Didy folo.

61. pissoa ( 11/04/2008 11:20)
:-D :-D :-D :-D :-D

Raha araka izay voasoratra fotsiny no hijerena azy ry Prime dia dinidiniho kely fa tsy mitovy akory le Levitikosy sy Det !

62. ikaretsaka ( 11/04/2008 14:50)
tsy azoko intsony...ksodosy le izy sa deternonomosy sa leviitkosy sa lainga febno sakosy?
63. fijo ( 11/04/2008 21:10)
hihihi i nareo le,10 letsy io didy io de izay an.
64. ikaretsaka ( 11/04/2008 21:41)
le hoe taiza le izy no notsiponina no tsy azoko fa tsy ny isany ka .. atsy ksodosy atsy sevitikosy atsy vasakosy...
za ialahy mangarompaosy
65. pissoa ( 11/04/2008 21:46)
:-D :-D :-D :-D :-D

za no nanafangaro an'le eksodosy sy levitikosy ry Ika a ! (Bon - aleo ataoko @ anarana mahazatra ahy fa lasa mifangaro lol). Eksaody sy Det no tiako notenenina teo :-D :-D :-D
66. ikaretsaka ( 11/04/2008 21:48)
pissoa> ianao anie efa tenenina hoe aza mi "saosy saosy" any fa ataon'ny olona anaty sakaosy sy latsaka aby ny hatrany am-paosy e
67. pissoa ( 11/04/2008 21:57)
=)) =)) =))

Ka otran'ny tiako andramana be le miteny Jesosy, Levitikosy, Eksodosy sns fa tsy manavanana ahy koa :oops: :oops: :oops:
68. ikaretsaka ( 12/04/2008 14:22)
dia aza miditra @ kilaoty tsy antonina , fa rehefa azo ny tianao ambara dia izay.
69. niryna ( 13/04/2008 20:22)
xxx:

Ny ahy aloha tsy fanaratsiana ny katolika fa zava-misy no lazaiko fa ny katolika eto @ serasera ngamba no tsy mivavaka @ sary fa raha ny katolika aty @ tany misy ahy aty dia io sary io mitsy no hiankohofana asiana jiro labozia vonikazo , ary tsy toerana iray fa maroa a , ary zay mandalo eo na dia any anaty fiara aza dia mao lakroa ka aiza no tena marina @ izany , refa mahita ilay sary ve le ol de mahatsiaro an'Atra , ary is-maraina dia feno mpivavka eo @ ireny sary ireny koa asa re raha manompo ilay sary izany na Atra fa ilay sary dia i Maria

marina tanteraka io fa tsy manaiky sy tsy laitra dohika ry zareo kanefa moa efa nafafy ny hafatra ka tsy misy na iray aza ho afa-bela eto ry xxx a,ny mahafinaritra dia efa maro ny olona no mivadika ary tsy manao ireo fomba ireo intsony. ka bedy isika raha miresaka an'i Maria fa maman'i Kristy hono iny ka tsy maintsy hajaina toy isika manaja ny ray aman-drenintsika.
MIsy aza any milaza fa ny beben'i Kristy koa anie virijiny hono no niteraka an'i maria e,(anna no anarany)dia itanao amin'izany fa mitatra lava be ilay izy ,dia hoe efa nanambady indray Josefa sns .....tsy misy ao anaty baiboly daholo izany fa dia anjarantsika rehetra no mivavaka azy ireo fa mampalahelo anie izy ireo e,izay no fampianarana azony koa azo omena tsiny kosa ve izy.
-------------------------------------------------------------
Misaotra betsaka pissoa fa ireo nomenao ireo no nampianarina ny olona

pissoa:

Lohateny : Re : Didy folo.
1 - Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho. Manompo an'Andriamanitra ianao. Tiava Azy amin'ny fonao manontolo.

2 - Aza manonononom-poana ny Anaran'Andriamanitra.

3 - Mankamasina ny andro Alahady. Aza miasa fa manompoa an'Andriamanitra.

4 - Hajao ny Raiamandreninao mba ho ela velona ianao.

5 - Aza mamono olona.

6 - Aza mijangajanga.

7 - Aza mangalatra.

