Mombamomba ny namana

1. xxx ( 25/03/2008 14:53)
Iaraha-mahalala fa tsy misy afaka mahita ny mombamomba ny namana raha tsy mahafeno fepetra anankiroa :
- efa nisoratra anarana ary loggué
- efa nameno ny mombamomba azy koa

Noho izany dia heveriko fa tsy mety ny ataon'ny namana sasany izay manao copie-colle ny mombamomba ny namana eto amin'ny forum public. Lasa afaka mahita an'ilay izy daholo ny olon-drehetra na tsy loggué akory aza.

Mba soso-kevitra ho an'ny namana :
- ny rohy mankany amin'ilay mombamomba apetraka dia avelao ny server no hanivana izay afaka mahita azy
- raha tsy izany dia any amin'ny forum tsy public, izany hoe dinika manokana no andikao an'ilay mombamomba.

Dia misaotra antsika :)
novalian'i Papoose ny 16/04/2008 10:29
2. cutie ( 25/03/2008 15:00)
Noho izany dia heveriko fa tsy mety ny ataon'ny namana sasany izay manao copie-colle ny mombamomba ny namana eto amin'ny forum public. Lasa afaka mahita an'ilay izy daholo ny olon-drehetra na tsy loggué akory aza.

miombon-kevitra:)
3. booboo ( 25/03/2008 15:17)
4. tess ( 25/03/2008 15:35)
ka raha tena marina kou mou lay mombamomba manin!
misy nasehon'i dimas zao ao, fanampin'anarana = fasaly kely io zao de marina ve..????:-P
5. cutie ( 25/03/2008 15:47)
tess
tsy misy idiran'ny resaka we marina ve ny mombamomba sa tsia
Tsy misy fitsipika milaza we tsy maintsy milaza ny marina ny mombamomba azy vo afaka misoratra anarana :)ny oul.
6. xxx ( 25/03/2008 15:55)
aiza no hahalalan'ny namana tsy afaka mahita ny mombamomba ny namana eto hoe copie-colle io?
7. cutie ( 25/03/2008 15:59)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 25-03-2008 16:55:08
Lohateny : Re : Mombamomba ny namana
aiza no hahalalan'ny namana tsy afaka mahita ny mombamomba ny namana eto hoe copie-colle io?

tsy mazava zany fanontaniana zany:roll:
8. xxx ( 25/03/2008 16:11)
Noho izany dia heveriko fa tsy mety ny ataon'ny namana sasany izay manao copie-colle ny mombamomba ny namana eto amin'ny forum public. Lasa afaka mahita an'ilay izy daholo ny olon-drehetra na tsy loggué akory aza.


aiza no hahalalan'ny namana tsy afaka mahita ny mombamomba ny namana eto hoe copie-colle io?
9. xxx ( 25/03/2008 16:20)
aiza no hahalalan'ny namana tsy afaka mahita ny mombamomba ny namana eto hoe copie-colle io?
Ilay famoahana mombamomba ny namana mihitsy no tsy mety, na copie-colle na novaina.

sa inona tsara no tsy azon'i xxx ?
10. penina ( 25/03/2008 16:26)
ka tsy copie colle ary ve eh? ony
11. fasaly ( 25/03/2008 16:31)
cutie:

tess
tsy misy idiran'ny resaka we marina ve ny mombamomba sa tsia
Tsy misy fitsipika milaza we tsy maintsy milaza ny marina ny mombamomba azy vo afaka misoratra anarana :)ny oul.

azoko tsara io fa ny tiko lazaina tsy any:)

12. ikaretsaka ( 25/03/2008 17:03)
ary raha nanao fople ilay ps dia ahoana indray.. ohatra hoe te hi prove ny maha fople ilay olona voa?
ohatra hoe ilay mifanaratsy ireny na zavatra tsy manjary
atao karazana piece de confrotation iznay ilay izy hoe "rakoto mipetraka ao Andranotapahina dia.... kay izy any ankazomanga no tena monina" ohatra
mba fanontaniana ny ahy a
13. cutie ( 25/03/2008 17:32)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 25-03-2008 16:00:01
Lohateny : Re : Mombamomba ny namana
Voalaza teo :
Noho izany dia heveriko fa tsy mety ny ataon'ny namana sasany izay manao copie-colle ny mombamomba ny namana eto amin'ny forum public. Lasa afaka mahita an'ilay izy daholo ny olon-drehetra na tsy loggué akory aza.

