Ny fatahorana an'Atra (Jehovah ) no voaloham-pahendrena
41. ikaretsaka
(
10/04/2008 16:25)
fitandremana ny didiny hoy i niryna, dia tahotra azy..
tahotra sao hoe bedy ve io hoa de "tsy maintsy mitandrina" ? io ange tsy mety valianao mivantana mihitsy e?
todisoa> fa ianao iznay mino fa misy ny "hendry ho azy"??
niryna: le hendry "wisdom" ve hoa azo ho azy?? and what is wisdom?
tahotra sao hoe bedy ve io hoa de "tsy maintsy mitandrina" ? io ange tsy mety valianao mivantana mihitsy e?
todisoa> fa ianao iznay mino fa misy ny "hendry ho azy"??
niryna: le hendry "wisdom" ve hoa azo ho azy?? and what is wisdom?
42. niryna
(
10/04/2008 16:28)
ikaretsaka:
fitandremana ny didiny hoy i niryna, dia tahotra azy..
tahotra sao hoe bedy ve io hoa de "tsy maintsy mitandrina" ? io ange tsy mety valianao mivantana mihitsy e?
todisoa> fa ianao iznay mino fa misy ny "hendry ho azy"??
niryna: le hendry "wisdom" ve hoa azo ho azy?? and what is wisdom?
eny tompoko ,tsy noratovina io ka sao manantena hoe manampahaizana aho dia manana fahalalana ,ireny olona miseho milay ireny inndrindra no tena tsy ampy fahendrena rehefa tsy mitodika amin'Atra
43. ikaretsaka
(
10/04/2008 16:34)
aza ahodikodina mankatsy sy mankaroa aloha fa tsotra sry tsy nety novalianao mihitsy ilay hoe 'aminao inona no tahotra'?
ito ve?
sa ito
ito ve?
Ka na dia ny olona mpanompo (mpiasan-trano, mpikarama, sns...) koa anie mba mankato ny patron anie. Manaraka an-tsakany sy andavany izay lazan'ny sefo, ary mino izay lazain'i sefo, noho ny tahotra sao voaroka, na ho very karama, na sns... Tahotra izany. Izany hoe noho ny tahotra ny lehibe no mahatonga azy hanao izay tian'ilay lehibe, ary tsy hanao izay tsy tiany, sao tapa-doha.
sa ito
Raha miresaka tahotra an'Andriamanitra, izay lazaina fa fahendrena, dia tsy misy resaka lalana ao, tsy misy resaka fahafatesana, tsy misy resaka loza ho avy, tsy misy resaka sazy, tsy misy resaka mety na tsy mety.... NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA DIA MIFOTOTRA AMIN'NY FITIAVANA.
Fitiavana Azy Mpahary voalohany.
Fitiavana ny tena sy ny hafa ny faharoa
Ary Fitiavana ny izay rehetra noharian'Andriamanitra ny fahatelo.
44. Fody
(
10/04/2008 16:41)
Dia inona ilay Fahatahorana an'Andriamanitra hoe ?
Milaza ianao fa mi-base amin'ny Tenin'Andriamanitra, izaho anefa mahita fa tsy izany. Satria ny Tenin'Andriamanitra dia i Kristy, ilay Teny tonga nofo. Ho an'i Kristy ny Lalana dia voafehiny amin'ny hoe: "FITIAVANA".
Ka isika tsy mandeha amin'ny TAHOTRA INTSONY fa mandeha amin'ny FITIAVANA.
NY TAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA IZAY LAZAINA FA VOALOHAM-PAHENDRENA DIA TSY FANAOVANA NY DIDY IZAO SY IZAO FA FITIAVANA AZY ANDRIAMANITRA SY IZAY REHETRA AZY SY NOHARINY. IO NO FOTOTRA, ARY IO NO LAZAINA FA VOALOHAM-PAHENDRENA.
Ny TIA dia mikasika mandrakariva izay hahafaly ny tiany. Ka raha TIA an'Andriamanitra isika dia hikatsaka ny sitrapony hatrany ary hanantateraka izany an-kafalina. Tsy misy intsony ny hoe: raha tsy manao an'izao dia ho faty, raha tsy manao an'izao dia iaran-doza... satria izay tia dia tsy mahalala afatsy izay sitraky ny tiany.
Misaotra.
