ANTSO MAIKA BE!

1. endrika01 ( 30/05/2008 16:02)


Manao ahoana daholo ny namana!

Ity mba misy hafatra maika be,hoanareo namana rehetra ato
amin\'ny namana serasera,izay mahalala na mahafantatra,na
mahita ireo namana voakasika ity antso maika be ity,ny any Dago
izay an.


Mino aho fa tsy zaza ireo ho voakasika ity resaka ity fa efa
olon-dehibe daholo!ny ankizy alefa hiasa aty
Beyrouth Liban izany,na ianareo tena maika be ny andeh aty.



Voalohany tsy hoe mialona ny asanareo akory ny tenako.
Faharoa zava-misy sy tena marina no ho hampitaiko.
Fahatelo ataoko angamba fa tsy ilaina tsikera satria hafatra
hentitra no tiana ho hampitaina.

Fitiavana matoa lazaina eto mba hanatsarana bebekokoa ny
fiaingan\'ny vehivavy rehetra any Dago ho aty .
tsy miamdraikitra Birao ny tenako,tsy maka an\'izan\'iza fa mampita
hafatra maika.
Misaotra mialoha amin\'ny fahazotoana hamaky
izay tiana ho hampitaina,etsy ambany!
fohifohy iany fa tsy lava akory!



TSY haiko ireo mpiandraikitra aty DAgo na efa mahaheno na tsia,
ianareo mandefa namana hiasa aty.Fitiavana ny anareo ny handefasana olona hikarama aty.fa izao e,
======Mba lazao izy ireo ny fiton-dratena tokony ataony
aty ,lavitra i Dago,fomba fiakanjo ny fanaovana jupe hatreny am-poto-pe ajanony aty Dago refa miaraka mivoaka amin\'ny mpampiasa.

(misy tantara be aty ka aoka izay vao hoavy no ho mailo tompoko ô,hajao ny tenanao f\'aza avela hanarian\'ny hafa ny mavesatrany.)fa sao lahy ka bikina aty,ka we hamono tena na hanaratsy Birao,hajao ny tenanao hanajany hafa anao,misy anie ny lehilahy aty,vao mahita anao manao pataloha manara-batana aza dia efa mandihindihy ny guitar keliny e,tsy mi-vazivazy aho fa tena serieux be miresaka izao,fitondran-tena tompokoô verina millefois.

========Mba sahisahy refa miresaka amin\'ny mpampiasa,mahaiza mamaly
fa tsy mety ny ataony,tena mamoafady,na bokon\'ozatra be izy
na ngeza be hotran\'ny trimobe,tsy ilaina mifezaka izany.

Misy tovovavy avy any @ faritra avaratra aty ,isaky ny lasa miasa ramatoa na mi-voyage dia tonga rangahy ,mandrahona sy mampinono ny azy
tsy mamenatra ny miteny izany aho, ary lazainy le rangahy we Sarmouta refa afaka ny mavesatrany (tsy hainy ireo vhv aty vao tonga akory ny dikan\'io = jiolahim-bavy na makorely koa aza izy aby zay)vao tsy mbola nahavita ny essai-ny 3 volana io tovovavy io,mitaraina be,mailomailo nareo eny Talatamaty eny fa avy eny hono ny Birao nandefa azy!Mailo @toro-hevitra hentitra tokony hampitaina an,alohan\'ny handehnan\'izy ireny.


tsy hoe ho enjihin\'ny police ny birao eny talatamaty vao mandre izany,fa we
anaro ny tovovavy mandeha aty aza matahotra ny mananatra na efa miteraka na tsia,fa tsy hisy hiaro anareo izany aty e,ny birao tsy ahita zay any @ lava-trano any ,fa ampiasao ny coco ny ati-doha.



