Ampanalaviro azy ny alehanao, aza manakaiky ny varavarany

1. niryna ( 05/04/2008 07:27)
3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny.] dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;

4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.

5 Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola.]

6 Tsy mahazo mandia ny làlan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.

7 Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.


8 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;

Ohabolana 5:3-8

Ny tena zavatra hiainana no andao ho jerena eto,inona no tokony halavirana?
ny fakampanahy maro samy hafa,ireo web feno porno ohatra ,ny movie feno sary vetaveta,ny molotra mamitaka,ny tanana mailaka hamely te-hamaina ,ny tongotra malady andeha ho an'ny amin'ny lalan'ny tsy fahamarinana a,dia inona koa no mety mbola hitanareo .iroe lehilahy mametaveta ny zaza tsy manantsiny ,na ireo lehilahy manova ny sain'ny ankizy lahy kely ..sns endrika ataon'i satana daholo izany ka mila maily isika ?

Nangalampijery kely hianao dia farany dia tamana,dia nitsiriritra ireo tovovavin'ny hatsaranterehy izay fandrika namitahan'i satana ny olona,dia lasa tavela tao,nijery ny vadiny ity rangahy ka tsy nieritreritra izay hoe niara nanalahibe ny zanany izy,ilay sarisary ao anaty mangazin sy ny web feno sary vetaveta no nampohariny ny vadiny,ilay filan'ny nofiny no niraraka tao anatiny,tafiditr' i satana ny baolina,potika ny tokantrano,nariana ny vady aman-janaka ,nitady ireny tovovavy kely mipelipelika sy mijilanjilana ireny ,antitra vao mitaiza rangahy,izao vao nanenina tongotra aman-tanana fa nanantena ny tsy ho lefy ny fahatanorana.Ho aiza intsony,nitady izay nahafaly ny nofony izy fa tsy ny fanahiny,enga anie ka mba hiverina amin'ATra izy indray andro any .
novalian'i niryna ny 14/04/2008 01:26
2. xxx ( 05/04/2008 09:17)
Misaotra anao tamin'ilay fananarana tsy nampoiziko ho hisy olona hoatran'izany ato .Tohizo fa tsara fa anay manohana foana ok ! ary eh
Tena tonga saina mihintsy ny bandy fa misaotra .
3. todisoa2 ( 05/04/2008 15:32)
tena anisan'ny efa trangan-javatra nahazo ahy io, namana nyrina. Tsy nahita hvt aho, afa-tsy zavatra iray loha ihany dia ny vavaka. Toy izao ilay izy: " Tompo ô! fantatrao ny fahalameko.arovy aho, @izay mety hofingana apetraky ny devoly manoloana ahy. Fantatro ary dia tena azoko antoka fa mahay ny zavatra rehetra Ianao. JEsosy o! vonjeo izahay. Amen"
4. razaordira ( 05/04/2008 15:49)
Ny contraire-n'io kosa no hitako.
Ilay vehivavy no nahita lehilahy be promesses tany Frantsa dia lasa nanitsakitsaka ny vadiny any.
Izao izy angamba any manenina tsara. Enga anie.
:^) :wink:
Tsy ny lehilahy ihany akory no voatariky ny endrika ivelany...
5. rijadolly ( 06/04/2008 03:21)
Mifono nofo marina isika olombelona ka betsaka ny fankampanahy mahazo antsika.Missaotra nareo rehetra.Ny fankampanahy dia natao ho resena fa ny fitsapana natao hiaretana.
" Tompo ô! fantatrao ny fahalameko.arovy aho, @izay mety hofingana apetraky ny devoly manoloana ahy. Fantatro ary dia tena azoko antoka fa mahay ny zavatra rehetra Ianao. JEsosy o! vonjeo izahay. Amen"
fanampiny

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=119&andininy=58-61&dika=
6. Fody ( 06/04/2008 08:16)
Mba misy fanontaniana kely:

Araka ny fahalalan'ny maro azy, ny fakam-panahy dia avy amin'ny ratsy, ary ny fitsapana dia avy amin'Andriamanitra.
Inona no mahasamihafa an'ireo raha jerena eo amin'ny fiainana an-davan'andro, na hoe ahoana no hanavahana azy ? Andray ohatra iray aho.

Ohatra: Misy mpitandro ny filaminana iray miasa alina lava, ary isan'andro dia mahita an'ireny vehivavy mpivaro-tena ireny foana. Tsy azony atao ny miala tsy hijery, na hivily lalana satria ny manara-maso ny fihetsikin'ny olona amin'iny toerana misy ny vehivavy mpivaro-tena iny no asany... Ka fakam-panahy ve io sa fitsapana ho azy?

Misaotra!