8 - Aza aza miapanga lainga ; Aza mandainga.

9 - Aza mitsiriritra vadin'olona.

10 - Aza mitsiriritra fananan'olona.

Mety misy diso ny fanoratako azy

Ireo izany no nampianarina ny olona koa tsy tokony omena tsiny izy ireo raha izay no fantany satria ireo no nampianarina azy.

Tokony tsy hiady hevitra intsony i fody fa tsy ny hoe ny didy folo no tsy voasoratra fa ny nampianarina ny olona no nisy tsy nampidirina.
MIvavaha dia mangataha amin'Atra mba hazava aminao amin'izay ny banga tsy hita tao.Aza miatehitra amin'ny herin'ny tenantsika foana hoy aho fa vakio ny fanazana nomen'ny olona dia anjaranao no mandray izay fantatrao fa marina,ary mivavaha foana mba omen'ny tompo ny fanaha masina hanazava anao,io izao dia ny 1- dia tsy feno ,ny 9-10 izay iray ihany no nozaraina ,tsy tafiditra izany ny hoe
Voalaza ao amin'ny Exode 20, 1 – 6 (dikateny protestanata):
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

Izany hoe tsy nampianarina ny olona ilay izy na mety tsy fantatry ny olona izany hoe inona avy ireo karazana atra hafa tsy azo hivavahana ireo,efa nomena anao amin'izay ilay izy manomboka hatramin'izay fa dia anjaranao no mampianatra ny olona ny tenin'Atra izay mitovy ny ao anaty baiboly .
Tadidio izany ry fody ,sy isika rehetra izany e ,fa i fody no tena tiako ho tenenina ,fa araky ny hametrahana ny fanontaniana no omen'ny olona ny valiny koa ary araka izay fahalalana omena ka marina sy mitombina araka ny voalaza ao amin'ny soratra masina no tokony ho ampiharina amin'ny fiainana satria efa nomena ny fahalalana,ary dia samy ho adidinina amin'izany avy isika

prime:
Izay nambaran'ny Soratra Masina ihany no mitombina ary mahadidy folo ny didy folo araka ny nanomezan'i Jehovah azy an'i Mosesy...

Didy voalohany : "Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany." Eksodosy 20:3

Didy faharoa feno ny hoe : « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany." Eksodosy 20:4

Didy fahatelo : "Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany." Eksodosy 20:7

Didy fahefatra : "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy." Eksodosy 20:8

Didy fahadimy : "Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao." Eksodosy 20:12

Didy fahenina : "Aza mamono olona." Eksodosy 20:13

Didy fahafito : "Aza mijangajanga." Eksodosy 20:14

Didy fahavalo : "Aza mangalatra." Eksodosy 20:15

Didy fahasivy : "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao." Eksodosy 20:16

Didy fahafolo : "Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza." Eksodosy 20:17



ho an'i fody ihany ity,raha ny didy fahafolo dia iray ihany ireo ary samy resaka fitsiriritana avokoa,tsy izany anefa no hiadianao hevitra fa ilay ao anaty baiboly mihitsy(tsy afaka ny manala isika na manampy na dia hoy hianao hoa tsy avy amin'Atra ny baiboly)

: Fody [ Valio ] 05-04-2008 05:26:01
Lohateny : Re : Didy folo.
Fanontaniana:
1 - ahoana no anisanao an'io didy io ka ilazanao fa folo izy ?
Izao mantsy: Raha miainga avy amin'ny fanisana ny filazana mandrara ("misy AZA" sy ny matoanteny @ filazana mandidy dia mihoatra ny folo izy.

2 - Moa ve tsy ny hevitra fonoson'ny fandrarana sy ny fandidina no miisa ho folo ao anaty ao ?
ireo efa nomen'ny olona ireo na i pissoa na i prime na isambo na ny hafa fa dia miverina any aminao indray ny fanontaniana hoe ,moa ve miaiky amin'izay hianao fa tsy izay araky ny eritreretintsika ny tenin'Atra fa izay voasoratra sy nomen'Atra ary nosoratan'ny tanany?

