Didy folo.

41. pissoa ( 07/04/2008 16:22)
Zay ahay ! :-D :-D :-D

Bon - mazava izany fa tsy blem ny sarisary !

Ary blem ve ny miankohoka amin'Andriamanitra raha toa ka misy sary eo anoloana ?
42. ikaretsaka ( 07/04/2008 20:15)
Sarisary zany tsy blem reefa tsy iny no atao ho andriamanitra, zay?????
Sao de lasa manao resaka mamo eto miverimberina @ lazain'i ika,


tsy azoko mihitsy.. 8O 8O

blem sa tsy blem le sarisary e?

Mariho tsara fa i Prime dia nilaza mihitsy fa : Didy faharoa feno ny hoe : « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany." Eksodosy 20:4.


Raha raisina amin'io hevitra voalazan'ny soratra masina io dia tsy tokony hanana karazan-tsary mihitsy ny Protesta na dia iray aza satria amin'io dia tsy ny hanompoana ny sary na ny hanaovana azy hoe "andriamanitra kely" sns no voarara fa ny fanamboarana azy mihitsy. Ny zava-misy nefa - mba efa nahita fiangonana protesta ihany ny tena - dia tena manana hazofijaliana tokoa ry zareo ohatra

ataovy serieux hoa le lojikanareo fa tsss
43. mmmhh ( 08/04/2008 08:18)
ika:
tsy azoko mihitsy.. 8O 8O

blem sa tsy blem le sarisary e?

Efa hoe rah le tsy le sarisary no hivavahana de tsy manompo sampy zany ilay olona fa rah ohatra ka manao kisarisary ka iny no hitsahoana sy hivavahana na hiankohofana de any no mitombina le resaka sampy !!!
"AZA MIANKOHOKA EO ANATREHANY, ARY AZA MANOMPO AZY.... " tsy voatohiko le izy, io teny io no important anaty le didy faha2 fa tsy de le fanaovana sarin-javatra voasikotra lôtra,

Inoako angamba fa ny katolika manao sarin-javatra voasikotra fa SANATRIA ny hiankohoka sy ny hivavaka aminy. Sa tsy izany ry katolika namako?

:D :D
44. majesty ( 08/04/2008 09:38)
ika:
tairo amin'izay ary ny fampitahana dia traiteo ny sujet!


Tsy mitovy fa sahala ilay didy 10 ao @ katesizy sy ao @ baiboly.
Samy didy 10 ny anarany fa ny ao anatiny no misy fahasamihafana,ny iray niniana nasiana fanovàna na ny filaharany na ny sasany amin'ny voalaza ao anatiny (didy faha 2 sy faha 4),fa ny an'ny Protestanta tsy nisy nokitihiny :D
45. pissoa ( 08/04/2008 14:20)
mmmhh :

Ary blem ve ny miankohoka amin'Andriamanitra raha toa ka misy sary eo anoloana ?

Majesty : ny an'ny Protesta natao dika-petaka ny soratra tao amin'ny Eksodosy fotsiny ! Ny an'ny Katolika natao dika petaka ny hevitra - ary tsy nihanona teo amin'ny Eksodosy fa mbola nampiditra ny Evanjely (=Kristianina) !

Dia iza amin'izay no tsy mifanaraka amin'ny Baiboly ?
:-D :-D :-D
46. ikaretsaka ( 08/04/2008 14:35)
pissoa koa mamaky ny ao andohako mihitsy.. saika io no hamaliako azy :-D :-D :-D
47. xxx ( 08/04/2008 16:34)
Ny ahy aloha tsy fanaratsiana ny katolika fa zava-misy no lazaiko fa ny katolika eto @ serasera ngamba no tsy mivavaka @ sary fa raha ny katolika aty @ tany misy ahy aty dia io sary io mitsy no hiankohofana asiana jiro labozia vonikazo , ary tsy toerana iray fa maroa a , ary zay mandalo eo na dia any anaty fiara aza dia mao lakroa ka aiza no tena marina @ izany , refa mahita ilay sary ve le ol de mahatsiaro an'Atra , ary is-maraina dia feno mpivavka eo @ ireny sary ireny koa asa re raha manompo ilay sary izany na Atra fa ilay sary dia i Maria
48. pissoa ( 08/04/2008 17:01)
xxx : tsy dia any loatra angamba ilay ady hevitra eto fa toa hoe aiza ho aiza no tsy mifanaraka amin'ny Baiboly ilay didy 10 @ katesizy :wink:

:-D :-D :-D :-D :-D
49. ikaretsaka ( 08/04/2008 17:07)
izay mantsy
50. majesty ( 09/04/2008 12:56)
pissoa:mitovy ve ny hoe mankamasina ny andro sabata sy ny hoe mankamasina ny alahady. :-*
51. ikaretsaka ( 09/04/2008 14:05)
jiosy ianao sa kristianina?
dia valio arak'izay
52. pissoa ( 09/04/2008 17:03)
:-D :-D :-D :-D :-D
53. fijo ( 09/04/2008 21:31)
misy fanontanian'i fody azo hanisana azy ngamba eo ambony eo.

