Hiran'izao tontolo izao
41. fijo
(
05/06/2008 20:40)
tsy hoe manana fahalalana mihoatra ny hafa letsy ireo ry ika,fa tsy ampy fahalalahana noho ny hafa .izay no olana.
42. ikaretsaka
(
05/06/2008 21:28)
ary raha atao hoe mihevitra ny tenany ho manana fahalalana mihoatra nohon'ny hafa ka manadino ireo hafa?
43. Koditra
(
05/06/2008 21:48)
fijo:
manontany i koditra hoy inona no atao an'ireny??
ireny anie letsy olona efa mitapina ny masony sy ny sofiny e.rah ahiresaka aminy dia lany andro eo ialahy.fa amiko dia manao izay ataonao ianao,de avela izy ho eo;hiariary eo,fa mety ahatsiaro tena ho miavaka ihany ny hiafarany.
Za koa letsy ry fijo ankoatr'io mitampina maso sy sofina voalazan'elah io,
dia nieritreritra koa arak'ilay voalazako ery @ farany ambony ery hoe sao dia ilay antoko-pivavahana misy ilay olona mihitsy no mandika vilana sy manome fampianarana diso. Ny antony mantsy dia izao, tsy hoe izay olona mpivavaka be rehetra dia manao fisainana sy fomba fijery toy izany daholo fa efa fantapantatra ihany hoe izay mpivavaka avy atsy na ary @fiangonana ary ilay mikatona saina ôtran'izay.
D marina ny voalazan'elah hoe avelao izy ho eo ...
Zao koa anefa, raha entre zareo samy zareo ilay foto-pisainana nitaizana azy dia tsy maninona fa ny olana dia entin-drizareo ety @ fiarahamonina iray manontolo ilay izy ary tereny hanaraka an'izay namolavolàna azy izay ny olona rehetra. Dia marina mihitsy ilay voalazan'ny majesty namafisin'ny ari.malala sy ikaretsaka hoe "tokony hajaina ny tsirairay eo amin'ny safidiny fa tsy terena ny olona hanaraka izay maha resy lahatra anao"
44. Koditra
(
05/06/2008 21:54)
Raha raisiko tsotsotra ilay izy, za manokana aloha, za tsy mifidy hira fa ny ahy rehefa tiko, na hira fiderana io na tsia, n'inoninona zay gadona eo, rehefa tiko ilay hira dia iny aho no mampiakatra volume kely dia mistyle maka taho-katsaka hataoko solo-na micro, zé eritreritr'olona any, tsy te-hahalala aho fa zay no tiako. :lol:
Mino aho fa hitovy hevitra amiko daholo ianareo raha araka ny fahitako ny valin-teninareo tsirairay avy.
Mino aho fa hitovy hevitra amiko daholo ianareo raha araka ny fahitako ny valin-teninareo tsirairay avy.
45. Koditra
(
05/06/2008 22:21)
fijo:
tsy hoe manana fahalalana mihoatra ny hafa letsy ireo ry ika,fa tsy ampy fahalalahana noho ny hafa .izay no olana.
ikaretsaka:
ary raha atao hoe mihevitra ny tenany ho manana fahalalana mihoatra nohon'ny hafa ka manadino ireo hafa?
Izy roa mitambatra, Tsy ampy fahalalahana hoy fijo, mety ho marina izany satri ireo olona ireo dia tezaina ampanalavirina sy esorina tsikely2 eo @ fiarahamonina iraisan'ny daholobe, dia "mihevitra ny tenany ho manana fahalalana mihoatra nohon'ny hafa", mihevitra fa ny azy ihany no làlana marina, ny an'ny hafa diso.
Tsara apetraka ihany koa aloha anefa fa tsy olana ilay fomba nitaizàna izay, raha hatao hoe izay no maharesy lahatra sy mampiorina bebe kokoa ny finoan'ilay olona, fa averitsika fotsiny ihany ilay nolazain'ny majesty hoe "tokony hajaina ny tsirairay eo amin'ny safidiny fa tsy terena ny olona hanaraka izay maha resy lahatra anao"
46. ikaretsaka
(
06/06/2008 15:48)
fa miresaka an'io ihany isika... izhao moa indraindray dia mitendry gitara beso amina tarika anankiray mpanao hiram-piangonana ireny. dia indray andro izay nisy fiangonana evanjelika kely anankiray izay nanasa inytarikay hihira ao. Izahako tsy nanampo na inona na inona fa dia ilay nentiko aby ny gitarako anakiroa: ny anankiray dia maintymainty misy sarina karandoha izay...( fender Frank Bello edition ho an'ny mpahalala)
Fa talohan'ny niakarana sehatra le manao repet ao ambadiky ny coulisse iny no nihazakazaka tany i dadapasy niangavy be hoe tsy mahazo entina miakatra an-tsehatra hono le gitara fa gitarandevoly =))...
