraky ny fisehosehoana ety ivelany no mampanalavitra an'andriamanitra.
ny firaisanao amin'ny vadinao aza, sanatrian'izany, tsy dradradrainao eny an-tsena koa mainka fa ny firaisana amin' andriamanitra?
mampari-koditra mihitsy hoe fivavahana no ifaneriterena.........
efa lany daty sa aôna hoy ianao?
3. ikaretsaka ( 02/06/2008 03:52)
tsy azoko le hoe "hiran'izao tontolo izao sy tsy hiran'izao tontolo izao"
nefa samy eto @ "izao tontolo izao" le hira ho hiraina" :?
4. niryna ( 02/06/2008 05:57)
tafahoatra koa angamba izany olona izany saingy tsy afaka hitsara isika satria teny avy any amin'ilay iray ihany no feo henontsika.
Raha fanazavana ny hoe hiran'izao tontolo izao na hiran'ny tsy izao tontolo izao aloha dia samy mahalala avokoa isika e,toy ny mijery film ihany io raha hiaraka hijery amin'ny fianakavianao ve hianao dia film feno sary tsy fampiseho masoandro no hiarahanao mijery eo adin'ny firy?
Misy hira feno teny ratsy,misy hira tsotra,izany akory tsy midika hoe lasa kristiana ilay olona dia tsy mahazo manao an'izao na tsy maintsy izao no henoina. fisehoana ivelany fotsiny izany,ny fo no tadiavin'Atra antsika mba hiova,hiatsara andro aman'alina,hifankatia,hifamela heloka ,hifanampy ny olona mbola tsy mahalala azy sy tsy mahafantatra ny fahasoavana lehiby azony taminy......

Raha tena kristiana tokoa ny olona iray dia mandeha ho azy ny mihaino hira masina,toriteny,radio kristiana, sns..miova ho azy ny toetra ratsy,miezaka ary tsy mahavita irery raha tsy miaraka amin'ATra izay telo izay Iray ,lasa madilo ny sofina raha vao maheno ireny hira feno teny ratsy ireny,avadika fotsiny avy eo dia vita e,mbola miaraka ny olon'izao tontolo izao isika ary miaina amin'izao tontolo izao ka tsy afaka hisaraka an'izao tontolo izao.

Ny takian'Atra antsika kristiana sy ny mba hovain'ny tsy kristiana dia ny fahalalana ny tenin'Atra,ny fampiharana izany amin'ny fiainana,ny fanajana ny didiny,ny fitiavana ny namana indrindra ny fahavalo..ary ny fanantena fa rahatrizay ka miala ety isika dia manantena fa hiaraka an'i kristy satria izay mino Azy no ahazo fiainana mandrakizay.
5. fahamarinana ( 02/06/2008 06:07)
:arrow: Ika :rehefa hira tsy fiderana an'Andriamanitra angambany zany no atao hoe hiran'izao tontolo izao,raha ny fandraisako io lazainy io.
Amiko manokana aloha dia rehefa hira tsy miteny ratsy ny anaran'Andriamanitra dia tsy hitako ny tena olana fa ny fahitako azy dia arak'io voalazanao io ry koditra hoe misy antokom-pinoana mandray azy tafahoatra.Toa ny zvtr rehetra e,mila interpertations tsara fa ny mandreraka fontsiny dia ilay izy asiana andinin'ny Soratra Masina manaraka azy na coller-na be fahatany eo.
Aty aminay nisy koa Pasteur zay dia tsy mijery téle na vaovao aza,tsy miheno radio fa henoko kosa miheno cd fiderana.Za aloha dia tsy mahita olana hoe izao no henoina,sns sns ,ny fantatro fontsiny dia nony lasa mapanara-dia any Tompo aho dia lasa tia sy mankafy kokoa ny hira fiderana Azy.Na izany aza tsy handeha hidradra etsy sy eroa koa aho hoe ratsy zany hiranareo zany,zao no tsy maintsy atao fa zao no sitrany sns sns...fa anjaran'ny tsi11 io :ny ahy no ataoko satria zay no tsapako mety sy mahasoa ary ahitako hasambarana indrindra .Miheno hira karazany hafa koa aho arakaraky ny envie misy.
Mba nampalahelo koa lay olona voatery niala ny trano mihintsy ve? (l)
6. spinoza ( 02/06/2008 06:28)
Amiko aloha dia ny tena kristianina dia mahazaka ny fahalemen'ny hafa e! Ohatra hoe tsy kristianina ny miara-monina aminao na a koa hoe manana fahalemena dia anjaran'ny kristianina matanjaka finona no manoro sy manao zay mba mety hisotomana ireny olona mbola manana fahalemena ireny. Zany hoe mbola tsy any andanitra akory isika fa mbola eto antany dia tsy maintsy mahay miara monina aman'olona. Sady tsy maintsy mahay mifapi-tolerer e!e!e! :lol: :lol:
7. fahamarinana ( 02/06/2008 06:37)
:arrow: spinoza :marina tanteraka ary hitovizako hevitra ihany koa nefa indrisy fa mbola betsaka no tena Xna nefa tsy manana izay toetra izay,misy koa anefa manana an fa arakarak'ilay olona io e.(l)
8. Koditra ( 02/06/2008 09:24)
belakely:
mampari-koditra mihitsy hoe fivavahana no ifaneriterena.........
efa lany daty sa aôna hoy ianao?

