Ampanalaviro azy ny alehanao, aza manakaiky ny varavarany

21. Fody ( 07/04/2008 09:17)


Ho an'i Todisoa2 io valin-teny ambony io.
22. niryna ( 07/04/2008 16:35)
Rground:

"..Arakaraky ny hitomboanao ara-pinoana no maha-mafy koa ny fahavalonao.."
(Fampianarana henoko tany ho any...)

Tsy ilay pôlisy ihany no tratran'izany ry Fody, fa izaho koa dia misedra an'izany isan'andro isan'andro... tsy ny hoe amin'ny mpivarotena (..eny e, manontany tena ihany aho aloha indraindray hoe: mba ohatry ny ahoana aza ny hendrik'ireto ..dia hoy ilay feo any anaty any hoe: FA AHOANA??? SAO MBA ANGAHA???.....tonga dia mahitsy ny masoko avy eo!!!)
Hazavaiko :
Izaho moa mankamamy ny zava-kanto rehetra ( admirer ou apprécier les belles créatures )..na ny natiora, na art, na mozika, na tononkalo, na ireo izay mahafinaritra ny maso rehetra,....noho izany ny hatsaran-tarehy koa izany ao anatiny, na lehilahy, na vehivavy... mahafinaritra ahy ny mibanjina (admirer) ny hatsaran-tarehin'ny olona, ohatran'ireny voarafitra notefena ireny ...
FA HAIN'ILAY RATSY NO MAMOSAVY NY ANATY ERITRERITRA.....
LUST na FAKAMPANAHY no hilazana an'io, mahafinaritra ilay olona ,dia lasa misy fakampanahy hitsiriritra azy dia mandeha daholo ny ao anatin'ny saina(desire) fa tsy mijanona eo amin'ny fitiavana kely miserana mahita ny hatsarany iny.
Ny ankizy violen'ny olona ka mitaraina any amin'ny polisy dia ity no fanontaniana ataony voalohany hoe inona no ankanjo nanaovanao.Tsy ny lahy rehetra no mijilana fa izahay vehivavy no mety manao fiihetsika manintona ny lahy ka mahatonga azy hisarika an'ilay lahy ,tadidio Eva,ary toy izany koa ny commercial ankehitriny dia misy lahy sy vavy foana na vavy mijilanjilana matetika no avoaka.hisarihana ny olona,rehefa jerena anefa ilay izy tena tsy tonga any amin'ilay tiany atao commercial na dokambarotra ilay izy .

Ilay ratsy eny amin'ny rivotra eny, no tonga mitsofoka any anatiko any hamosavy ny saiko amin'ny FAKAM-PANAHY( amin'ny hendriny maro samy hafa).. dia ny SEDRA mahazo ahy amin'izay fotoana izay dia ny hoe "..TOHERO NY RATSY DIA HANDOSITRA ANAREO IZY.."..ary satria avy amin'ny maso no iavian'ny fakam-panahy betsaka indrindra dia ny familiana ny masoko no hitako sedra henjana...
izay no antony androahana azy amin'ny anaran'i Jesosy,na Jesoa,mila ny satana a

Misaotra an'i niryna amin'ny fampitandremana sy fanairana amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra, fa ilaina, ary miombom-bavaka amin'ny ra-namana ihany koa
(... sahirana ihany koa aho rehefa tenen'ny olona hoe : lehilahy anie iny mahafatifaty anao iny e!...niova taranja angaha??)


tsy misy fisaoarana ka,raiso izay azonao ampiasaina amin'ny fiainana fa mila miambina isika satria efa kely sisa ny fotoana hananan'i satana ka toy ny liona mierona mitady izay arapany izy.


23. andryrabe ( 07/04/2008 18:23)
ny maso mety hitondra fakampanahy fa na izany aza raha tsy misy ny maso de tsy hitan'ny olona izay alehany. aleo ho hita ny fankampanahy mba hahazoana manalavitra azy e.
24. Fody ( 07/04/2008 19:25)

nyrina: ilay fanazavana lava be nomenao io anie ka niteraka fanontaniana maro be koa e. Fanampin'ilay iray izay mbola tsy voavaly dia ny hoe: fankam-panahy ve io sa fitsapana ?

