ANTSO MAIKA BE!

101. endrika01 ( 29/06/2008 16:01)
[quote]-----------------Madagascar============> 150 dollars/mois[/quote]


nY KARAMA FARANY AMBANY ZANY ZAO ,hatramin'io DATE io dia 150dollars :-w :-w :-w


De bon courage dôly e!!!!!
102. holysan ( 05/07/2008 10:20)
sao kosa ary zay mintsy no zava misy refa any matoa vehivavy tena no alefan'ny birao so efa zay no tadiavin'ireo lehilahy avy any ka refa tonga any de tsy afa manaotra aiza ve de ho ratsy fitondratena fona ny vehivav gasy, mety tsy manapidina iz asa no eritreretina kanjo asa hafa mihitsy no miandry aleo iany eto dago wa
103. endrika01 ( 05/07/2008 17:10)
Andraso fa homeko sopapa nareo.:D
104. tsiambaratelo ( 06/07/2008 13:00)
holysan:

sao kosa ary zay mintsy no zava misy refa any matoa vehivavy tena no alefan'ny birao so efa zay no tadiavin'ireo lehilahy avy any ka refa tonga any de tsy afa manaotra aiza ve de ho ratsy fitondratena fona ny vehivav gasy, mety tsy manapidina iz asa no eritreretina kanjo asa hafa mihitsy no miandry aleo iany eto dago wa



Manao ahoana doly ndray ary e!


Handray fitenenana kely angamba i tsiambaratelo eto.
Na gasy vhv 1 monja aza anie no manao ny ataony eto,
tonga dia ny rehetra voaray ao daholo.


Ohatra iray ity: Misy ny sasany matimatim-bola ka na hiaraka @
mpampiasany aza tsy asiany olana ka vola ka,ié efa naheno aloha
ny sofiko


,ny mpampiasan'ilay sipa manome azy 10dollars,isaky ny
miaraka ry zareo,raha in-3 isan'andro zany dia x3 ,de isan'andro
de mahazo vola be kosa izy kou?IRENY NO TENA MPAMOSAVY,satria nahoana???????


Tsy ho sekiré hoan'ilay lhl mintsy iny,fa 1minitra monja aorian'iny
de miparitaka eran'ny Liban
ny vaovao;zany hoe ,MANDRE daholo ny naman'ilay lhl,dia hoavy @
zay izy ny hanao ny tsy mety @ tsy manan-tsiny rehetra satria hoe
nahoana ny mpiasan-drabe manomé kou ny ato amiko tsia?
tonga dia vetavetaiko @ zay tiko anaovana azy,ny ary aza zany
miaraka foana koa.



Eny fa na misy aza ny tena jiolahimboto;dia miampy ny ataon'ny
sasany dia vao maika tena masiso.



tsy niteniteny foana angamba ny Consul raha mbola mamerimberina
sy nananatra fa raha HIERITRERITRA NY HIVARO-TENA FA TSY HIASA NY
HAHATONGAVANA ETO LIBAN DIA TONGA DIA MIPETRAHA ANY DAGO
F'AZA MITSOFOTSOFOKA ATY AKORY!!!!!



(Ny vola fitady ry zareo a,aleo azo @ tsara toy izay vidin'ny any ambany)

Ka mbola averiko eto zay voalazan'i ps endrika01 we,zay tratrako tonga
dia any @ consul ny anarana,mody any Dago avy hatrany.
Mazava be angamba zay!
105. endrika01 ( 14/07/2008 11:57)
Manaona ndray ary e!Ny tenako moa dia tsy ho sasatra mintsy hanome,toro-hevitra.FITONDRAN-TENA,hoan ilay tovovavy Malagasy nifanojo t@DEBA(MPAMPIASAKO) tany @Supermarché 1 lehibe eto Liban,conseil aza mangarom-biby an-davaka raha tsy te hahita loza,tsara lay fahalalam-pomba miarahaba ny mpampiasa ny namana,fa ty fihetsika e efa teneniko ery ambony,ny fi-charmer na,tsy fantatro we izy io vhv io,fa de nanonona ny anarako, we ianao Deban i endrika01 e....De eo hoe le vhv de manao fijery, sy fihetsika mikoty olona ireny ny masony sy ny sorokany ozizy,hoatrireny vhv miatsy lhl ireny.Androany izy no nitantara izany tao am-piasana!Izy no tamy avy ao afarako ao ozy!Manalabaraka,mampite-hamelapelaka ny tehamaina,afa-baraka anié ny gasy iray mantolo é,HIASA NO NAHATONGAVANA ETO,HANANGONA NY AZO @IO ASA IO.Fa tsy hi-charmer @mpampiasa ny namana,vao t@io herinandro io no nisy io tranga io!Nanontaniako ny deba de tany @Supermarché Metrostore,ary ho hataoko sava hao ny gasy miasa manodidina io Supermarché io.Mahaiza manaja tena mba hanajany hafa anao.
106. endrika01 ( 15/07/2008 14:09)