7. niryna ( 06/04/2008 11:35)
niryna:
Ohab 5
3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny.] dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
fanoharana izany io araky ny sm ary ny rehetra no mety manao an'io fa tsy ny vhvy irery.
sweetie hoy ny olona no hiantsoany ny vehvvy ,ary ny tena marina dia maro loatra ireo sweetie ka soa mifangaro ra-pierrette,bernadette,zinette hi,hi dia aleo atao an'izany no fiantsoana ny rehetra.
Tonga ny fotoana "Valentine's day",ny rose moa no be mpanome "aody ry mpifankatia" .Nividy bouquets maromaro ity rangahy ary nasiany anaran'izy 11 vavy avy ,nataony sweetie daholo izy rehetra.Love .....
fitaka,fitaka hi,hi samy tsy nisy nahalala izy 11 ireo fa dia revo teo hoe misy olom-pitia ,ha,ha

4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
io angamba no azontsika lazaina fa misy fetrana avokoa ny zavatra atao rehetra e,ny fatra izay namaranao no amaharana anao ihany koa,manao soa isika,tsy misy nenina izany na tsy mivaly aza,manao ratsy dia mahatantesa valin-kitsaka oops

5 Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola.]
,dia mitovy ireny teny voalaza ao amin'ny ohabolana marobe ireny,maro ny lalana izay heverina ho tsara kanefa amin'ny farany dia mitondra any amin'ny fahaverezana na fahafatesana.
[quote]
8 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony; [/color]
io angamba no azo lazaina hoe aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy e,alavirina avokoa ny zavatra rehetra izay mety ho fantatra fa hanimba ny tena na ny hafa.
Izay koa no antony mila hiambenana,amin'ny ahoana? ny fahalalana sy ny famakiana ary ny fampiasana ny tenin'Atra dia mahatonga antsika hanalavitra ny fahotana,ary ny fahotana dia mahatonga antsika hanalavitra ny tenin'Atra
hmm !!!
8. niryna ( 06/04/2008 11:43)
xxx:

Misaotra anao tamin'ilay fananarana tsy nampoiziko ho hisy olona hoatran'izany ato .Tohizo fa tsara fa anay manohana foana ok ! ary eh
Tena tonga saina mihintsy ny bandy fa misaotra .

tsy misy fisaorana
ok ary e !

:-*
tsara izany ry xxx rehefa tonga saina a,dia anjaranao indray no mihezaka hoe inona ary no tokony ataoko? mitalaho amin'ATra no voalohany indrindra,ny fahalalana fa diso mantsy isika no mahatonga antsika hiaiky fa tia antsika izy ary afaka mamela ny helontsika rehetra,ny finoana an'izany hoe voavela izany ny heloka dia efa tena enta-mavesatra niala teo amintsika.Ndry mampalahelo Izy mibaby izao karazana ontantsika rehetra izao,soa ihany fa tia antsika Izy ,ary nanaiky ny sitrapon'ny rainy,raha tsy nisy namonjy antsika tokoa mantsy aiza no aleha? :D
Ny fahasoavan'ny tompo anie anome antsika hery hatrany ,ny fitiavany anie hanazava ny lalantsika mba andeha amin'ny fahamarinana.
Isaorana Atra nanome ny Zanany,Isaorana ny Zanany nanavotra antsika,ary Isaorana ny Fanahy Masina nitari-dalana antsika andeha ho amin'ny lala-mahitsy.
Amena
9. niryna ( 06/04/2008 11:55)
todisoa2:

tena anisan'ny efa trangan-javatra nahazo ahy io, namana nyrina. Tsy nahita hvt aho, afa-tsy zavatra iray loha ihany dia ny vavaka.

Tody a,"raha miaiky ny fahotantsika isika" dia efa tena zava-dehibe izay ary izay no tadiaviny.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika
, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.

9 If we confess our sins, he is faithful and righteous to forgive us our sins, and to cleanse us from all unrighteousness.
1 Jaona 9
miaiky isika,mahatoky ny fahamarinany isika,mino koa isika fa mamela heloka tokoa izy ary ny ran'i kristy irery no nanadio antsika tamin'ny fahotana,dia izay fa voavela ny helotsika,voadio ny fahotantsika

Toy izao ilay izy: " Tompo ô! fantatrao ny fahalameko.arovy aho, @izay mety hofingana apetraky ny devoly manoloana ahy. Fantatro ary dia tena azoko antoka fa mahay ny zavatra rehetra Ianao. JEsosy o! vonjeo izahay. Amen"

^:^ =D>
10. niryna ( 06/04/2008 12:04)
razaordira:

Ny contraire-n'io kosa no hitako.
Ilay vehivavy no nahita lehilahy be promesses tany Frantsa dia lasa nanitsakitsaka ny vadiny any.
Izao izy angamba any manenina tsara. Enga anie.
:^) :wink:
Tsy ny lehilahy ihany akory no voatariky ny endrika ivelany...