Misaotra e!
25. Fody ( 07/04/2008 19:31)


Tsy ho an'ny nyrina ihany aloha ilay fanontaniana fa ho an'ny rehetra izay afa-mamaly.

Misaotra mialoha.
26. ikaretsaka ( 07/04/2008 19:40)
Fody:


nyrina: ilay fanazavana lava be nomenao io anie ka niteraka fanontaniana maro be koa e. Fanampin'ilay iray izay mbola tsy voavaly dia ny hoe: fankam-panahy ve io sa fitsapana ?

Misaotra e!


Betsaka koa no manafangaro ny fitsapana sy ny faka-panahy:
amiko koa dia i Jesoa irery ihany no naharesy ny fakampanahy

antony: "Aza mitondra anay any @ fakam-panahy" hoy ny vavaka nampianarin'y Tompo!

=>tsy resy ilay izy matoa "ivavahana Atra mba tsy hitondra any"

27. majesty ( 08/04/2008 09:04)
Rground:
Izaho moa mankamamy ny zava-kanto rehetra ( admirer ou apprécier les belles créatures )..na ny natiora, na art, na mozika, na tononkalo, na ireo izay mahafinaritra ny maso rehetra,....noho izany ny hatsaran-tarehy koa izany ao anatiny, na lehilahy, na vehivavy... mahafinaritra ahy ny mibanjina (admirer) ny hatsaran-tarehin'ny olona, ohatran'ireny voarafitra notefena ireny ...


Hay ve isé ihany io fa niova ps fotsiny e :D (fantatro amin'ilay firehana mantsy)

fody:
Araka ny fahalalan'ny maro azy, ny fakam-panahy dia avy amin'ny ratsy, ary ny fitsapana dia avy amin'Andriamanitra.



Avy amin'Atra koa ve ny fitsapana ???
(raha raisina mantsy io dia ôtran'ny miteny Atra amin'ny olona iray hoe:aleo hoe mba tsapaiko kely i Rabe,ka asiako sipa manjakely misary zoro aminy dia ho hitako eo.) :D
Sao dia avy samy avy amin'i satana avokoa na ny fitsapana na ny fankam-panahy!

ika:
Betsaka koa no manafangaro ny fitsapana sy ny faka-panahy:
amiko koa dia i Jesoa irery ihany no naharesy ny fakampanahy

antony: "Aza mitondra anay any @ fakam-panahy" hoy ny vavaka nampianarin'y Tompo!

=>tsy resy ilay izy matoa "ivavahana Atra mba tsy hitondra any"



Tsy d tiako loatra ny mampiasa an'io dikan-teny iray io hoe: "aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy" fa angah Atra mitondra any @ fakam-panahy,fa aleoko mampiasa ny dikan-teny katôlika " aza avela ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay..." :D

28. Fody ( 08/04/2008 09:59)

Majesty:

Nomarihako mazava tsara fa:

"Araka ny fahalalan'ny maro azy, ny fakam-panahy dia avy amin'ny ratsy, ary ny fitsapana dia avy amin'Andriamanitra."

Ary avy eo dia nisy ohatra noraisiko mba hametrahako fanontaniana satria tsy mazava amiko izay mahasamihafa ny atao hoe: Fitsapana, sy ny atao hoe: fakam-panahy marina. Izany hoe tsy maharesy lahatra ahy ny filazana fa Andriamanitra dia mitsapa ny olona. Io moa resaka hafa sao HS eo.
Ka ilay tranga ao amin'io ohatra ambony io: fakam-panahy sa fitsapana? Izay no fanontaniana.


hoy Nyrina:
mety ny satana no ampiasainy (jereo ny tantaran'i Joba izay navelan'Atra ho tsapain'i satana toetra izy)saingy tsy afaka ny hanala ny aintsika satana satria avy amin'Atra io ary izy irery no afaka manala an'io.