sady tapaka ny tsinaiko no nalahelo azy aho, hoe nga ny endriky ny gitara no nikonty fa tsy ny hira avoakany?

47. Koditra
(
06/06/2008 18:20)
ikaretsaka> zay mihitsy ilay zava-misy, dia aleo mangina fotsiny eh.
Na izany aza, ono oa ry ikaretsaka, raha notenenina ve dadapasy hoe aleo ary fa hotakomana taratasy sy lakaoly fotsiny ilay sary dia mety nanaiky ihany ve izy? dia lasa tsy gitarandevoly tampoka indray lé izy =))

48. fijo
(
06/06/2008 19:48)
tena efa lasa fahaterena letsy le izy an.ary mampalahelo,fa ny adala no mikiakiaka sy be fananarana.
io rangahy dadan'ilay sipa natao mariazy io anie tsy mety miditra ny tranon'ilay havanay mihintsy e.
io rangahy dadan'ilay sipa natao mariazy io anie tsy mety miditra ny tranon'ilay havanay mihintsy e.
49. Koditra
(
06/06/2008 20:15)
Fijo> Tantara iray mampiseho tranga ôtraôtran'zay ihany koa ity holazaiko ity, namako akaiky, nifanerasera sy niara-niasa tamiko t@ 1997 - 2000.
Adventiste lery (mialatsiny indrindra manonona antoko-pivavahana fa zava-nisy moa ilay izy ary tsy sanatrian'izany manenjika), nanambady lery ary tsy adventiste ilay sipa nalainy fa katôlika, raha ny fanao moa izany dia ny vhv no tokony hanaraka ny lhl ary tokony hatao batisa ilay vhv, tsy nanaiky nefa ilay vhv fa te-hitazona ny finoany (tsy ho velabelaritsika ny lalàna sy ny fadin'ny adventiste), rehefa izany dia tsy nanaiky ny adventiste hanamasina ny fanambadiana, tezitra ihany koa ny ray amandrenin'ilay bandy namako ary tsy nankasitraka ny fanambadian'izy ireo. Nahery ny fitiavana, rehefa tsy nanaiky ny fanamasinana ny adventiste dia nanaiky kosa ny katôlika izay fiangonan-drazazavavy ary tsy natrehan'ny fianankavian'ilay lhl, vita soamantsara. Tsy nifampiditra atrano t@ fianankavian-dralhl ny tokantrano vao an'izy roa, tonga ny zaza. Efa feno 2 taona mahery kely ilay zaza vao niaiky ny fianankavian-dralhl fa izay no lahatr'A/tra ary tsy ho verin'izay tsy ho zafikeliny ny zanak'izy roa, niverina t@ laoniny ny fifandraisana, tsy maintsy nekena ny zava-misy. Azonareo no tiko ambara.
Ny tiko tenenina @fijo dia ny hoe, indray andro any, tsy maintsy hanaiky ny zava-misy io rangahy io, tsarovy aho rehefa tonga izay fotoana izay! :lol:

50. niryna
(
06/06/2008 21:06)
Izao no mba hevitro,maro ny olona mandray ny tenin'Atra amin'izay Atra tiany fa tsy amin'ny maha ATRa an'ATra. ka eo no mipetraka ny olana.Raha mbola tsy tonga i kristy dia efa maro ireo nanao karazana zavatra tsy nifanaraka ny sitrapon'Atra "ry fariseo mpihatsaravelatsihy" no nilazany azy manaiky ahy eo amin'ny molotra hianareo hoy i kristy fa ny fonareo manalavitra Ahy
Dia aoka izany i kristy no hitsara fa olombelona avokoa ireo tanisaintsika rehetra ireo.