ilay vehivavy anie no fitaovam-piasana hatramin'ny voalohany indrindra e.Iza no namita tsy Eva? sa
Raha tsy manaiky izany ilay vehivavy anao inona eo ny lehilahy,ny olana dia ny vehivavy mihitsy no manaiky.
Misy tantara izay nanambady ilay rangahy ary niteraka valo,niteny tamin'ny vadiny hono izy fa mitady lahy ary dia nanaiky ity ramatoa ka dia nanana maitresse ilay rangahy ka niteraka roa lahy,ananaovany trano izy telo mianaka ary dia mivezivezy eo izy fa tsy mipetraka ao amin'ilay ramatoa,ny vola moa no rangory fototry ny asan'ny devoly,tsy ny vola no ratsy fa ny fomba fampiasana azy,raha tsy nanambola izy mety tsy nanao an'izany,raha tsy nanana hery hanao an'izany koa izy mety tsy nanaiky ilay ramatoa.
Ny iray indray dia fantany izao fa efa vadin'olona ilay rangahy fa dia niditra ihany izy e,sitrany ahay fa ny fahantrana moa mahazaka maniraka ka dia izay no heveriny fa ho mety,miaraka ny zanany ilay rangahy ary dia miaraka eo izy sy ny maitresseny + ilay zanany.Taty aoriana koa nanaovany trano ilay ramatoa ary mbola manana dimy amin'izany koa izy.
Miala ny satana>miala ny satana.io no teny fampiasana fandroahana ny hery rehetra izay mitady hamingana antsika na amin'ny lafiny inona izany na inona, ny teny ratsy mikiraviiravy ny vava,ny fahatezeran-dava,ny fialonana ,ny toetra ratsy kely madinika izay miteraka poizina amin'ny farany ,eny fa na dia ny saina mitady hiambahamba ny tsy fisin'Atra ka mety ahatonga antsika tsy hino Azy.


11. niryna ( 06/04/2008 12:09)
rijadolly:

Mifono nofo marina isika olombelona ka betsaka ny fankampanahy mahazo antsika.Missaotra nareo rehetra.Ny fankampanahy dia natao ho resena fa ny fitsapana natao hiaretana.
" Tompo ô! fantatrao ny fahalameko.arovy aho, @izay mety hofingana apetraky ny devoly manoloana ahy. Fantatro ary dia tena azoko antoka fa mahay ny zavatra rehetra Ianao. JEsosy o! vonjeo izahay. Amen"
fanampiny

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=119&andininy=58-61&dika=


marina izany rija a,ka izany no ilaina ilay ampinga hiadina ny fakam-panahy rehetra,dia ny fihainoana ny tenin'ATra izany,ny fahafantarana fa manampy amin'ny fiainana ny tenin'Atra,
12. Rground ( 06/04/2008 12:19)
"..Arakaraky ny hitomboanao ara-pinoana no maha-mafy koa ny fahavalonao.."
(Fampianarana henoko tany ho any...)

Tsy ilay pôlisy ihany no tratran'izany ry Fody, fa izaho koa dia misedra an'izany isan'andro isan'andro... tsy ny hoe amin'ny mpivarotena (..eny e, manontany tena ihany aho aloha indraindray hoe: mba ohatry ny ahoana aza ny hendrik'ireto ..dia hoy ilay feo any anaty any hoe: FA AHOANA??? SAO MBA ANGAHA???.....tonga dia mahitsy ny masoko avy eo!!!)
Hazavaiko :
Izaho moa mankamamy ny zava-kanto rehetra ( admirer ou apprécier les belles créatures )..na ny natiora, na art, na mozika, na tononkalo, na ireo izay mahafinaritra ny maso rehetra,....noho izany ny hatsaran-tarehy koa izany ao anatiny, na lehilahy, na vehivavy... mahafinaritra ahy ny mibanjina (admirer) ny hatsaran-tarehin'ny olona, ohatran'ireny voarafitra notefena ireny ...
FA HAIN'ILAY RATSY NO MAMOSAVY NY ANATY ERITRERITRA.....


Ilay ratsy eny amin'ny rivotra eny, no tonga mitsofoka any anatiko any hamosavy ny saiko amin'ny FAKAM-PANAHY( amin'ny hendriny maro samy hafa).. dia ny SEDRA mahazo ahy amin'izay fotoana izay dia ny hoe "..TOHERO NY RATSY DIA HANDOSITRA ANAREO IZY.."..ary satria avy amin'ny maso no iavian'ny fakam-panahy betsaka indrindra dia ny familiana ny masoko no hitako sedra henjana...


Misaotra an'i niryna amin'ny fampitandremana sy fanairana amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra, fa ilaina, ary miombom-bavaka amin'ny ra-namana ihany koa
(... sahirana ihany koa aho rehefa tenen'ny olona hoe : lehilahy anie iny mahafatifaty anao iny e!...niova taranja angaha??)

13. niryna ( 06/04/2008 12:30)
rijadolly:


http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=119&andininy=58-61&dika=