46. fijo
(
10/04/2008 21:08)
amiko aloha dia tsotra,na tahotra vokatry ny fanajana,na tahotra vokatry ny fitiavana,dia ratsy daholo.
tsy milaza aho hoe tsy hilaina ny tahotra,satria hery manosika antsika hitady ny tsara kokoa io,fa rah any fanazavana azo eto dia le tahotra tsy tsara
tsy milaza aho hoe tsy hilaina ny tahotra,satria hery manosika antsika hitady ny tsara kokoa io,fa rah any fanazavana azo eto dia le tahotra tsy tsara
47. ikaretsaka
(
10/04/2008 21:49)
dia izao ary ra fijo> hery manosika antsika hitady ny tsara ho'zelahy
de nohon'ny tahotra sa nohon'ny juste hoe fitia te hoitady le tsara?
eo isika izaoi
de nohon'ny tahotra sa nohon'ny juste hoe fitia te hoitady le tsara?
eo isika izaoi
48. Fody
(
11/04/2008 09:18)
Raha te hamaly ity hevitra lazaina ity ianao, raha azo atao dia mba vakio tsara hatramin'ny farany. Misaotra mialoha.
Ampina kely ilay fanazavana, ary asina andalan-tsoratra Masina mba hahazoan'ny hafa azy tsara:
Raha tahotra araka io fanazavan'i nyrina io no raisina ho fahendrena dia tahotra ny ho Faty, sy sao hiaran-doza.... no lazaina fa Fahatahorana an'Andriamanitra. Mampiseho ny endrik'Andriamanitra LOZABE, SAROPIARO, TSY MAMINDRAFO FA MANASAZY SY MIKAPOKA RAHA VAO DISO,.... Jereo fa ny référence rehetra raisin'i nyrina hanohanana ny heviny dia avy ao amin'ny Testamenta Taloha daholo.
Izay ve anefa ilay Andriamanitra inoantsika, izay notorian'i Kristy sy asehony antsika ? Tsia dia tsia hoy aho. Fomba fandraisana diso momba an'Andriamanitra ireo, satria izy dia FITIAVANA. Izay ANDRIAMANITRA FITIAVANA izay no notorian'i Kristy fa tena ANDRIAMANITRA.
Ny tahotra ny ho faty, ny tahotra ny hiara-doza... no mahatonga hanaja sy hanaraka ny didy teo aloha. Ary mbola vohizin'ny sasany ankehitriny amin'ny alalan'ny fitoriana zava-doza ho avy ho fampitandremana ny maro sns.... dia io no majary mibahan-toerana hanerena ankolaka ny hafa hino sy handray izay lazaina....
Nefa hoy i Kristy ao amin'ny Evanjely: " Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin'ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko koa. Raha misy manompo ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy. (Joany 12, 24 - 26)
Ary mbola nampiany hoe: "Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitavan'izay matahotra" (Joany 14, 18)
Ireo dia milaza fa tsy mba TOETRA ARAKA NY EVANJELY NY TAHOTRA. Manamafy izany koa ny filazan'i Kristy lalandava hoe: "Aza matahotra...."
Fa inona àry ilay hoe: Fahatahorana an'Andriamanitra??? Averiko indray fa FITIAVANA AN'ANDRIAMANITRA IO. Raha tia an'Andriamanitra isika dia hitia ny hafa toy ny nitiavan'i Kristy azy ireo koa, satria izay no didim-pitiavana. Hoy i Jesoa: " Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany." (Joany 15, 12). Tsy misy resaka tahotra ny ho faty sy ny hiaran-doza intsony eto. Tsy misy filazana fa izao no loza ho avy raha tsy manaraka ny didy ianareo, sns....
Misaotra!
49. prime
(
11/04/2008 10:00)
Fody> Kristy raha miteny hoe "aza matahotra..." dia tsy io tahotra resahina eto io fa midika na mitovy @ hoe "aza manahy..." ka aoka tsy afangaro...
faharoa, ianao no mampiditra hevitra "sao bedy" etoana ka afatotry ny ambaranao ianao raha manohitra ny ambaranao... ny tenin'Andriamanitra tsy miteny na dia indray mandeha aza hoe "sao bedy" no dikany na "fitiavana" no dikany, ka tsotsorina araka izay takatry ny sain'olombelona hoe izao no dikan'izany...
