Didy folo.

1. Fody ( 03/04/2008 10:44)



Misy namana moa milaza fa novaina ary tsy mifanaraka amin'ny Baiboly (Soratra Masina) ny Didy Folo voasoratra ao amin'ny katesizy katolika.

ka indreto izy: http://www.vatican.va/archive/FRA0013/__P72.HTM


Mifanaraka ve ireo sa tsia?
Aiza no mifanohitra amin'ny Soratra Masina ao?

Misaotra

novalian'i fijo ny 23/04/2008 21:00
2. isambo ( 03/04/2008 20:43)
Ireto ny tena didy folo

1- Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

2-Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

3- Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.

4-Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy.

Henemana no hiasanao sy hanaova­nao ny raharahanao rehetra.

Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.

Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

5- Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

6- Aza mamono olona.

7- Aza mijangajanga.

8- Aza mangalatra.

9- Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.

10- Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.


Ireo ny didy folo fa ny a voalaza ao @ katesizy dia nisy fanovana tokoa ny ao @ didy fahefatra, nosoloany andro voalohany ny andro faha fito ,manamasina ny andro alahady hoy ny fanovany azy.
Tsy hanova ny lalàna aho hoy JesosyMat.5:17 ="Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka". Izay manala na manampy na diaandininy iray @ ity lalàna ity dia hatao.......
3. ikaretsaka ( 03/04/2008 20:51)
de aiza le fanovana?
rehefa tena dinihina ny hevitra tiana ahatongavana fa tsy ny fandraisana antendrony?
4. fijo ( 03/04/2008 20:51)
izany hoe,fahotana mahafaty ny manao asa sikotra?????
5. pissoa ( 03/04/2008 21:00)
isambo:
Ireo ny didy folo fa ny a voalaza ao @ katesizy dia nisy fanovana tokoa ny ao @ didy fahefatra, nosoloany andro voalohany ny andro faha fito ,manamasina ny andro alahady hoy ny fanovany azy.
Tsy hanova ny lalàna aho hoy JesosyMat.5:17 ="Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka". Izay manala na manampy na diaandininy iray @ ity lalàna ity dia hatao.......

Tanjemo fa io "hanatanteraka" nolazain'i Jesosy io dia tsy hoe tonga hanaraka ny lalana tao amin'ny testamenta taloha izy ! Zako tsy mahay teny Grika fa am'teny Frantsy dia haiko hoe
Matio 5, 17:
Ne pensez pas que je sois venu abolir la Loi ou les Prophètes; je ne suis pas venu abolir, mais parfaire.


:-D :-D :-D :-D :-D
6. fijo ( 03/04/2008 21:05)
nefa kosa jesoa ,dia nihezaka mafy hanova ny rafitra sy ny fomba jiosy izay finoany.ary izay no isan'ny nanenjehan'ny mpisorona be azy.
7. cutie ( 03/04/2008 21:06)
. Mpandefa : fijo [ Valio ] 03-04-2008 22:51:35
Lohateny : Re : Didy folo.
izany hoe,fahotana mahafaty ny manao asa sikotra?????

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
8. fijo ( 03/04/2008 21:14)
ka izay no tsapako hoe tiana lazaina ko.
9. ikaretsaka ( 03/04/2008 21:49)

fijo:
03-04-2008 22:51:35
Lohateny : Re : Didy folo.
izany hoe,fahotana mahafaty ny manao asa sikotra?????


kiiiiii de hisy sekta hilaza koa izany atsy ho atsy hoe any ambositra sy any @ zafimaniry no afobe fa any no mpanao sary sikotra any madagasikara


10. Fody ( 03/04/2008 22:29)
Ity dia fanazavana nomeko an'i Majesty ary ambadika ary fa averiko eto.
aleo hilazako santionany ary isé e: jereo ny fampianarana ny didy 10 ao amin'ny boky katesizy,dia ampitahao @ voalaza ao @ eksaody toko 20,fa tsy ao ny anareo ny didy faha-2 manao hoe: "aza manao sarin-javatra voasikotra.."