======misy namana avy any Atsirabe koa izao migadra vao tonga vao haingana 4volana teo ho eo,tsy hay na marina na tsia fa hoe nangalatra hoe hoy ny mpampiasany,tandremo ny tanana,tsy hay zay tena marina,

mety ny mpandraikitra efa nanoro anareo ny tokony atao retra raha tratry ny olana goavana ao am-piasana ao,raha afaka miatso atsoy ny birao na eto na any Dago,raha tsy afaka miatso,miatsoatsoa vonjy eny an-davarangana,raha tena tsisy fika dia miatsoa ny caritas,anotanio ny birao ny numero,fa io no afaka miaro anao akaiky fa tsy ny samy gasy tsotra eto ,ka manana trano manokana k a hoe nde hialokaloka any, afa-tsy ireo Birao
isatsokajy na Communauté .



Mailo nareo Birao any Antsirabe ,Talatamaty,Anosibe,fa ireo zao laloa no voatonona matetika an,aza matoritory fa seraserao.


Raha vao misy mianjady aminireo gasy alefanareo manko tonga dia ny Birao
nandefa no tononon\'izy ireo fa izy tsy manameloka ny tenany mihintsy.
Mety ny firenena retra misy hoatr\'izany daholo ny mpampiasa ratsy toetra tsara toetra,misy koa gasy eto faly mintsy manao ny ataony miaraka @
mpampiasany ao refa lasa madama,

tadidio sy tsarovy ry Andriam-bavin-danitra isany,fa raha nanaiky azy ianao ka misy manjo anao,dia aza manantena fa ramatoa dia miaro an-drangahy 100%
sao mihevitra fa hitaraina any @ madama fa bevoka fa rangahy no .....
fery faty wa,kôzy e.


ZAy ,tsisy zavatra be de be ho ambara fa ny FITONDRAN-TENA,ataovy
ao an-doha fa very faty wa,mi-sacre kely @ retraretra mintsy fa any Dago refa vita ny contrat manao zay tiana atao.



========Miantsoa Birao,eto Liban,any Dago,ny Caritas eto.

========raha sendra tojo ireo ambony ireo,endrikendrika,fanararaotana

ataon\'ny lehilahy na mpampiasa na zanaky ny mpampiasa,tsy ny re
hetra anefa no tratran\'io fa tsirairay,ny fitafiana mamoafady,ny
fi-charmé-na be ,sy ny fiangolangolana,hentitra ,dia ampy zay


Nareo Birao retra omeo antso an-taroby exacte tsy miovaova ny ankizy mandeha aty.

MISAOTRA TOMPOKO!



novalian'i jenni ny 04/11/2009 08:50
2. kiadi ( 30/05/2008 16:55)
fa misy in fa tena tsy azoko?maditra anga ny ankizy any sa oe in no tena tin'i endrika ampita amin'io ? sa mananatra sy manoro hevitra izay ho avy?
3. ambibao ( 30/05/2008 17:15)
mba ataovy résumé moa fa tena lava loatra kanefa mahaliana e !
sôtra
4. fahamarinana ( 30/05/2008 17:35)
:arrow: lava tokoa fa en somme tandremo zany ny tenanareo ry vehivavy raha ho any aminio toerana io.Mba apetaho eto kosa ilay numero tel-ny caritas na olona azo antsoina sao dia mba ilain'ilay zavavy sendra olana e? (l)
5. milaibe ( 30/05/2008 18:48)
raha fintinina izy io dia mila mains d`oeuvres @ fanorenana ny liban dia malagasy, sry lankaise ,phillipine ,sns no betsaka no hafarany en partenariat @ BIT ( Bireau International de Travail) ireo birao voatanisan`i endrika ireo izay no nasiany fitandremana angamba
6. fahamarinana ( 30/05/2008 19:08)
:arrow: ary voatery vavy be angaha no mankany fa tsy mety lahy ? aminizay tsy misy olana sa vao maika koa pire fa lay mme ndray no hitazona andry zalahy ao? (l)
7. zandikely ( 30/05/2008 23:25)
Tsy azoko mihitsy ny tianao ho lazaina. Mihodinkodina loatra tsy hainy ny tena ventindresaka.
8. dadabe ( 31/05/2008 04:55)
mazava b kosa ny tiny lazaina e ...oe raha misy olona te hiasa any liban dia aoka mba ho matotra ara-pitondra tena fa tsy hanao makorel (vehivavy) :°) :°)
9. ainaheri ( 31/05/2008 05:42)
Amiko ra ny marina tsisyy idiran'ny birao @ zany ee,aiza mou no halalan'ny birao an'zany we ingahy ry mpampinono refa tsy eo bofy? Ianao iany,ny tenanao,refa hainao manaja sy mitandrina ny vatanao sy ny filana reetra,ataoko angamba tsy ho hisy zany,tokony hevitra nomen'ny Endrika we inn ny tokony atao refa tojo olona?? Moa ve ireo birao nandefa anao reo mety ahavaha an'zany ary vonona ny hiaro anao raha misy ny fankanesana any @ tribonaly? Sa le manao mody fanina ilay birao,na kou manao teny mampahery we,"hiafio ao alou fa refa vita ny contrat libre enao"???
Zvtr tiako tenenina zany d zao Io tsisy idiran'ny birao sy ny mpampinono.....refa hainao ny manaja tena d ampy zay,,,,,,,,,nefa kou sarotra iany mataotra an'le voaroaka lol