Marin'zany, matoa misy ny katôlika, protestant, adventiste ... dia samy manana ny filôzôfian'ny finoany ny tsi11 avy, tsy azo terena ifanaraka @ finoan'ilay tomptrano.

ikaretsaka:
tsy azoko le hoe "hiran'izao tontolo izao sy tsy hiran'izao tontolo izao"
nefa samy eto @ "izao tontolo izao" le hira ho hiraina"

Rehefa mety ho hira tsy maneho fiderana an'A/tra

9. Koditra ( 02/06/2008 09:35)
niryna:
tafahoatra koa angamba izany olona izany saingy tsy afaka hitsara isika satria teny avy any amin'ilay iray ihany no feo henontsika.
Raha fanazavana ny hoe hiran'izao tontolo izao na hiran'ny tsy izao tontolo izao aloha dia samy mahalala avokoa isika e,toy ny mijery film ihany io raha hiaraka hijery amin'ny fianakavianao ve hianao dia film feno sary tsy fampiseho masoandro no hiarahanao mijery eo adin'ny firy?
Misy hira feno teny ratsy,misy hira tsotra,izany akory tsy midika hoe lasa kristiana ilay olona dia tsy mahazo manao an'izao na tsy maintsy izao no henoina. fisehoana ivelany fotsiny izany,ny fo no tadiavin'Atra antsika mba hiova,hiatsara andro aman'alina,hifankatia,hifamela heloka ,hifanampy ny olona mbola tsy mahalala azy sy tsy mahafantatra ny fahasoavana lehiby azony taminy......

Raha tena kristiana tokoa ny olona iray dia mandeha ho azy ny mihaino hira masina,toriteny,radio kristiana, sns..miova ho azy ny toetra ratsy,miezaka ary tsy mahavita irery raha tsy miaraka amin'ATra izay telo izay Iray ,lasa madilo ny sofina raha vao maheno ireny hira feno teny ratsy ireny,avadika fotsiny avy eo dia vita e,mbola miaraka ny olon'izao tontolo izao isika ary miaina amin'izao tontolo izao ka tsy afaka hisaraka an'izao tontolo izao.

Ny takian'Atra antsika kristiana sy ny mba hovain'ny tsy kristiana dia ny fahalalana ny tenin'Atra,ny fampiharana izany amin'ny fiainana,ny fanajana ny didiny,ny fitiavana ny namana indrindra ny fahavalo..ary ny fanantena fa rahatrizay ka miala ety isika dia manantena fa hiaraka an'i kristy satria izay mino Azy no ahazo fiainana mandrakizay.

Marina izany ary miombo-kevitra soamantsara aminao aho.
10. Koditra ( 02/06/2008 09:54)
fahamarinana:
Amiko manokana aloha dia rehefa hira tsy miteny ratsy ny anaran'Andriamanitra dia tsy hitako ny tena olana fa ny fahitako azy dia arak'io voalazanao io ry koditra hoe misy antokom-pinoana mandray azy tafahoatra.Toa ny zvtr rehetra e,mila interpertations tsara fa ny mandreraka fontsiny dia ilay izy asiana andinin'ny Soratra Masina manaraka azy na coller-na be fahatany eo.
Aty aminay nisy koa Pasteur zay dia tsy mijery téle na vaovao aza,tsy miheno radio fa henoko kosa miheno cd fiderana.Za aloha dia tsy mahita olana hoe izao no henoina,sns sns ,ny fantatro fontsiny dia nony lasa mapanara-dia any Tompo aho dia lasa tia sy mankafy kokoa ny hira fiderana Azy.Na izany aza tsy handeha hidradra etsy sy eroa koa aho hoe ratsy zany hiranareo zany,zao no tsy maintsy atao fa zao no sitrany sns sns...fa anjaran'ny tsi11 io :ny ahy no ataoko satria zay no tsapako mety sy mahasoa ary ahitako hasambarana indrindra .Miheno hira karazany hafa koa aho arakaraky ny envie misy.