Dia mba valio hoe: Miara-miasa amin'i Satana ve Andriamanitra?

Misaotra anao.
29. niryna ( 08/04/2008 16:23)
andryrabe:

ny maso mety hitondra fakampanahy fa na izany aza raha tsy misy ny maso de tsy hitan'ny olona izay alehany. aleo ho hita ny fankampanahy mba hahazoana manalavitra azy e.


dia izay ilay ny maso tsy mitondra mody,ny an'ny sasany noentiny nody ka rehefa avy eo vao domy aho ranaotrafa matin'ny toaka .hi,hi
30. Fody ( 08/04/2008 16:52)
nyrina

Ary ity tsy mba valin'i nyrina mihitsy an!

Hoy nyrina: "mety ny satana no ampiasainy (jereo ny tantaran'i Joba izay navelan'Atra ho tsapain'i satana toetra izy)saingy tsy afaka ny hanala ny aintsika satana satria avy amin'Atra io ary izy irery no afaka manala an'io".

Dia mba valio hoe: Miara-miasa amin'i Satana ve Andriamanitra?

Misaotra anao.
31. niryna ( 08/04/2008 17:07)
Fody:


nyrina: ilay fanazavana lava be nomenao io anie ka niteraka fanontaniana maro be koa e. Fanampin'ilay iray izay mbola tsy voavaly dia ny hoe: fankam-panahy ve io sa fitsapana ?

Misaotra e!

tsy misy fisaorana aloha e.
Ny fakam-panahy no hilazana azy na temptation izay zavatra ilaina toherina amin'ny fiainantsika,raha tsy mahatohitra azy dia lasa mivadika ilay izy ka lasa tonga (lust) na filana mafy ao anaty .filan-dratsy (ahoana hoe no hilazana fa ratsy? isika ihany dia mahafantatra an'ilay izy fa tsy ho voatery ho tenenina,ratsy kanefa mbola atao satria ny nofo no manao an'ilay izy na dia mieretreritra aza ny saina tsy anao azy dia nanao ihany,matetika izany misy fahadisoana ao anaty ilay izy fahalalana fa tsy mety kanefa mbola atao ihany,ny manana an'"Atra moa dia mitodidoha mifona,mivavaka,mangataka famelan-keloka,kanefa na izany aza tsy hanafaka ny ratra mahazo ny iray izany,raha eo amin'ny fanambadiana no anaovako ohatra a;
nanana fitsiriritana tao anaty ilay olona,tsy naharesy ilay fitsiriritana izy dia niafara ilay tsy fanoherana ilay fakam-panahy ka dia nanitsakitsaka ny vadiny,ary raha ohatra aza izy nifona tamin'ilay vadiny mety mamela izy fa ny fery ao anatiny kosa dia mbola ao satria tsy izy no nanao azy ary tsy sitrapony ilay izy.
Izay no azoko azavaina mikasika ny fakam-panahy,eny Kristy irery ihany no mahatohitra an'io fakampanahy io ary ny soratra masina no nanoherany ny herin'i satana naka fanahy azy."""efa voasoratra hoe.....:
Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa mofon'aina ihany koa dia ny tenin'Atra izany
Aza maka fanahy an'i Jehovah Atra,Izy irery ihany no hiankohofana,na hivavahana.
Izay no antony hilazana fa tsy mahatohitra ny fakampanahy isika raha ny nofontsika na ny herin'ny tenantsika irery ,mahery io koa izay no antony hivavahana mandrakariva mba hanoherana azy,ahoana koa moa no hiantsoanao an'i kristy raha tsy mino azy hianao sy mahalala fa izy no afaka hanavotra anao ao anatin'ny fakampanahy mangirifiry?
Ny fisedrana mahazo na fitsapana toetra indray dia test no hiantsoana azy,mandalo amin'io avokoa isika rehetra,moa ve isika no nametraka an'io fitsapana na fisedrana mahazo io ,ary na any amin'ny toeram-piasana sasany aza dia misy an'izany,maro ny olona tsy manana asa ary sarotra ho an'ilay orin'asa ny androaka ny mpiasa dia any amin'ny fitsapana no ataony,asiany vola mipetraka eo ary jereny izay mandray an'iny ,feno camera ny fiasana,izay ilay fitsapana,raha tonga ao aminao ny adalana,izay tsy misaina ka mandrairay satria efa zatra nanao an'io dia mety tsy mahatohitra ilay fakampanahy hianao ka dia nandray ilay vola,nanaovany fitsapana izany ny rehetra ka hianao no tratra dia izay.Tsy namokatra ilay fitsapana satria tsy nisy nandray ny olona. Fitsapana hafa indray ity ry fody a
Ny fitsapana na test izay miandry antsika kosa dia izay zavatra mitranga amin'ny fiainana hoy aho tery ambony tery ka tsy sitrapontsika ilay fahatongavan-javatra ,ary dia miezaka isika ny hamaha ny olona rehetra avy amin'ny fifampifandraisana ilay tompo mahery ,mahefa ny zavatra rehetra,mety tsy mivaly eo noho eo ny olana fa rehefa napetraka teo aminy kosa dia maiva kokoa ny saina sy ny eritreritra.
Ny fakam-panahy kosa dia fizahan-toetra ihany koa ka nahatohitra ve hianao sa tsia,toy ny nanao fanadinana,raha nahay nanohitra dia afaka raha tsy nahay nanohitra dia voajono
Ny fitsapana izany dia azo lazaina ho fizahan-toetra ka nanana faharetana hianao satria iny fitsapana iny no mety mampiova anao na ny fianankavianao na antso avy amin'Atra dia ny fiankinana ny fiainana aminy
Ny