D bon courage ry zavavy isany aaa,tandremo iany ny entana d aza atao varo-boba fa mba sisao iany ny a dago :roll: :oops:
10. xxx ( 31/05/2008 07:01)
raikitra ihany zany ny varotra olona!
11. tess ( 31/05/2008 07:33)
lay izy izany izay sipa gasy mande miasa any liban dia betsaka ny patron lahy manararaotra manao tsindry azo lena, zava-mamoafady tsytokony hatao am lay vavy gasy miasa ao aminy....efa nahita fandaharana tam tv momba ny vevavy vahiny miasa any aho, fa raha sendra ny patron ratsy loha sy krapilo dia azony tanteraka enao, tsy afaka mitory, raha tsy mahalala nin nin moa dia very tanteraka ka tsy maitsy manaiky zay tiany hatao aminy, ao ny miasa tsy omeny karama, mal traitées sns.....
mampalahelo anie e! tsy ny gasy ihany fa ireo vevhivavy avy any amin'ny firenena mahantra mba te hitady vola hamelona ny fiankams any am fireneny any...tsy araka ny ampoizinao sy nieritreretanao azy anefa rehefa tonga any fa zvtr hafa mitsy no miandry anao...mampalahelo .....
efa resa-be foana io ka maninona koa ary no mbola misy sahy mandeha any ihany...misy alou ny patron tsara fa toa ny ratsy no betsaka.... :?
12. fahamarinana ( 31/05/2008 11:39)
:arrow: ka raha io lazain'ny tess io anie zany ny patron sasany no tena manararaotra kosa fa oh hoe ny vehivavy rehetra lasa any dia manao ratsy toetra sns e.Ny tiako tenenina dia mety manaja ny tenany izy fa forcer-na,ny tena rahateo lavitra koa tsy afa-manoatra.Ny mety dia ny tsy mandeha angambany satria efa resaka efa ela tokoa io resaka io ary efa toy izay foana no faheno hatramizay fotoana zay.
Dia nefa etsy andaniny ny fitadiavana dia inona no atao zany? na ny birao manara-maso ny mpiasany dia mampody azy malaky nefa charge be sy vola tsy hita popoka no takian'izany rehetra izany (l)
13. zandikely ( 31/05/2008 13:05)
LIBAN= Firenena mikorontan-dava, tsy misy filaminanana
Ny olona avy any aza miala mandeha antoerana hafa. Tsy misy tany hafa azo aleha ve raha tsy any e?
14. Papoose ( 31/05/2008 20:45)
za mbo saika ho any nefa! :-P
15. yonikafopl ( 31/05/2008 23:37)
Zandikely, sahiko ny milaza aminao,ary tongava aty raha tsy mino fa any Dago mikorontana sy mampitahotra noho ny aty Liban. Raha ny any Frantsa any no misy korontana, misy grevy , misy ady saritaka tsy dia maninona, fa maninn raha vao ny aty Liban no misy grevy dia lazaina fa mikorotandava?? Ekena fa nisy ny ady efa ho 15 taona lasa, efa vita iny fa tsy hoe isaky ny mihetsika de lazaina fa tany miady foana liban, tany Dago taloha nisy ny ady sy ny famonoana, dia isak\'izay misy grevy ve de ho lazaina foana fa tany mikorontana sy miady Dago?. Za mamaky gazety foana fa tifitifitra ,vono olona,vaky trano,zazavavy tsy ampy taona no violer n ny dadany no hitako isanandro ,mampihoronkoditra ny fiainana any Dago, izahay miaina aty Liban ,raha za manokana aloha dia mahita fa azo iainana kokoa aty aminay e, fa ho anareo tsy aty dia afaka miteny izay lazainareo, fa hoy aho hoe tongava aty dia ho hitanao fa mahafinaritra ny fiainana aty aminay.
Na aiza na aiza rehefa hainao ny miaina ,hainao ny manaja ny tenanao sy ny manodidina anao dia milamina foana ny fiainanao.