MARO BE NY VEHIVAVY MALAGASY ATY MIARITRA NY JIOGAN'NY

FAMETAVETANA,TSY SAHY MITANTARA,KA IZAY MAHATSIARON-TENA

IANAREO VHV,TOVOVAVY,RAMATOA,HIASA ATY DIA IALAO LAVITRA

TOY NY AFO MANDORO NY FITSALOTSALOANA MIARAKA @ MPAMPI-

ASANAREO,NA MPAMPIASAN'NY NAMANA,NA BOGOSY IZY NA BE SOSY

DIA AOKA MIHINTSY TSY HO HATAKALO VOLA NY HAJAN'I MADAGASCAR

MISAOTRA!
=D> =D> =D> =D> =((

(tiana ho tsindriny lay soratra ngeza be)
107. tsiambaratelo ( 16/07/2008 14:06)
VOALOHANY INDRINDRA ALOHA DIA:=====>Fisaorana mitafotafo no atolotro hoany ireo namana Malagasy mpiandraikitra ao @Communauté ny Malagasy eto Liban,sy Atoa Consul,t@fanafahany ny namana voalazan i ps endrika01 ery ampiandohana.Misaotra anareo,satria na somary namoifoy ihany aza ny tenako,(hi hi zah mantsy lay tsy mahandry fa anisany ilay mpanadodona,aiza iany e,oviana iany é,fa aôna é,ntss...)satria somary naharitra 1 volana teo vao voavafa ny olana momba ilay tovovavy reny manan-janaka 3 izay nataony mpampiasany lhl andevo mpinono ny filahiany.Ny tenako moa dia tsy tapaka niantso ny Communauté nanotany ny vao2.=========>efa any @Consul ny dossier ny,any @Caritas,mila miandry isika satria hiantso ny Agence ny eto ny consul,niandry aho ka niandry tsy mbola nisy valiny foana,hay zany ka Cas na Malagasy maro be no efa eo an-tanany Consul,ka lay Présidente mintsy no manao va et viens,manadodona ny Consul,mamoy ny asa,ary lasa mandray Bus makany avaratra be any,mamonjy miresaka face a face @ Consul,izy moa manana ny phoneny personnel,nefa dia tsy maharaka tsony satria de ny masoko izao no nahita:Fa ao anaty ny 30 andro izy dia manolo credit 3 be zao,zay mba vola any am-paosiny any,hiatsoana ireo Malagasy manana olana manao Miss Call azy,averiko ny fisaorana mitafotafo!Dia ialako tsiny ny fandodosako isanandro!:D:D:D
108. endrika01 ( 16/07/2008 14:38)
Hanamafisako ny voalaza etsy ambony a!Nareo zay manana olana,mila faharetana kely,de nareo namana aty Liban na ireo vao hoavy ka manana namana manana olana aty,dia fadio de fadio ny handrisika azy hitsoaka,ampaherezo izy,ampitao @Agence,Communauté ny Consul ny olany,dia ampy fa aza mamporisika ny namana hanao zvt izay tsy mety.Misaotra:D
109. simplex ( 16/07/2008 21:08)
^:^
110. endrika01 ( 19/07/2008 10:35)
:D:D:D
111. endrika01 ( 28/07/2008 06:55)
Manaona daholo njay ary e!Misy fanotaniana 1 ity napetrakana raim-pianakaviana namana serasera manana vady miasa any Liban.Mialatsiny fa tsy afaka ny hamorona dinika vaovao aho,fa tohizako ato ihany! ============>MANINONA HOY IZY NO LASA MASIAKA BE DAHOLO NAREO VHV ANY,REFA TONGA ATY DAGO?Tsy izaho irery no mahita izany fa ny bandy namako rehetra! >>>>>>>>>>> dia novaliako tsotra wé hanotanio ny vadinao.Eny e,hovaliako ny fanotanianao araka ny zava-misy aty.Angamba leo ny gidragidra ataony mpampiasa ,ny zanaky ny mpampiasa izy,dia miangona ao anatiny ao iny dia refa tonga any @tanana izy manala azy.Amizay izy mba maivana. Fa ny anao ny saina no efa lasa lavitra,hoy enao wé: angamba izy nahazo akamakely fotsifatsy tany,ny bandy mou mainty ka angamba heveriny fa saribao dia tsy ananany antra mintsy fa gidraka foana!Conseil omeko anao;makanesa aty ahita e:wink::D:lol::-D
112. xxx ( 31/07/2008 21:17)