misaotra e
Ahoana tokoa moa no nahatonga ny tenin'Atra ato amintsika?
Ny Gen 1-2 no ohatra azo raisina amin'izany. Satria tany amin'ny andro faha-enina vao nanao ny olombelona Atra.Raha tsy nasehon'Atra tamin'ny olona izany ny fanamboarany izao rehetra izao dia tsy nisy nahalala e
Mahafantatra koa isika fa miresaka amintsika Atra avy amin'ny alalan'ny baiboly ary amin'ny fomba ahoana? @ ny fitenin'ny izay firenena misy ny rehetra.Hmm
1 Sam 3:1-10 Andriamanitra niantso an'i Samoela
Ny anjely avy any an-danitra niresaka an'i Maria fa hiteraka izay mpanavotra an'izao tontolo izao izany zaza aterany izany"Emanoely" na Atra miaraka amintsika ( Lk 1:26-37)
" Revelation " na fanambarana no hilazana izany fahatongavan'Atra amintsika izany
Dia mbola tonga aty amintsika ihany koa izy avy amin'ny alalan'ny aingam-panahy "inspiration" no hilazana azy?
Ny teny rehetra izay voasoratra ao anatin'ny sm dia avy amin'ATra avokoa (2 Tim 3:16),nomeny ny olona mba hanoratra izay teny tiany ho fantatsika sy ho fanitsiana ary fananarana sy fampisehoana ny fitiavany antsika.
Farany dia avy amin'ny ny Fanahy masina izay nomen'Atra sy efa teny nomen'i kristy fa angatahiny amin'ny rainy izany io no hery iray mitsilo,manitsy ,mitaridalana,mampianatra ary mananatra sy manoro antsika amin'ny fiainana rehetra "illumination" no hilazana azy. Toy ny jiro mitaratra,mitarika antsika mba andeha amin'ny fahazavana ary hiala ao anatin'ny maizina dia ny fatoran'i satana izay mangeja ny olona tsy hanana fiaianana miaraka amin'i kristy.

Sekoly alahady kely tampotampoka ity ry ika sy rasily
:D :D
14. niryna ( 06/04/2008 12:48)
Fody:

Mba misy fanontaniana kely:

Araka ny fahalalan'ny maro azy, ny fakam-panahy dia avy amin'ny ratsy, ary ny fitsapana dia avy amin'Andriamanitra.

hoy ilay tantara kely izay hoe :nitomany satana teo an-jaridaina raha sendra nandalo ity rangahy iray ka nanontany hoe maninona hianao no mitomany?
dia hoy satana hoe :"izao zavatra rehetra ataon'ny olona izao dia lazainy fa izaho daholo no manao azy " :D

Inona no mahasamihafa an'ireo raha jerena eo amin'ny fiainana an-davan'andro, na hoe ahoana no hanavahana azy ? Andray ohatra iray aho.

Ohatra: Misy mpitandro ny filaminana iray miasa alina lava, ary isan'andro dia mahita an'ireny vehivavy mpivaro-tena ireny foana. Tsy azony atao ny miala tsy hijery, na hivily lalana satria ny manara-maso ny fihetsikin'ny olona amin'iny toerana misy ny vehivavy mpivaro-tena iny no asany... Ka fakam-panahy ve io sa fitsapana ho azy?

Misaotra!

"tsy misy fakampanahy tsy ho tohitry ny olombelona ,ary tsy misy zavatra izay tsy zakan'ny olona ka napetrak'Atra eo aminy ...aiza moa iny.
"temptation"na fakam-panahy..aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy ...
ilay fakam-panahy izany dia ilay fitsiriritana ao anaty ka mahatonga an'ilay zavatra iny hivadika amin'ny tsy tokony ho izy,misy faharatrana ny tenanao aloha ao,dia ny hafa,ary misy fahalalana ihany koa fa tsy mety ilay izy kanefa dia mikiry ho atao ihany satria ny nofontsika dia malemy ka raha tsy vokin'ny tenin'Atra dia ny nofo no manjaka fa ny fanahy lasa tsy mahatohitra.
Mazava ve aloha hatreo,izay aloha no fahalalako azy a,hevitro io
:D
Ahoana hoy i kristy? miambena,miambena,izany no antony iray lehibe hamokisana ny fanahy ny tenin'ATra,ny famakiana ny teniny satria ao Izy no miresaka amintsika,ny fihainoana ny teniny avy amin'ny hafa mpitory ny tenin'Atra,ary ny fampiharana izany mba ho fitaovana sy ampinga hanafaka antsika amin'ny herin'ny ratsy rehetra.
Izay no antony hivavahana andro aman'alina mba hiaro antsika ny fahany masina ka ahatohitra ny fakam-panahy rehetra misy isan'andro isika,raha sanatria moa tsy nahatohitra,fiainana io,ary tsy ho voatery ho goavana be ,satria rehefa manota dia manota eo anatrehany tsy misy kely sy lehibe izany ary rehefa mandika na lalana iray aza dia diso amin'ny lalana rehetra hmm.
Noho izany dia mila mivavaka mafy mba tsy ho tratry ny fakam-panahy'Io rangahy miasa io izao dia tokony hivavaka izy,arovy amin'ity asako ity aho tompo mba tsy ho voan'ny fakam-panahy"izay ilay hoe miala ny satana,miala ny devolin'ny janga " toa manana anarana maro izany ilay devoly k'ty!!
Dia ahoana indray ry fody raha lehilahy izy ka GYN na mpitsabo ny vehivavy?
Itany daholo ireo fitaovam-behivavy rehetra ireo?
Ny sainy no mitondra azy rehefa nataony ho asa madio ilay izy.
Mety mahavaly ve izay sa mbola misy manitikitika anao .
Hevitro aloha ireo fa ahitsiho aho raha misy diso :-*
15. niryna ( 06/04/2008 13:14)
Fody:

