Didy folo.

21. pissoa ( 04/04/2008 17:26)
1 - Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho. Manompo an'Andriamanitra ianao. Tiava Azy amin'ny fonao manontolo.

2 - Aza manonononom-poana ny Anaran'Andriamanitra.

3 - Mankamasina ny andro Alahady. Aza miasa fa manompoa an'Andriamanitra.

4 - Hajao ny Raiamandreninao mba ho ela velona ianao.

5 - Aza mamono olona.

6 - Aza mijangajanga.

7 - Aza mangalatra.

8 - Aza aza miapanga lainga ; Aza mandainga.

9 - Aza mitsiriritra vadin'olona.

10 - Aza mitsiriritra fananan'olona.

Mety misy diso ny fanoratako azy :-D :-D :-D
22. pissoa ( 04/04/2008 17:29)
Oops,

1 - Manompoa an'Andriamanitra (fa tsy hoe manompo an'Andriamanitra)
4 - Manaja ny Raiamandreninao mba ho ela velona ianao.

:-D :-D :-D
23. ikaretsaka ( 04/04/2008 18:01)
tairo amin'izay ary ny fampitahana dia traiteo ny sujet!

Mitovy ve ny zavatra ambaran’ireo sa mifanohitra? Raha mifanohitra lazao izay mampifanohitra azy.
Moa ampy mahalaza izay voalaza ao amn’ny Exode 20, 1 - 6 ve izay voalaza amin’ny hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho”. Raha tsy ampy satria nahoana no tsy ampy? Lazao!

24. fijo ( 04/04/2008 20:39)
maso tsy misy fombana no hijereko azy ry zareo ,ka izao.amiko dia mitovy ireo lazainareo rehetra ireo.

mety ,ny laharany no misy fiovan akely ngamba arakaraky ny fijerinareo azy,fa amiko dia iray ihany no voalazan'izy rehetra ireo.
25. Fody ( 05/04/2008 03:26)


Fanontaniana:

1 - ahoana no anisanao an'io didy io ka ilazanao fa folo izy ?
Izao mantsy: Raha miainga avy amin'ny fanisana ny filazana mandrara ("misy AZA") sy ny matoanteny @ filazana mandidy dia mihoatra ny folo izy.

2 - Moa ve tsy ny hevitra fonoson'ny fandrarana sy ny fandidina no miisa ho folo ao anaty ao ?

Mba valio azafady!

Misaotra.
26. ikaretsaka ( 05/04/2008 04:13)
izay koa 1
27. pissoa ( 05/04/2008 10:21)
:-D :-D :-D :-D :-D
28. mmmhh ( 05/04/2008 12:35)
Didy Voalohany : mitovy
Didy faharoa :
Protestant « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany (tsy misy ao @ katolika)
Katolika : Aza manonononom-poana ny Anaran'Andriamanitra. (Izay didy fahatelo ao @ protestant)
"Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy."
Didy fahefatra :
Protestant : "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy
Katolika : Mankamasina ny andro Alahady. Aza miasa fa manompoa an'Andriamanitra
.... mitovy ny ankoatr'ireo saingy ny filaharany fotsiny angaha no tsy mitovy.
Dia satria nofohanana sa tsy misy (sao de misy tezitra @ le teny hoe nofohanana) tao @ didi 10 fampianarana katolika ny didy faharoa izay milaza sarin-javatra voasikotra dia nozarainy roa ny didy fahafolo mba hameno ilay isa ho 10 ihany.
"Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza."
De lasa didy faha 9 : Aza mitsiriritra fananan'olona
Didy faha 10 : Aza mitsiriritra vadin'olona.
Zay ny fampitahana tsotsotra hitako!
29. Fody ( 05/04/2008 12:46)


mmmhh:

Mba valio tompoko ilay fanontaniana mipetraka ao amin'ny: 9 - 16 - 18 - 24

Tohizintsika ny ady hevitra avy eo!


