Didy folo.

81. pissoa ( 18/04/2008 15:55)
Prime:
Tsy ny fandraisanan'i Jesosy azy no roa fa fehin'ny didy folo ireo didy roa ireo... ary Andriamanitra Ray ihany koa no nanome ireo fa tsy Jesosy tsy akory... eo dia efa avilanao ilay hevitra toy ny te-hiteny ianao hoe ny an'i Kristy ihany no tena izy dia ilay "noraisina ara-potokevitra 2"...

Mety tsy avy amin'Andriamanitra Ray ve izany ilay didy nomen'i Jesosy ry Prime ? Fa ilay nomen'i Mosesy naveriny in-2 ihany no avy amin'Andriamanitra Ray ?!

Za tsy mpahay Baiboly fa raha tsy diso aza aho dia niteny i Jesosy hoe nandavorary (io ilay hoe hanatanteraka) ny didy tamin'ny andron'i Mosesy Izy.

:-D :-D :-D :-D :-D
82. ikaretsaka ( 18/04/2008 16:49)
pissoa:

Prime : ireo fanazavana lava be ho ahy ireo dia midika fa mety mitovy ara-keviny ilay didy fa tsy mitovy ara-tsoratra ! Sao mila averina kely hoe ito no nahatonga ahy manontany an'i Prime :

Ny didy folo dia voatsindry tsara araka izay voasoratra fa tsy araka izay fandraisana azy hoe izao no na izao...


Ny araka izay voasoratra amiko dia mitovy izay voasoratra ao. i = i ary a = a.

Ny hoe araka ny fandraisana azy dia ny heviny izany !

Dia ndana ampitahao ny Eks sy ny Det ary ny Didy vaovao ao @ Evanjely raha toa ka tena mitovy ara-tsoratra tokoa, ary tokony ho raisina fotsiny araka ny voasoratra fa tsy araka ny heviny.

:-D :-D :-D :-D :-D


nitovy zahay sy i pissoa eto
io koa anie ra prime no nahatonga ahy nanoratra ny nosoratako teo ambony io e

a partir an'io zavatra nolazainao naverin'i pissoa io mihitsy
dia asa raha izaho no tsy mamaky na ny tianao hahatongavana no tsy voafaritra be ihany hoe ara keviny sa ara tsoratra ..
omaly ara tsoratra ... androany ara-keviny... rahampitso ataonao arak'inona indray?
tonga de avantano hoa fa io mivadibadika io ihany
83. fijo ( 18/04/2008 20:38)
hoy i prime:
"Tsy ny fandraisanan'i Jesosy azy no roa fa fehin'ny didy folo ireo didy roa ireo... ary Andriamanitra Ray ihany koa no nanome ireo fa tsy Jesosy tsy akory... eo dia efa avilanao ilay hevitra toy ny te-hiteny ianao hoe ny an'i Kristy ihany no tena izy dia ilay "noraisina ara-potokevitra 2"..."
i prime ve mino fa jesoa ihany no andriamanitra sa zavatra roa samy hafa ireo?????
84. prime ( 21/04/2008 12:14)
fijo> ny fanontanianao dia miverina any amin\'ny voalohan\'ity lohahevitra ity... amin\'i fijo ve iray sa roa Andriamanitra?

ikaretsaka> :) avereno ary hoe inona ilay voasoratra raha mifandika na samihafa?... fa ny voasoratra dia sady Andriamanitra iray ihany no nanoratra azy, Mpaminany iray ihany no nampita azy, vahoaka iray ihany no nampitàna azy... (izay no tiako ambara amin\'io notsongain\'i pissoa io)

pissoa:
Prime : ireo fanazavana lava be ho ahy ireo dia midika fa mety mitovy ara-keviny ilay didy fa tsy mitovy ara-tsoratra !
... hitanao amin\'izany fa amboarinao ilay izy ho ilay heviny no tena manan-danja satria te-hampiditra fampianarana ianao...

Mazava be, ny didy 10 dia didy 10 na boky inona nanoratana azy na inona... na Eksodosy, na Deoteronomia, na Matio, na Lioka...

Ianao variana mijery ny faingo sy ny tsoraka sy ny teboka amam-paingo nanoratan\'i Mosesy azy, entina hanamarinana ny mahasamihafa ny voasoratra, fa adinonao ny fototra dia izay nanoratana azy hatrany am-boalohany...

Andriamanitra no nanoratra ny didy 10 tamin\'ny vatofisaka ary io hatrany no mbola didy 10 hatramin\'ny faran\'izao tontolo izao... ireo didy ireo ihany no nanaovana trano masina nentin\'ny Zanak\'Israely nialoha ny dia na taiza na taiza rehefa hiditra tao Kanàna izy ireo... io didy io dia hafa no ireo didy ampitainao sy fody ireo...

Averiko indray, raha raisina ara-keviny fotsiny dia \"toa\" mitombina ireo an\'ny ekar ireo... saingy indrisy tsy ireo no nomen\'i Jehovah...

Fantatro ny tianao ahatongavana dia ilay hevitra fototra \"fitiavana\" ao anatin\'ny didy... ekena tanteraka saingy tsy manafoana izany izay nanomezany azy hatrany am-boalohany... Andriamanitra Ray daholo no nanome ny didy folo sy ny didy roa nampatsiahivin\'i Kristy (fampatsiahivana sy fampianarana ary fananarana no nataon\'i Kristy) fa tsy samihafa akory...