32. ikaretsaka ( 08/04/2008 17:10)
dia inona ny maha samihafa azy sy fika tsotra hanavahana azy ary e
33. rijadolly ( 09/04/2008 15:32)
niryna:

rijadolly:

Mifono nofo marina isika olombelona ka betsaka ny fankampanahy mahazo antsika.Missaotra nareo rehetra.Ny fankampanahy dia natao ho resena fa ny fitsapana natao hiaretana.
" Tompo ô! fantatrao ny fahalameko.arovy aho, @izay mety hofingana apetraky ny devoly manoloana ahy. Fantatro ary dia tena azoko antoka fa mahay ny zavatra rehetra Ianao. JEsosy o! vonjeo izahay. Amen"
fanampiny

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=119&andininy=58-61&dika=


marina izany rija a,ka izany no ilaina ilay ampinga hiadina ny fakam-panahy rehetra,dia ny fihainoana ny tenin'ATra izany,ny fahafantarana fa manampy amin'ny fiainana ny tenin'Atra,

..........................................................................................................
:-* :-* misaotra niryna a! samy mifanohana sy mifampahery ,ary mifampatsiahy eto isika Kristianina mba ho voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany é!
34. rijadolly ( 09/04/2008 15:46)
Fody:

ts misy maharesy fakam-panahy izany rahalahy, raha tsy Jesosy irery ihany. Eo indrindra no idiran'ilay hoe fakam-panahy ve no filaza azy sa fitsapana.

Raha io zavatra lazainao io no jerena dia tokony ho mpanota be sy ratsy fitondran-tena daholo ny olona tsy Kristiana, satria hoy ianao hoe: "ts misy maharesy fakam-panahy izany rahalahy, raha tsy Jesosy irery ihany".
Izay ve anefa no zava-misy?
Ataoko fa diso io fomba fijery sy fihevitrao io.

Diso satria izao:

1 - Raha ny zava-misy iainana no jerena dia betsaka ny tsy Kristiana sy ny tsy mpino no tsara fitondran-tena. Satria ny fahafahana mandanjalanja ny zavatra hatao dia samy afaka manao an'izany ny rehetra.
Ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia efa ao anatin'ny tsirairay koa.

Ny Ntaolo Malagasy dia efa nanana ny fahendreny na dia mbola tsy nitoriana ny Evanjely aza, ary efa nahalala fa alohan'ny hanaovan-javatra dia tokony handinika tsara aloha. Ary efa nahalala koa fa ny SOA sy ny TSARA no tokony hatao.