tokony ho izay daholo mihitsy, tokony mande hoazy tsy terena ny fitiavana hira fiderana sy ny hiran'izao tontolo izao.
Misy ny hira fiderana mampietsi-po anao satri angamba mety mifandraika @ fiainana @ maha olombelona anao.
Misy ihany koa hira'izao tontolo izao mety tinao sy mampietsi-po anao ihany koa satri mety mifandraika @fiainana iainanao isan'andro, na ara-pitiavana io na zavamisy eo @fiarahamonina manodidina anao. Ary tokony tsy misy mahadiso ny fihainoana an'izany hira izany.

fahamarinana:
Mba nampalahelo koa lay olona voatery niala ny trano mihintsy ve?

Talohan'io dia nizotra tsara tsy nisy olana ny fiaraha-monina. Na dia tsy nakasitrahan'ilay namako aza ny teny midina (tao ambony rihana ilay tompotrano) dia nandefitra ihany izy satri sarotra ihany koa ny mitady trano sy ny miala @toerana efa nahazatra.
Talohan'io fifamaliana io aloha dia efa nanao vazy2 tamiko ilay namako io hoe leo be za lety fa ôtran'ireny sanatrian zany hoe misaona sy avy nivoaha-paty ireny foana ao atrano, rehefa hira fiderana dia azo alefa na mitatatata be aza tsy olana fa rehefa te hihaino njakatiana elah dia tsy maintsy hatao mibitsibitsika ny maneno :lol: :lol:
Tena niala izy.
11. Koditra ( 02/06/2008 09:57)
spinoza:
Amiko aloha dia ny tena kristianina dia mahazaka ny fahalemen'ny hafa e! Ohatra hoe tsy kristianina ny miara-monina aminao na a koa hoe manana fahalemena dia anjaran'ny kristianina matanjaka finona no manoro sy manao zay mba mety hisotomana ireny olona mbola manana fahalemena ireny. Zany hoe mbola tsy any andanitra akory isika fa mbola eto antany dia tsy maintsy mahay miara monina aman'olona. Sady tsy maintsy mahay mifapi-tolerer e!e!e!

Marina zany, tsy afa-misaraka ny didifolo sy ny lalànan'ny fiarahamonina
12. ikaretsaka ( 02/06/2008 14:49)
dia misy fika hanavahana azy @ lanto sy gadona ve anefa ilay izy?

fa marina io an'i spinoza io hoe ilaina le mahay mifampi tolerer.. na marimaritra iraisana ho'zy ny gasy
13. rijadolly ( 02/06/2008 15:10)
Ra ny fahazoako azy zany dia oh we ahy ny trano,ary ny fahafantarako hoe ty no tsara dia ny maha tompon-trano ahy ny hery iray entiko hitarika ilay mpanofan-tranoko.Mmm... tsamety ô!Lasa ilay fivavahana indray no voa-ratsy nefa ny fomba hitaritan\'olona no tsy mety,Jereo fa lasa nitsaoka ilay ranamana.
14. Koditra ( 02/06/2008 15:44)
ikaretsaka : @ zao fotoana izao ny hira fiderana dia efa miseho @ karazana gadona isankarazany, rock, jazz ... (kilalaka ???? :lol: :lol: )

rijadolly:
Ra ny fahazoako azy zany dia oh we ahy ny trano,ary ny fahafantarako hoe ty no tsara dia ny maha tompon-trano ahy ny hery iray entiko hitarika ilay mpanofan-tranoko.Mmm... tsamety ô!Lasa ilay fivavahana indray no voa-ratsy nefa ny fomba hitaritan'olona no tsy mety,Jereo fa lasa nitsaoka ilay ranamana.