Ka tsy ilay didy roa no entina anaronana izay novaina (novain\'ny ekar ary eken\'ny fiangonana protestanta sasany toa ny reformée vitsy2 sy ny loteràna vitsy2) tao anatin\'ny didy 10 fototra fa iray ihany ireo na ilay didiy 10 TT na ny didy 2 TT (= didim-pitiavana roa an\'i Kristy ao @ TV).

pissoa:
Mety tsy avy amin\'Andriamanitra Ray ve izany ilay didy nomen\'i Jesosy ry Prime ? Fa ilay nomen\'i Mosesy naveriny in-2 ihany no avy amin\'Andriamanitra Ray ?!
ny didy nomen\'i Jesosy dia Andriamanitra Ray no efa nanome azy hatrizay fa tsy didy vaovao tsy fantatry ny Zanak\'Israely sy ny Jiosy sy ny Hebreo io tsy akory... tsy ao amin\'ny evanjely no nanomezana ireo voalohany fa efa hatrany @ TT: (voasoratra toy izao amin\'ny anaran\'i Jesosy)

\"Ary tiava an\'i Jehovah Andriamanitrao amin\'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.\" Deotoronomia 6:5
sy ny hoe :
\"...fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.\" Levitikosy 19:18

...ireo no nanomezana azy voalohany, efa hatramin\'ny andron\'i Mosesy... ka avy amin\'i Kristy na tsy avy aminy ahoana? Kristy nanadina mpahay lalàna iray naka fanahy Azy no nahatonga azy nampianatra ireo... (vakio tsara ny nitranga ao amin\'ny Evanjely Lioka 10:25-37 sy ny Matio 22:34-40)
pissoa:
Za tsy mpahay Baiboly fa raha tsy diso aza aho dia niteny i Jesosy hoe nandavorary (io ilay hoe hanatanteraka) ny didy tamin\'ny andron\'i Mosesy Izy.
... izay indrindra... ary raha nandavorary Kristy dia nitondra fiainana sy fampianarana vaovao... izay no nahatonga an\'i Kristy niteny hoe \"Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.\" Jaona 13:34 sy ny hoe : \"Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin\'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.\" I Jaona 2:7

Ny tena olana amin\'ity resaka ity (izaho protestant reformé) dia voasaringotr\'ity avokoa ny zanaky ny katolisisma rehetra... ny didy faharoa nofoanan\'ny ekar aloha miavaka be satria nahitsin\'ny protestanta ihany ho ilay tena izy, fa ilay didy fahefatra no tena olana mikasika ny sabata novaina ho andron\'ny Tompo (alahady)...

Soa ihany fa Kristy no fahatanterahan\'ny lalàna ka nanambara ny tenany ary nampitoetra ny didim-pitiavana ho fototra... fa raha tsy izany dia ao anatiny avokoa...
85. Fody ( 21/04/2008 13:16)
Averiko indray, raha raisina ara-keviny fotsiny dia "toa" mitombina ireo an'ny ekar ireo... saingy indrisy tsy ireo no nomen'i Jehovah...

De hono ho'aho, i prime ve izany tsy maka sary, tsy mapiasa sary, sns...
I prime ve tsy mampiasa automobile, tsy mitaingina ropilna, sns...
I prima ve mino fa i Jesosa Kristy no arahan'ny Kristiana sa tsia?
I prime ve mino fa ny Kristiana, izany hoe izay mino an'i Jesoa, dia sty eo ambanin'ny lalana intsony sa tsia ?
Ho an'i prime, ny lalana ve no ambony, sa ilay nanome azy ?
Ho an'i prime, inona no Teolojia fonoson'ny didy folo ?


Faranay: Inona no dikan'ny hoe: ara-kevitra fotsiny dia mitombina?
Amiko ny filazana zavatra sahala amin'izany dia midika fa ilay olona miteny azy dia miondrika amin'ny BOKY (izay voasoratra) fa tsy mitraka mijery an'ilay MITENY AZY (Izy Andriamanitra). Dia eo amn'izay fihondrehana amin'ny Boky izay no mahatonga anareo milaza loza lava fa tsy mba miteny ny Fitiavan'Andriamanitra. Izay no mahatonga anareo hanabe ny olona ho KITAHORONA fa tsy mba hahatoky ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA izay nolazain'i Kristy, nefa ianareo milaza fa Kristiana.

Misaotra
86. pissoa ( 21/04/2008 13:17)
Hi hi - raha azoko tsara dia sady nitondra zava-baovao i Kristy (... izay indrindra... ary raha nandavorary Kristy dia nitondra fiainana sy fampianarana vaovao) no tsy nitondra zava-baovao fa le taloha ihany no teo ! (Mazava be, ny didy 10 dia didy 10 na boky inona nanoratana azy na inona... na Eksodosy, na Deoteronomia, na Matio, na Lioka...) :-D :-D :-D

Iza tsara no variana amin'ny soratra a ? :-D :-D :-D
87. ikaretsaka ( 21/04/2008 18:30)
izay mantsy
88. fijo ( 23/04/2008 21:00)
prime amiko dia tsy zavatra iray i jesoa sy izany andriamanitra izany.fa aminao ve iray ireo????,izay no tiako ho hay.

zay no mahatonga anareo hanabe ny olona ho KITAHORONA fa tsy mba hahatoky ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA izay nolazain'i Kristy, nefa ianareo milaza fa Kristiana."

io dia marina be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.4363