xxx torohevitra no ataon\'i Endrika ,fa tsy misy hidiran\'ny varotra olona mihintsy eo ngamba fa aza mampiseho ny fahambaniantsaina, sa heverinao fa entambarotra ny malagasy ka azo varotana???

tess , tsy zazakely akia ny mpiasa mande aty Liban fa efa olondehibe daholo a, ataoko ngamba fa afaka miaro ny tenany tsara. Raha njy zao ve no forcer na hinono ny zavany de hanaiky??? matoa minono manome fahafahampo azy dia manaiky izay, fa raha iny no ampidirina ao ambavako rehefa tsy sitrapoko de kekeriko any iny sady porofo tsara hiarovako ny tenako izay.
Ary za maheno kou ny mpiasan\'ny sinoa sy ny maorisianina any Dago any mbola mihoatra lavitra noho izany no mahazo azy ireo any, satria ve any Dago de tsy maninona na mampijaly mpiasa aza ny mpampiasa, fa raha aty Liban de we tena fijaliana tsy rariny mintsy??Tsy ny aty Liban irery no misy olona ratsy saina mampijaly fa na aiza na aiza, za manaraka ny vaovaon\'ny BIT foana fa ahitana fitarainana daholo manerana ny vazantany, na any Frantsa na any Amerika dia misy ny mpiasa voan\'ny tsindry azo lena.