ika:... tsy io no dikan-teny fototra fa ny teny grika ka rehefa hiverina amin'ny tena izy dia aza variana ao amin'ny dikan-teny ekar fotsiny... :)
Very @ dikaneny indray ny mpitsimpona
Voalaza teo :
itaque carissimi mei sicut semper oboedistis non ut in praesentia mei tantum sed multo magis nunc in absentia mea cum metu et tremore vestram salutem operamini
(Phil 2:12)
tahotra vokatry ny fitiavana ny eto fa tsy tahotra vokatry ny "sao bedy"
faharoa, ianao no mampiditra hevitra "sao bedy" etoana ka afatotry ny ambaranao ianao raha manohitra ny ambaranao... ny tenin'Andriamanitra tsy miteny na dia indray mandeha aza hoe "sao bedy" no dikany na "fitiavana" no dikany, ka tsotsorina araka izay takatry ny sain'olombelona hoe izao no dikan'izany...
fody:... raha ny hanazava azy dia ho lava ny resaka fa ny hevi-dehibe fototra no hotsongaina fohy,
"Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo." Filipiana 2:12
Mba azonao hazavaina ve izay voalaza eto!
- Nanana fahalemena ny fiangonana (tao Filipia), mpifampiandany, mitsitokotoko, samy niahy ny ho azy, mpimonomonona... satria Paoly Apostoly tsy mba mandalo na manoratra raha tsy mahalana dia mahalana
- Nanoratan'ny Apostoly Paoly manokana ny fiangonana mba hiorina amin'ny fitiavana ary hanana fanetren-tena lalina ny amin'izany fiainam-pinoana izany ka samy hanafoana ny momba ny tenany sy ny momba ny azy fa hijery sy hitodika ary hampandroso ny hafa no atao filamatra...
- Amin'izany rehetra izany dia tsy ny fanatrehan'ny Apostoly Paoly na tsia no tokony ataon'ny fiangonana vain-dohan-draharaha (ka hoe rehefa eo izy dia hendry ny fiangonana fa rehefa tsy eo izy dia miverina ny fifampiandaniana sy ny fitokoana) fa ny fankatoavana ny didim-pitiavana nomen'i Kristy satria manorina finoana izany no antoky ny famonjena rahateo...
- Na izany aza nefa dia nataon'ny Apostoly antoka manokana ny fametrahana olona misolo tena azy teo amin'ny fiangonana ka nanomanany ireto farany ny handraisana tsara an'i Timoty
- Manoloana izany no nahatonga ny toko faha-2, andininy faha-12 manokana voatsindry mafy ny amin'ny tsy maha-zava-dehibe ny mahaeo an'i Paoly na tsia fa ny ifotoran'ny fiangonana amin'ny fanetren-tena sy ny fitiavana ka hanajàna tsara ny fampianaran'i Kristy satria antoky ny famonjena izany...
50. ikaretsaka
(
11/04/2008 14:45)
... tsy io no dikan-teny fototra fa ny teny grika ka rehefa hiverina amin'ny tena izy dia aza variana ao amin'ny dikan-teny ekar fotsiny...
aoka tsy ho adino:
1)ny teny latinina dia tenin'ny Romanina, izay teny anisan'ny notenenina tamin'izany noho n'ny teny Grika, aza adino fa zanatany Romanina Israely t@ izany andro izany! vokatr'iznay dia mahavantana kokoa ny tenin'ny mpanjanaka nohon'ny teny hafa tsy hay any ....raha zanatany Angalisy na tao ambany empire angalisy dia ny teny angalisy no teny teneninao, mazava ho azy, ankoatran'ny teninao.
na hoe frantsay ianao dia ny teny frantsay no teneninao , ankoatran'ny teninao
dia eritrereto heo ohatran'iznay io de imagineo fa mitranga @ izao fotoana izao, dia lazainao fa teny Rosianina no teny tena izy.....
izy @ fomba ahoana de izy manakory?
2) tsy izhao no nampiditra ny fisainana "sao bedy" fa ny sekta... vakio atrany an-dohany ny resaka sy ireo remarque nataon'i pissoa sy ry fody io ambonin'ny hafatrao io sy izaho hoe za aza manohitra io fisainana "sao bedy" io
Toy izany koa faha Jesoa sy faha apostoly, zanatany romanina aby ire
51. niryna
(
11/04/2008 16:55)
Fody:marina izany fa moa ve afaka ny anala ny voasoratra ao anaty baiboly hianao satria hianao koa mantsy isany milaza fa tsy ampy ilay baiboly ?