Ohatra: Misy mpitandro ny filaminana iray miasa alina lava, ary isan'andro dia mahita an'ireny vehivavy mpivaro-tena ireny foana. Tsy azony atao ny miala tsy hijery, na hivily lalana satria ny manara-maso ny fihetsikin'ny olona amin'iny toerana misy ny vehivavy mpivaro-tena iny no asany... Ka fakam-panahy ve io sa fitsapana ho azy?
Misaotra!

raha mahatsapa izy fa mitady hirona any amin'ny fakam-panahy dia anjarany no mivavaka sy miezaka mba hanadio ny sainy.Avy ao anatiny io,koa raha tsy miantso Atra izy hamonjy azy mba tsy ho tonga amin'izany dia mety ho tonga,satria ny fiainantsika dia tsy afaka ny andeha irery intsony,une fois nomena ho tantanan'ny tompo dia izy no atao lohany,any aminy no mivavaka sy mangataka azy ny fanahy masina mba ahatohitra ny fakam-panahy.
Ny fitsapana indray dia zavatra mihatra amintsika ,efa mipoitra ilay izy ary tsy avy amintsika izany fa Atra no nanome an'io mba hiderantsika ny voninahiny,mety ny satana no ampiasainy (jereo ny tantaran'i Joba izay navelan'Atra ho tsapain'i satana toetra izy)saingy tsy afaka ny hanala ny aintsika satana satria avy amin'Atra io ary izy irery no afaka manala an'io.
Maro ny fitsapana mahazo antsika ary araky ny hidirantsika lalina kokoa ny tenin'Atra,ny finoana Azy,ny fahatokisana ny fiainana Aminy no mahabetsaka ny fitsapana miandry antsika,saingy ny mahasamy hafa azy dia arakaraky ny fitsapana omeny no hifikirana Aminy :arrow:no vao maika manamafy ny finoana Azy ary dia mizara ny olona izany fandresena izany.
Inona avy no mety ho fitsapana mahazo antsika:maro dia maro fa Atra kosa tsy manome zavatra tsy ho zakan'ny olona,raha milaza isika fa tsy mahazaka an'ilay fitsapana dia tsy misy fanafodiny afatsy ny mitodid-doha aminy,mangataka famelankeloka,mibaboka izay ratsy natao na vita,na toetra tsy mendrika ka fantatra fa tsy tokony atao.
Ny aretina,ny fahafatesana,ny fisarahambady,ny fahoriana maro,ny fahantrana isan-karazany,sns ,ireo toetra izay mahamohafady tokony hialana,ny toetra ratsy kely madinidinika izay mety manimba ny mpiara-belona(fifosana,vava tsy misy fitsaharana,fankahalana,fialonana,tsy fitiavana,fahatezerana lava,tsy finoana an'ATra fa misy izy,ireo saina voarebirevy ka zavatra ratsy foana no ao an-tsaina fa tsy mba misy tsara mivoaka,ny fo mihitsy izany no tena antony iray lehibe,ny doute indrindra indrindra....maro e.
Ny fanomezana ireo toetra maro ireo amin'Atra,ny fahalalana fa ratsy izany ka tiana hialana amin'izay,ny fahafantarana fa tsy vita irery ilay izy fa mila Azy hanampy amin'ny fiainana,ary ny fangatahana vavaka any amin'ny fiangonana,ny mpitondra,ny namana izay mino an'i kristy ary indrindra isika mivavaka direct amin'i kristy mba hihaino ny fahoriana sy ny fitsapana mitranga amintsika.
Ny fisaorana azy nomeny fitsapana satria tsy ny soa ihany no azo avy aminy,io fahalalana io zavatra io dia efa hery lehibe ho antsika hanankina ny fiainana aminy na inona mitranga satria tsy permanent ireo fa temporaire fotsiny,ny faharetany no samy hafa,ary tsy misy afatsy ny miiverina amin'ilay nahary antsika ihany.
Nandalovan'ny rehetra izany ary tafiditra amin'izany koa izaho.Ary tsy ho tapitra ny fitsapana satria anehoantsika ny voninahiny sy ny zava-bitany tamintsika io.
Tsy hamela anao irery aho hoy izy ..Heb 11:5 ,Gen 28:15..
Dia mbola nomeny teny ihany isika hoe "Izaho no Atra ...Aza matahotra.." Gen 46:47 io teny io dia nomeny ahy tao anaty nofiko im-betsaka ary taty aoriana vao hitako hoe ao anaty baiboly (Hijoroko vavolombelona io ry fody)
mazava ve ,izay no fahalalako azy a
16. pissoa ( 06/04/2008 18:54)
Lava be fa ... fitsapana ihany ve le izy teo sa fakam-panahy ? :-D :-D :-D
17. Fody ( 06/04/2008 19:55)
Nyrina

Ahoana tokoa moa no nahatonga ny tenin'Atra ato amintsika?