Misaotra anao!
30. mmmhh ( 05/04/2008 14:54)
I - Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko
II_ Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho. Manompo an'Andriamanitra ianao. Tiava Azy amin'ny fonao manontolo.
Mitovy FA ataoko hoe tsy feno ny anankiray. Fampitahana ny atao eto de ambarako ny hevitro. Fa aza tezitra e,
Zà tsy hoe manenjika katolika na ny protestant fa ny fanontaniana manitikitika ny lohako zao de ity : marina fa misy fahasamihafana ny dikan-teny ao @ ireo baiboly rao (katolika sy protestant) de iza ary no nanova, ny katolika sa ny protestant? sa HS zà?
31. ikaretsaka ( 05/04/2008 15:23)
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko
II_ Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho.


Inona no maha samihafa io nataoko bold io amin'ilay heo "aza manana Atra hafa ankoatra ahy" ...contextually speaking?
32. ikaretsaka ( 05/04/2008 15:32)
Zà tsy hoe manenjika katolika na ny protestant fa ny fanontaniana manitikitika ny lohako zao de ity : marina fa misy fahasamihafana ny dikan-teny ao @ ireo baiboly rao (katolika sy protestant) de iza ary no nanova, ny katolika sa ny protestant?


Iza no nandrafitra ny baiboly?

avy aiza ilay sy taiza le baiboly no nalain'iza mba hanorenany ny "fiangonany"?

ataoko fanoharana tsotsotra ohatran'ny akanjo (raisiko ohatra hoe pataloha) io amiko, dia iza no namorona ny hoe ohatran'izao ny didin'ny pataloha? dia avy eo nisy nanao short sy pantacourt derivee an'ilay pataloha...
iza no nanova? inona ny asan'ilay pataloha sy short?

amiko resaka design fotsiny fa ny hanakon-kenatra ihany no tena but

toy izany koa io resaka didy io amiko:
samihafa filaza fotsiny fa ny tena dikany sy tanjona dia natao ho arofanina mba hahatsara ny fifandraisana entre n'olona samy olona, Andriamanitra sy ny olona.. ilay izy amiko!

izay angamba no mahavaly ny fanontanianao!
33. pissoa ( 05/04/2008 18:27)
mmmh:
Didy Voalohany : mitovy
Didy faharoa :
Protestant « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany (tsy misy ao @ katolika)


Raha raisina amin'io hevitra soratanao mitokana io (mitovy amin'io koa no nolazain'i Prime ery ambony) io voalazan'ny soratra masina io dia tsy tokony hanana karazan-tsary mihitsy ny Protesta na dia iray aza satria amin'io dia tsy ny hanompoana ny sary na ny hanaovana azy hoe "andriamanitra kely" sns no voarara fa ny fanamboarana azy mihitsy. Ny zava-misy nefa - mba efa nahita fiangonana protesta ihany ny tena - dia tena manana hazofijaliana tokoa ry zareo ohatra.

Izany hoe, amiko, au fond ny protestant dia mahafantatra ihany - na mihevitra ihany - fa ny hanaovana ilay sary ho karazana andriamanitra no tsy mety fa tsy ny fanamboarana na fananana azy. Dia miverina amin'ny didy ho an'ny Katolika ihany satria misy tena misy tokoa ny didy hoe "Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho" ao amin'ny Katolika !

mmmh:
ia satria nofohanana sa tsy misy (sao de misy tezitra @ le teny hoe nofohanana) tao @ didi 10 fampianarana katolika ny didy faharoa izay milaza sarin-javatra voasikotra dia nozarainy roa ny didy fahafolo mba hameno ilay isa ho 10 ihany.

Heveriko fa tsy hoe "tsy ampy 10 ny didy" no antony nizarana azy fa efa nolazain'i Fody ao ambony ao hoe nozaraina ara-keviny io. Ary ahoana kay ny nizaran'ny Protesta ny didy 10-ny ? Isaky ny andininy ao amin'ny Baiboly ve ? Toa tsia. Isaky ny fehezan-tena ve ?