manaona ianao tsara ary misôtra ny fiampilazaina. fa ny tiko lazaina @nao io maninn mou ianaio io no mijanona any ra zany ny zavatra miseo any? dé lavarôby bé zany enao io zao any @ io toerana io? dé ainao dôly zany ny fiarovana tena any? maninn ra teneninn fotsiny wé aza mandé aty fa ny olla aty tsy mahay mitanjina tena ny lhl ary tsy matanty mijery vhv sexy dé mety aitandoza ny gasy mandé any? fa tsy atao mangetaeta ambony lakana fotsiny ny gasy fa mahantra dé avy eo refa tonga any izy dé elana bala fa sitrampo no nandeananana tany nefa no ny tsy fananana. RA ZAY NDRAY ALOIOU DE TSY ANDE ANY NA MAHANTRA TONY INNA EO AZA E! ZAY NY MBA AVALIKO IO RESABE IO :evil:
113. endrika01 ( 06/08/2008 20:38)
xxx>Marina mahantra Madagascar,fa ny toetra entina makaty kou ilaina mendrika,matotra,sahy mamaly sy mijoro.// Ohatra akaiky omeko any i xxx ny vhv retra makaty en contrat doly,tsy afaka mivoaka .Dia misy ary tena misy,tovovavy mbola celibataire,en contrat tsy mahazo mivoaka,tsy mahazo mi-phone,tsy afaka mandray ny karamany isam-bolana fa isaky ny andefa any Western zay tsy mandalo ny tanany fa tonga de alefany mpampiasa any. Dia inona no nataony???NIFOKA SIGARA-MISOTROSOTRO-MAMONJY BOITE @SASAKALINA .@fomba ahoana?NAMPANAO DOUBLE NY FANALAHIDY NY TRANO SY NY VARAVARAM-BE MIVOAKA ANY IVELANY.@Fomba ahoana????MIARA-MATORY @CONCIERGE,ARY KOA MAMPIDITRA LEHILAHY AO @EFITRANONY.efa nananatra in-jato aho ,tataka ny vavako,faranizay tovovavy tsotra sy hendry,fa lay madama mpampiasany de le mpanao didy kofehy henjana be reny,ary hoatrany biby fantahorana.>>>>>>>>>>>>>>>manomboka tsy te hahalala azy aho,ary mandé be ny feo any @vhv gasy eny @manodidina azy fa we zah de SIPA FARANIZAY MIAVONA BE!:wink: ntssss iza no higadra mandritra ny 5taona hiaraka aminy raha tratra eo io mpanao la clét sandoka io .Tsy lazainy fa namany eo koa zah,nananatra zaza tsy nateraka manata-bavaaa. Ny vao hoavy no hanarina,aleo mitsabo ve sa wé aleo misoroka ry xxx?????
114. endrika01 ( 11/08/2008 07:21)
Misy namana avy any Antsirabe zao migadra ,efa ho 4volana izay satria nohendrikendrehiny mpampiasa hono hoe nangalatra.
ny endrikendrina teto,dia nolazain-dramatoa mpampiasa fa nangalatra ny volany 1000dollars,namana vao tonga tsy ela taty izy io.Raha araka ny voalazany mpitondra ao @communauté ,dia nasisikilay mpampiasa tao anaty entanio vehivavy io ny valopy nisy vola 400dollars sy vola livre libanais vitsivitsy,ilay valopy dia nisy adiresy ny havany any dago;raha ny fitatarany lay vhv nogadraina dia nampandefa ttasy ny mpampiasany izy,ka mety tsy nalefan-dramatoa ny ttasy fa nalainy ny valopy izay nasiny vola ka nasitriny tao @entakeliny!(N.B:io vhv io zany dia hitan-dramatoa nangorongorona ny entany,angamba nieritreritra ny hitsoaka fa mafy ny kotrana,dia nararaotiny t@zay koa fa wé nangalatra) >>>>>>>>>>>Isaorana be dia be entoana ny mpiandraikitra rehetra ao @communauté,ireo malagasy namana,zay nahafoy fotoana ,ny zanany ny tokan-tranony,nivezivezy namangy tany am fonja na dia lavitra aza,dia isaorana be d be koa Andriamatoa Consul zay miasa mafy tototry ny probleme ny Malagasy aty,isaorana,isaorana satria efa lasa any Madagascar t@week-end teo io namana io!Mbola misy malagasy vitsivitsy any @Prison any;tsy ho ela dia handré vaovao ny aminy isika!Mbola mamerina fisaorana mitafotafo @fiaraha-miasa sy ny firaisan-kina,fifakantiavana:-*:-*:-*
115. endrika01 ( 24/08/2008 10:35)
MANAO AHOANA DAHOLO NJAY ARY E