24. Mpandefa : Fody [ Valio ] 05-04-2008 05:26:01
Lohateny : Re : Didy folo.


Fanontaniana:

1 - ahoana no anisanao an'io didy io ka ilazanao fa folo izy ?
Izao mantsy: Raha miainga avy amin'ny fanisana ny filazana mandrara ("misy AZA" sy ny matoanteny @ filazana mandidy dia mihoatra ny folo izy.

2 - Moa ve tsy ny hevitra fonoson'ny fandrarana sy ny fandidina no miisa ho folo ao anaty ao ?

Mba valio azafady!

io hijerena azy fa mitovy ireo e
54. ikaretsaka ( 09/04/2008 22:13)
raha hisy hiaiky indray ny bebolistra @ hadisoany
55. fijo ( 09/04/2008 22:18)
aza hadino fa ny boky voalohany dia efa nilaza fa 10 ny didy,ka raha nandika io boky io ny taty aorina dia mbola 10 ihany io,raha tsy diso aho
56. majesty ( 10/04/2008 14:12)
ika:
jiosy ianao sa kristianina?
dia valio arak'izay


samy hafa angah ny fandraisana ny baiboly raha Jiosy aho na Kristiana,ary noheveriko fa io baiboly io ihany no niteny hoe :tsy misy intsony na Jiosy na Grika,na Andevo na tsy Andevo.. fa rehefa ao @ Kristy dia iray ihany isika rehetra ka ny fanontaniana mipetraka angamba dia hoe zanak'Atra ianao sa Tsia
57. ikaretsaka ( 10/04/2008 15:36)
eny samihafa..,. ny fihevitra ny sabata sy ny alahady (izay efa voazava atsy ) izao ohatra dia samihafa...
58. pissoa ( 10/04/2008 17:21)
majesty:

ika:
jiosy ianao sa kristianina?
dia valio arak'izay


samy hafa angah ny fandraisana ny baiboly raha Jiosy aho na Kristiana,ary noheveriko fa io baiboly io ihany no niteny hoe :tsy misy intsony na Jiosy na Grika,na Andevo na tsy Andevo.. fa rehefa ao @ Kristy dia iray ihany isika rehetra ka ny fanontaniana mipetraka angamba dia hoe zanak'Atra ianao sa Tsia


Aza manao valintenin'ny mpanao politika fa vao atsy ambadika i Majesty no tsy mety diso @ le hoe mizara roa ny mpivavaka e ! Kristianina ve ny Jiosy ?!

:-D :-D :-D :-D :-D
59. ikaretsaka ( 10/04/2008 22:15)
izay manntsy
60. prime ( 11/04/2008 10:43)
Tsy resaka katolika sy protestanta no iadiana hevitra eto fa izay lazain\'ny soratra masina, manambara ny tenin\'Andriamanitra...

Ny didy folo dia voatsindry tsara araka izay voasoratra fa tsy araka izay fandraisana azy hoe izao no na izao...

Ity koa misy famerenana azy nataon\'i Mosesy ihany :

Didy voalohany : \"Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.\" Deotoronomia 5:7
Didy faharoa : \"Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin\'ny lanitra ambony, na izay ety amin\'ny tany ambany, na izay any amin\'ny rano ambanin\'ny tany. » (Deotoronomia 5:8)« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin\'ny zanaka hatramin\'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin\'izay mankahala Ahy,\" Deotoronomia 5:9
Didy fahatelo : « Aza manonona foana ny anaran\'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon\'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. » Deotoronomia 5:11
Didy fahefatra : \"Fa Sabatan\'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin\'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan\'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.\" Deotoronomia 5:14
Didy fahadimy : \"Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian\'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin\'ny tany izay omen\'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.\" Deotoronomia 5:16
Didy fahenina : \"Aza mamono olona.\" Deotoronomia 5:17
Didy fahafito : \"Ary aza mijangajanga.\" Deotoronomia 5:17
Didy fahavalo : \"Ary aza mangalatra.\" Deotoronomia 5:17
Didy fahasivy : \"Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.\" Deotoronomia 5:17
Didy fahafolo : Ary aza mitsiriritra ny vadin\'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon\'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an\'ny namanao akory aza.\" Deotoronomia 5:18
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.8815