Dia mety ho izay mihitsy no tao antsain'ilay tompotrano.
15. Koditra ( 02/06/2008 16:03)
Mbola resaka hiran'izao tontolo izao ihany ity olana nitranga tany @ fiangonana protestenta tany Ambanivohitra iray, 2004 tanyoany fa tsy tadidiko tsara, nikarakara lanonana ny zanak'ampielezana satria voka-dehibe. Mba nisy zanakampielezana iray nanana fifaneraserana t@ mpanakanto vhv iray izay sady manao hira-fiderana no mihira hira tsotra, nanaiky antsitra-po ilay mpanakanto, tsy naka vola na dia 1 Ar aza fa kosa ny frais sy ny sakafo ihany no oneran'ny fiangonana, refa naroso teo anoloan'ny vondron'ny mpikarakara nefa ilay hevitra dia maro no nitsipaka fa hoe tsy mety io mpanakanto io fa mihiran'izao tontolo izao na dia ny hirany fiderana fotsiny aza no hirainy @io fotoana io ??????? Ary dia tsy maintsy nosoloina mpanakanto hafa. Ny nahagaga anefa dia ilay mpanakanto hafa nalaina dia nandoavana 1.000.000 Fmg ankoatran'ny frais sy ny sakafo.
Mahagaga ....
16. fahamarinana ( 02/06/2008 18:05)
:arrow: tena mbola misy na amin'izao andro hiainantsika izao aza,vao nahita aho tsy ela akory ary lasa nitarika fisaraham-bazana teo anivon'ny mpiara-miangona : lasa nizara 2 tanteraka e dia miezaka ndray zao mampitambatra noho ny antony ny sasany diso be drikina.Tsy niezaka akory niheno fa dia didijadona be :zay no lazain'ny pasteur dia zay,sans explications akory.
Ny tsy azoko tamizay dia hira vakodrazana anie ry reto fa tsy kilalaka na inona akory e,hira kalon'ny fahiny milaza fitiavana en general .
koditra :tena serieux ve zany hira fiderana an'Andriamanitra kilalaka zany,tsy tena reraka ihany manaraka lay rythme raha mihira,na ny tongotra mety tafahetsika mihintsy.... (l)
17. Koditra ( 02/06/2008 19:23)
fahamarinana: vazivaziko le kilalaka, izany no antony nanaovako azy entre pa.
18. rebeccaF ( 02/06/2008 20:11)

Ilay fanasokajiana hoe: "izao tontolo izao" mihitsy no tsy mety amiko. Ary maro no mihevitra fa rehefa an'izao tontolo izao dia ratsy. Toy izany koa ny resaka fanasokajiana ny "Fanahy" sy ny "nofo". Izay an'ny fanahy dia tsara, izay an'ny nofo sy momba ny nofo dia ratsy. Filosofia notovozina an-jambany avy amin'i Paoly.
Io ny ahy no tsy iresahako loatra resaka fivavahana, sy tsy iadiko hevitra amin'ireny mpitory ireny.
19. Koditra ( 02/06/2008 21:24)
rebeccaF:

Tena marina mihitsy io fanamarihanao io, ary matetika mampifanditra olona.

Ny fiainana ara-panahy dia fanomanana ho @fiainana mandrakizay, ny fiainana ara-nofo kosa dia mariky ny mbola fahavelomana eto @zao tontolo izao izay namafisitsika rehetra :
ikaretsaka:
nefa samy eto @ "izao tontolo izao" le hira ho hiraina"

niryna:
mbola miaraka ny olon'izao tontolo izao isika ary miaina amin'izao tontolo izao ka tsy afaka hisaraka an'izao tontolo izao.

spinoza:
Zany hoe mbola tsy any andanitra akory isika fa mbola eto antany
20. fahamarinana ( 03/06/2008 07:02)
rebeccaF:
Io ny ahy no tsy iresahako loatra resaka fivavahana, sy tsy iadiko hevitra amin'ireny mpitory ireny.

:arrow: au contraire tokony resahana kah toy izao partage ataontsika izao ihany.Eny na mety tsy hampiova inona fa hampisy ilay fieritreretana ao amin'ilay olona mpamaky.Fa marina fa misy tokoa olona dia midrikina mafy ka ndraindray manafitohina.Ny fanafitohinana mbola tsy olana aza fa misy ny ondry dia tafatsoaka satria tsy mahazaka.Ny fiteny koa moa ndraindray mandratra be. (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0618