Misaotra.
70. pissoa ( 13/04/2008 20:27)
Ary i Niryna toa tsy "mankamasina ny Sabata" fa Alahady ? Manaraka ny Baiboly ve ny didy arahin'i Niryna ? :-D :-D :-D :-D :-D
71. prime ( 16/04/2008 10:00)
pissoa:
Raha araka izay voasoratra fotsiny no hijerena azy ry Prime dia dinidiniho kely fa tsy mitovy akory le Levitikosy sy Det !
... Eksodosy sy Deoteronomia r'ise no notsongaina a fa tsy Levitikosy...

Raha io ambaranao io dia toy ny te-hiteny zavatra roa :
- hoe samy hafa ireo izay midika hoe, na Andriamanitra nanoratra azy mivantana tamin'ny vatofisaka no samy hafa
- na Mosesy no nivadika ny nambarany ka hafa no noraisiny tany @ Eksodosy dia hafa ny famerenana nataony ao amin'ny Deoteronomia...

Andriamanitra, ilay tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay ihany no nanome ny lalàna, na tamin'ny andron'i Mosesy, na tamin'ny fampianaran'i Kristy na mandrak'ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra samy hafa... didy folo ao amin'ny fanekena taloha ihany no didy folo ao amin'ny fanekena vaovao...
pissoa:
Ary i Niryna toa tsy "mankamasina ny Sabata" fa Alahady ? Manaraka ny Baiboly ve ny didy arahin'i Niryna ?
... ka ny resaka etoana anie tsy hoe iza ary no nahaja ny didy folo fa hoe inona no didy folo nomen'Andriamanitra marina ka nosoratan'Izy tenany tamin'ny vatofisaka nomena an'i Mosesy hotandreman'ny Zanak'Israely...

Sa i pissoa izao tena mahaja feno an'ireo didy folo "katolika" nambaranao ireo?

Andriamanitra aza efa niteny fa tsy misy marina na dia iray aza ny olombelona rehetra... ary ihany koa raha mandika ny iray amin'ireo didy folo ireo dia efa mandika azy rehetra... ka na inona voahaja amin'ireo na iray na roa na sivy, raha vao diso amin'ny iray dia diso amin'izy folo...
72. ikaretsaka ( 16/04/2008 14:00)
fa izay wawawa be anareo iznay rehefa dinihina honettement.. samihafa ve le izy sa tsy samihafa?
izay no tiana ahatongavana
73. pissoa ( 16/04/2008 16:19)
Prime:
... Eksodosy sy Deoteronomia r'ise no notsongaina a fa tsy Levitikosy...

Efa nahitsiko io fa jerijereo ao ambony ao :-D :-D :-D :-D :-D

Prime:

Raha io ambaranao io dia toy ny te-hiteny zavatra roa :
- hoe samy hafa ireo izay midika hoe, na Andriamanitra nanoratra azy mivantana tamin'ny vatofisaka no samy hafa
- na Mosesy no nivadika ny nambarany ka hafa no noraisiny tany @ Eksodosy dia hafa ny famerenana nataony ao amin'ny Deoteronomia...

Andriamanitra, ilay tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay ihany no nanome ny lalàna, na tamin'ny andron'i Mosesy, na tamin'ny fampianaran'i Kristy na mandrak'ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra samy hafa... didy folo ao amin'ny fanekena taloha ihany no didy folo ao amin'ny fanekena vaovao...

Diso ilay hoe "te hiteny zavatra roa" sns ! Tsy ireo mihitsy no tiako notenenina fa :
Prime:
Ny didy folo dia voatsindry tsara araka izay voasoratra fa tsy araka izay fandraisana azy hoe izao no na izao...

Ka iza amin'ilay voasoratra ary no izy ? Satria ekenao angamba fa tsy mitovy ny ao amin'nt Eksaody sy ny Det raha ny soratra fotsiny no jerena ! Ary raha mbola hampitahaina amin'izay voarakitra an-tsoratra amin'ny didy vaovao nomen'i Jesosy (ny soratra ao amin'ny Evanjely) dia mbola vao maika tsy mitovy mihitsy !