Raha ny Soratra Masina no anontanianao dia tamin’ny alalan’ny Vahoaka Jody no nandovantsika ny Testamenta Taloha. Ary tamin’ny alalan’ireo Apostoly sy ny mpianatr’i Jesoa ary ireo olona niara-niaina tamin’izy ireo kosa ny Testamenta Vaovao.
Miampita tonga aty amintsika izy ankehitriny noho ny asan’ny Fiangonana, ilay nahorin’ny Kristy tamin’ny Patekoty.
Ny Gen 1-2 no ohatra azo raisina amin'izany. Satria tany amin'ny andro faha-enina vao nanao ny olombelona Atra.Raha tsy nasehon'Atra tamin'ny olona izany ny fanamboarany izao rehetra izao dia tsy nisy nahalala e

Ny tantara ao amin’ny Jenezy dia tsy tantara araka an’io filazanao io. Tantara hampitana hafatra io dia ny hoe: “Andriamanitra no nahary izao rehetra izao”, “Andriamanitra no loharanon’ny zavatra rehetra”.
Mahafantatra koa isika fa miresaka amintsika Atra avy amin'ny alalan'ny baiboly ary amin'ny fomba ahoana? @ ny fitenin'ny izay firenena misy ny rehetra.Hmm

Tsy ny Baiboly no miteny amintsika satria ny Baiboly dia Boky. Milaza ny experience ny olona niaraka tamin’Andriamanitra io boky io: Ny vahoaka Jody sy Andriamanitra Ray ao amin’ny Testamenta Talora, ary Jesoa Kristy sy ireo niara-belona taminy ny ao amin’ny Testamenta vaovao. Izay notohizin’I Paoly sy ny apostoly avy eo.
Ary tamin’ny alalan’ny tenin’ilay olona niaina izay experience izay no nanoratany azy. Donc diso ny filazanao fa miresaka aminao amin’ny alalan’ny Baiboly Andriamanitra.

Fa Izy Andriamanitra no miresaka mivantana amin’ny tsirairay ao anefitra mangina hoy Jesoa, tsy aiza io fa ao amin’ny CONSCINCE. Ny feon’ny CONSCIENCE dia feon’Andriamanitra. Izy Andriamanitra koa no miresaka mivantana amintsika rehefa miara-mivory ao an-tranony isika, satria eo anivontsika Izy.
Ilaina ny mamaky ny Baiboly hahalala Azy satria izay voalazany tsy mba miova. Fa tsy Izy akory no Baiboly ary tsy azo ferana amin’ny Baiboly Izy.
1 Sam 3:1-10 Andriamanitra niantso an'i Samoela
Ny anjely avy any an-danitra niresaka an'i Maria fa hiteraka izay mpanavotra an'izao tontolo izao izany zaza aterany izany"Emanoely" na Atra miaraka amintsika ( Lk 1:26-37)

Araka izay voalazako ery ambony dia mitantara experience ny olona miaraka amin’Andriamanitra ny Baiboly, dia ireo voalazanao ireo izao dia ohatra mivantana.
I Masina Maria no nofidina ho renin’i Tompo fa tsy i Nyrina akory. Io safidin’Andriamanitra ho azy io dia azy samy irery, na dia ho an’ny rehetra aza ny famonjena. I nyrina kosa dia manana ny an’i nyrina manokana, toy izany koa pissoa, sns….
hoy ilay tantara kely izay hoe :nitomany satana teo an-jaridaina raha sendra nandalo ity rangahy iray ka nanontany hoe maninona hianao no mitomany?
dia hoy satana hoe :"izao zavatra rehetra ataon'ny olona izao dia lazainy fa izaho daholo no manao azy "

Raha io zavatra lazainao io no izy dia ahoana no hahalalana fa asan’ny Ratsy ny zavatra iray na asan’olombelona?
Raha tsy mitovy fijery aminao ohatra dia lazainao fa satana izay, avy amin’ny satana, na ampiasain’ny satana (Azafady fa mivantana be ilay ohatra).
Nefa ilay tantara kelinao dia milaza fa mitomany ny satananao satria voahendrikendrika ho manao ny zavatra ratsy rehetra.
"tsy misy fakampanahy tsy ho tohitry ny olombelona ,ary tsy misy zavatra izay tsy zakan'ny olona ka napetrak'Atra eo aminy ...aiza moa iny.

Aza dia voafatotra loatra amin’ny référence e! Angaha tsy ampy ny milaza fotsiny an’io zavatra lazainao io? Io no hafatra lehibe, dia ampy.
Ny filazana lava ny référence amin’ny Baiboly koa anie dia tsy mampisy aina ny zavatra lazaina satria toy ny lasa an-kandrina fotsiny ny zavatra rehetra, ka pli vava no betsaka.
ilay fakam-panahy izany dia ilay fitsiriritana ao anaty ka mahatonga an'ilay zavatra iny hivadika amin'ny tsy tokony ho izy, misy faharatrana ny tenanao aloha ao,dia ny hafa,ary misy fahalalana ihany koa fa tsy mety ilay izy kanefa dia mikiry ho atao ihany satria ny nofontsika dia malemy ka raha tsy vokin'ny tenin'Atra dia ny nofo no manjaka fa ny fanahy lasa tsy mahatohitra.
Mazava ve aloha hatreo,izay aloha no fahalalako azy a,hevitro io

Fankam-panahy ve no nohazavainao sa fahotana? Tsy azoko tsara.

