Ny fatahorana an'Atra (Jehovah ) no voaloham-pahendrena

101. pissoa ( 16/04/2008 20:07)
Toa efa nisy nanazava ao ambony ao le fatahorana an'Andriamanitra koa :-D :-D :-D :-D :-D
102. pissoa ( 16/04/2008 20:09)
Hay Fody ihany kay le izy fa tsy tadidiko teo :oops: :oops: :oops:

:-D :-D :-D
103. ikaretsaka ( 17/04/2008 12:39)
ka i prime tsy mamaky fa ny azy ihany no nasesiny e d eteo le olana no nipoitra fa niverina indray ohatran'ny tatatatan'ny megaphone an'ny mpivarotra argile verte eny analakely
104. prime ( 17/04/2008 14:11)
fody:
Inona izany ilay FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA àry?
aho:
Azo raisina amin'ny fahafenoany tanteraka io teny mikasika ny fahatahorana an'Andriamanitra io... fa ny tena mivaingana mahalaza azy dia ilay hoe "fanajàna"... azo raisina ho "fear" koa nefa fa ny tena fototra iorenany dia ilay hoe "respect"...
koa aho:
fanetren-tena sy ny fitiavana ka hanajàna tsara ny fampianaran'i Kristy satria antoky ny famonjena izany...


Asa raha tsy mamaky tsara ianao na misy valin-teny andrasanao manokana avy amiko fa efa elabe no voavaly ny fanontanianao na dia izay voambaran'ny namana maro fotsiny aza...
ika:
ka i prime tsy mamaky fa ny azy ihany no nasesiny e d eteo le olana no nipoitra fa niverina indray ohatran'ny tatatatan'ny megaphone an'ny mpivarotra argile verte eny analakely
... izaho no tsy mamaky sa ianao no tsy mihaino fa rehefa tsy fampianarana ekar sy zezoita dia anaovana eson-teny avokoa?
105. ikaretsaka ( 17/04/2008 15:21)
ka fear sa respect.. fa tsy eo no mitsako tsy misy eo

io anie le tsy mazava e?
106. Mandefitra ( 18/04/2008 07:33)
Hoy Jesosy :
Matio 10:28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo

Do not be afraid of those who kill the body but cannot kill the soul. Rather, be afraid of the One who can destroy both soul and body in hell.

Eto zao dia tena fear no resaka, ka samy mitombina ny hoe : fanajana sy fatahorana.

Samy ilain'ny mpino ny fitiavana, fanajana ary fatahorana an'Andriamanitra satria sady Fitiavana Izy, no Ray, no Masina.
107. pissoa ( 18/04/2008 09:24)
Ikaretsaka : sao dia tsy mamaky tokoa ? Azo raisina amin'ireo roa ireo, respect sy fear - hoy i Prime - fa ny respect no tena mivaingana ! :-D

Tsy hoe miombona hevitra amin'i Prime aho - za tsy mahay an'zany matahotra an'Andriamanitra zany :oops: - fa toa efa mazava io kosa ny valin-teniny dia io iadiana hevitra raha toa ka tsy mitovy ... :-D :-D :-D
108. ikaretsaka ( 18/04/2008 15:53)
fa amiko manokana aloha tsy nohon'ny tahotra sao bedy no hatahorako an'Andriamanitra
fa nohon'ny maha hery lehibe tsy hita pesipesenina azy
109. Fody ( 18/04/2008 22:29)



prime:
Maninona no misy havotsitra ny teny nambaran'ise tery ambony e! Io averiko io ambany io izay nambaran'ise. De mba farito araka izay amin'izay izay antsina hoe: Fahatahorana an'Andriamanitra, voaloham-pahendrena.
Manoloana izany no nahatonga ny toko faha-2, andininy faha-12 manokana voatsindry mafy ny amin'ny tsy maha-zava-dehibe ny mahaeo an'i Paoly na tsia fa ny ifotoran'ny fiangonana amin'ny fanetren-tena sy ny fitiavana ka hanajàna tsara ny fampianaran'i Kristy satria antoky ny famonjena izany...