Prime:

... ka ny resaka etoana anie tsy hoe iza ary no nahaja ny didy folo fa hoe inona no didy folo nomen'Andriamanitra marina ka nosoratan'Izy tenany tamin'ny vatofisaka nomena an'i Mosesy hotandreman'ny Zanak'Israely...

Sa i pissoa izao tena mahaja feno an'ireo didy folo "katolika" nambaranao ireo?

Andriamanitra aza efa niteny fa tsy misy marina na dia iray aza ny olombelona rehetra... ary ihany koa raha mandika ny iray amin'ireo didy folo ireo dia efa mandika azy rehetra... ka na inona voahaja amin'ireo na iray na roa na sivy, raha vao diso amin'ny iray dia diso amin'izy folo...

Tsy ny hahalala ny fanarahan'i Niryna ny didy no nametrahako fanontaniana - fa jereo ny zavatra soratany aloha - sy ny heviny any ambadika - dia araho araka izay ny dikan'ny fanontaniko, sy ny fifandraisany amin'ny resaka eto !

Raha tinao hosoratako mivantana ilay fanontaniako dia izao : amin'i Niryna - araka ny Baiboly ve ny manaja Alahady sa tsia ?

Ok - dia samihafa ve le izy sa tsy samihafa lol ? :-D :-D :-D
74. ikaretsaka ( 16/04/2008 19:01)
[size=10px]pissoa anie efa ela no lazaiko hoe rehefa milaza zavatra ato dia avantano :[/size]$
75. pissoa ( 16/04/2008 19:17)
Efa io amin'izay le mivantana ary e ! Ho hita eo ze valiny :-D :-D :-D :-D :-D

Ary mitombina ho an' Prime koa hay moa io fanontaniana mikasika ny Alahady io fa tsy ho an'i Niryna ihany lol.
76. prime ( 17/04/2008 13:59)
pissoa:
Ka iza amin\'ilay voasoratra ary no izy ?
... :)
Dia fantaro ary hoe iza no izy!

pissoa:
Satria ekenao angamba fa tsy mitovy ny ao amin\'nt Eksaody sy ny Det raha ny soratra fotsiny no jerena !
... Tsia dia tsia... iray ihany ireo : voalohany aloha samy Mosesy avokoa no nandrakitra an-tsoratra na ny Eksodosy, na ny Deoteronomia (asa raha fantatrao izany)... ny didy folo araka izay hita ao amin\'ny Eksodosy dia noraiketin\'i Mosesy mikasika ny nanomezan\'Andriamanitra azy mivantana ny didy tamin\'ny vatofisaka tamin\'ny soratanan\'Andriamanitra mivantana nirehitra afo... raha mbola variana tamin\'ny filalaovana sy ny fanompoan-tsampy ny Zanak\'Israely rehefa tsy nahita an\'i Mosesy tafajanona ela tany Sinay... ny didy folo araka izay hita ao amin\'ny Deoteronomia dia noraiketin\'i Mosesy mikasika ny tsy maintsy hanajàn\'ny Zanak\'Israely didy ary hanao izany ho antom-piainana satria efa tafiditra tao amin\'ilay toerana nampanantenaina ny Zanak\'Israely, efa fampatsiahivana sisa fa tsy nitovy tranga sy tontolo tamin\'ny Zanak\'Israely mbola tany an\'efitra teo ambany tendrombohitry Sinay... ka iray ihany ireo... ary mbola ireo didy ireo ihany koa no nanovozan\'i Mosesy amin\'ny antsipiriany ka nanoratany ny lalàna rehetra, sady fampiharana no fitarihana no famaizana no fampianarana (lalàn\'i Mosesy) izay voadinika hatramin\'ny antsipirihany ao amin\'ny boky Levitikosy mikasika ny azo atao sy ny tsy azo atao rehetra manoloana ny tranga maro eo amin\'ny fiainana...
pissoa:
Ary raha mbola hampitahaina amin\'izay voarakitra an-tsoratra amin\'ny didy vaovao nomen\'i Jesosy (ny soratra ao amin\'ny Evanjely) dia mbola vao maika tsy mitovy mihitsy !
... izay anie no mahatonga ahy miteny hoe sahala amin\'ny misy Andriamanitra maro ny anao raha izany, na i Jesosy mihitsy no manohitra ny teniny fony Izy mbola tany an-danitra e...