Misy fahamarinana ny tenin'i Majesty ary eo koa no mbola olana satria raha mbola tsy tonga i kristy haka ny olona dia tsy maintsy miaraka ny olon'izao tontolo izao ny olon'Atra .Ny olona izay ao anatin'ny hazavana no hizara fahazavana ho an'izay mbola ao anatin'ny miaizina.Na izy ao anaty maizina aza anie tsy mahalala hoe ao izy e,ary ny efa ao anaty mazava indray aza no mametraka ny jirony any ambany fandriana ?
Tsy misy afaka misaraka ny olona satria ny fitiavan'Atra no nozarainy ho antsika tsirairay avy.Mety tsy mino an'Atra izy,mety tsy mila vonjy izy fa izany akory tsy hiatahana azy na hiheverantsika kristiana hoe tsy manana an'Atra izy dia tsy mba olona mitovy amintsika.
Ireo ohatra nolazainareo rehetra ireo dia fitsarana ety ivelany fotsiny,ny fo izay mandray an'Atra no tadiaviny fa tsy ny hoe tsy mahazo manao an'izao,tsy mahazo mihinana an'izao.
asa aloha fa izay no mba hevitro ry

51. Koditra
(
06/06/2008 22:12)
niryna:
Izao no mba hevitro,maro ny olona mandray ny tenin\'Atra amin\'izay Atra tiany fa tsy amin\'ny maha ATRa an\'ATra. ka eo no mipetraka ny olana.Raha mbola tsy tonga i kristy dia efa maro ireo nanao karazana zavatra tsy nifanaraka ny sitrapon\'Atra \"ry fariseo mpihatsaravelatsihy\" no nilazany azy manaiky ahy eo amin\'ny molotra hianareo hoy i kristy fa ny fonareo manalavitra Ahy
Dia aoka izany i kristy no hitsara fa olombelona avokoa ireo tanisaintsika rehetra ireo.
Ialana tsiny @ niryna fa tranga iray, izay olombelona no voakasik\'ilay izy, no niandohan\'ny loha-hevitritsika, tsy natao hoe anenjehana na itsaràna azy akory no tanjona tao anatin\'ilay loha-hevitra fa kosa natao hakàna lesona sy hanitsiana izay mety ho lesoka teo @ ilay tantara fototry ny lohahevitra sy izay manodidina mifandraika aminy. Marina tokoa fa kristy no aoka hitsara.
niryna:
Misy fahamarinana ny tenin\'i Majesty ary eo koa no mbola olana satria raha mbola tsy tonga i kristy haka ny olona dia tsy maintsy miaraka ny olon\'izao tontolo izao ny olon\'Atra .Ny olona izay ao anatin\'ny hazavana no hizara fahazavana ho an\'izay mbola ao anatin\'ny miaizina.Na izy ao anaty maizina aza anie tsy mahalala hoe ao izy e,ary ny efa ao anaty mazava indray aza no mametraka ny jirony any ambany fandriana ?
Tsy misy afaka misaraka ny olona satria ny fitiavan\'Atra no nozarainy ho antsika tsirairay avy.Mety tsy mino an\'Atra izy,mety tsy mila vonjy izy fa izany akory tsy hiatahana azy na hiheverantsika kristiana hoe tsy manana an\'Atra izy dia tsy mba olona mitovy amintsika.
Io tenin\'ny Majesty io moa izany raha ny fahitako azy dia niarahan\'ny rehetra nanaiky ary mbola namafisiko indroa aza angamba. Na eo @sehatra mahakristianina na eo @fiarahamonina @ ankapobeny dia ilaina foana ny fanajana ny safidin\'ny hafa satria samy manana ny fomba fijeriny ny rehetra. (tsy asiantsika detail intsony).
niryna:
ny fo izay mandray an\'Atra no tadiaviny fa tsy ny hoe tsy mahazo manao an\'izao,tsy mahazo mihinana an\'izao
Isaorako manokana an\' niryna fa mahavaly mivantana an\'ilay fanontaniako teny @ ilay loha-hevitra manao hoe : \"Tena izay ve no takian\'Andriamanitra @tsika?\"
Averiko fotsiny ny hoe : tsy mitsara olona isika, matoa nilaza sy nitantara ny zavatra hitany sy niainany ireo izay nanome ohatra dia tsy natao anenjehana akory sanatrian\'izany fa natao kosa mba hakàna lesona ary na ireo olona mety ho voakasiky ny ohatra aza angamba raha mahita ity forum-tsika ity dia mino marimarina aho fa handini-tena sy haka lesona tandrify azy ihany koa. Izay no kinendre-tsika ato anatin\'ity forum ity. Sa tsy izany?