Hafatra maika be mantsy izy ity ,tara kely vao voasoratro ato.

Lazalazao ny namanareo efa any Liban,na vao handeha fa tena misy
mpampiasa ,mandefa ny mpiasa ao aminy VIDE zany hoe tsisy BILLET D'AVION
any @ aeroport,heuresement ,nanana ny phone ny Communauté,lay
vehivavy,dia natsoiny ny POLICE tao @ aeroport.Amin'ny 2 ora maraina izy ireo no nidodododo naka io vehivavy io tany.

Asaivo atondrony anareo tsara mintsy ny billet-nareo,raha tsy nahalala
antso an-taroby izy dia mino aho
fa tonga dia nidoboka tany am-ponja!


Mailo foana foana aminy lafiny rehetra! (l)
116. tsiambaratelo ( 24/08/2008 13:51)
Mailo foana foana aminy lafiny rehetra!
(l) (l) (l)
117. Lianat ( 28/08/2008 01:30)
salut
za manokana moa dia tsy any Liban sady tsy manana havana any no tsy mieritreritra ny ho any fa dia juste mba hisaotra betsaka an'ireo manohy hatrany mankahery sy manome torohevitra ny momba ny fandehanana sy ny asa ay Liban ty indrindra fa i endrika01,ary tsara ny fampisehona sy fanazavana ny realité misy toy izao

saingy mba fanotaniana manitikitika ny saiko fotsiny oe mba betsaka ve ireo gasy any no mahita ny poste apetrakao ato?
hitako t@ reportage taty paris ny olana mianjady à ireo vahiny tonga hiasa any Liban, betsaka @ izy ireo no hita fa bery fanahy mbola velona sy lasa traumatisé @ zavatra nahazo azy tany,tsy ny gasy ihany fa ao ny filipina sy ny afrikana maro ,izay mampalahelo tokoa satria dia betsaka ny manenina,

ny tsy fananana mahazaka maniraka fa dia bon courage ho an'izay sendra ny olana
118. endrika01 ( 31/08/2008 10:07)
mba fanotaniana manitikitika ny saiko fotsiny oe mba betsaka ve ireo gasy any no mahita ny poste apetrakao ato?




Lianat>faly mahafantatra anao :D

Ny malagasy manana olana aloha dia mazava hoazy fa tsy mahita ity hafatra
apetrako ato ity mazava tsara.

Napetraka hoanireo miditra ato @site,misy maromaro ihany izy ireo,
miasa aty,sy mba mahay mi-surf.