2 - Raha ny Baiboly indray no jerena dia milaza mazava fa:

a) Efa nomena antsika ny fahefana rehetra hafahantsika mifehy ny zavatra rehetra miseho na inona izay na inona (Vakio ny Jenezy)

b) I Jesoa nalaina fanahy ao amin'ny Evanjely dia mampiseho amintsika ny fomba fiadina amin'ny fakam-panahy, fa tsy milaza mihitsy hoe: Izy irery ihany no maharesy an'io akory.

MIsaotra anao!

..........................................................................................................

:-* misaotra fody nanampy,na dia za aza no nametrahana todisoa an'io an! ampy tanteraka ary tsy misy kianina.Izay marina ilay hoe Iray ny Tompo.
35. Fody ( 09/04/2008 16:50)
nanana fitsiriritana tao anaty ilay olona,tsy naharesy ilay fitsiriritana izy dia niafara ilay tsy fanoherana ilay fakam-panahy ka dia nanitsakitsaka ny vadiny,ary raha ohatra aza izy nifona tamin'ilay vadiny mety mamela izy fa ny fery ao anatiny kosa dia mbola ao satria tsy izy no nanao azy ary tsy sitrapony ilay izy.

Dia mbola miverina moa ilay famaritanao ny atao hoe: fakam-panahy eto. Izay tsy inona fa : fitsiriritana.

Dia averiko koa ilay fanontaniana mbola tsy voavaly ery ambony:

Voalaza ao amin’ny Baiboly koa fa i Jesoa dia nalaina Fanahy. Nitsiriritra koa ve izy? Dia inona no notsiriritiny? Sns….

Mbola ampio kely hoe: "Angaha ny fitsiriritana tsy efa fahotana ? Ka raha fahotana ny fitsiriritana, izay lazainao fa fakam-panahy, i Jesoa koa ve izany sanatria nanota ?

eny Kristy irery ihany no mahatohitra an'io fakampanahy io ary ny soratra masina no nanoherany ny herin'i satana naka fanahy azy."""efa voasoratra hoe.....:

Io fomba fijery io nyrina dia diso. Efa nisy fanamarihana nomeko an'i todisoa2 tery ambony tery. Ivereno vakina. ary naverin'i rija io ambony io (n °33)

Ny fisedrana mahazo na fitsapana toetra indray dia test no hiantsoana azy,mandalo amin'io avokoa isika rehetra,moa ve isika no nametraka an'io fitsapana na fisedrana mahazo io ,ary na any amin'ny toeram-piasana sasany aza dia misy an'izany,maro ny olona tsy manana asa ary sarotra ho an'ilay orin'asa ny androaka ny mpiasa dia any amin'ny fitsapana no ataony,asiany vola mipetraka eo ary jereny izay mandray an'iny ,feno camera ny fiasana,izay ilay fitsapana,raha tonga ao aminao ny adalana,izay tsy misaina ka mandrairay satria efa zatra nanao an'io dia mety tsy mahatohitra ilay fakampanahy hianao ka dia nandray ilay vola,nanaovany fitsapana izany ny rehetra ka hianao no tratra dia izay.Tsy namokatra ilay fitsapana satria tsy nisy nandray ny olona.

Dia hono ho'aho ry nyrina: "Mitsapa antsika ve izany Andriamanitra ?"
Raha arahina mantsy ilay lojikanao eto dia izy Andriamanitra mihitsy no mamorona ny "fakam-panahy" ho an'ny olona mba hitsapany azy.
Satria lazainao fa tsy isika no mamorona an'io, fa iza???? Raha jerena ny fanazavanao dia ny mpampiasa no manao azy, raha eo amin'ny sehatry ny asa. Toy ny milaza hoe, raha eo amin'ny fiainana izany dia Andriamanitra no mametraka an'ilay izy hitsapany antsika.