34. pissoa ( 05/04/2008 18:28)
Oops, mialatsiny fa mmmhh kay le ps fa tsy mmmh :oops: :oops: :oops:
35. Rasiligaoma ( 05/04/2008 21:34)
pissoa:
Raha raisina amin'io hevitra soratanao mitokana io (mitovy amin'io koa no nolazain'i Prime ery ambony) io voalazan'ny soratra masina io dia tsy tokony hanana karazan-tsary mihitsy ny Protesta na dia iray aza satria amin'io dia tsy ny hanompoana ny sary na ny hanaovana azy hoe "andriamanitra kely" sns no voarara fa ny fanamboarana azy mihitsy. Ny zava-misy nefa - mba efa nahita fiangonana protesta ihany ny tena - dia tena manana hazofijaliana tokoa ry zareo ohatra.


hafahafa ihany tokoa ilay izy a!
dia arakaraky ny sangisangin'ireo namana eo ambony dia tsy mahazo maka sary koa izany dia fahotana ny manao sary sikotra ve sanatria?

fa ilay izy aloha maha confus e.. tsy hay intsony mahazo, sa tsy azo, ny etsy ambony milaza tsy mahazo nefa ny tena marina atao sy betsaka no manao, dia vokany tsy fantatra intsony hoe ahoana marina no tena izy!

dia ahoana ihany aminay olona tsotra? azo atao sa tsy azo atao? tonga dia tsory ry nama a
36. mmmhh ( 07/04/2008 14:52)
"Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. "
Aza tapahina kosa le izy e, mbola misy tohiny ne le izy e, Aza mionona @ andalan-teny kely io fa tohizo hatram farany.
"AZA MIANKOHOKA EO ANATREHANY, ARY AZA MANOMPO AZY; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko"
De inona zao no mahatezitra @ zany? Inoako angamba fa ny katolika manao sarin-javatra voasikotra fa SANATRIA ny hiankohoka sy ny hivavaka aminy. Sa tsy izany ry katolika namako? Izay le tian'ny didy tenenina fa tsy lay sarin-jvtr voasikotra lôtra no ratsy, fa ny fanaovana azy ho andriamanitra no maha-saropiaro an'Andriamanitra
37. ikaretsaka ( 07/04/2008 15:00)
efe filma efa nandeha indray io :

le resaka "miankohoka sy mivavaka eo aminy" eo aminy io

samihafa ny honorer venerer, et louer...

venerate and worship are 2 different words

raha niakohoka teo anatrehan'i josefa ve i jakoba, na nniakohoka teo anatrhan'ilay azo nodorana nefa tsy may i moizy...
dia nivavaka taminy
38. pissoa ( 07/04/2008 15:01)
mmmhh:
Aza tapahina kosa le izy e, mbola misy tohiny ne le izy e, Aza mionona @ andalan-teny kely io fa tohizo hatram farany.


Oadray kosa e !!! Izaho ve no nanapaka sa i Prime sy i mmmhh no nilaza taminay hoe :

mmmhh:

Didy faharoa :
Protestant « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany (tsy misy ao @ katolika)
Katolika : Aza manonononom-poana ny Anaran'Andriamanitra. (Izay didy fahatelo ao @ protestant)
"Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy."

(Didy fahaefatra no aorian'io)
Prime:
Didy faharoa feno ny hoe : « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany." Eksodosy 20:4

(Didy fahatelo no aorian'io)
:-w :-w :-w

39. pissoa ( 07/04/2008 15:05)
Mariho tsara fa i Prime dia nilaza mihitsy fa : Didy faharoa feno ny hoe : « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany." Eksodosy 20:4. Averiko soratana mba ho hita tsara ilay hoe didy faharoa feno ! ary ny didy hafa dia tsy nasiana io fanamarihana io fa ny faharoa ihany, izany hoe zava-dehibe io !!!

:-D :-D :-D
40. mmmhh ( 07/04/2008 15:57)
ny didy faharoa feno de io misy tohiny io
\"AZA MIANKOHOKA EO ANATREHANY, ARY AZA MANOMPO AZY.... \" tsy voatohiko le izy, io teny io no important anaty le didy faha2 fa tsy de le fanaovana sarin-javatra voasikotra lôtra,
Sarisary zany tsy blem reefa tsy iny no atao ho andriamanitra, zay?????
Sao de lasa manao resaka mamo eto miverimberina @ lazain\'i ika,
ika:
efe filma efa nandeha indray io :

le resaka \"miankohoka sy mivavaka eo aminy\" eo aminy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083