Raha lazainao fa ilay fitsiriritana ao anaty no atao hoe fakam-panahy, olona iza no tsy hitsiriritra?
Ary raha izay no izy ny ady amin’ny fakam-panahy izany dia ny fanafoanana an’io fitsiriritana io. Io dia mitovy amin’izay voalazan’i Bouddha sy ny filosofy hafa (tsy tadidiko aby).

Voalaza ao amin’ny Baiboly koa fa i Jesoa dia nalaina Fanahy. Nitsiriritra koa ve izy? Dia inona no notsiriritiny? Sns….
Ahoana hoy i kristy? miambena,miambena,izany no antony iray lehibe hamokisana ny fanahy ny tenin'ATra,ny famakiana ny teniny satria ao Izy no miresaka amintsika,ny fihainoana ny teniny avy amin'ny hafa mpitory ny tenin'Atra,ary ny fampiharana izany mba ho fitaovana sy ampinga hanafaka antsika amin'ny herin'ny ratsy rehetra.

Dia eto no mba hanontaniako an’i nyrina hoe: mahavonjy ve ny Fiangonana sa tsia? Raha tsia ny valiny nahoana ianao no mankany am-piangonana (sa tsy makany)? Io zavatra lazainao io anefa dia manamafy fa makany ianao.
Izay no antony hivavahana andro aman'alina mba hiaro antsika ny fahany masina ka ahatohitra ny fakam-panahy rehetra misy isan'andro isika,raha sanatria moa tsy nahatohitra,fiainana io,ary tsy ho voatery ho goavana be ,satria rehefa manota dia manota eo anatrehany tsy misy kely sy lehibe izany ary rehefa mandika na lalana iray aza dia diso amin'ny lalana rehetra hmm.

Ny hoe: rehefa diso amin’ny iray dia diso amin’izy rehetra dia manaiky aho. Fa ilay hoe mitovy daholo rehefa fahotana dia diso kosa satria Andriamanitra dia andriamanitra Marina sy manao ny rariny. Ary hoy Jesoa tamin’i Pilato, vaha tsy diso aho, hoe: “ireo nanolotra ahy taminao no ho meloka kokoa”…
Noho izany dia mila mivavaka mafy mba tsy ho tratry ny fakam-panahy'Io rangahy miasa io izao dia tokony hivavaka izy,arovy amin'ity asako ity aho tompo mba tsy ho voan'ny fakam-panahy"izay ilay hoe miala ny satana,miala ny devolin'ny janga " toa manana anarana maro izany ilay devoly k'ty!!

Fa inona ilay fakam-panahy? Mbola tsy voavaly anie.
Dia ahoana indray ry fody raha lehilahy izy ka GYN na mpitsabo ny vehivavy?
Itany daholo ireo fitaovam-behivavy rehetra ireo?
Ny sainy no mitondra azy rehefa nataony ho asa madio ilay izy.

Ka inona ilay fakam-panahy?

Raha mpitsabo no resahanao, dia tsy misy olana ny azy. Efa zatra mahita an’iny isan’andro izy. Toy izany koa ho anay, efa fahita isan’andro ny vehivavy miboridana eny rehetra eny. Normal be izany. Tsy mandratra ahy mihitsy, ary tsy mahataitra intsony koa.
Mety mahavaly ve izay sa mbola misy manitikitika anao .
Hevitro aloha ireo fa ahitsiho aho raha misy diso

Misaotra anao namaly, ary ny zavatra nanontaniako mbola tsy tena voavaly dia ny hoe: fankam-panahy ve io sa fitsapana?
Dia inona ny fankam-panahy?
Inona ny fitsapana?

Misaotra e!



Ohatra: Misy mpitandro ny filaminana iray miasa alina lava, ary isan'andro dia mahita an'ireny vehivavy mpivaro-tena ireny foana. Tsy azony atao ny miala tsy hijery, na hivily lalana satria ny manara-maso ny fihetsikin'ny olona amin'iny toerana misy ny vehivavy mpivaro-tena iny no asany... Ka fakam-panahy ve io sa fitsapana ho azy?
Misaotra!

Hoy nyrina:
raha mahatsapa izy fa mitady hirona any amin'ny fakam-panahy dia anjarany no mivavaka sy miezaka mba hanadio ny sainy.

Ka fakam-panahy ve io sa fitsapana?
Ny fitsapana indray dia zavatra mihatra amintsika ,efa mipoitra ilay izy ary tsy avy amintsika izany fa Atra no nanome an'io mba hiderantsika ny voninahiny

Ka fitsapana ve izany ny zava-misy eto sa tsia.
mety ny satana no ampiasainy (jereo ny tantaran'i Joba izay navelan'Atra ho tsapain'i satana toetra izy)saingy tsy afaka ny hanala ny aintsika satana satria avy amin'Atra io ary izy irery no afaka manala an'io.

Miara-miasa amin’ny Satana ve izany Andriamanitra?
Inona avy no mety ho fitsapana mahazo antsika:maro dia maro fa Atra kosa tsy manome zavatra tsy ho zakan'ny olona,raha milaza isika fa tsy mahazaka an'ilay fitsapana dia tsy misy fanafodiny afatsy ny mitodid-doha aminy,mangataka famelankeloka,mibaboka izay ratsy natao na vita,na toetra tsy mendrika ka fantatra fa tsy tokony atao.