Exode 20, 1 – 6: Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Hoy ny Katolika: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”.
Mitovy ve ny zavatra ambaran’ireo sa mifanohitra? Raha mifanohitra lazao izay mampifanohitra azy.
Moa ampy mahalaza izay voalaza ao amn’ny Exode 20, 1 - 6 ve izay voalaza amin’ny hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”. Raha tsy ampy satria nahoana no tsy ampy? Lazao!
fa nosoloina ny didy faha3

Mba mandinika rakoto ò! Angaha io tsy ao anatin’ny didy Folo voalaza tao amin’ny Exode no nolazaina hoe nosoloina ny didy fahatelo.
Ny didy voalohany ho anay dia ny Exode 20, 1 – 6: milaza zavatra iray ihany dia ny tsy hanana Andriamanitra hafa akoatra an’Iaveh.
Ny Didy faharoa dia ny Ex 20, 7: “Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany”. Izay nadikanay hoe: “Aza manonona foana ny anaran'Andriamanitra”.
dia mba ahafeno azy 10 dia ny didy faha-9 no nozaraina roa dia lasa hoe: didy faha-9 "Tu ne convoiteras pas la femme de ton prochain" ary ny tapany faharoa no natao fahafolo manao hoe " tu ne convoiteras pas les biens de ton prochain"

9 - Aza mitsiriritra ny vadin'olona
10 - Aza mitsiriritra ny fananan'olona
Raha ohatra ka VADY = FANANA ho anao dia tsy maninona hajaina izay, fa ho anay ny VADY (olona) tsy mba fanana. Izany hoe ho anay: Ny OLONA dia tsy mitovy amin’ny ZAVATRA.
Manaraka: ny fitsiritana vadin’olona dia midika ho fijangajanga ao am-po sahady hoy i Kristy ao amin’ny Evanjely. Io dia tsy mitovy amin’ny fitsiritana fananan’olona izay mitondra any amin’ny halatra.
Fanampiny:
- Ny fangalana vadin’badin’olona dia midika hoe: Fitsangajanga
- Ny fangalana fananan’olona kosa dia tsy mba fijangajangana fa halatra.
Ataoko fa mazava ny tsy mampitovy an’ireo ka nahatonga ny Fiangonana katolika hizara azy ho roa.
Raha mbola hijanonana ihany ny eo amin'io didy io dia hitodika eo @ ilay faha-efatra isika izay nosoloina ankitsirano alahady izay andro voalohany ilay andro fahafito.

Io ny didy faxatelo ny anay: Mankamasiana ny andro Alahady, aza miasa fa manompo an’Andriamanitra.
Izao aloha no tsy fantatrao: izahay dia Kristiana. Noho izany tsy nanova ny Soratra Masina izahay fa nandray kosa izay Fandavorarina avy amin’i Kristy.
Raha andro fitsaharana ny andro Sabata tao amin’ny Testamenta taloha, ho an’i Kristy dia Andro fiasana hanaovana ny sitra-pon’Andriamanitra izany. Ny andro Alahady, izay andro voalohany, andro nitsangan’i Kristy tamin’ny maty: Andro ny Fandreseny, io no ankalazainay azy satria Kristiana izahay fa tsy Jody akory. Ary ny andro alahady dia Paka Fanombohan’ny fahariana vaovao, fanombohan’ny fiaraha-miasa amin’Andriamanitra indray. Ary io fankalazana ny andro alahady Andron’ny Tompo io dia nolovaina tamin’ny Apostoly izay niara-niaina nivantana tamin’i Kristy.
11. ikaretsaka ( 03/04/2008 23:34)
miombon-kevitra @ ilay hoe "handavorary" fa ts "hanatanteraka"
tsy "accomplir" le izy fa "parfaire"
nolite putare quoniam veni solvere legem aut prophetas non veni solvere sed adimplere
12. mmmhh ( 04/04/2008 06:21)
Fody :
De ahoana zany ny didy ery ambony hoe "aza mijangajanga" sy ny "aza mangalatra?" De 8 ihany ne zany no didy rah zany no teninao satria araka ny teninao
fody:
Fanampiny:
- Ny fangalana vadin’badin’olona dia midika hoe: Fitsangajanga
- Ny fangalana fananan’olona kosa dia tsy mba fijangajangana fa halatra.