Iray daholo ny didy, na ny didy folo, na ny didim-pitiavana roa nambaran\'i Kristy... tsy i Kristy no namorona ny didim-pitiavana roa fa Andriamanitra Ray daholo ihany... tsy tamin\'ny andron\'i Kristy akory no nilazàna ireo didim-pitiavana ao amin\'ny Evanjely ireo voalohany ka ilazànao fa tsy mitovy amin\'ny didy folo fa ao amin\'ny Deoteronomia sy Levitikosy (fanekena taloha) dia efa nampianarina ny Zanak\'Israely izany araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Kristy :
\"Ary tiava an\'i Jehovah Andriamanitrao amin\'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.\" Deotoronomia 6:5
\"Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin\'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.\" Levitikosy 19:18

Tsy didy vaovao ireo (hoe vaovao tsy fantatry ny Zanak\'Israely sy ny Hebreo sy ny Jiosy) fa fehin\'ny didy folo, ny didy voalohany nampatsiahivin\'i Kristy dia fehin\'ny didy 4 voalohany (fitiavana an\'i Jehovah, fanajàna Azy amin\'ny maha-Andriamanitra Azy, fialàna amin\'ny fanompoan-tsampy, tsy fanononana foana tsy amin\'antony ny anaran\'i Jehovah, sy fanajàna ny andro Sabata hanamasinana an\'i Jehovah)... ny didy faharoa nampatsiahivin\'i Kristy dia fehin\'ny didy 6 ambiny (fitiavana ny Namana, Ray aman-dReny, vady, zanaka, fianakaviana, mpiara-monina, namana, fahavalo ka tsy hikatsahana afatsy izay tsara ho an\'ireo ka ahafoizana ny tena mihitsy...)

Ny nahatonga an\'i Kristy nampianatra ireo didim-pitiavana roa ireo ho toy ny didy vaovao dia satria Izy tenany no fahatanterahan\'ireo fa tsy toy ny didy sy lalàna toy ny taloha intsony... izany hoe ilay fampiharana an\'ireo no nahavaovao ny didy nomen\'i Kristy azy fa tsy vaovao amin\'ny Zanak\'Israely velively ireo didy roa ireo...

Ny tena olana amin\'ny ambaranao dia ilay \"essence\" an\'ilay didy mihitsy no toa tianao tsipihina ho samihafa hatrany amin\'ny voasoratra...

Andriamanitra ilay namorona an\'izao tontolo izao ihany no nanoratra ireo ary nidina tety an-tany ary mbola ho avy hitsara any am-parany... diso be ny fiheverana fa samihafa ny didy voasoratra isaky ny boky... Andriamanitra iray ihany no nanome ireo na tao amin\'ny fanekena taloha na tao amin\'ny fanekena vaovao (nanambaran\'i Kristy ny tenany), na tany amin\'ny boky tantara, na tany amin\'ny boky hira, na tany amin\'ny boky faminaniana...

(miala tsiny fa lava satria mandiso tanteraka izay voasoratra ny ambaranao sahy milaza fa samihafa ny didy ao amin\'ny boky roan\'ny pentatioka izay olona iray ihany koa no nanoratra azy)...
ikaretsaka:
fa izay wawawa be anareo iznay rehefa dinihina honettement.. samihafa ve le izy sa tsy samihafa?
izay no tiana ahatongavana
... iray ihany ny didy folo fa tsy misy karazany...

Raha ireo ambaran\'i fody sy pissoa ireo no didy folo raisinareo dia tsy ireo no didy folo nampianarin\'i Jehovah hotandreman\'ny Zanak\'Israely...

Noho izany samihafa amin\'ny nomena an\'i Mosesy ireo fa tsy ireo no didy folo araka ny nanomezan\'Andriamanitra azy... fampianarana araka ny ekar ireo... (mino aho fa mivantana tsara angamba izay)
pissoa:
araka ny Baiboly ve ny manaja Alahady sa tsia ?... Ary mitombina ho an\' Prime koa hay moa io fanontaniana mikasika ny Alahady io fa tsy ho an\'i Niryna ihany lol.
... fanajàna ny Sabata no araka ny baiboly... ny fanajàna alahady dia tsy araka ny baiboly...