Raha miresaka tahotra an'Andriamanitra, izay lazaina fa fahendrena, dia tsy misy resaka lalana ao, tsy misy resaka fahafatesana, tsy misy resaka loza ho avy, tsy misy resaka sazy, tsy misy resaka mety na tsy mety.... NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA DIA MIFOTOTRA AMIN'NY FITIAVANA.
ny fatahorana an'ATra no voaloham-pahendrena Ohabolana 9:10
izay fitiavana azy izay indrindra no antony anarahana ny lalany,Asa 9 :31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary ny Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
Fitiavana Azy Mpahary voalohany
vakio koa ny Lioka 1:50, 18:2,23:40
ka na tiana na tsy tiana dia itany foana ny zavatra ataontsika .
Ny fomba fijery toa an'io no nahatonga an'i Sartre ho lasa athée. "Tsy tiako izany Andriamanitra manara-maso ahy lava izany hoy izy", satria tsy manome fahafahana tanteraka ny olona. Ary marina io fanamarihany io.
Andriamanitra dia tsy mpanara-maso antsika. Raha manana izany fomba fihevitra izany ianao dia ialao fa diso.
Ny fahatahorana azy dia mahatonga antsika hanaraka ny didiny hoy aho tery ambony tery ary misy fatahorana ao anaty koa ao ka io no mahatonga antsika anao ny marina dia mitarika antsika hiala amin'ny asan'ny satana sy ny fanagejana izay manafosafo ny toetra ratsy rehetra ka tsy te hiala,
:arrow: mitarika finoana lehibe aminy izany ,fifandraisana aminy satria mahafantatra ny fitiavana omeny na dia tsy manao ny sitrapony aza,ny fahafantarana fa ny fitiavany dia tsy miova ny omaly sy anio ary mandrakizay. Oha 2:5 Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra
52. niryna
(
11/04/2008 16:57)
ikaretsaka:
aza ahodikodina mankatsy sy mankaroa aloha fa tsotra sry tsy nety novalianao mihitsy ilay hoe 'aminao inona no tahotra'?
fahatokiana azy no heviny iray ihany koa ry ika,ary hianao tia tsy mety raha tsy mahay vava,tsy izay ao antsaina akory dia avoaka avokoa,mampianatra ny olona hoe mandinihantena kanefa tsy mahafehy tena
=)) =))
55. ikaretsaka
(
11/04/2008 18:35)
tsy mahay vava aho fa mivantam-piteny... nuances
ary rehefa mifandahatra sy miady hevitra dia le hevitra no ampiadiana fa tsy ny famoahana azy
ary rehefa mifandahatra sy miady hevitra dia le hevitra no ampiadiana fa tsy ny famoahana azy
56. ikaretsaka
(
11/04/2008 18:38)
hiady hevitra isika fa tsy hifampi charme :-D :-D :-D
amiko mora kokoa ny miteny heo "petakorona i niryna" ohatra nohon'ny hoe "ny oron'ny niryna aloha tsy lava fa somary petapetaka izay e"
nefa mitovy ihany ny tiana hahatongavana...
got the point?!
amiko mora kokoa ny miteny heo "petakorona i niryna" ohatra nohon'ny hoe "ny oron'ny niryna aloha tsy lava fa somary petapetaka izay e"
nefa mitovy ihany ny tiana hahatongavana...
got the point?!
57. Veloo
(
11/04/2008 19:24)
Psalms 2 : 11 Serve the LORD with fear, and rejoice with trembling.
Psalms 19 : 9 The fear of the LORD is clean, enduring for ever: the judgments of the LORD are true and righteous altogether.
Psalms 34 : 11 Come, ye children, hearken unto me: I will teach you the fear of the LORD
Ps2: 11
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
Ps19
9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa
Ps34
11Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo
Psalms 19 : 9 The fear of the LORD is clean, enduring for ever: the judgments of the LORD are true and righteous altogether.
Psalms 34 : 11 Come, ye children, hearken unto me: I will teach you the fear of the LORD
Ps2: 11
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
Ps19
9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa
Ps34
11Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo
58. ratonga
(
11/04/2008 19:30)
ary tena petakorina marina alou vé i niryna é! :-D :-D sa i ika no maivava =))