De rah mitovy ny dikan'ireo de didy _ zany fa tsy folo intsony,:)

13. majesty ( 04/04/2008 07:11)
mmmhh: miombon-kevitra tanteraka :D
Fody lasa hors sujet io raha eto satria samihafa ilay loha-hevitra :D
14. prime ( 04/04/2008 11:51)
Izay nambaran'ny Soratra Masina ihany no mitombina ary mahadidy folo ny didy folo araka ny nanomezan'i Jehovah azy an'i Mosesy...

Didy voalohany : "Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany." Eksodosy 20:3

Didy faharoa feno ny hoe : « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany." Eksodosy 20:4

Didy fahatelo : "Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany." Eksodosy 20:7

Didy fahefatra : "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy." Eksodosy 20:8

Didy fahadimy : "Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao." Eksodosy 20:12

Didy fahenina : "Aza mamono olona." Eksodosy 20:13

Didy fahafito : "Aza mijangajanga." Eksodosy 20:14

Didy fahavalo : "Aza mangalatra." Eksodosy 20:15

Didy fahasivy : "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao." Eksodosy 20:16

Didy fahafolo : "Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza." Eksodosy 20:17

Amin'ny tranga miteraka adihevitra toa izao indrindra no tsy maintsy iverenana amin'izay tena izy dia izay lazain'ny soratra masina... fa raha fampianaram-piangonana no entina anamarinana azy dia hilaza samy manana ny marina...

Ny lazain'ny soratra masina dia mazava ary ny fanazavàna ireo isaky ny didy tsirairay avy dia mbola hazavain'ny lalàn'i Mosesy amin'ny antsipiriany... ka tsy izay fahazoan'ny fiangonana na fandraisana ny fampianaram-piangonana araka ny katesizy na sekoly alahady na katekomena no marina fa izay lazain'ny soratra masina...
15. Mandefitra ( 04/04/2008 12:47)
Raha dinihana tokoa, dia io araky eksodosy 20:4 no didy faharoa, fa tsy zay nampianarina tsianjery fahiny t@ Sekoly alahady.
@ teny frantsay izy mazava tsara :
Tu ne te feras pas d'idole représentant quoi que ce soit de ce qui se trouve en haut dans le ciel, en bas sur la terre ou dans les eaux plus bas que la terre. (9) Tu ne te prosterneras pas devant de telles idoles et tu ne leur rendras pas de culte, car moi, l'Eternel, je suis un Dieu qui ne tolère aucun rival : je punis les fils pour la faute de leur père jusqu'à la troisième et même la quatrième génération de ceux qui me haïssent, (10) mais j'agis avec amour, jusqu'à la millième génération, envers ceux qui m'aiment et qui obéissent à mes commandements

Raha ilay didy faha 9 - Aza mitsiriritra ny vadin'olona nolazain i Fody no midika hoe
Ny fangalana vadin’badin’olona dia midika hoe: Fijngajangana, dia tsy didy vaovao io zany fa efa voafaokan'ilay hoe aza mijangajanga.

Noho izany mitombina, sady ara-tsoratra masina rahateo, ny didy faharoa :"Tu ne te feras pas d'idole"
16. pissoa ( 04/04/2008 13:06)
Mandefitra : toa tsisy niteny aloha hoe tsy mitombina ilay hoe tu ne te feras pas d'idole e ! Ny didy voalohany mantsy dia efa milaza io : Aza manana Andriamanitra hafa tsy izaho :-D :-D :-D

Didy 10 : Aza mitsiriritra fananan'olona (ao anaty) ... mifandrindra amin'ny Didy 8 : Aza mangalatra (passer a l'acte)

Dia tahaka izany koa angamba no tian'i Fody tenenina :

Didy 9 : Aza mitsiriritra vadin'olona (ao anaty) ... mifandrindra amin'ny Didy 7 : Aza mijangajanga (passer a l'acte).

Tsy "fananana" ny vady no hanavahana ireo didy ireo.

I Jesosy toa tao amin'ny Testamenta Vaovao raha tsy diso aho vao nanakambana ny hoe "Ny fitsiriritana dia efa fijangajangana". Fa tamin'ilay version taloha toa mbola samihafa ireo !

Sa moa raha vao tsy copy-pasted ny Baiboly dia tsy mety ?