Izany ve anefa no marina???? Mitombina ve izany ???? Mba valio azafady!
Ny fakam-panahy kosa dia fizahan-toetra ihany koa ka nahatohitra ve hianao sa tsia,toy ny nanao fanadinana,raha nahay nanohitra dia afaka raha tsy nahay nanohitra dia voajono
Ny fitsapana izany dia azo lazaina ho fizahan-toetra ka nanana faharetana hianao satria iny fitsapana iny no mety mampiova anao na ny fianankavianao na antso avy amin'Atra dia ny fiankinana ny fiainana aminy

Iza izany no mizaha toetra ? Andriamanitra ve ?

Misaotra anao mialoha hamaly ireo fanontaniana ireo.


Misaotra.
36. niryna ( 09/04/2008 17:40)
ikaretsaka:

Fody:


nyrina: ilay fanazavana lava be nomenao io anie ka niteraka fanontaniana maro be koa e. Fanampin'ilay iray izay mbola tsy voavaly dia ny hoe: fankam-panahy ve io sa fitsapana ?

Misaotra e!


Betsaka koa no manafangaro ny fitsapana sy ny faka-panahy:
amiko koa dia i Jesoa irery ihany no naharesy ny fakampanahy

antony: "Aza mitondra anay any @ fakam-panahy" hoy ny vavaka nampianarin'y Tompo!

=>tsy resy ilay izy matoa "ivavahana Atra mba tsy hitondra any"



------------------------------------------------------------
marina izany ary izany no antony hivavahana an'io foana ,io ry fody izao misy fanamarihana fa tsy mahatohatra ny fakam-panahy isika raha tsy miaraka amin'ATra,ety amin'ny tanin'izao tontolo izao isika ary tiany hiaraka aminy koa ka izay rehetra mety mandavo antsika dia ataon'i satana avokoa

37. niryna ( 09/04/2008 17:45)
Fody:

nyrina

Ary ity tsy mba valin'i nyrina mihitsy an!

Hoy nyrina: "mety ny satana no ampiasainy (jereo ny tantaran'i Joba izay navelan'Atra ho tsapain'i satana toetra izy)saingy tsy afaka ny hanala ny aintsika satana satria avy amin'Atra io ary izy irery no afaka manala an'io".

Dia mba valio hoe: Miara-miasa amin'i Satana ve Andriamanitra?

Misaotra anao.

fody a tsy maninona mihitsy na dia lavabe aza ny fanontanianao fa vao maika tiako,miezaka aho araka ny fotoana kely izay hananako a,raha tsy mbola mamaly aho dia afaka mampahatsiahy ahy hianao.
Ny ahy dia base-amin'ny baiboly foana no hamaliako ny tenin'ATra sy ny fanontaniana apetraky ny olona,mikasika ny hoe miara miasa ve izany Atra sy satana dia averiko aminao ny fanontaniana ahoana no fahafantaranao azy ary omeo ahy aloha ny valinteninao? inona no fiheveranao hoe fakampanahy ary inona no fiheveranao izany hoe fisedrana? rehefa amin'inona no lazaina fa fakampanahy ilay izy ary rehefa rahoviana indray no atao hoe fisedrana? mba omeo ahy hoe ny opinion nao ,misaotra mialoha

38. ikaretsaka ( 09/04/2008 18:33)
misy maromaro miantoana ihany ilay fanontanian'i fody ao
miandry an'irina mba ho tena ilay fanontaniana no valiana
39. Fody ( 10/04/2008 14:05)
rehefa amin'inona no lazaina fa fakampanahy ilay izy ary rehefa rahoviana indray no atao hoe fisedrana? mba omeo ahy hoe ny opinion nao ,misaotra mialoha

Fanamarihana:
Tiako aloha ny manamarika fa:

1 - Ny Fakam-panahy dia tsy Fahotana.

2 - Ny Fakam-panahy dia tsy avy amin'Andriamanitra velively, ary izy Andriamanitra dia tsy mitondra antsika amin'ny fakam-panahy izany.