miombon-kevitra
14. ds ( 26/03/2008 00:01)
Araka ny hevitro, dia mitombina io lazain'i xxx io.
Amin'ny lafiny teknika, dia tsy misy fika azo hanakanana ny fanaovana adika/apetaka tsiambaratelo.
Noho izany, dia tokony hisy fitsipika handrara ny fampisehoana mivantana mombamomba.
ikaretsaka:
(...)ohatra hoe ilay mifanaratsy ireny na zavatra tsy manjary
atao karazana piece de confrotation iznay ilay izy

Ny olana anie, dia androany mety fitadiavana/fampisehoana porofo ny antony fa rahampitso mety ho ankasoparana fotsiny.
Sady afaka mametraka fitaraina any amin'ny tompon'andraikitra anie ny tsirairay, mandefa ny porofo sy ny sisa e. Fiten'i Hery matetika eto ny hoe "izay tsy tianao ataon'ny olona aminao, dia aza atao amin'olona koa" :-)
15. xxx ( 26/03/2008 08:12)
ikaretsaka:
ary raha nanao fople ilay ps dia ahoana indray.. ohatra hoe te hi prove ny maha fople ilay olona voa?
ohatra hoe ilay mifanaratsy ireny na zavatra tsy manjary
atao karazana piece de confrotation iznay ilay izy hoe "rakoto mipetraka ao Andranotapahina dia.... kay izy any ankazomanga no tena monina" ohatra
mba fanontaniana ny ahy a

izay mety ho antony any ... fa ny soso-kevitra narosoko :
za teo hoe:
Mba soso-kevitra ho an'ny namana :
- ny rohy mankany amin'ilay mombamomba apetraka dia avelao ny server no hanivana izay afaka mahita azy
- raha tsy izany dia any amin'ny forum tsy public, izany hoe dinika manokana no andikao an'ilay mombamomba.
mbola azo ampiana soso-kevitra koa hoe : mangataka alalana amin'ny tompon'ny ps

tess, tsy hoe mifandray amina adihevitra manokana nisy an'i diams nanao an'io akory ity dinika ity, fa ankapobeny, diams ou pas. Principe zany e :wink:

Raha ny tena tokony ho izy aza an, dans l'absolu, izay zavatra any amin'ny toerana rehetra ka voafetra ny fahitana azy, dia tokony ho tsy mety raha avoaka public. Ohatra hoe tsikeran'ny sary, hafatra manokana, dinika manokana sns. Fa ny mombamomba ny namana ihany no voaresako aloha.
16. hery ( 26/03/2008 08:55)
Marina mihitsy aloha io nolazain'i xxx io.

Raha exagérer-na kely. Eritrereto hoe mametraka sary ho an'ny namana manokana ianao dia avoakan'ilay namana manokana eto. Tsy misy fomba teknika mifehy an'izany fa mandeha ho azy fotsiny hoe rehefa manokana dia tsy public.
17. Papoose ( 26/03/2008 11:40)
hitombo ray ndray zany ny fitripika zany veu? mety kosa aloha amiko le hvt mba hiarovana ny zon'ny mpamorona eto @ sera2:-P
18. tess ( 26/03/2008 12:37)
xxx: azoko fa ohatra iny noraisiko iny:wink:


hery: ka efa sarin'i namanao manokana kosa ve no hasehon'ilay namana manokana en pub tsy ho gravy izany:°) tonga de azo torina mitsy:-P (izay lay mi exagère)
19. Papoose ( 26/03/2008 12:58)
ohatran'ny mamoaka biby an-davaka ihany zany nefa le biby tsy te hivoaka v!:-D
20. tess ( 26/03/2008 13:03)
:-D:-D:-D mangarona biby andavaka mitsy zany e! hihihi sary ny namanao manokana ve no havoaka n'ilay namana manokana en pub tsy hivadika biby ny afera:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2728