17. Fody ( 04/04/2008 15:08)
Misaotra an'i pissoa amin'ny fanazavana.

Fa averiko apetraka amin-dry zareo mahay sy manaja ary manaraka ny Soratra Masina ity fanontaniana ity:
Voalaza ao amin'ny Exode 20, 1 – 6 (dikateny protestanata):
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

Hoy ny Katolika: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”.

[size=14px]Mitovy ve ny zavatra ambaran’ireo sa mifanohitra? Raha mifanohitra lazao izay mampifanohitra azy.
Moa ampy mahalaza izay voalaza ao amn’ny Exode 20, 1 - 6 ve izay voalaza amin’ny hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”. Raha tsy ampy satria nahoana no tsy ampy? Lazao![/size]





mmmhh sy Majesty
Fody :
De ahoana zany ny didy ery ambony hoe "aza mijangajanga" sy ny "aza mangalatra?" De 8 ihany ne zany no didy rah zany no teninao satria araka ny teninao


Hoy i fody:
Fanampiny:
- Ny fangalana vadin’badin’olona dia midika hoe: Fitsangajanga
- Ny fangalana fananan’olona kosa dia tsy mba fijangajangana fa halatra.

De rah mitovy ny dikan'ireo de didy _ zany fa tsy folo intsony,

Mba vakio tsara tompoko ny zavatra voalaza izay vao manao tsikera. Indro averiko eto dia diniho aloha. Mitovy ve sa tsia, inona no tiana havahana amin'ilay fanazavana nomena.

[size=14px]9 - Aza mitsiriritra ny vadin'olona

10 - Aza mitsiriritra ny fananan'olona

Raha ohatra ka VADY = FANANA ho anao dia tsy maninona hajaina izay, fa ho anay ny VADY (olona) tsy mba fanana. Izany hoe ho anay: Ny OLONA dia tsy mitovy amin’ny ZAVATRA.
Manaraka: ny fitsiritana vadin’olona dia midika ho fijangajanga ao am-po sahady hoy i Kristy ao amin’ny Evanjely. Io dia tsy mitovy amin’ny fitsiritana fananan’olona izay mitondra any amin’ny halatra .
Fanampiny:
- Ny fangalana vadin’badin’olona dia midika hoe: Fitsangajanga
- Ny fangalana fananan’olona kosa dia tsy mba fijangajangana fa halatra. Ataoko fa mazava ny tsy mampitovy an’ireo ka nahatonga ny Fiangonana katolika hizara azy ho roa.[/size]

Ary ny anton'io fanazavana io dia ity zavatra nolazain'i Majesty ity:
dia mba ahafeno azy 10 dia ny didy faha-9 no nozaraina roa dia lasa hoe: didy faha-9 "Tu ne convoiteras pas la femme de ton prochain" ary ny tapany faharoa no natao fahafolo manao hoe " tu ne convoiteras pas les biens de ton prochain"


Ataoko fa mazava tsara.


Misaotra


18. Fody ( 04/04/2008 15:13)

Fody lasa hors sujet io raha eto satria samihafa ilay loha-hevitra

Lazao ny mahasamihafa azy, ka maha HS azy!
Angaha tsy didy Folo no resahanao sa zavatra hafa?

Misaotra!

19. ikaretsaka ( 04/04/2008 15:43)
fa maninona tsy ity fotsiny no valiana fa ilaozana mifampitaritarika eo

Fa averiko apetraka amin-dry zareo mahay sy manaja ary manaraka ny Soratra Masina ity fanontaniana ity:

Voalaza ao amin'ny Exode 20, 1 – 6 (dikateny protestanata):
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

Hoy ny Katolika: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”.

Mitovy ve ny zavatra ambaran’ireo sa mifanohitra? Raha mifanohitra lazao izay mampifanohitra azy.
Moa ampy mahalaza izay voalaza ao amn’ny Exode 20, 1 - 6 ve izay voalaza amin’ny hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”.
Raha tsy ampy satria nahoana no tsy ampy? Lazao!


io hitadiavana valiny! sy arguments..
zahay manao hoe mitovy
20. xxx ( 04/04/2008 17:18)
Ary tsy mba hitako tato kosa ny didy folo katesizy hanaovana fampitahana fa izay manana tokony mba handika hojerevana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7772