SERA : mandria ampiadanana ianao !

1. ravatorano ( 03/03/2008 09:43)
Amin'ny alahelo lehibe ary tao anatin'ny fahatairana tokoa no ampandrenesanay mpitantanana sy mpikamabana rehetra ato amin'ny namana serasera dago fa nodimandry omaly i sera (ps ihany io):cry::cry::cry:.
Namana mitsikitsiky sy falifaly lava izay izy ary teny amin'ny fihaonana teny Ambohibao Antehiroka no natrehany farany nefa izy dia mpikambana anisan'ny ireo mazotoa tokoa rehefa misy fihanonana aty.

Ny razana dia andrasana eny Sabotsy Namehana ary ny mpikambana aty dago dia hamangy eny amin'ny talata hariva izao na rahampitso izany.
Ny fotoana hifanovantsika dia amin'ny dimy sy sasany eo amin'ny zaridaina antanimena akaikin'ny poste io izany.Irina ny hahatongavan'ny namana maro !

Mivavaha ho an'ny fanahiny !

Ny birao namana serasera Dago
Ny mpikambanan rehetra amin'ny namana serasera dago
:snif::snif::snif::snif:
novalian'i comptezo ny 13/03/2008 17:44
2. kelly13 ( 03/03/2008 09:47)
tsy fantatro i SERA fa na izany aza dia mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviany! ny tombon-dalana no ho azy fa... (tsy tadidiko ny tohin'io fomba fiteny malagasy io) :cry::cry::cry::(:(:(
3. yonikafopl ( 03/03/2008 10:04)
Tena mampalahelo, mirary fiononana ho an'ny fianankaviany.:cry::cry:
4. tslem ( 03/03/2008 10:08)
Mba handry am-piadanana izy, dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.
5. pika ( 03/03/2008 10:14)
dia miombon' alahelo sy miraray fihononana tanteraka ho an' ny fianankaviany
6. ravatorano ( 03/03/2008 10:22)
vao avy niresaka tamin'ny rahavaviny moa ny tenako izany teo dia nilaza izy fa mety hafindra toerana ny razana rahampitso fa tsy ho eny Sabotsy namehana intsony rahapitso ka noho izany dia ho lazaiko aminareo eto indray zany ny toerana hanovan tsika ny famangiana raha toa ka miova izany !
7. ftma ( 03/03/2008 10:24)
Tena malahelo tokoa aho maheno izany vaovao izany mandriam-piadanana sera ary mirary fihononana feno hoan'ny fianakaviany
8. amfhaja ( 03/03/2008 10:34)
mampanahelo tokoa zany, mba teneno ny fianakaviany fa miara-ory aminy isika, tombondalana ny azy fa isika mbola ho any daholo
9. nandrianina1 ( 03/03/2008 10:35)
:(miondrika manoloana ny anjara de mirary fiononana feno ho fianakaviana :(
10. Kwasi ( 03/03/2008 10:49)
Mampalahelo ny vaovao. Ka dia miombona alahelo sy mirary fiononana ho an'ny fianakaviana.
11. bimanoa ( 03/03/2008 10:54)
mandria am-piadanana ry sera !
tena mampalahelo tokou satria d novonoin' ny olona t@ fomba mahatsiravina tao an-tranony ! tena misy olona tsy mataho-tody mihitsy ! izao namela kamboty tsy fidiny !
Miombona alahelo sy mirary fiononana feno hoan' ny fianakaviany !
12. cazal ( 03/03/2008 10:56)
Tsy manakambara fa sady tsy fatatra anarana no tsy fatatra adresse ka akory atao, fa mamangy azy zany ps :roll::roll:
13. menalamba ( 03/03/2008 10:59)
Miaraka ory amin'ny rehetra ny tenanay ,dia misaotra ihany koa anareo namana any an-toerana rehetra @ fanatanterahana ny adidy.
14. kelly13 ( 03/03/2008 11:14)
bimanoa:

mandria am-piadanana ry sera !
tena mampalahelo tokou satria d novonoin' ny olona t@ fomba mahatsiravina tao an-tranony ! tena misy olona tsy mataho-tody mihitsy ! izao namela kamboty tsy fidiny !
Miombona alahelo sy mirary fiononana feno hoan' ny fianakaviany !


mba tena loza koa izany! tena efa nivadika biby v ny olombelona sanatria? :(


15. ratonga ( 03/03/2008 11:28)
ndyyyyy, dia miara-miombokalahelo amin'ny fianakaviany ny tenanay:cry:
16. paris10 ( 03/03/2008 11:33)
isan'ny habibiana nataon'ny tanora gasy taty dago io,nandritra ny herinandro iny dia von'olona fotsiny tsy nisy niainana teto tanà, nandevina tanora no nahalany ny andro, mampalahelo rey olona a;
17. mimich ( 03/03/2008 12:20)
sera < mandria am-piadanana

izay marina ilay fiainana


Ny saiko adala, tsy mety mino
Tsy mety mino, fa tsy ho hita intsony ianao

Feno alahelo, vonton-dranomaso
Miaina izao, ora farany eto izao

Na tsy hino aza, na tsy hiaiky
Tsy maintsy aleha, izao làlanao izao
Izany ihany anie, no hananan-kery
Mifarana eo, ny tantaram-piainanao.

Miverina ato an-tsaina
Ny fihaonana rehetra hatrizay, indrindra fa ny fandehanana teny Sabotsy namehana tamin'ny andro migaingaina sy ny hanohanana, herintaona lasa izay

Miverena hoy aho
Raha mbola azo atao
Fa foana babangoana
Ny toeranao

Satriko ihany, ho eto ianao
Nefa indrisy, ts'isy intsony azo atao
Mino anefa aho, f'any andro iray
Izaho sy ianao, mbola hifankahita indray

Marina fa hoe
Efa voasoratra hatrizay
Vahiny isika, mandalo dia izay
Mbola hody ho vovon-tany
Hanaraka azy ihany
Mafy anefa dia tsy maintsy
Fiainana izany
Mbola hody ho vovon-tany
Tsy azo hidifina mantsy
Fiainana izany
Tsy azo idifiana mantsy "FIAINANA IZANY

Raha nahaheno ny vao2 momba an'i sera aho omaly dia toa te hiantso azy izany hihaino we sao mbola izy no mandray sy mamaly ny tel.

18. paris10 ( 03/03/2008 12:22)
mandrongony ny tanora @ zao fotoana zao,hany ka manao habibiana!
19. Samoana ( 03/03/2008 12:50)
Mirary fihononana ho an'ny fianakaviana sy ianareo namana nifandray akaiky taminy izahay!
20. melody ( 03/03/2008 13:13)
miaraka miombok'alahelo @ fianakams-zany ny namana rehetra :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2059