Napetraka hoanireo Agences isa-tsokajiny,misy maromaro ihany izy ireo
ato na eo aza ireo tsy maneho ny heviny na fisaorana ,fa juste manaraka sy mamaky fotsiny ihany. :wink:

Hoanireo manana namana na havana aty,afaka mampita zany eny anivon'ny fiaraha-monina eny

Fiaraha-miasa sy fitiavana ny mpiray tanindrazana fa tsy fisehosehoana,na tanjona hafa! (l) (l) (l)
119. harry5 ( 05/12/2008 14:25)
endrika01:



Manao ahoana daholo ny namana!

Ity mba misy hafatra maika be,hoanareo namana rehetra ato
amin'ny namana serasera,izay mahalala na mahafantatra,na
mahita ireo namana voakasika ity antso maika be ity,ny any Dago
izay an.


Mino aho fa tsy zaza ireo ho voakasika ity resaka ity fa efa
olon-dehibe daholo!ny ankizy alefa hiasa aty
Beyrouth Liban izany,na ianareo tena maika be ny andeh aty.



Voalohany tsy hoe mialona ny asanareo akory ny tenako.
Faharoa zava-misy sy tena marina no ho hampitaiko.
Fahatelo ataoko angamba fa tsy ilaina tsikera satria hafatra
hentitra no tiana ho hampitaina.

Fitiavana matoa lazaina eto mba hanatsarana bebekokoa ny
fiaingan'ny vehivavy rehetra any Dago ho aty .
tsy miamdraikitra Birao ny tenako,tsy maka an'izan'iza fa mampita
hafatra maika.
Misaotra mialoha amin'ny fahazotoana hamaky
izay tiana ho hampitaina,etsy ambany!
fohifohy iany fa tsy lava akory!



TSY haiko ireo mpiandraikitra aty DAgo na efa mahaheno na tsia,
ianareo mandefa namana hiasa aty.Fitiavana ny anareo ny handefasana olona hikarama aty.fa izao e,
======Mba lazao izy ireo ny fiton-dratena tokony ataony
aty ,lavitra i Dago,fomba fiakanjo ny fanaovana jupe hatreny am-poto-pe ajanony aty Dago refa miaraka mivoaka amin'ny mpampiasa.

(misy tantara be aty ka aoka izay vao hoavy no ho mailo tompoko ô,hajao ny tenanao f'aza avela hanarian'ny hafa ny mavesatrany.)fa sao lahy ka bikina aty,ka we hamono tena na hanaratsy Birao,hajao ny tenanao hanajany hafa anao,misy anie ny lehilahy aty,vao mahita anao manao pataloha manara-batana aza dia efa mandihindihy ny guitar keliny e,tsy mi-vazivazy aho fa tena serieux be miresaka izao,fitondran-tena tompokoô verina millefois.

========Mba sahisahy refa miresaka amin'ny mpampiasa,mahaiza mamaly
fa tsy mety ny ataony,tena mamoafady,na bokon'ozatra be izy
na ngeza be hotran'ny trimobe,tsy ilaina mifezaka izany.

Misy tovovavy avy any @ faritra avaratra aty ,isaky ny lasa miasa ramatoa na mi-voyage dia tonga rangahy ,mandrahona sy mampinono ny azy
tsy mamenatra ny miteny izany aho, ary lazainy le rangahy we Sarmouta refa afaka ny mavesatrany (tsy hainy ireo vhv aty vao tonga akory ny dikan'io = jiolahim-bavy na makorely koa aza izy aby zay)vao tsy mbola nahavita ny essai-ny 3 volana io tovovavy io,mitaraina be,mailomailo nareo eny Talatamaty eny fa avy eny hono ny Birao nandefa azy!Mailo @toro-hevitra hentitra tokony hampitaina an,alohan'ny handehnan'izy ireny.


tsy hoe ho enjihin'ny police ny birao eny talatamaty vao mandre izany,fa we
anaro ny tovovavy mandeha aty aza matahotra ny mananatra na efa miteraka na tsia,fa tsy hisy hiaro anareo izany aty e,ny birao tsy ahita zay any @ lava-trano any ,fa ampiasao ny coco ny ati-doha.