Ny torohevitra atsipiko ho an\'ireo izay maniry ny hiasa aty liban, fakafakao tsara aloha hoe inona no ataonao aty, inona ny condition, aiza ny contrat de travail,ohatrinona ny karama sns ,dia diniho ambony ambany tsara hoe ekenao ve ilay izy, vitanao ve ? anontanio tsara koa hoe raha misy tsindry azo lena mahazo inona no vahaolana azo atao any, maka toky tsara.Rehefa hitanao fa mazava ilay izy ary maharesy lahatra anao vao mandehana, fa raha mbola misy mampanahy dia aleo mijanona . Ary AZA MANAIKY MANDEHA MIHINTSY RAHA TSY MAHITA TSARA NY CONTRAT DE TRAVAIL VITA SONIAN\'NY MPAMPIASA ARY NO VISER NA TANY AMIN\'NY CONSULAT DE MADAGASIKARA ATY LIBAN. Nataoko sorabaventy mihintsy io satria dia betsaka mihintsy ireo ankizy tonga aty tsy mahalala ny contrat sy ny condition akory. Dia manaonao foana mihintsy hoe hiasa any amin\'ny firy kilometatra lavitra any ve dia tsy mba mangataka akory ny contrat hifanaovana any?? CONTRAT MISY FITOMBOKY NY CONSULAT ,misy ny numero sy ny email an\'ny consulat any azon\'ny fianakaviana tsara ny mandefa email na miantso raha misy olana. Ny fanananao io contrat io no antoka iray ho anao raha sendra ny olana aty Liban, satria raha tsy mahare vaovao avy aminao ny fianakavianao isambolana dia afaka mampandre ny consulat izy ireo rehefa tsy hiraharaha ny birao nandefa sy nanafatra azy, anjaran\'ny consulat amin\'izay fotoana izay no mijery azy satria hananany any daholo ny adiresin\'ny mpampiasa sy ny an\'ny birao. Ny mampalahelo anefa dia betsaka ireo birao no tsy miraharaha akory io contrat io, ialany lavitra mihintsy ny resaka mi viser ny contrat any amin\'ny consule satria dia tsy miraharaha ny mpiasa afarany izy na inona mahazo azy any na inona. Toa efa notapahin\'ny filankevitry ny minisitra fa tsy mahazo mivoaka eny ivato intsony izay hiasa aty liban ka tsy manana io contrat an\'ny consule io, saingy indrisy noho ny risoriso misy eny dia mbola betsaka tokoa ny tonga aty Liban tsy manana na singana taratasy iray aza, eny fa na dia ny numeron\'ny birao aty Liban aza tsy hananany akory.
Betsaka ny mpiasa mijaly rehefa sendra ny mpampiasa ratsy saina sy birao tsy miraharaha, betsaka koa nefa ireo izay tsara vintana ka sendra ny olon\'Andriamanitra ka mahatsiaro ho sambatra ery. Tsy ho tantely foana ny fiainana fa misy dia misy tokoa ny vahona , na aiza na aiza rehefa asa dia misy olana foana fa ny fahaizana mamaha ilay izy no ilaina.
Tokony ho tsaroana aloha fa mila fandavantena sy fihafiana izany hoe hiasa aman\'olona izany. Rehefa tsy manana an\'izay dia aleo mijanona any dago .

Eo am ty resaka fitondrantena ty ,Fa tena laingalainga aa, fa tena mahamenatra mintsy ny fitondratena\'ny tovovavy malagasy amin\'izao fotoana izao, ny vadiko mou de nilaza mihintsy hoe tsy misy lastika ngamba ny silipon\'ny vehivavy gasy ozy ka mora miborotsaka, fa tena 70 isanjatony dia bevohoka tsy manambady, na misy aretina toy ny hepatiteB sy ny sifilisy,mampalahelo...


16. yonikafopl ( 31/05/2008 23:40)
ooppss lasa lava be le izy fa azafady eeeee, mazotoa mamaky aby :wink: :)
17. xxx ( 31/05/2008 23:42)
zandikely:

LIBAN= Firenena mikorontan-dava, tsy misy filaminanana
Ny olona avy any aza miala mandeha antoerana hafa. Tsy misy tany hafa azo aleha ve raha tsy any e?




efa hitan'ny eran-tany io e! efa film nandeha na inona lazain-jareo na tsia e!
aza mandeha any fotsiny dia ampy!
18. yonikafopl ( 01/06/2008 00:02)
Tsy forcer na kou nge ny mandeha aty liban ry xxx eeeee, samy manao izay tiany io. Ny te ho avy tsy azonao forcer na hijanona, ary ny te hijanona tsy azonao forcer na ny handeha.
Fa na hitabataba eo koa aza ianareo hoe miady Liban eh , lazaina doly zao atsanga tsy aman'orana rehetra izao, toa arakaraky ny hanaratsiana ny aty no toa vao maika mibosesika ny olona tonga aty, tsy ny gasy ihany fa ny olona manerana izao tontolo izao mihintsy.
:)
19. xxx ( 01/06/2008 07:01)
yonika;! xxx tary ka hatraty io!
20. yonikafopl ( 01/06/2008 08:19)
xxx18 za kou efa mba maharaka amzay an le xxx ka, any aorianako any foana io no manarakaraka fa tsy ho lasa alohako mihintsy ka aleo hanao fa refa reraka ve tsy hijanona :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1732