3 - Ny Fitsapana, na test izay lazainao koa dia tsy misy. Tsy misy satria Izy Andriamanitra dia tsy mba olona tia tsapatsapa. Ny olona mitsapatsapa dia olona tsy mba manana fitiavana, satria tsy afaka ny hahatoky ny olona.
Tsy mba toetran'Andriamanitra ny mitsapatsapa izany, na hametraka fandrika ho antsika hijerena na manakory isika na manakory.

Inona àry no atao hoe: Fakam-panahy
Ny fakam-panahy dia bitsika avy ao anaty manome soso-kevitra hanao ratsy. Izay no izy raha atao amin'ny teny fohy.

Tsy i Kristy irery ihany no maharesy azy io, araka ny filazanao, fa isika koa dia afaka maharesy azy. Jereo fa maro ny andalan-tsoratra masina milaza an'izany.
Amin'ny fomba ahoana àry no handresena ny fakam-panahy: "amin'ny alalan'ny fandanjalanjana izay hatao". Ny olona tsirairay dia samy manana fahalalana ao anaty ny atao hoe: tsara sy ratsy. Noho izany samy afaka hanao tsara daholo na dia eo aza ny bitsikin'ny ratsy maka fanahy azy.

Raha somary hitarina kely amin'ny resaka kristiana dia izao: "amin'ny alalan'ny fahaizana manavaka ny feon'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny Feon'ny fanahin'ilay Ratsy (discernement des esprits). Eto no mipetraka ny antony iray lehibe handinihana ny Tenin'Andriamanitra, mba hahalalana ny FEO AVY AMIN'ANDRIAMANITRA, hanavahana azy amin'ny an''ilay ratsy. Hoy i Kristy: ny ondriko mahalala ny Feoko ary mihaino ahy... ka raha Kristiana dia tsy tokony hamaky baiboly fotsiny fa hamatatra ny Feon'i Kristy avy amin'ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra sy ny tranga misy rehetra.



Manaraka: ny atao hoe: "sedra" na "fisedrana" dia ireo tranga miseho amin'ny fiainana. Tsy fitsapana velively ireo, fa lalam-piainana diavin'ny velona rehetra, na mpino na tsy mpino. Tsy avy amin'Andriamanitra izy io, ary tsy avy amin'ny demony koa, fa lalan'ny natiora sy ny fiaraha-monina no mampisy azy.


Ohatra: ny aretina, ny fahafatesana, ny tsy fisiana, sns...

Ka raha samy misedra an'ireo olana ireo daholo àry, na mpino na tsy mpino, amin'ny maha kristiana antsika, ahoana no hisedrana an'izany? Ny valin'io fanontaniana io no mampiavaka ny Kristiana sy ny tsy kristiana, ary mampiavaka ny tsirairay.
Ny maha kristiana dia tiako ny manamarika fa manilika ny fomba fiadin'ny kanosa mora resy, na mora miraviravy tanana.... Raha tsy sedraina ny finonareo tsy ho matotra hoy ny Soratra Masina... Ary ny kapoaka nosotroiko tsy maintsy sotroinareo koa, hoy i Kristy....

Izay fa misaotra!

Ny ahy dia base-amin'ny baiboly foana no hamaliako ny tenin'ATra sy ny fanontaniana apetraky ny olona,mikasika ny hoe miara miasa ve izany Atra sy satana dia averiko aminao ny fanontaniana ahoana no fahafantaranao azy ary omeo ahy aloha ny valinteninao?

Raha mifototra amin'ny Tenin'Andriamanitra ianao fa tsy amin'ny soratra fotsiny dia hahita fa: Tsy mba miara-miasa amin'ny Satana Andriamanitra, ary tsy mba mampiasa ny satana izany koa.


Misaotra betsaka

40. ikaretsaka ( 10/04/2008 15:34)
Ny ahy dia base-amin'ny baiboly foana no hamaliako ny tenin'ATra sy ny fanontaniana apetraky ny olona,mikasika ny hoe miara miasa ve izany Atra sy satana dia averiko aminao ny fanontaniana ahoana no fahafantaranao azy ary omeo ahy aloha ny valinteninao?

IO no nahagaga ahy....
nefa tsy hitako le izy teto

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089