Dia inona no voalohany arak'io: Fanajana sa fitiavana?
Misy tahotra ve ao?
Dia inona koa ilay fampianaran'i Kristy? Moa misy resaka fampitahorana ve, sa resaka Fitiavana?
Aza adino fa ny Tenin'Andriamanitra, izay nilaza hoe: "Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo." (Filipiana 2:12)
dia nanambara koa hoe: "Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitavan'izay matahotra" (1 Joany 4, 18 )


Misaotra !
110. niryna ( 18/04/2008 22:29)
ikaretsaka:

fa amiko manokana aloha tsy nohon'ny tahotra sao bedy no hatahorako an'Andriamanitra
fa nohon'ny maha hery lehibe tsy hita pesipesenina azy


izay indrindra misaotra ry ika a ,fantatrao ihany ilay izy aleloia ,midera an'i Jehovah fa tsara izy ary mandrakizay ny famindrampony
111. Fody ( 20/04/2008 07:48)


Hoy aho tery ambony: "Raha miresaka tahotra an'Andriamanitra, izay lazaina fa fahendrena, dia tsy misy resaka lalana ao, tsy misy resaka fahafatesana, tsy misy resaka loza ho avy, tsy misy resaka sazy, tsy misy resaka mety na tsy mety.... NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA DIA MIFOTOTRA AMIN'NY FITIAVANA."

Dia hoy nyrina namaly azy:
"marina izany fa moa ve afaka ny anala ny voasoratra ao anaty baiboly hianao satria hianao koa mantsy isany milaza fa tsy ampy ilay baiboly ?
ny fatahorana an'ATra no voaloham-pahendrena Ohabolana 9:10"


Dia hoy aho hoe: Moa ve aho nanala izay voasoratra tao anaty Baiboly sa nanazava izay voasoratra? Ny filazanao fa marina izay nolazaiko dia midika fa tsy zavatra noforoniko io fa zava-marina. Ny "NEFA" apetrakao anefa dia milaza fa tsy te handray ny fahamarinana izay nekenao ianao.


Fanamarihana:
Ny tsy azon'i nyrina angamba dia ny hoe: Ny hevitra fonoson'ny teny iray dia miovaova arakaraky ny tontolon'ilay olona miteny azy.

Ohatra: Raha malagasy no miteny hoe: Fihavanana dia tsy mitovy mihitsy amin'izay lazain'ny Frantsay hoe: fihavanana io, na izay ambaran'ny jody ho fihavanana, sns...

Raha malagasy no miteny hoe: Fahatahorana an'i Zanahary, dia tsy mitovy mihitsy amin'ny hoe: Fahatahorana an'Andriamanitra araka ny fisainana Jody, tsy hitovy koa amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra amin'ny fisainana Grika.sns...
>>>>>Donc tsy ampy ny miondrika amin'ny boky (Baiboly), fa tsy maintsy mitraka mijery Azy Andriamanitra koa, raha te hahazo ny Teniny.

Ataoko fa mazava!

Misaotra
112. ikaretsaka ( 22/04/2008 00:26)
niryna:


fa amiko manokana aloha tsy nohon'ny tahotra sao bedy no hatahorako an'Andriamanitra
fa nohon'ny maha hery lehibe tsy hita pesipesenina azy


izay indrindra misaotra ry ika a ,fantatrao ihany ilay izy aleloia ,midera an'i Jehovah fa tsara izy ary mandrakizay ny famindrampony



resaka samy isika ity fa ianao tokoa tsy azoko mihitsy an.. eo ianao milaza fa izay, avy eo tsy izay, avy eo izay indray....avy eo aleloia, avy eo meloia, dia lasa melia, dia lasa mialA!

in other words, io fihevitro io izay iombonako @ fody (jereo ny hafatra any aloha be any) no notoherinao... dia aty aoriana aty nekenao tampoka...
ahoana ihany ary ianao ity?
tsara raha mandinin-tena


113. niryna ( 22/04/2008 17:05)
Veloo:

Psalms 2 : 11 Serve the LORD with fear, and rejoice with trembling.
Psalms 19 : 9 The fear of the LORD is clean, enduring for ever: the judgments of the LORD are true and righteous altogether.
Psalms 34 : 11 Come, ye children, hearken unto me: I will teach you the fear of the LORD
Ps2: 11
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
Ps19
9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa
Ps34
11Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo

=D> =D> ^:^ ^:^
114. Fody ( 22/04/2008 18:45)


De inona ilay fahatahorana sy fahangovita voalaza eto ry nyrina sy veloo?
115. ikaretsaka ( 23/04/2008 13:29)
eny tokoa hoa.. mba jereo tsara ihany ny pli vava re e
116. niryna ( 29/04/2008 15:30)
Mitaraina ny marina ka mamonjy azy Jehovah amin'ny fahoriana rehetra
Ny anjelin'i Jehova matoky manodidina izay matahotra Azy
satria Izay matahotra Azy dia tsy hanan-java-mahory
117. Fody ( 05/05/2008 16:08)



nyrina:

Dia inona ilay Fahatahorana an'Andriamanitra ?


Dia aza adino koa anefa ity: "Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitavan'izay matahotra" (1 Joany 4, 18 )




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.073