Tsy ao anaty ady sarotra kosa vao hahálala hitodika any amin’Andriamanitra. Tsy amin’ny fotoana sarotra vao hifona sy hibebaka.
Ny aretina,ny fahafatesana,ny fisarahambady,ny fahoriana maro,ny fahantrana isan-karazany,sns ,ireo toetra izay mahamohafady tokony hialana,ny toetra ratsy kely madinidinika izay mety manimba ny mpiara-belona(fifosana,vava tsy misy fitsaharana,fankahalana,fialonana,tsy fitiavana,fahatezerana lava,tsy finoana an'ATra fa misy izy,ireo saina voarebirevy ka zavatra ratsy foana no ao an-tsaina fa tsy mba misy tsara mivoaka,ny fo mihitsy izany no tena antony iray lehibe,ny doute indrindra indrindra....maro e.

Tsy arako ilay lojikan-dresaka eto. Efa novakiko im-betsaka fa tsy mazava amiko mihitsy.
Ny fanomezana ireo toetra maro ireo amin'Atra,ny fahalalana fa ratsy izany ka tiana hialana amin'izay,ny fahafantarana fa tsy vita irery ilay izy fa mila Azy hanampy amin'ny fiainana,ary ny fangatahana vavaka any amin'ny fiangonana,ny mpitondra,ny namana izay mino an'i kristy ary indrindra isika mivavaka direct amin'i kristy mba hihaino ny fahoriana sy ny fitsapana mitranga amintsika.

Mahavonjy ve ny Fiangonana sy ny hafa manodidina ny tena? Raha tsia, nahoana no midododo any amino ianao?
Izay ilay nolazaiko ary ambadika ry hoe: samihafa ny hoe: Kristy no lalana, sy ny hoe ny Fiangoana koa dia lalana (moyen) mitondra makany amin’i Kristy.

Efa lava be, ary angamba efa HS fa na izany aza misaotra e!
novalian'i niryna ny 02/07/2008 20:19
18. andryrabe ( 06/04/2008 22:36)
hoy niryna:fitaka,fitaka hi,hi samy tsy nisy nahalala izy 11 ireo fa dia revo teo hoe misy olom-pitia ,ha,ha
aoka re marina fa aza ihomehezana izay tsy mahalala e...
ndraindray anie tsy fantatra mihitsy izay mpamitaka e.
19. todisoa2 ( 07/04/2008 08:35)
rijadolly:

Mifono nofo marina isika olombelona ka betsaka ny fankampanahy mahazo antsika.Missaotra nareo rehetra.Ny fankampanahy dia natao ho resena fa ny fitsapana natao hiaretana.
" Tompo ô! fantatrao ny fahalameko.arovy aho, @izay mety hofingana apetraky ny devoly manoloana ahy. Fantatro ary dia tena azoko antoka fa mahay ny zavatra rehetra Ianao. JEsosy o! vonjeo izahay. Amen"
fanampiny

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=119&andininy=58-61&dika=


ts misy maharesy fakam-panahy izany rahalahy, raha tsy Jesosy irery ihany. Eo indrindra no idiran'ilay hoe fakam-panahy ve no filaza azy sa fitsapana.
20. Fody ( 07/04/2008 09:16)
ts misy maharesy fakam-panahy izany rahalahy, raha tsy Jesosy irery ihany. Eo indrindra no idiran'ilay hoe fakam-panahy ve no filaza azy sa fitsapana.

Raha io zavatra lazainao io no jerena dia tokony ho mpanota be sy ratsy fitondran-tena daholo ny olona tsy Kristiana, satria hoy ianao hoe: "ts misy maharesy fakam-panahy izany rahalahy, raha tsy Jesosy irery ihany".
Izay ve anefa no zava-misy?
Ataoko fa diso io fomba fijery sy fihevitrao io.

Diso satria izao:

1 - Raha ny zava-misy iainana no jerena dia betsaka ny tsy Kristiana sy ny tsy mpino no tsara fitondran-tena. Satria ny fahafahana mandanjalanja ny zavatra hatao dia samy afaka manao an'izany ny rehetra.
Ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia efa ao anatin'ny tsirairay koa.

Ny Ntaolo Malagasy dia efa nanana ny fahendreny na dia mbola tsy nitoriana ny Evanjely aza, ary efa nahalala fa alohan'ny hanaovan-javatra dia tokony handinika tsara aloha. Ary efa nahalala koa fa ny SOA sy ny TSARA no tokony hatao.

2 - Raha ny Baiboly indray no jerena dia milaza mazava fa:

a) Efa nomena antsika ny fahefana rehetra hafahantsika mifehy ny zavatra rehetra miseho na inona izay na inona (Vakio ny Jenezy)

b) I Jesoa nalaina fanahy ao amin'ny Evanjely dia mampiseho amintsika ny fomba fiadina amin'ny fakam-panahy, fa tsy milaza mihitsy hoe: Izy irery ihany no maharesy an'io akory.

MIsaotra anao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0831