======misy namana avy any Atsirabe koa izao migadra vao tonga vao haingana 4volana teo ho eo,tsy hay na marina na tsia fa hoe nangalatra hoe hoy ny mpampiasany,tandremo ny tanana,tsy hay zay tena marina,

mety ny mpandraikitra efa nanoro anareo ny tokony atao retra raha tratry ny olana goavana ao am-piasana ao,raha afaka miatso atsoy ny birao na eto na any Dago,raha tsy afaka miatso,miatsoatsoa vonjy eny an-davarangana,raha tena tsisy fika dia miatsoa ny caritas,anotanio ny birao ny numero,fa io no afaka miaro anao akaiky fa tsy ny samy gasy tsotra eto ,ka manana trano manokana k a hoe nde hialokaloka any, afa-tsy ireo Birao
isatsokajy na Communauté .



Mailo nareo Birao any Antsirabe ,Talatamaty,Anosibe,fa ireo zao laloa no voatonona matetika an,aza matoritory fa seraserao.


Raha vao misy mianjady aminireo gasy alefanareo manko tonga dia ny Birao
nandefa no tononon'izy ireo fa izy tsy manameloka ny tenany mihintsy.
Mety ny firenena retra misy hoatr'izany daholo ny mpampiasa ratsy toetra tsara toetra,misy koa gasy eto faly mintsy manao ny ataony miaraka @
mpampiasany ao refa lasa madama,

tadidio sy tsarovy ry Andriam-bavin-danitra isany,fa raha nanaiky azy ianao ka misy manjo anao,dia aza manantena fa ramatoa dia miaro an-drangahy 100%
sao mihevitra fa hitaraina any @ madama fa bevoka fa rangahy no .....
fery faty wa,kôzy e.


ZAy ,tsisy zavatra be de be ho ambara fa ny FITONDRAN-TENA,ataovy
ao an-doha fa very faty wa,mi-sacre kely @ retraretra mintsy fa any Dago refa vita ny contrat manao zay tiana atao.



========Miantsoa Birao,eto Liban,any Dago,ny Caritas eto.

========raha sendra tojo ireo ambony ireo,endrikendrika,fanararaotana

ataon'ny lehilahy na mpampiasa na zanaky ny mpampiasa,tsy ny re
hetra anefa no tratran'io fa tsirairay,ny fitafiana mamoafady,ny
fi-charmé-na be ,sy ny fiangolangolana,hentitra ,dia ampy zay


Nareo Birao retra omeo antso an-taroby exacte tsy miovaova ny ankizy mandeha aty.

MISAOTRA TOMPOKO!






TENA GRAV BE ZANY
120. jenni ( 04/11/2009 08:50)
Voalohany aloha dia miarahaba anareo rehetra ary misaotra ireo manome torohevitra eto.
Mba mangataka aminareo raha misy afaka manome liens na site na video na emissions TV misy momba ity fiasan'ny gasy na hafa any Liban ity.
Fa manahoana marina moa ity Liban ity ? Nanomboka oviana no nisy izao fandehanana mankany izao ? Ary tsy maintsy vehivavy foana moa izany no mankany ?

Ny nahatonga ahy nijery ity post ity dia manana havana toa hoe "vao lasa tany vao haingana" aho ka manahy, tsy nisy nahalala ny fandehanany tany raha tsy efa hoe "lasa any" izy. Tsy hay izay agence na birao nandefa azy tany!
Ka ianareo efa any ireo angamba mety mahalala, nefa mety tsy miditra communauté koa izy. Tsy fantatro koa mantsy izay coordonnées-ny any. Hanontany izay momba azy aho aloha.
Ka tsara angamba izy mba mahita itony post itony,
nefa tsy haiko fa mety tsy mahay mi surf koa izy aloha e.

Fa ny mahagaga ahy dia ny hoe Ahoana marina no mahatonga ny vhv gasy mirona marobe mankany, nefa efa heno etsy sy eroa ny zavadratsy heno avy any, vao haingana koa toa nisy maty sns... tsy voatanisa. Nefa ilay karama tsy dia mankaiza loatra akory anie e!!
150$ izany ve dia tsy ho afaka mandray izany ihany any dago e !! Izay ve no hiaretana ny mafy toy izao e !

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9321