53. fahamarinana
(
07/06/2008 08:55)
:arrow: miombon-kevitra amin'ny koditra 100% koa za eto.Izay fandinihan-tena sy fakana lesona izay mihintsy no tena hitako fa tanjona irina.Ekeko mihintsy hoe izay ilay tanjona amin'ny fidirana forum toy itony fa io moa samy manana ny tanjony.Tsara ny mitory Teny fa tsara koa ny miheno sy mandray ny any hafa.Angaha moa dia handray sy hanaiky ny hevitra hita diso,azo atao koa ny mamaky dia mitondra am-bavaka dia tsy mitsara.
HS :mba dadany koa lay pseudo-nao ry koditra. :wink: (l)
HS :mba dadany koa lay pseudo-nao ry koditra. :wink: (l)
54. Koditra
(
07/06/2008 15:25)
fahamarinana> Fa maninona anao koa zao io pseudo-ko io? Za ary efa mba nisahirana ery nikaroka an'io :lol:
Saika hataoko hoe fahamarinana na hoe niryna, kay efa nisy naka ilay daôly. :-D
Saika hataoko hoe fahamarinana na hoe niryna, kay efa nisy naka ilay daôly. :-D
55. Koditra
(
07/06/2008 17:07)
fahamarinana> Fa maninona anao koa zao io pseudo-ko io? Za ary efa mba nisahirana ery nikaroka an'io
Saika hataoko hoe fahamarinana na hoe niryna, kay efa nisy naka daôly.
Saika hataoko hoe fahamarinana na hoe niryna, kay efa nisy naka daôly.
56. fahamarinana
(
08/06/2008 08:24)
:arrow: tsy maninona fa ohatran'ny mampihomehy,kely ihany...,mampahatsiahy B.D gasy famakin'ny zokinay lahy taloha zay.Bedy eto fa nivaona ny dinika.Miala tsiny amin'ny namana fa tsetsatsetsa tsy aritra kely monja iny. (l)
57. ari.malala
(
12/06/2008 06:50)
miombon-kevitra am famaharinana amle hoe
Tsara ny mitory Teny fa tsara koa ny miheno sy mandray ny any hafa.fa rehefa mitory akory tsy hoe izay teneninao d marina dool fa ts anao ny teny! ary tsy hoe rehefa tys mitovy hevitra aokry d manohitra, na hoe rehefa misy tsy mazava ka mametraka fanontaniana d manohitra izay
59. ikaretsaka
(
12/06/2008 14:53)
ari sy faha> marina tanteraka izany!
amiko dia fitoriana=fifampirazana (partage)
amiko dia fitoriana=fifampirazana (partage)
60. fijo
(
12/06/2008 22:01)
koditra,asa letsy raha mety hiova ihany,fa nisy zaodahiko tamina sekta koa maty,ary naika lasa ady totohondry mihintsy ny fiandrasana ny fatiny,
ny antony dia tonga ny sekta ,ary avy dia nanilika ny rahalahin'i lery,fa efa ry zareo hono no rahalahy sy anabaviny ,ka ry zareo no tompon'andraikitra amin'ny fikarakanana azy."tena avy dia teny mivantana eo imaso eo io an"ny rahalahiny nefa mbola tena tao anaty fahorian abe iny,fa avy dia lasa ny tehamainan'ilay zokiny iray;ary nifampisakanana teo.ny dadandry zalahy moa tsy niteny intsony fa efa nalahelo loatra"faralahy io maty io"
fa nakana polisy ny niafarany(tamin'ny 91 izany no nitranga tao ankadifotsy tao.)ary ny polisy no niteny hoe ny iray tampo aminy sy ny rainymbola eo,ka aminay dia ireo no tomponandraikitra voalohany.izay vao nangina ny sekta.nangina fa tsy niala fa teo foana koa mandrapandevina.
ka dinio ihany ry zareio ity sekta ity,fa sao hanimba ny hiafarany.