Ary satria Kristy no Sabata dia ny fanajàna an\'i Kristy no fototry ny Sabata fa tsy andro...
77. ikaretsaka ( 17/04/2008 15:46)
Raha ireo ambaran'i fody sy pissoa ireo no didy folo raisinareo dia tsy ireo no didy folo nampianarin'i Jehovah hotandreman'ny Zanak'Israely...


ka zanak'israely isika sa zandrin'i jesoa?
eo isika izao!

raha ara poto-kevitra ary io dia 2 fotsiny no nandraisan'i Jesoa azy: Tiava sy manaja an'Atra dia mifanaja samy olombelona

dia raha resika ara-keviny.. (izay ilay lazaiko foana hoe raiso contexte le izy fa tsy tsimpona raha tsy mbola azon'i prime ny lazaiko foana amin'ilay hoe tsimpona) dia mitovy sa tsy mitovy??
78. fijo ( 17/04/2008 21:27)
tsssss 10 ny didy dia izay,samy mino izay ianareo.ary samy manaraka sy mampiantra "ny sasany amin'ireo isika"
79. prime ( 18/04/2008 11:10)
ika:
ka zanak'israely isika sa zandrin'i jesoa?
eo isika izao!
... anao ny mamaly azy...
ika:
raha ara poto-kevitra ary io dia 2 fotsiny no nandraisan'i Jesoa azy: Tiava sy manaja an'Atra dia mifanaja samy olombelona
...:)

Tsy ny fandraisanan'i Jesosy azy no roa fa fehin'ny didy folo ireo didy roa ireo... ary Andriamanitra Ray ihany koa no nanome ireo fa tsy Jesosy tsy akory... eo dia efa avilanao ilay hevitra toy ny te-hiteny ianao hoe ny an'i Kristy ihany no tena izy dia ilay "noraisina ara-potokevitra 2"...

Raha atao "formule math" io d azo atao toy izao, didy 10=didy(1x4)+didy(1x6), où didy(1x4)=didy I et didy(1x6)=didy II... donc didy 10=didy I+didy II

(tena manana olana amin'ny famakian-teny ve ianao ra-Ika sa mody tsy mahazo???)

ika:
dia raha resika ara-keviny.. (izay ilay lazaiko foana hoe raiso contexte le izy fa tsy tsimpona raha tsy mbola azon'i prime ny lazaiko foana amin'ilay hoe tsimpona) dia mitovy sa tsy mitovy??
... Tena manana olana ianao ra-Ika fa mihevera...

Averiko indray, raha ny didy 10 ekar dia tsy mitovy amin'ny didy 10 nomen'i Jehovah... Ny didy 2 nomen'i Kristy dia tsy hafa fa famehezana sy fampatsiahivana ny didy 10 nomen'i Jehovah ihany...

Ka ny hoe mitovy ve ny didy 2 ekar na ny didy 10 ekar amin'ny didy 10 na ny didy 2 nampatsiahivin'i Kristy izany dia "toa mitovy" amin'ny seho fa tsy mitovy mihitsy amin'ny didy nomen'i Jehovah satria amin'ny ekar ilay didy 10 fototra mihitsy no efa miova...
80. pissoa ( 18/04/2008 15:50)
Prime : ireo fanazavana lava be ho ahy ireo dia midika fa mety mitovy ara-keviny ilay didy fa tsy mitovy ara-tsoratra ! Sao mila averina kely hoe ito no nahatonga ahy manontany an'i Prime :
Prime:
Ny didy folo dia voatsindry tsara araka izay voasoratra fa tsy araka izay fandraisana azy hoe izao no na izao...

Ny araka izay voasoratra amiko dia mitovy izay voasoratra ao. i = i ary a = a.

Ny hoe araka ny fandraisana azy dia ny heviny izany !

Dia ndana ampitahao ny Eks sy ny Det ary ny Didy vaovao ao @ Evanjely raha toa ka tena mitovy ara-tsoratra tokoa, ary tokony ho raisina fotsiny araka ny voasoratra fa tsy araka ny heviny.

:-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576